Créer un site internet
Sorapiainan'i Jean-Pierre Haga
PÔETAWEBS "Tsy azo adika na alain-tahaka raha tsy mahazo lalana avy amin'ny Pôetawebs fa voararan'ny lalàna 94-036 ny 18 septambra 1995 mikasika ny zon'ny mpamorona sy ny mpanakanto"

15 desambra 2019
Ny pôeta raha miteny
dia mampita izay mba reny
sady saininy ombieny
amin'ny gadona avo lenta
mampitony hetaheta :
bitsik'ivan'ny pôeta.
 T.Ràja

sary nindramina tamin'i Vonifanja Ramparany Fantaro i

Jean-Pierre Haga

(1961 - 2018)
Pôeta
Mpanoratra
Mpamoron-kira sy mpihira
— Fandalinan'i Toetra Ràja —

Teraka tamin'ny 2 febroary 1961 tao Parisy i Jean-Pierre Haga Andriamampandry, fantatra amin'ny anarana mpanakanto hoe Jean-Pierre Haga. Efa nisalotra ny anarana Hagamena koa izy (1). Tany Toulouse (Frantsa) no niainany ny fahazazana ary teo amin'ny fahatelo taonany izy efatra mianadahy mpiray tam-po no nitodi-doha teto Madagasikara niaraka tamin'ireo nahitany masoandro. Niverina tany Frantsa indray ry zareo ary efatra taona taty aoriana vao tena niverina niorim-ponenana teto Madagasikara.

Nalefan'ny Ray aman-dReniny nanohy fianarana tany Frantsa (Chalons-sur-Marnes) indray izy teo amin'ny faha 17 taonany toy ireo zokiny roa vavy efa nialoha lalana azy tany. Mpianatry ny anjerimanontolo tany Frantsa mantsy ireo nahitany masoandro ireo ka nanao toy izany koa ho an'ny zanany rehetra. Nanambady an-dRtoa Vonifanja Ramparany izy roa taona taty aoriana ary niaina am-polo taonany tany Frantsa. Niverina nipetraka nandritra ny fito taona teto Madagasikara sy valo taona tao amin'ny nosy La Réunion izy. Teo amin'ny faha 44 taonany (2005) izy no nanapa-kevitra hitoetra maharitra teto Madagasikara, tany Antsirabe raha ny marimarina kokoa, tanàna nahafatesany tamin'ny 24 septambra 2018.

JEAN-PIERRE HAGA SY NY FANABEAZANA
Manana fifandraisana manokana amin'ny antsoina hoe fanabeazana i Jean-Pierre Haga.
Tao amin'ny Ecole Française Ampefiloha no nianarany ny abidia. Tsapany hatramin'ny fahazazany fa tsy tsara ny mpampianatra masiaka amin'ny mpianatra. Zaza tia vazivazy rahateo moa izy, toetra nofikiriny nandritra ny androm-piainany.

Tao amin'ny Lycée J.-J. Rabearivelo no nanohizany ny fianarany, nanomboka ny kilasy fahenina ka hatramin'ny kilasy faharoa, mialoha ny nanohizany ny fianarana momba ny haivarotra tany Frantsa.
Nilaza ho tsy tia fianarana anefa i Jean-Pierre Haga. Ny anabaviny kosa mihevitra fa ny fifehezana nisy tany am-pianarana izay namefy ny fahafahany no tsy tiany (3).

Nanompana fotoana lava tamin'ny fanabeazana i Jean-Pierre Haga ary nifanakaiky tamin'ny ankizy madinika. Mpamoron-kira sady mpihira ary mpitantara angano ho an'ny ankizy koa mantsy izy. Tsy diso anjara amin'izany ireo ankizy nobeaziny tao amin'ny sekoliny "Le village - Ecole Josephine".

ROAPOLO TAONA, ASA TELOPOLO
Asa mifanaraka amin'ny fianarana nataony tany Frantsa momba ny haivarotra no niandraiketany nandritra ny taona maro. Niova seha-piasana maro izy tany Frantsa sy tatsy La Réunion ary teto Madagasikara : fiovana voalaza ho 30 tao anatin'ny 20 taona (2). Efa nandalovany ohatra ny tranom-barotra midadasika, ny fivarotana solika, ny fampielezan-gazety (France Soir, Figaro-portage), ny tsenam-bokatra vao notazana... Ankoatra izay dia efa nampianatra ny taranja haivarotra koa izy (1).
Raha zohina dia mora mahita asa i Jean-Pierre Haga ary sehatra mety ho azo ivalamparana amin'ny loharanon-karena no misy azy. Na izany aza anefa dia tsapany ho tsy mitondra mankany amin'ny tena hasambarana izany satria nisy fiantraikany teo amin'ny fahasalamany mihitsy. Izany indrindra no nahatonga ny vadiny namporisika azy hifantoka bebe kokoa amin'ny hira sy ny soratra, fironana niombonan'izy mivady hevitra teo amin'ny faha 40 taonany.

