Vola ve? Tononkalon'i Bolespara, nohadihadian'i Faniry Ezeckiel
PÔETAWEBS "Tsy azo adika na alain-tahaka raha tsy mahazo lalana avy amin'ny Pôetawebs fa voararan'ny lalàna 94-036 ny 18 septambra 1995 mikasika ny zon'ny mpamorona sy ny mpanakanto"

27 janoary 2020
Ny pôeta raha miteny
dia mampita izay mba reny
sady saininy ombieny
amin'ny gadona avo lenta
mampitony hetaheta :
bitsik'ivan'ny pôeta.
 T.Ràja
sary nindramina VOLA VE?
Mpanoratra : Bolespara (Rafanoharana)
Loharano : Tononkalo (1966) tak 30-31
Nanadihady : Faniry Ezeckiel

Bolespara
Faniry Ezeckiel

Vola... Litera efatra monja, ilay karohin'ny maro fatratra fa hoe "hozatry ny fiainana", ary matetika dia mifamatotra lava amin'ny fitakiana ny rariny eo amin'ny fiarahamonina malagasy izy. Teraky ny zava-misy tokoa ny literatiora ka mifototra amin'ny fitiavam-bola tafahoatra eo amin'ny olombelona ny aingam-panahy novolain-dRafanoharana ho sorakanto ity. Efa tamin'ny taona 1959 no nanoratany azy izay mbola tao anatin'ny vanim-potoana fitakiana  fanarenana. Noraketiny anatin'ity tononkalo ity ireo voka-dratsy ateraky ny fitiavam-bola tafahoatra. Nabaribariny mazava koa ny fetran'ny herin'ny vola.

Zovy moa ny Malagasy taloha no tsy mitady vola hikarakarana ny ankohonana? Sinaingy tsy hadinony velively ny fitandroana ny fihavanana. Niezaka izy ireo nampanjaka ny rariny sy ny hitsiny ary nitandro hatrany ilay toetra mendrika mitory fahamboniana tao anatiny. Tsikaritry ny mpanoratra teto fa mivaona amin'ny tokony ho izy ny mpiara-monina, manakalo ireo tsaran'ny razana amin'ny vola, manary ireo soa azo alain-tahaka fa mirona amin'ny fitiavam-bola tafahoatra, noho ireo kolontsaina sy toe-tsaina novolen'reo vahiny teto angaha!
Mamefy manda sahady izany fironana mitera-boka-dratsy maro eo amin'ny fiarahamonina izany ny pôeta eto. Misarika ny sain'ny Malagasy izy hahatsapa ireo olana miharo loza mitatao ateraky ny fitiavam-bola tafahoatra.


Tolorany ny hafatra voalohany ireo tanora eto izay tsikariny fa miaina ny tsy fahamendrehana lalina. Noho ny filàna ara-bola mirongatra loatra dia very ny hasina maha olona, tsy manisy vidiny ny anarany intsony noho ny faniriana mitosaka ta hahazo vola be. Tsy ny tenany ihany no tsy misy hajany intsony fa na ny fianakaviana aza dia milanja henatra! Ny tovovavy no singaniny mialoha ao amin'ny andininy faharoa amin'ity tononkalo ity. Voalazan'ny mpanoratra fa tsy mitandro ny fahadiovam-batany intsony ny sasany amin'ireo tovovavy fa diso tia vola loatra : manakalo vola ny hasin'ny vatany. Tsy miolaka mihitsy Rafanoharana manambara hoe :
 
"Vola ve ry tovovavy
No hivarotana ny tena
Ka ny hajam-pianakavy
Hosimbana sy hohosena?"
 
Tsy ny tovovavy ihany anefa no ampitany hafatra mafonja mahatonga saina amin'ny vokatry ny fitiavam-bola be loatra fa ny tovolahy koa.

