Izay adinao sy ahy, tononkalon'i Dox, hohadihadian'i Tsikimilamina Rakotomavo
PÔETAWEBS "Tsy azo adika na alain-tahaka raha tsy mahazo lalana avy amin'ny Pôetawebs fa voararan'ny lalàna 94-036 ny 18 septambra 1995 mikasika ny zon'ny mpamorona sy ny mpanakanto"

27 nôvambra 2020
Pôetawebs Ny pôeta raha miteny
dia mampita izay mba reny
sady saininy ombieny
amin'ny gadona avo lenta
mampitony hetaheta :
bitsik'ivan'ny pôeta.
 T.Ràja
Pôetawebs
Pôetawebs

  Foto-pisainana tsy mbola lany andro eo amin'ny fandrindrana ny fiaraha-miaina sy fifandraisan'ny mpiara-belona ny mikasika ny fanahy. Mikasika izany indrindra ny ambaran'ny tononkalo nosoratan'i DOX izay nampitondrainy ny lohateny hoe "Izay adinao sy ahy" ary nalaina tao amin'ny boky Folihala tak 74. Asehony ao fa singa roa samy manana ny maha izy azy eo anivon'ny fiarahamonina malagasy ny fandalana ny fanahy sy ny nofo. Mba hanazavana izany bebe kokoa dia avohitra mialoha ny fifanoheran'ny nofo sy ny fanahy. Asongadina manaraka izany kosa ny tanjon'ny fanahy. Ezahina hadihadiana mifanesy etsy ambany ireo fizarana voalaza teo ireo.

*
*  *

    Anisan'ny toe-javatra miseho eo amin'ny tontolon'ny fiarahamonina ny fifanoheran'ny fanahy  sy  ny   nofo.   Mety   misy   korontana 

IZAY ADINAO SY AHY

Ny ady makadiry indrindra mety hiseho eto an-tany
Dia tsy ady amin'iza, ady amin'ity tena ihany...
Famonoana isan'andro ny "izaho" mitady hanjaka
Mizahozaho, tsy mety hietry, dia ny nofo maka laka!

Ny "izaho" nofo manko dia manindry ny fanahy
Te-hivoatra, te-hisandratra, te-hitantana, hiahy
Ny fiainana ho mendrika Ilay fototra niaviany
Ka hivelatra tanteraka hahatsapa ny fisiany!

Ny "izaho" nofo io dia voafatotry ny tany,
Valovontaky ny eto ka voasarika ho ambany.
Ny firavoany indrindra indrindra no mamono ny fanahy!

Ny "izaho" nofo io no anton'ny fitiavan-tena
Ka ilaina ho folahina mba hanao ny fahendrena
Ho harenan'ny fanahy! Izay no adinao sy ahy!

DOX, FOLIHALA tak 74
mantsy toy ny fampijaliana ataon'ny nofo. Ambaran'ny lahatsoratra izany amin'ny hoe:

"Ny firavoany indrindra  indrindra no mamono ny fanahy"

Toetra ratsy tsy afa-miala amin'ny nofo izany ary maneho fisetrasetrana sy habibiana izy amin'izany.

Tsikaritra ihany koa fa feno fireharehana ny nofo ary indraindray aza dia toa manambany ny fanahy. Hamafisin'i DOX izany manao hoe:

"Mizahozaho tsy mety hietry dia ny nofo maka laka".

Hita eto ny fanjakazakan'ny nofo sy ny fisehoany ho ambony miohatra amin'ny hafa.
Ankoatra izay voambara dia miseho miharihary fa manana ny toerana mahatamana azy ny nofo. Hoy ny lahatsoratra:

"Ny ''izaho'' nofo io dia voafatotry ny tany
 Valovontaky ny eto ka voasarika ho ambany"

Ireny toerana ireny no ahatarafana ny toe-javatra iainany ka mahatonga azy haneho fihetsika hafa sy tsy dia mendrika ny fiarahamonina loatra.

Raha navohitra teo àry ny fifanoheran'ny nofo sy ny fanahy dia asongadina manaraka ny tanjon'ny fanahy.

*

   Tahaka ny lalam-piainana rehetra izay mila tanjona dia manana ny tanjony ihany koa ny fanahy. Anisan'ireny ny fanehoana ny faniriana araka ny voalazan'ny lahatsoratra :

"Te-hivoatra, te-hisandratra"

Hita araka izany fa ilaina ny fananana fikasana mba hisian'ny fivoarana. Fanampin'izany dia hita fa na dia eo aza ireo fihetsika asehon'ny nofo dia manana tanjona hanovana ny nofo ny fanahy. Hamafisin'ny mpanoratra izany manao hoe:

"Ka ilaina ho folahina mba hanao ny fahendrena"

Mba hisian'ny fahombiazana tokoa dia tokony hiezaka hiova ho amin'ny fahatsarana ny olona izay ambara ho nofo. Ary ankoatra izany rehetra izany dia tsikaritra fa maro ireo kendren'ny fanahy. Hoy mantsy i DOX:

"Ho harenan'ny fanahy! Izay no adinao sy ahy!"

Ny tena kendren'ny fanahy araka izany dia ny hahaizan'ny tsirairay handanjalanja ny hatao fa tsy ny hanjakazaka fotsiny.

*
* *

   Hita tamin'ny resaka rehetra natao teo fa manana ny maha izy azy eo anivon'ny fiarahamonina malagasy ny fandalana ny fanahy. Hita taratra tamin'izany fa misy tokoa ny fifanoheran'ny nofo sy ny fanahy izay nahatsapana fa mizahozaho ny nofo. Eo anatrehan'izany anefa dia manana ny tanjony ny fanahy. Anisan'ireny ny fampivoarana izay ataony. Raha ny lahatsoratr'i DOX àry no asian-teny dia hita tokoa fa mitari-dalana ny mpiara-belona aminy izy mba handala ny fanahy maha olona. Koa antenaina ny hitohizan'ny lahatsoratra tahaka itony mba hahaizan'ny tsirairay mandanjalanja ny ataony eo anivon’ny fiarahamonina.


Mpandrindra ny takelaka : Toetra Ràja
© Pôetawebs

Date de dernière mise à jour : 26/11/2020