Créer un site internet
Sarotra ambara, tononkalon'i Ny Avana nohadihadian'i Faniry_Ezeckiel
PÔETAWEBS "Tsy azo adika na alain-tahaka raha tsy mahazo lalana avy amin'ny Pôetawebs fa voararan'ny lalàna 94-036 ny 18 septambra 1995 mikasika ny zon'ny mpamorona sy ny mpanakanto"

27 jolay 2020
Pôetawebs Ny pôeta raha miteny
dia mampita izay mba reny
sady saininy ombieny
amin'ny gadona avo lenta
mampitony hetaheta :
bitsik'ivan'ny pôeta.
 T.Ràja
Pôetawebs
Tononkalon'i Tsy Avahana
Nanadihady : Faniry Ezeckiel


Tsy Avahana Faniry Ezeckiel

Ny pôeta dia ilay olona itoeran’ny aingam-panahy ka mandrafitra izany an-tononkalo. Ny amin’izay indrindra no itodihan’ity tononkalo iray nosoratan’i Tsy Avahana haroso hohadihadiana ity. Asa soratra izay manasongadina indrindra ny lanjan’ny pôeta eo anivon’ny fiarahamonina. Azo zaraina roa mazava tsara ny hevi-dehibe raketin’ity tononkalo ity. Ventesiny eny am-piandohana ny famaritan’ny mpiara-belona ny atao hoe pôeta ary manaraka izany dia asehon’ny mpanoratra ny anjara toeran’izy ireny eo amin’ny fiarahamonina.

 *
* *

Ahoana tokoa moa ny fiheveran’ny olona sasany ny atao hoe pôeta? Fijery ivelany fotsiny ihany no hamaritan’izy ireo ny pôeta hany ka tsy mahita afa-tsy ny ratsy, izay tsy mifanaraka amin’ny eritreriny izy ireo.
Voalohany dia tsarain’ny manodidina ho tsy mahay mitondra tena ny pôeta. Olon’ny fo ka manao vava tsy ambina ary manao zavatra tsy am-piheverana. ”Mifiavin-dranotrambo, mifanahin-dolo”, hoy ny mpanoratra mitanisa izany ary mbola hamafisiny mihitsy aza fa tsy mahay manaja ny tenany: “Mpitety voninkazo, sadasada fiaina” araka ny ambaran’ity tononkalo ity.
Tsy izay ihany fa faritan’ny maro ho olona lany atao ny pôeta, miteniteny foana sy manonofy lava eny fotsiny. Arantin’ity sanganasa ity mazava tokoa eto izany fomba fahitan’ny hafa ny pôeta izany:

“Mpirediredy hono"..., "Lazainy ho mpanonofy”... ”Izay hevitrao rehetra, lazainy ho rediredy”.

Ary tsy vitan’izany ihany fa na ireo soratra voangona amin’ny boky aza dia maivan-danja amin’izy ireo ny tahiry ao anatiny: ”Mpandrafidrafi-boky, ho fandemena saina” hoy i Tsy Avahana mitantara izany.

“Pôeta hono adala amin-java-tsisy dikany”. Izay no andalana roa farany hamaranan’i Tsy Avahana ny tapany voalohany amin’ity sanganasany ity sady azo amaritana ny fijerin’ny manodidina ny lanjan’ny pôeta raha atao indray mitopy. Haseho manaraka eto kosa indray ny anjara toeran’ny pôeta eo anivon’ny fiarahamonina.

*

Mankahery ny mpamaky amin’izay zava-manjo azy ny pôeta. Tsy ilaozan’ankaso tokoa ny fiainana ary tsy idifian-drahona ny lanitry ny tsirairay.

Satria ianao pôeta
Dia atafiny aminao
Izao karazan-toetra
Tsy valahara izao …!
Mpirediredy hono
Mifiavin-dranotrambo
Mifanahinahin-dolo
Mpitety voninkazo
Lazainy ho mpanonofy
Toa sadasada fiaina
Mpandrafidrafi-boky
Ho fandemena saina
Satria ianao pôeta
Dia aminy tsy Hendry
Izay hevitrao rehetra
Lazainy ho rediredy
Tsy misy lafitsara
Ny valam-pamaritany
Pôeta hono adala
Amin-java tsisy dikany.
Nefa…..!
Izao angaha no tsy hainy
Na odiany tsy fantarina
F’ianao pôeta ilainy
Rehefa izy manimanina
Moa tsy ny soratrao
No mahavita mitanisa
Amin’izao tontolo izao
Ny hita sy ny tsy hita
Tsy ianao pôeta moa
No mahita rafi-teny
Hampionona ny fo
Raha sendra manirery
Ianao pôeta hatrany
No namany itsikiany
Rehefa izy ka tomany
Voafitaky ny tiany.

TSY  AVAHANA

Ny pôeta no manesotra ireny ratram-po aman-tsento mpahazo ny olona ireny amin’ny alalan’ny sorakantony. Manamafy izany ny hafatra ao anaty tononkalo hoe: "Ianao pôeta ilainy, rehefa izy manimanina” sy ny hoe “Mahita rafi-teny, hampionona ny fo, raha sendra manirery”.
Tsy izay fotsiny ihany ny anjara toeran’ny pôeta voasoratra eto fa mampita hafatra aman-toro lalana ho an’ny mpamaky izy ireny. Ao anaty sorany no mampiseho indrindra ny miafina tsy takatry ny saina sy ny zava-misy tsy noheverina. Abaribarin’ny mpanoratra tokoa izany ka hoy indrindra izy:

“Moa tsy ny soratrao, no mahavita mitanisa amin’izao tontolo izao.”

Faranan’ny pôeta amin’ny hoe: "Ianao pôeta hatrany, no namany itokiany, Rehefa izy ka tomany, voafitaky ny tiany” ity asasoratra ity eto. Andalana efatra izay mamintina fa tena ilaina tokoa ny pôeta ary manana anjara toerana lehibe eo amin’ny fiainan’ny sarambaben’ny vahoaka.

 *
* *

Eto am-pamaranana dia iaraha-nahita tokoa fa tsy dia nomen’ny olona lanja firy ny pôeta noho izy miavaka amin’ny fananany aingam-panahy hoenti-mamorona. Izay mampiavaka azy izay indrindra anefa no tena rano velona ilain’ny mpamaky amin’ny safotofotom-piainana isan-karazany. Ilaina tokoa ny asasoratra tahaka itony mba hamelona an-tsain’ny maro fa manan-kasina tokoa ny pôeta ary mahasoa ny soratanany. Izao fotoana mampiroborobo ny famokarana zava-kanto izao indrindra koa anefa no ilana fitandremana avy amin’ny pôeta tsirairay mba ho mendrika ny toerany tokoa ny vokatra izay atolony.

© Pôetawebs

Date de dernière mise à jour : 27/07/2020

×