Raha miteny

Fandalinan'i Toetra Ràja - 21/10/2023

Raha miteny - Esther Nirina

RAHA MITENY - ESTHER NIRINA

Anisan'ny olan'ny fiarahamonina miteraka fifandirana na fitroarana mihitsy aza ny tsy fifankahazoan'ny hevitra amin'ny alalan'ny fifampiresahana. Leso-piainana tsy mampandroso izany ka nahasarika ny poeta Esther Nirina hamosaka eritreritra momba ireo fomba mampahomby ny fifanakalozana. Taratra ato amin'ity andinin-tononkalo iray notsongaina tao amin'ny Tsirim-pahazavana ity izany, nalaina tao amin'ny boky Mivolana an-tsoratra (Oeuvres complètes), tak 132. Hohadihadina ao anatin'izany ny takina amin'ny mpiteny, ny andrasana amin'ny mpihaino ary ireo tarazo mampalazo tsy hahatongavana any amin'ny fahazavan'ny hevitra.


***

NY TAKINA AMIN'NY MPITENY


"Raha miteny tsy mankahala"

Resaka anatin'ny fifanajana tanteraka no tian'i Esther Nirina holazaina amin'ny hoe "tsy mankahala", na dia mifanipaka aza ny ivon-tombontsoan'ny roa tonta. Mety hiteraka fankahalana koa mantsy ny hetraketra-pitenenana ka hampiitatra sy hampibirioka ny fizotry ny tafa. Hanalavitra ny saham-pitoniana ny mpifanatrika. Maro ny endrika isehoany toy ny vava tsy ambina, fisoketana, fandotoana, fanapahan-teny sns. Na dia mifanipaka aza ny eritreritra dia fitsipi-piarahamonina iankinan'ny fahazavan'ny hevitra ny fifanajana.

 

NY ANDRASANA AMIN'NY MPIHAINO


"Raha mandre dia efa mahalala"

Etsy ankilany, ny olona mandre dia heverina ho efa naharay ny tian-kambara amin'ny alalan'ny vavahadin-tsaina antsoina hoe sofina. Afaka mandinika izy avy eo ary maneho setriny, satria "efa mahalala" hoy i Esther Nirina. Mahafantatra tsy am-piolahana ny hevitra niloaka avy tao an-tsain'ny mpiteny ny mpihaino. Raha tsy mifampitohy mantsy ny dinika dia handamoaka toy ny resaky ny mpisampina tsy hain'ny mpisikina. Misy tokoa mantsy ireo mpihaino tsy mamaly resaka fa mibilaotra avy hatrany noho ny karazan-tapi-maso" mibahana ao an-tsainy.



IREO TARAZO MAMPALAZO

"Ary afaka manala
 Ireo karazan-tapi-maso"

Iantsoan'ny mpanoratra ny sakana tsy hahatafitan'ny hevitra ny "karazan-tapi-maso" mampanjaka ny finiavana tsy handray. Anisany ny aretin-tsofina, aretin-tsaina, fanambaniana, fahambaniana, fitiavan-tena, fizahozahoana, filana vaniny sy sotasota... Lehibe indrindra amin'izany ny herin'ny vola sy voninahitra izay arovana mihoatra ny anakandriamaso. Rehefa ireo no manjaka dia fivavavavana toy ny kabarin-tsahona no sisa heno ka zary resaka mandany labozia ihany.


***

Fehiny, mila fahafehezan-tena ny resaka, indrindra moa raha atao am-pahibemaso. Rehefa manjaka ny fifanajana mandritra ny tafa, ary mahalala tokoa izay mandre fa tsy minia mampiboriaka ny resaka dia toy ny ady karajia sisa ny fifandresen-dahitra. Ho henatra ny fizirizirina amin'ny tsy fahamarinana, hivoaka ny rariny eken'ny rehetra ary tsy hisy mpandresy ankoatra ny fivoaran'ny fiarahamonina. Izany no hetahetan'i Esther Nirina, ilay poeta nahafantatra tontolo maro teto an-tany saingy sahy nifikitra tamin'ny taniny.

Date de dernière mise à jour : 22/10/2023