Manao tsinontsinona ny vatany koa izy ireo amin'ny alalan'ny fitondran-tena mamohehatra, fanaovana herisetra tsy am-pieritreretana ka zary lasa fanetriben'ny tany ama-monina.

VOLA VE?

O! mahaiza misafidy
'Zay mba "rariny" hatrany
Fa ny "vola ve hangidy"
Raha tany koa ny tany!

............................
Vola ve ry tovovavy
No hivarotana ny tena
Ka ny "hajam-pianakavy"
Hosimbana sy hohosena?

Vola ve ry tovolahy
No avelanao hamarina
Hamonoana ny fanahy
Hivarotana ny "marina" ?

Vola ve ry ray sy reny
No hanitsahana ny ory,
Ka ny feony mahonena
Tsy mba hohenoina akory?

Vola ve no hanimbana
Fihavanana zareo:
'Lay fitiavana nafana
Zary zava-mankaleo?

Ho entina aiza mba lazao
'Tony vola ankamamiana?
Vao mipy ny masonao
Dia tsy anao 'lay nahaliana!

Dia ny fasana hitondrana
'Tony nofo tsisy aina
Dia mitana ny lalàna
Hoe : "Ny vola tsy ilaina!"

O! ny vola tsy hangidy
Raha tany koa ny tany
Koa ny hendry misafidy
'Zany rariny hatrany!

RAFANOHARANA (1959)

"Vola ve ry tovolahy
No avelanao hamarina
Hamonoana ny fanahy
Hivarotana ny marina?"
 
Hoy ny pôeta manantitra sy mampieritreritra ny tanora.
 
Manaitra tokoa ny sarinteny ampiaisany hoe : "Hivarotana ny marina" eto. Ta hanambara izy fa mahery tokoa ny vola ka simban'ny lainga afafy ny maro, izay fahasimbana mety hihoatra noho ireo voriky ny mpamosavy raha ny fandiniky ny razana fahiny, aleo tokoa manko mifanena amin'ny mpamosavy hoy izy ireo, toy izay mifanena amin'ny "mpivarotra ny marina" araka ny voatonona eto.

Tsy ny fahapotehan'ny hasina maha olona ihany fa ny fisehoan'ny tsy rariny isan-karazany koa dia vokatra ratsy loatra aterak'ity fitiavam-bola tafahoatra ity. Rehefa voatonona ny tanora dia ny Ray aman-dReny indray no itsikafonan'ity asa soratra ity. Noho ny filàna ara-bola tafahoatra ihany dia manjaka ny tsy rariny eo amin'ny fomba fitondrana zanaka. Manjaka ny herisetra araka izany. Raha nilaza ny ntaolo taloha fa "Ny Ray aman-dReny tsy mahafoy zanaka...", eto kosa dia ny mifanohitra amin'izany fahendrena izany no miseho : ny Ray aman-dReny indray no mivaro-janaka amin'izay olona hahitany tombotsoa. Terena hitia olona tsy safidiny ny fony noho ny fitiavan-tena tafahoatra ateraky ny vola. Manamafy izany ity andinin-tononkalo eto ity:
 
"Vola ve ry ray sy reny
No atakalo sombinaina
Ka ny olon-tsy ekeny
No anereny fo sy saina?"
 
Tsy ireo sokajin'olona ireo ihany anefa no mampanjaka ny tsy rariny noho io vola io fa voatsikafona koa eto ny fanararaotam-pahefana  ataon'ireo misora-tena ho ambony fa hoe nasondrotry ny vola. Miharihary toy ny tafika andrefan-tanàna ny fanaovan'izy ireo tsinontsinona ny madinika sy ny sahirana ka zary lasa tohatra fiakaran'izy ireo matetika. Vokatry ny fanompoana tafahoatra ny vola avokoa izany ka mahafaty tanteraka ny eritreritra ao anatin'izy ireo mihitsy. Tsy misy fitsinjovana ny hafa intsony fa fitiavan-tena no arangaranga etsy sy eroa, tsy vitan'ny hoe tsy mitsinjo fotsiny anefa fa mbola maniratsira sy manosihosy ny hasin'ireo heveriny ho fadiranovana. Amin'ireo heverina ho fadiranovana ireo anefa dia mety hisy ambony toe-tsaina. Mbola maneho izany ny rango-penin-dRafanoharana hoe :
 
"Vola ve ry be harena
No hanitsahana ny ory
Ka ny feony mahonena
Tsy mba hohenoina akory?"
 