Mbola tao anatin'izay fiombonana izay ihany koa no nahavitan'izy ireo nanangana sekoly tsy miankina tao Antsirabe efa natsidika etsy ambony.
AINGAM-PANAHY MISANDRAHAKA
Efa fahazaza izy no tia mamaky boky. "Notaizaina tamin'ny famakiana boky izahay efatra mianadahy", hoy ny anabaviny (3). Nohazavainy fa :

"Boky amin'ny teny frantsay no tena betsaka; nisy ihany koa ny tamin'ny teny malagasy indrindra fa ny asa soratr'i Clarisse Ratsifandrihamanana Andriamampandry, izay tsy iza fa anabavin-drainay ihany. Tao anatin'izany fitiavany mamaky boky izany no nanangonany ny vola omena azy ho fananko, ka nividianany ny boky ho azy voalohany indrindra, dia ny "Méditations", boky mirakitra ny pôezian'i Lamartine".

Misy ny tranga tena nanamarika ny fiainan'i Jean-Pierre Haga ka tsy namelany raha tsy nanolatra ho soratra. Anisan'ny fomba nanehoany ny tsy fankasitrahany ny fahasiahan'ny mpampianatra ohatra ilay hirany hoe "M. Germain" (4).

Indraindray anefa dia taona maro aty aoriana vao nofongarin'ny aingam-panahiny ny tranga niainany. Anisan'izany ny bokiny "Vert de peur", nivoaka tamin'ny 2004 (5), kanefa notakarina tamin'ny fotoana nandrantoany fianarana tany Chalons-sur-Marnes tany amin'ny taona 1978. Nampivelatra ny asa sorany ny vokatry ny fifindrafindrany toeram-ponenana : Frantsa sy La Réunion ary Madagasikara.

Tsapa amin'ny aingam-panahiny anefa ny toe-panahy tena malagasy. Karazan'ireny mpanoratra antsoina hoe "mirotsaka" ireny i Jean-Pierre Haga ary sahy mivalampatra amin'ny lohahevitra tolona sy ady amin'ny tsy rariny :

"... tamin'izany ny tsy fanekeny mihitsy ny tsy fahamarinanana, ny fanavakavahana, ny kolikoly, ny tsy fanajana ny maha olona, sns. ka nampiasany ny soratra hanehoany ireny hevitra noheveriny fa tokony hampangaina ireny" (3).

Ao anatin'ny tantara foronina matetika no saha famosahany an'izany fiampangana izany. Moramora kokoa amin'ny olona mantsy "hono" ny mandray hafatra avy ao anatin'ny tantara noho ny ao anaty asa soratra mifono angaly literera (3).

Mankamamy ny angaly kilasika izy izay azony avy tamin'ny famakiana boky sy fijerena sarimihetsika. Mifangaro ao aminy koa anefa ny aingam-panahy teraky ny nofinofy, ny mahatsikaiky, ny ontam-pitiavana. Taratra izany ao anatin'ity hirany nasoratany tamin'ny teny malagasy ity, voarakitra ao amin'ny YouTube ary mitondra ny lohateny hoe "Misy".

https://www.youtube.com/watch?v=RufH6_cr9Y4

Na dia mahatsikaiky aza ity hira ity dia maneho tsara ny fomba fijeriny ny tsy rariny eo amin'ny fiainana. Mihira ny zava-misy izy kanefa tiany hirangaranga ireo tranga maningana eo amin'ny fiarahamonina toy ny hoe :
"Misy mpamily Taxi-Be
tsy mibahana arabe,
misy vava tsy azo hidiana,
misy mpitsara tsy azo vidina,
misy gitara tsy manako
misy Emmo Nat tsy milako"

Tsy mankasitraka ireo mpifikitra amin'ny voninahitra izy toy ny fanindrahindrana firazanana. Taratra ao amin'ny tononkirany hoe 'Ferapara" izany, hira ahitana ny lisitr'ireo mpampandre toy ny hoe :
"Ny rafozany
sy ireo fianakaviana
ary ny taranany
samy tsara fiaviana"

Amin'ny maha mpanabe azy dia mazava ho azy fa mahavantana azy koa ny asa soratra natokana ho an'ny fanabeazana.

LOKA SY FIAVAHANA
Manamarika ny lalana nodiavin'i Jean-Pierre Haga ny fanomezana azy toerana voatokana sy ny loka azony nisesisesy tamin'ny fifaninanana iraisam-pirenena nanomboka ny taona 2004.

