Tsarovy - Ny Avana

Ny pôeta raha miteny
dia mampita izay mba reny
sady saininy ombieny
amin'ny gadona avo lenta
mampitony hetaheta :
bitsik'ivan'ny pôeta.
 
T.Ràja
27 marsa 2019
FIAROVANA SANGANASA

"Tsy azo adika na alain-tahaka raha tsy mahazo lalana avy amin'ny Pôetawebs fa voararan'ny lalàna 94-036 ny 18 septambra 1995 mikasika ny zon'ny mpamorona sy ny mpanakanto".

  FANADIHADIANA TONONKALO  
  Lohateny : TSAROVY
Mpanoratra : Ny Avana Ramanantoanina
Fotoana nanoratana : fony izy natao sesitany tany Kaomaoro
Loharano : "Ny Avana Ramanantoanina". Boky 2. Antananarivo. Edisiona VOHITSERA (tak. 12).
Namakafaka : Imbitika Rambala
 
  NY AVANA RAMANANTOANINA   IMBITIKA RAMBALA  
TSAROVY

Tsarovy fa fihodinkodinana
No didy mitondra ny tany
Fiakarana sady fidinana
Korontana ambony sy ambany

Ny ketraka mora mivarina
Miroraka, tonga kanosa
Ny potraka nefa tafarina
Ireny ka « olona » kosa

Dia olo-mandala ny lazany
No sady mitandro ny zony
Manandratra ilay Tanindrazany
Manondrotra an’io ho ambony

Mandritra ny andro iainany
Ka mandra-patoriny ho lo
Izany no hany fisainany
Fisainan-tsy maintsy ho to

Ny Avana Ramanantoanina
  Ny pôeta matoa mandray penina dia te hizara izay mba raki-malalany miboiboika ao anatiny ao, hany ka zary boky mivelatra ahatsirihana tanteraka ny tena maha olona ny pôeta iray ireny asasorany ireny. Abaribarin’izany ity tononkalon’i Ny Avana Ramanantoanina ity izay nampitondrainy ny lohateny hoe : TSAROVY

Teraka tamin’ny Alakamisy 26 Febroary 1891 Ny Avana Ramanantoanina - 11 taona izy no maty Rantoanina rainy ary 23 taona izy no maty ny reniny – tsy dia mba nampihantain’ny fiainana loatra i Ny Avana Ramanantoanina :
 
- tsy afaka tamin’ny fanadinana hidirana ho dokotera izy na dia anisan’ireo nahay tokoa aza tany am-pianarana
- rava tokantrano indroa
- maty zanaka indroa
- voasesitany tany Kaomaoro

Na izany aza anefa, ny asasoratra navelany dia tsy mba nahitana irony tononkalo be taraina sy mifararemotra irony fa saika tononkalo mampahery sy mampitraka lalandava ka maneho avy hatrany fa olona niady tsy ankijanona tamin’ny fiainana i Ny Avana Ramanantoanina, dia ny ady anaty tsy ankiato "intra-verti" araka ny famakafakana ao amin’ny boky faharoa.

Endrika iray faharoa hita ao amin’ny asasoratr'i Ny Avana Ramanantoanina ny fitiavana ny Tanindrazana izay nahatonga azy ho voasesitany sy ny hanina ilay tany niaviana toy ny tsapa ao amin'ny tononkalony hoe "Vazon’ny lavitra", "Sambo". Ahoana tokoa moa hoy izy ao amin’ity tononkalony "Tsarovy" notsongainay ity?

Tsotra dia tsotra ilay tononkalo nefa mavesatra dia mavesatra kosa ny hafatra entiny… Tsy misy sarisary na angolan-teny fa mivantana sy mahitsy.

Ny andininy voalohany dia vokatry ny fiainana nodiaviny satria na teo aza izay nianjady taminy dia hainy tsara fa fomban-tany ny tsy fetezana mety hisy eto amin’ny fiainana an-tany ka tsy tokony hahataitra na hampigorasy izany.

Ao amin’ny andininy faharoa no tena maneho tanteraka ny toe-tsaina ananan’i Ny Avana Ramanantoanina :
 
"Ny potraka nefa tafarina"
"Ireny ka "olona" kosa"

Ankoatra ny herin-tsaina entin’ireo andalana roa ireo dia nataony ao anaty farango sosona ny teny hoe OLONA.

Izany hoe tsy olona fe olona fa olona tena olona :
 
"Dia olo-mandala ny lazany
No sady mitandro ny zony
Manandratra ilay Tanindrazany
Manondrotra an’io ho ambony"

Eto amin’ity andininy fahatelo ity no ahatarafana ny tarigetra nananan’i Ny Avana Ramanantoanina sy ny didim-pitondranan-tena natsangany ho azy manokana fa na aiza na aiza toerana misy ny olona iray ary na inona koa izay mianjady aminy, ny tena olona dia "mandala ny lazany" fa tsy olona mora atopatopan’ny zava-mitranga eo amin’ny fiainany toy ny mivadibadi-dela fa manondrotra sy manandratra ny Tanindrazany "ho ambony"… ary izany dia :
 
"Mandritra ny andro iainany
Ka mandra-patoriny ho lo
Izany no hany fisainany
Fisainan-tsy maintsy ho to"

Tsy tokony hohadinoina fa olona nivavaka i Ny Avana Ramanantoanina nefa dia mazava io andininy farany io. Moa ve noho izy nijoro tamin’ny tsanga-keviny (V.V.S.) ka nahatonga azy ho voasestitany noho ny fitiavan-Tanindrazana sa noho ireo onjam-piainana nosetrainy hatrany hatrany no nahatonga azy tsy hisaina raha tsy izay hahatafasondrotra ny Tanindrazany eo amin’ny androm-piainany? Azo ekena daholo izany saingy ny didim-pitondran-tena natsangany ho azy manokana sy ny tarigetrany dia azontsika raisina ihany koa. Tsy izany ihany fa azon’izay mbola te handalina kokoa ny momba an’i Ny Avana Ramanantoanina io tononkalo io na ny momba azy rehetra.

Maro ny tononkalo nosoratan’i Ny Avana Ramanantoanina ary tsy mivaona amin’ireo hitantsika teo ireo daholo izany. Maneho harem-panahy aman-tsaina matanjaka avokoa ny asasorany kanefa tsy dia sarotra takarina loatra ary ny fitiavan-tanindrazana tsy misy kifonofono no tena nibahana tao aminy ary ao amin’ny andalana farany indrindra no nametrahany ny fanantenany fa "tsy maintsy ho to" na ho ela na ho haingana izany "hany fisainany" izany.

Maty tamin’ny volana martsa 1940 i Ny Avana Ramanantoanina.

Imbitika Rambala
Pôetawebs©2019 - poetawebs@gmail.com
×