Créer un site internet
PÔETAWEBS "Tsy azo adika na alain-tahaka raha tsy mahazo lalana avy amin'ny Pôetawebs fa voararan'ny lalàna 94-036 ny 18 septambra 1995 mikasika ny zon'ny mpamorona sy ny mpanakanto"

27 ôktôbra 2020
Pôetawebs Ny pôeta raha miteny
dia mampita izay mba reny
sady saininy ombieny
amin'ny gadona avo lenta
mampitony hetaheta :
bitsik'ivan'ny pôeta.
 T.Ràja
Pôetawebs
sary nindramina RY TENIKO

Mpanoratra : Lydiary
Loharano : Gazety Ambioka laharana faha-80
Taona nanoratana : 1988
Nanadihady : Faniry Ezeckiel


Lydiary Faniry Ezeckiel

 

Anisan’ny fototra iorenan’ny firenena iray ny tenin-drazany ary azo amaritana ny endriky ny fitiavan-tanindrazana ny fitandroana azy fatratra. Ny mikasika izany indrindra no resahin’i Lydiary ao amin’ity tononkalo iray nosoratany tamin’ny taona 1988 ity izay nampitondrainy ny lohateny hoe: “RY TENIKO” ary notsongaina tao amin’ny “Gazety Ambioka laharana faha-80. Avohitran’ny mpanoratra ao fa manan-kasina ny tenin-drazana. Andeha hirosoana ny fanadihadiana ka eny am-piandohana dia hovelabelarina fa sarobidy eo amin’ny fiainana ny tenin-drazana, avy eo kosa dia hosoritsoritina fa mitana anjara toerana lehibe eo amin’ny fifandraisana izy.
 
*
*  *
  RY TENIKO

Tiako aok’izany ianao ry teny mamiko
Fa ra mamatotra ahy tamin’ireo niteraka ahy
Hery miretsidretsika mamelona ny tenako
Ny soratro, ny saiko sy izay rehetra iainako.

Fitaovana isan’andro ampiasainay ianao
Fizaranay ny mamy, ny ngidy sy ny talaho
Angady fitolomana, amadihanay ny bainga
Isan’ora, isan’andro mba hanjary ho fiaina-manga.

Harena ianao ry teniko, ravaka ihany koa
Asandratray amin-kira, amin’ny antsa, amin’ny fo
Dia tonga ritso-manga sy mozika voakaly
Ary soratra fikalo “Ianao ry teny mamiko”;

Lydiary, febroary 1988, in Ambioka lah-80

 

Ety am-piandohana ary dia hodinihina ireo antony ilazana fa sarobidy loatra ny tenin-drazana.
Lova avy amin’ireo razana ny teny, araka ny voalazan’ny poeta hoe:
 
“Tiako aoka izany ianao ry teny mamiko
  Fa ra namatotra ahy tamin’ireo niteraka ahy”

Abaribarin’ny tononkalo amin’ireo andalana roa voalohany ireo fa ireo ray aman-dreny tany aloha no namela ho an’ny taranaka ny tenin-drazana. Teo amin’ny Malagasy dia nanana ny lanjany manokana izany hoe “lova” izany ka kajina fatratra sy arovana mafy, herim-pon’ireo lany mondron-kery tamintsika sady nitsinjovany ny ampitson’ny taranaka. Isan’ireny ny tenin-drazana izay nolovaintsika ary mamaritra ny maha firenena mahaleo tena sy manana ny fiandrianany.

Aina mitahiry ny maha izy antsika ny teny.

 
“Hery miretsidretsika mamelona ny tenako
  Ny soratro, ny saiko, sy izay rehetra iainako”

Hoy hatrany i Lydiary manohy ny fitiavany ny tenin-drazany. Aina tokoa eto ny teny, ao aminy mantsy no mitoetra ireo singa mameno ny fiambonian’ny mpiray tanindrazana, ny soatoavina miampy ireo fomba amam-panao isan-karazany ary indrindra niavian’ny soratra izay mifamatotra amin’ny tantara sy ny zava-nisy rehetra. Koa azo eritreretina ho tsy manana “hazon-damosina” ny firenena tsy manana izany na tsy manana ”tongotra” ijoroana mihitsy aza. Araka izany, ain’ny firenena mihitsy ny tenin-drazana.

Harena iavahana amin’ny hafa ny tenin-drazana. Maneho izany ny mpanoratra hoe:

 
“Harena ianao ry teniko, ravaka ihany koa”

Iaraha-mahalala fa zava-tsarobidy tokoa izany harena sy ravaka izany. Loko iray tsy itoviana amin’ny maro io. Manana ny tsarany manokana ny tenintsika, manana ny toetra mampiavaka azy izay tsy ambaka velively amin’ny an’ny hafa. Harena tsy manan-tsahala araka izany ny tenin-drazana.