- 2004 : lokan'ny Ranomasimbe Indiana sy lokan'ny tantara foronina tamin'ny asa sorany "L’œil du cyclone" sy ny tantara noforoniny "Vert de peur", natontan'i Magnard.
- 2005 : mpanoratra voatsonga ho ao amin'ny revio literera "Notre Librairie" amin'ny maha mpanoratra misandratra azy amin'ny vanim-potoana ankehitriny (lah 158, avrily/jona 2005 - Edisiona ADPF - Paris)
- 2006 : nahazoany loka ny tononkalony "La famille" tamin'ny fifaninanana iraisam-pirenena ho an'ny pôezia nokarakarain'ny Alliance Française tany Lyon (Frantsa)
- 2007 : loka iraisam-pirenana ho an'ny "Hira tsy voafetran'ny sisin-tany" ny lahatsoratra nosoratany "Amours Océanes", fifaninanana nokarakarain’ny "Maison accords production" sy ny "Région Basse Normandie"
- 2014 : loka iraisam-pirenan'ny "Hira tsy voafetran'ny sisin-tany" ny lahatsoratra nosoratany "Lorsque l’ami viendra"
- 2018 : Loka voalohan'ny Indianocéanie teto anivon'ireo nosin'ny Ranomasimbe Indiana tamin'ny alalan'ny tantara foronina "Le jumeau"

SANGAN'ASA
Nahavita be tokoa i Jean-Pierre Haga na dia azo lazaina ho "tara" aza vao nanomboka nanoratra, toy ny nirobohany nihira ihany koa.

Ny teny frantsay no tena manavanana azy fa nobeazina tamin'izany teny izany izy mpiray tam-po. Miroa teny anefa izy rehetra satria ny teny malagasy no ampiasaina amin'ny fifandraisana amin'ny fiaraha-monina (3).

Tantara foronina no tena ahafantarana an'i Jean-Pierre Haga. Misy voarakitra amin'ny boky izy ireo.

- "Vert de peur". 2004. Edisiona Orphie
- “Sitaranes blues". 2008. Edisiona Orphie. Boky sombintantara
- "Oeil du cyclone". 2009.
- “Destins”. 2011. Sombintantara
- "Le jumeau". 2018.
- "Histoire troll"

Tsy iadian-kevitra anefa ny fananany toe-panahina pôeta. Efa nahazo loka rahateo tamin'ny fifaninana iraisam-pirenena mikasika ny tononkalo tamin'ny taona 2004 sy 2006 izy.

Mpamoron-kira izy ary maro amin'ireo tononkalony no nasiany feony. Namoaka ny raki-kira "En plus c'est vrai" sy "A demi-mots" izy tamin'ny 2014 (CD RUN Production).

Ny 2009 dia niara-dalana tamin’ireo mpamoron-kira sy mpitendry zavamaneno hafa i Jean-Pierre Haga toa an-dry Rinah Rakotovao, Tinah Tafarantse, Samuelson Ramboasalama ary nitetezany faritra samihafa manerana an’i Madagasikara toy ny tany Fianarantsoa, Manakara, Toliara, Antananarivo.
SEHATRA
Olon'ny sehatra i Jean-Pierre Haga araka izany, na izy asaina handray anjara, na tena izy mihitsy no mpiombona antoka.

- 2005, fandraisana anjara tamin'ny "Clameur des bambous" tao St-Pierre La Réunion (efitrano Bato fou)
- 2006, fandraisana anjara tamin'ny rindran-kiran'i Mamy Basta, Belahy ary Ifanihy tao amin'ny Alliance Française Antsirabe
- 2006, fandraisana anjara tamin'ny "Fête de la musique" - Alliance française Antsirabe
- 2007, fandraisana anjara tamin'ny "Fête de la musique" - Alliance française Antananarivo
- 2008, fandraisana anjara tamin'ny "Talents du Lycée Français" Antananarivo
- 2009 (mey), rindran-kira "Quelques mots" nokarakarain'ny Institut Français – Madagasikara
- 2010, fitetezam-paritra tamin'ny rindran-kira, nantsoina hoe "Paroles et Mozika", tany Toliary, Fianarantsoa, Manakara ary Antananarivo, nokarakarain'ny "Alliance française"
- 2012, rindran-kira "Belahy et Haga", tao amin'ny trano fanaovam-pety Antsirabe
- 2013, rindran-kira "Moment poézik" tao anatin'ny "15ème Printemps des poètes" nokarakarain'ny Institut Français – Madagasikara
- 2016, fikarakarana rindran-kira maimaimpoana ho an'ny gadra ao amin'ny fonjan'Antsirabe

ATRIKASA SY SAHOBY
Mpandray anjara amin'ny sahoby, fihaonambe, tafa sy dinika ara-literatiora teto an-toerana sy tany ivelany i Jean-Pierre Haga.