Toa mitory fihetseham-po malahelo izany andinin-teny izany. Mipetraka eo amin'ny toeran'ireo ory ny pôeta ka hontsa ery manoloana ny fomba ratsin'ireo "be harena".
 
Ary farany dia ny soatoavina nireharehana fahiny mihitsy no indro simban'ny vola. Potiky ny toe-tsaina samy maka ho azy ny Malagasy noho ny fitiavam-bola tafahoatra ihany. "Aleo very tsikalakalam-bola toy izay very tsikalakalam-pihavanana" hoy ny ohabolan-drazana kanefa tsy misy lanjany intsony izany fa nanimbana ilay fihavanana nolalaina ny vola tsy voafehy.

"Vola ve no hanimbana
Fihavanana zareo
'Lay fitiavana nafana
Zary zava-mankaleo"

Hoy ny hiakan'ny mpanoratra eto, mampiaka-peo an-tsoratra fa very hasina noho ny fitiavam-bola tafahoatra ny firenena satria anisan'ny maneho hasarobidin'ny tany iray ny kolontsainy sy ny soatoaviny.
 
Notsikeraina ato amin'ity sorakanto ity avokoa ny haratsiana vokatry ny tsy fahaiza-mandanjalanja sy mitantana ara-dalana ny vola. Iantefan'ny voka-dratsiny avokoa ny mpiara-monina. Ny tanora tsy manisy hasina ny fananam-panahy fa mampanaram-po ny vatana. Mba ahoana re ny fahasahiranan'ny ray sy ny reny nitaiza? Ahoana ny loza mitatao amin'ny manodidina? Mba ahoana ny hiafaran'ny hoavin'ireo ankizy manoloana ny ray sy reny tokony ho fitaratra saingy mivaro-janaka? Ary ireto mpiondam-bola, mpanararaotra fahefana, aiza ny fampanjakana ny rariny sy ny hitsiny? Azo vinanina ve ny herisetra maro aterak'izany?

Rehefa tsara vahavaha ny herin'ny vola sy ny olana aterany dia andeha haseho indray fa manam-petra ny herin'io vola io araka ny voalazan-dRafanoharana hatrany.
 
Iaraha-mahalala fa manam-panombohana sy manam-piafarana toy ny zava-manana aina rehetra ny olombelona. Izay teraka tsy maintsy mbola ho hody vovo-tany. Tsy misy maty hikirakira vola fa ny velona ihany. Eto amin'ny tontolom-pahavelomana ihany araka izany no hahatsapana ny tsiron'ny vola izay nitondra voka-dratsy maro ny fanompoana azy araka ny efa hita teo. Ka na toy ny inona na toy ny inona fananana azy sy endrika nitondrana azy dia miara-maty amin'ny tompony ny heriny satria tsy afaka ny hitondra na variraiventy monja aza any amin'ny tontolon'ny trano vato. Mametra-panontaniana sy mamaly izany eto ny mpanakanto mandresy lahatra fa tsy misy lanjany akory ny vola rehefa tonga ilay ora farany:
 
"Ho entina aiza mba lazao
'Tony vola ankamamiana
Vao mipy ny masonao
Dia tsy anao ilay nahaliana".
 
Kanto sady mifono hevitra mafonja mitondra hafatra ity andininy iray ity eto.

