Sarotra ambara, tononkalon'i Ny Avana nohadihadian'i Faniry_Ezeckiel
PÔETAWEBS "Tsy azo adika na alain-tahaka raha tsy mahazo lalana avy amin'ny Pôetawebs fa voararan'ny lalàna 94-036 ny 18 septambra 1995 mikasika ny zon'ny mpamorona sy ny mpanakanto"

27 marsa 2020
Pôetawebs Ny pôeta raha miteny
dia mampita izay mba reny
sady saininy ombieny
amin'ny gadona avo lenta
mampitony hetaheta :
bitsik'ivan'ny pôeta.
 T.Ràja
Pôetawebs
sary nindramina EKEKO

Mpanoratra :
Rado
Loharano : Dinitra. 2017. Tak 102
Nanadihady : Faniry Ezeckiel


Rado
Faniry Ezeckiel

Ny Malagasy dia nahatsapa fa sarotra ny miaina ary fantany tsara fa tsy misy mahavita miaina irery fa ilaina ny hafa. Teraka teo ny fihavanana sy ny soatoavina maro maneho ny fiombonana ka nahay nifandray sy nifankahazo ny olona. Noho isika itoeran'ny fo amam-panahy anefa dia lazoin'ny alahelo rehefa voaratra io maha isika antsika io, dia ny fisarahana izany. Zavaboary natao hiara-monina manko isika. Eo indrindra no ifotoran'ity tononkalo nosoratan'i Rado tamin'ny mey 1969 ity izay notsongaina tao amin'ny boky Dinitra takila faha 102 mitondra ny lohateny hoe: EKEKO.

EKEKO

Ekeko fa misy veloma tokoa
atao amin'ny maty : arahina saona
fa fara-veloma mangidy kokoa
Ny an'izay velona tsy afaka hihaona

Rado (mey 1969)
In Dinitra. 2017. tak. 102

Asongadiny ao fa mafy amin'ny olombelona ny fisarahana. Amin'ny endrika ahoana tokoa moa izany no isehoan'io fahatapahan'ny fifandraisana io? Mizara roa miavaka tsara ny nanehoan'ny mpanoratra azy eto izay ezahina hovelabelarina. Voalohany dia ambarany ny fahoriana ateraky ny fisarahana aman'aina ary faharoa dia asehony fa mbola mangirifiry kokoa ny fisarahan'ny samy velona. Ary farany dia ezahina hovoaboasana ny lanjan'ny fihavanana teo amin'ny Malagasy.

***

Mafy teo amin'ny Malagasy ny fisarahana aman'aina. Olona nahay nifankatia sy nifanampy teo amin'ny andavanandrom-piainany ny Malagasy, niainany mihitsy izany hoe "iray vatsy, iray aina" ka rehefa tonga ilay fisarahan'ny vatana amin'ny aina dia mahatsapa hirifiry izy ireo satria toy ny nanombinana ny ainy noho ilay tadin'ny fifankatiavana nifamatorana. Araka izany, tsy nanao tsinontsinona ny maty ny Malagasy fa ory tokoa noho ilay fahatsapana ny ra iraisana sy ny soa nifanaovana.

Eny, tsy voafetran'ny hoe soa nifanaovana fotsiny akory ny fiaraha-miory fa na inona zava-nitranga taloha dia tsy niady amam-paty ny Malagasy. Noho ilay fanahy maha olona sy ny fo rakofam-pitiavana tao anaty dia tsy nanao vain-drahalahy tsy narary fa nanao toy ny "tanan-kavia sy havanana, izay didia-marary". Ny amboa no maty tsy alevin-kavana fa ny olona kosa dia nitomaniana sy nalahelovana fatratra rehefa maty.Araka izany, niombona alahelo tamin'ny fisarahana aman'aina ny Malagasy.

Hita araka izany fa mafonja tokoa ny fisarahan'ny velona sy ny maty noho ilay fifandraisana sy fiombonana nenti-niaina, hamafisin'ny pôeta amin'ny asasorany eto hoe:

"Ekeko fa misy veloma tokoa
Atao amin'ny maty arahina saona".

Tsy mijanona eo anefa ny aingam-panahin'i Rado fa mbola tohizany fa mangidy loatra noho izany ny fisarahan'ny samy velona.

