seh

poeta_malagasy Ny poeta raha miteny
Dia mampita izay mba reny
Sady saininy ombieny
Amin'ny gadona avo lenta
Mampitony hetaheta
Bitsik'ivan'ny poeta

ikopa

05-07-2014

IKALOYNA

HAINTENY

 

Ando anie aho ka ando
Ando sakaizan’ny kintana
Ando navalon’ny vony
Misary fitia ankamantatra

Vony anie aho ka vony
Vony natsirin’ny fiainana
Vony hajan’ny ahitra
Sarisarimbomanga milady

Ikaloyna anie aho ka ikaloy
Ikaloy vohitra avaratra
Fihaonan’ny tia sy ny manina
Ikaloy Kalo sy Vazo

31 mey 2014

 

 
Tsy dia fahita firy ny tononkalo miendrika hainteny toy izao ankehitriny, izany no nahatonga anay eto amin'ny poetawebs hifidy ity tononkalo nosoratan'i Ikaloyna ity mba hofakafakaina eto. Marihana fa ny hainteny no endrika niandohan'ny tononkalo malagasy talohan'ny nisalorany ny endrika mbola voizina ankehitriny, dia ny rima sy ny gadona.

Ankoatra ny endrika maha hainteny azy dia hita fa mifono sary maroloko ity tononkalo ity. Izany sary izany indrindra no andeha hanaovana tari-dresaka ialohavan'ny eritreritrao atopatopan'ny alina hisandrahaka manerana ny tsy tazana moa va tsy loharano tsy ho ritra.

Nindramin'ny mpanoratra ny tontolo manodidina azy mba ilazany ny maha izy azy.

ANDO

"Ando sakaizan'ny kintana", hoy izy eny ampiandohana, izany hoe "aina" ny voahary ety an-tany. Saintsaino kely ange!

"Ando navalon'ny vony", hoy ihany izy, no entina maneho ny fifankatiavana sy fifamenoan'ny zavaboaharin'ny habakabaka sy ny zavaboahary ety an-tany. Tafapaka ao antsaina avokoa izany sary izany fa tsy voatery hiantsoana mpanahosodoko na mpanao sariitatra hianohana azy.

VONY
 
Na manana fijery avy eny an'habakabaka aza anefa ny poeta dia nitrebona avy teny amin'ny fiarahamonina koa, araka ny an-dalan-teny hoe "Vony natsirin'ny fiainana".

Na dia tsy manadino ny loharano nipoirany aza ny poeta ary tsy mahay mandanjalanja ny hasarobidin'ny fanetren-tena dia tsy manao tsinontsinona ny hajany. Izany dia tsapa ao amin'ny an-dalana manaraka manao hoe "vony hajan'ny ahitra". Efa nampidiriny ao koa aza ny tena anarany "HAJA" izay tsy foiny satria nampintombandahy azy.

Mbola ao anatin'izany fanetren-tena izay ihany no anehoany ny lokon'ny fandeferana amin'ilay andalana hoe "sarisarimbomanga milady". "Milady" dia teny entina milaza ny asa ataon'ny tena ohatra "miravaka" fa tsy "mandravaka". Tsy voatery hanaraka ny fitsipipitenenana izy eto.

IKALOY

Ikaloy dia vohitra iray ao akaikin'Ambohimanga nisy ny vadikelin'Andrianampoinimerina fahizany... fa anisan'ny mpankafy ny tontolo ambanivohitra mantsy ny mpanoratra. Tontolon'Ikaloy? Fihaonan'ny tia sy ny manina.

"Kalo sy vazo". Azo heverina fa mandray roa io teny hoe vazo io  eto : dia ilay vazo amin'ny maha hira azy sy ilay vazo amin'ny maha sarimpitia azy izany hoe amin'ny maha toerana manan-tantara an'Ikaloy.

Manankarena tokoa ny hainteny sady harem-pirenena azo voizina, tohizana ary ankafizina ka azo lazaina hoe "harena miitatra". Ny hainteny dia vohipihaonan'ny ohabolana, ankamantatra, ohatrohatra, angolangola amin'ny alalan'ny zava-misin'ny tontolo andavanandro - na akaiky. Voaravaka sary maroloko izy ary azon'ny ambaratongan'ny olona rehetra ihanohana. Maro ireo sehatra mampiasa azy toy ny kabary, hira, tantara tsangana, ohaolana sns. Tsy tokony ho voalohany amin'ireny ve ny poezian'ny poetanao?

Tena malagasy ny hainteny eny fa na dia misy aza ny endrika mitovitovy aminy fantatra any ivelan'ny riaka, toy ny "pantun" an'ny Malais sy ny "haïku" an'ny Japoney. Tamin'ny voalohany ny teny,... Ny teny, ny tany, ny olona? Singa telo tsy azo sarahana ireo!
Toetra Raja

Date de dernière mise à jour : 05/07/2021

×