Mbola hamafisin'ity asa soratra ity ny eo ambanin'iny andininy iny, taratry ny fiainana any ankoatra izay masiaka ery amintsika olombelona, fa ho vovoka ilay nofo nankamamy vola. Foana hatreo ny filan'ny nofo izay fototry ny fitiavam-bola ka toy ny tsy nisy ilay zava-nireharehana fony fahavelona. Hoy indrindra ny pôeta manohy ny kantony:
 
"Fa ny fasana hitondrana
'Tony nofo tsisy aina
Dia mitana ny lalàna
Hoe: "Ny vola tsy ilaina"."
 
Ampitenenin'ny mpanoratra mihitsy eto ny fasana  amin'ny alalan'ny sarinteny izay mahalasa eritreritra tokoa ho an'ny mpamaky, toy ny hoe fanjakana iray tan-dalàna ny rangolahy hatoriana rahatrizay.

Eo am-panombohana sy eo am-pamaranana ny aingam-panahiny ny pôeta dia manolo-kevitra sy mandresy lahatra moramora fa raha manam-petra tokoa ny vola sy ny heriny, tsy aleo ve mampanjaka ny rariny toy izay hitondra laza ratsy amin'ny fiaina-mandalo noho ilay vola manam-petra?
 
"O! mahaiza misafidy
'Zay mba rariny hatrany
Fa ny vola ve hangidy
Raha tany koa ny tany"
 
Hoy ny fiandohan'ilay aingampanahy.

Tsy mifanalavitra amin'ny andininy voalohany ny andininy farany sady fanehoana ny endrika kanto amin'ny tononkalo, raha ny endrika ivelan'ny tononkalo no asiana jery. Miampy fanamafisan-kevitra anefa izany raha dinihina amin'ny endriny hafa. Ambarany mantsy fa olon-kendry izay misafidy ny rariny manoloana ny fakam-panahy arantin'ny vola. Hoy indrindra Rafanoharana ao amin'ny andininy farany amin'ity soratra manabe ity:
 
O! ny vola tsy hangidy
Raha tany koa ny tany
Koa ny hendry misafidy
'Zany rariny hatrany".

Araka ny fandinihantsika ny hevi-dehibe faharoa navoitran'ny pôeta teo dia fantatra tokoa fa mifarana eo am-baravaram-pasana ny herin'ny vola fa ny rariny kosa, lova tsara apetraka ho an'ny mpiara-monina ka tsy hanenenana. Aleo tokoa anie halan'andriana toy izay halam-bahoaka araka ny ohabolana. Koa tsy aleo ve miaina ny rariny feno hafaliana miaraka amin'ny olona toy izay hananan'ny hafa alahelo mandra-maty noho ny vola mandalo sy miserana toy ny aina lahin-tokana?

Eto am-pamaranana dia tsapa tokoa fa nahatontosa ny andraikiny ity sorakanto iray novolain'ny fanahin-dRafanoharana ity, nahavita nitety vanim-potoana mba hanabeazana ny mpiray tanindrazana hamerina hiaina ny soatoavina sy ny toetra mendrika maha olona fa tsy hanaiky hofehezin'ny vola. Ny asasoratra tahaka itony no tena takian'ny vanim-potoana ankehitriny, izay hanjakan'ny fitiavan-tena diso tafahoatra ka mamono ny eritreritra noho ny fitiavam-bola tafahoatra. Tsy ny vola tokoa no ratsy fa ny toe-po hitiavana azy no tokony ho lanjalanjana. Harena lavitra noho ny vola manko ny olo-miaina rehetra.

FANIRY EZECKIEL

Loharano
Rafanoharana, 1966. "Tononkalo". Imprimerie Fanotam-boky Malagasy Rue Carayon Antananarivo. Natonta: 3.000. Oktobra 1966

Mpandalina : Faniry Ezeckiel
Mpandrindra : Toetra Ràja
© poetawebs@gmail.com

Date de dernière mise à jour : 26/01/2020