Raha aravona izany, dia lova sy aina ary harena ny tenintsika  ka sarobidy sy manana ny lanjany. Haroso etoana indray àry fa mitana andraikitra lehibe eo amin’ny sehatry ny fifandraisana ny tenin-drazana.

 
*

Manana ny anjara toerany lehibe eo anivon’ny serasera ny teny.

Fitaovana iray itaterana  ny zava-misy ny teny. Asongadin’ny tononkalo eto ny momba izany:

 
“Fitaovana isan’andro ampiasanay ianao
 Fizaranay ny mamy, ny ngidy sy ny talaho”

Ny teny no ampiasaina, enti-mahafantatra ireo safotofotom-piainana maro. Misy ny mahafinaritra, misy ny mampalahelo, ka ny teny no fitaovana entin’ny fiarahamonina mifampizara sy mifandinika momba izany. Eny fa na ny fitaovan-tserasera toy ny fahitalavitra sy ny onjam-peo aza dia mbola ny teny no fitaovana  ampiasainy rehefa mampita vaovao. Azo heverina araka izany fa fototry ny fahalalana mihitsy ny teny.

Tsy vitan’izay ihany fa fanaingam-pivoarana ihany koa ny tenin-drazana. Hoy ny tononkalo manaporofo izany hoe:

 
“Angady fitolomana, amadihanay ny bainga
 Isan’ora, isan’andro mba hanjary ho fiaina-manga”

Manana tombony lehibe tokoa ary mora tafita ny hafatra raha ny tenin-drazana no enti-manentana ny mponina amin’ny lafin-javatra maro toy ny asa, fanabeazana, fahaiza-miaina sy ny sisa maro. Ny teny malagasy mantsy no teny ampiasan’ny maro hatramin’ny ankizy madinika ka azo ampiasaina tsara amin’ny famelabelaran-kevitra izay tiana hipaka amin’ny sarambaben’ny vahoaka ary tsy sarotra aminy koa ny mampihatra azy. Azo heverina ho fanoitry ny fampandrosoana mihitsy ny tenin-drazana.

Fampitana ny kanto ihany koa ny teny.

Soritan’i Lydiary eo am-pamaranana ny tononkalony izany:

 
“Asandratray amin-kira, amin’ny antsa, amin’ny fo
 Dia tonga ritso-manga sy mozika voakaly
 Ary soratra fikalo “Ianao ry teny mamiko”

Fitaovana fototra anehoana ny kanto ny teny indrindra eo amin’ny literatiora am-bava.Tsindriny manokana ny hira sy ny antsa tononkalo eto izay feo avy ao am-bava no mampiharihary ny kanto raketiny ka mandona ny fo matetika ny hafatra raketiny sy ny fomba ilazany azy.

Navahan’ny poeta mihitsy eto ny hoe “Ianao” (nataony sora-baventy ny fiandohany) hanehoany fa lehibe sy masina loatra ny teny. Ary marina satria ny manam-panahy eto an-tany dia samy mankafy ny zava-kanto vita amin’ny teny na dia samy manana ny gadona lalainy manokana aza, ary ny teny no loharanon’izany.

 
*
*  *

Raha fehezina ireo hevitra novahavahana tao anatin’ity tononkalo ity dia fantatra fa sarobidy sy manan-danja loatra ho an’ny firenena iray ny tenin-drazany, izay manana anjara toerana lehibe eo amin’ny lafin’ny serasera sy ny fiaraha-miainan’ny mpiray tanindrazana. Mitarika ny tsirairay tsy hanao tsinontsinona ny tenin-drazana ity asa soratr’i Lydiary ity ary indrindra mitaona ireo sodokan’ny an’ny hafa ka nanary ny an’ny tena mba hitodika sy hanome lanja indray ny tenin-dreny. Ny tena manimba ity tenin-drazana ity koa mantsy ary mila itadiavam-bahaolana dia ireo tanora diso famaritra ny fandrosoana, ka nanivaiva ny teny malagasy nefa tsy nahafehy ny an’ny vahiny ary manao firesaka “vary amin’ny akotry” no niafarany. Moa tsy famahanana poizina ny tenin-drazana io fomba fiteny manomboka mahazo vahana ankehitriny io?

Faniry Ezeckiel


Mpandrindra ny takelaka : Toetra Ràja

© Pôetawebs

Date de dernière mise à jour : 24/10/2020