- 2006 (ôktôbra), "Salon du Livre de jeunesse de l’Océan Indien", andiany faharoa, tao La Réunion (ADBEN), niavaka tamin'ny rangotsiaro, tafatafa tamin'ny mpianatra, dinidinika...
- 2007, "Lire en fête", firotsahana an-tsekoly sy trano famakiam-boky, nokarakarain'ny APPEL (Amicale Pour la Promotion de l’Ecriture et de la Littérature) – Direction des Affaires culturelles tao Mayotte
- 2007, "Heure du conte", dinika an-tsary amam-peo niarahana tamin'ny "Salon du Livre de Paris" – Institut français, Madagasikara
- 2008, "Nuit de l’écrit", fihaonan'ny mpanoratra sy mpihira, Lisea Français Antananarivo
- 2008, "Printemps des poètes" tao anatin'ny Herinandron'ny teny frantsay, firotsahana an-tsekoly sy trano famakiam-boky natao tany Mayotte
- 2008, fihaonambe niarahana tamin'ny mpanoratra Jean Claude Mourlevat sy Florence Ink niompana tamin'ny literatioran'ny fahatanorana, Institut français, Madagasikara
- 2008, fihaonambe literera noho ny fivoahan'ny boky tantara nosoratany "Sitarane blues", nentanin'ny tsikera litereran'i Pierre Maury – Institut français, Madagasikara
- 2010, fanentanana ara-kolontsaina misokatra ho an'ny rehetra tao amin'ny ny trano fanangonan-tsary amam-peon'ny Institut français, Madagasikara
- 2010 (febroary - jolay), atrikasa momba ny fanoratana tao amin'ny CCAC, Madagasikara
- 2011, tafa sy dinika momba ny boky tao Parisy, nanaovany rangotsiaro
- 2011, fihaonana mahakasika ny karinem-pandehanana, Clermont-Ferrand (Frantsa), nanaovany rangotsiaro
- 2012, atrikasa / fihaonana tao anatin'ny Andron'ny fampahalalam-baovao sy tahirin-kevitra, "Croque de la doc", Institut français, Madagascar
- 2014, atrikasa ho an'ny soratra, fihaonana, rindran-kira tao anatin'ny herinandron'ny haikanto, kolejy Réné Cassin, Fianarantsoa
- 2014, atrikasa momba ny fanoratana tao anatin'ny lohahevitra "ny mpanoratra any an-tsekoly", lisea A. Resampa sy lisea Mandaniresaka ao Antsirabe, lisea Raherivelo Ramamonjy sy lisea Mahazengy Fianarantsoa
- 2017, atrikasa momba ny fanoratana tao anatin'ny lohahevitra "Histoire à la suite", Alliance française Antananarivo


OLON'NY FIARAHA-MONINA
Tsy iadian-kevitra ny maha olon'ny fo an'i Jean-Pierre Haga. Na dia manompana fotoana lava ho an'ny soratra sy ny fitantanana ny sekoliny aza izy dia tsy ampandeferiny ny fikajiana ny fifandraisana amin'ny fiaraha-monina. Tia vazivazy hatrin'ny fahazaza moa izy, hoy isika tetsy ambony, ary tsy mifidy olona iresahana (2) :

"Betsaka rahateo koa ny karazana asa sy olona nifanerasera taminy. Mora mifandray tamin'ny olona izy, ka na polisy na dahalo, resahiny avokoa, ary mahafinaritra ny olona ny miresaka aminy!"

Tia "mampiresaka" mihitsy aza izy (2) ka noho izany indrindra no ahaizany mandinika, mamakafaka, mitsikera ary ahasahiany milaza ny heviny :
"Teo angamba no nifoha ilay naha mpanoratra azy" (2).

Tia mikojakoja ny tokantranony izy ary mahavatra manokana fotoana mihitsy amin'ny fahandroan-tsakafo. Izy mihitsy no manokona ny nahandron'ny mpianatry ny sekoliny isaky ny antoandro (1).

FISAORANA
Sitraka sy telina ho an-dRtoa Vonifanja Ramparany tamin'ny tahirin-kevitra natolony
__________________________
(1) Loharano : FNAC
tsikaritra ao amin'ny :
https://livre.fnac.com/a7711784/Jean-Pierre-Haga-Vert-de-peur#ficheResume
(2) Araka ny voalazan'i Vonifanja Ramparany vadiny tao amin'ny :
https://livre.fnac.com/a7711784/Jean-Pierre-Haga-Vert-de-peur#ficheResume
(3) Araka ireo angona nampitain' i Vonifanja Ramparany vadiny tamin'ny Pôetawebs.
(4) https://www.paroles.net/jean-pierre-haga/paroles-germain
(5) https://www.amazon.fr/Vert-peur-Jean-Pierre-Haga/dp/2877639932

poetawebs@gmail.com

Date de dernière mise à jour : 14/12/2019

×