Mafy ny fifandaozana eo amin'ny samy velona
Araka ny efa voaresaka dia nankamamy izany fiaraha-miaina izany ny Malagasy hany ka nazoto nifamangy tokoa. "Izay mahavangivangy tian-kavana" hoy izy ireo ka marary ery ny fo rehefa ela tsy nifankahita. Noho ny fitadiavana sy ny adim-piainana isan-karazany anefa dia matetika no mifandao ka ontsa ny fo amam-panahy ho an'ny nilaozana ary mahatsiaro ho singan'olona ilay nandao. Raha zohina dia mankarary aina tokoa ny fifandaozana teo amin'ny tany ama-monina.

Tsy amin'ny alalan'ny fifandaozana ihany anefa no isehoan'ny fahatapahan'ny fifandraisana eo amin'ny samy velona. Noho ny elanelan-tany, noho ny fahosana, na mety ho noho ny kilema amam-pahasahiranana isan-karazany. Mafy sy mafaitra avokoa anefa izany na inona na inona antony. "Lahiantitra manin-kavana, hitsinjo tsy mahita, handeha tsy afaka" hoy ny Ntaolo. Marary loatra araka izany ny fisian'ny elanelana sy ny fahatapahan'ny fiaraha-miaina. Efa mitepo ao am-pon'ny tsirairay ny lanjan'ny fifandraisana.

Tsapa tokoa fa mamy loatra ny fiaraha-miaina teo amin'ny malagasy hany ka mahatsiaro ho milalao vovoka irery toy ny ankizy nilaozan-tsakaiza rehefa mifandao.

"Fa fara veloma mangidy tokoa
Ny an'izay velona tsy afaka hihaona".

Hoy ny famaranana fohy amin'ny tononkalon'i Rado eto, izay manambara izany. Andeha ary hovelabelarina farany ny lanjan'izany fihavanana izany teo amin'ny Malagasy.

Soatoavina tsy tontan'ny ela ny fihavanana Malagasy. "Maty iray fasana, velona iray trano". Voafehy anatin'io ny lanjan'ny fihavanana tian'ny mpanoratra hampitaina eto: tsy mifanary na an-kasoavana na an-karatsiana.

Mafy ny misaraka aman'aina ka izany indrindra no nanehoan'ny Malagasy ny lanjan'ny fihavanana anaty fiaraha-miory. "Ny todim-paty no aza manody" hoy izy ireo. Ireny fahendrena sy hanitra nentin-drazana ireny no nifanalana alahelo sy namatotra misimisy kokoa anaty fiombonana ka tsy nifankafoizana.

Tsy teo amin'ny andro maloka fotsiny anefa no nanehoan'ny tsirairay ny lanjan'ny fihavanana fa teo amin'ny an-kafaliana ihany koa. Betsaka ireo soa nifampizarana sy nifanotronana ka nanamafy orina ny fihavanana. Ireny mitambatra no nampimalo sy nampanembona rehefa tojo ny tsy azo anoarana ka tsy afaka mihaona. "Havan-tiana tsy mahalavi-tany" anefa hoy izy ireo ka na maro aza ny sakana sy ny olana dia tsy nahatohana ny velona tsy hifamangy. "Sao maty vao ramalala" araka ny fitenin-drazana ka dia fy ery ny fifandraisana amin'ny havana aman-tsakaiza sy ny tany ama-monina.

***

Fohy nefa mahataka-davitra. Izay raha bangoina tokana ity sanganasan'i Rado ity. Hainy ny mampita hevitra amin'ny alalan'ny tononkalo tsy ela vakiana sady feno sarin-teny mahatarika sy rima manaitra.
Raha fehezina ny tian'ny pôezia havoitra dia mampahatsiahy antsika fa mampamelovelo sy mandrotsa-dranomaso ny fiendahana amin'ny olombelona iray ra amintsika. Araka izany, ilaina ny manararaotra ny fotoana ahavelomana iraisana hina sy ifanaovan-tsoa ary indrindra hamelana mamy ho an'ny taranaka sy ny mpiara-belona.


Mpandrindra ny takelaka : Toetra Ràja

© poetawebs

Date de dernière mise à jour : 29/04/2020

×