Tsy sitrany - A.R.Ni

Fanadihadiana tononakalo - 06/12/2023

Tsy sitrany - A.R.Ni
Ranöe - 06/12/2023

Tsy sitrany, tononkalon'i A.R.Ni, nohadihadin'i Ranöe

    Toe-javatra tsy afa-misaraka amin’ny maha olombelona ny fahasahiranana, eny ny fahoriana mihitsy eo amin’ny fiainana. Hita taratra izany  trangan-javatra izany amin’ity asasoratr’i A.R.Ni  ity, izay

mitondra ny lohateny hoe : "Ny sitrany", nalaina tao amin’ny boky Sandratra Amboara Voalohany, tak. 29, 1988. Asongadiny ao fa manana ny fihetsiny ny olona iray rehefa tojo olana eo amin’ny fiainany. Koa

mba hahafahana mandalina akaiky izany toe-javatra izany  dia hodinihina voalohany ny zava-mitranga, aseho manaraka izay ny fomba iatrehan’ny olona izany tranga izany.

 *
* *


Raha ny zava-mitranga amin’ny olona no halalinina dia toy izao ny zavatra mihatra aminy. Hoy indrindra A.R.Ni milaza izany manao hoe : 


"Drodroka ianao, tofoky ny fiainana
 Mahery loatra angamba ny ziogan’ny ankaso"

Asongadiny eto  fa mafy dia mafy ny zava-manjo ny olona ka miteraka havizanana lalina. Tsy vitan’izay fa tena mitondra hakiviana mihitsy ka mankaleo tsy misy toy izany.   Vinavinain’ny   mpanoratra ihany  koa ny mety hamafin’ny zava-manjo ny olona. Ka azony an-tsaina fa mitambesatra tsy zaka zakaina ny vesatry olana. Koa azo tsoahina avy amin’izay voalaza izay fa mafy tena mafy ny fahasahiranana mahazo ny olona.

    Faharoa manaraka izany, asehony fa tena latsaka anaty ny fahavoazana. Araka ny voalazan’ny tononkalo manao hoe:

"Mangirifiry ianao, rakotry ny fery
 Mafy loatra angaha ny firitsoky ny ankaso"

Ambarany fa manolo-koditra mihitsy ny fahoriana ka tena re hatrany amin’ny vololon’ny aina, noho izany, mamela ratra manerana ny vatana iray manontolo manomboka hatrany an-doha ka hatrany an-tongotra. Vinavinain’ny mpanoratra indray  eto fa mihoatra ny tokony ho izy ny fidonan’ny fahavoazana, izay  tsy inona fa sotasotan’ny fiainana tsy azo anoharana. Mazava araka izany fa tena iainan’ny olona lalina ny  fahavoazana.

    Toy izay ary ny zava-mitranga amin’ny fiainan’ny olona izay tsy vitan’ny hoe mihatra fotsiny fa latsaka anaty mihitsy. Koa nanao ahoana ary ny fihetsiky ny olona nanolona izany?

    Voalohany, ny vahaolana hitan’ny olona  dia fitodihana  tamin’ny Zanahary izay lazain’ny tononkalo toy izao:

"ka indro lasa ianao, namonjy fahanginana
 Mba hivavaka
 Nitsangana ianao kanefa toa tsy reny
 Nandohalika indray, tsy hita koa izay vokany
 Niandrandra lanitra, hatokao no vizana
 Hany sisa hery nihohoka, nihohoka
Niangavy ny any an-danitra
Handrotsaka andry manitra, manento fofon’aina
Mba hiankiananao"

Ambarany eto fa rehefa tonga amin’ny fetra farany azony atao iatrehana ny olany ny olombelona ka tsy hitany intsony izay atao dia miantefa any amin’Andriamanitra ny sainy. Manao ireo fombafomba rehetra araka izay tratry ny sainy izy mba hahazo valim-bavaka. Tsapa amin’izay voalaza izay fa na hahazo na tsy hahazo dia miandrandra  vahaolana amin’Andriamanitra amin’ny fiainany ny olombelona.

    Ankoatra izay voalaza izay, tsy mivavaka fotsiny ny olona fa tena mitalaho mihitsy. Manamafy izany ny voalaza hoe :

"Ka indro ianao fa lasana, ndeha hitoka-monina
 Mba hitalaho.
 Dia toy ny teo ihany : nitsangana, nandohalika
Niandrandra, avy eo nihohoka
Tao ianao ka tao, variana nitanisa,
Ny toko sy ny andininy, hany ka….
Vontonanahary ny tenanao rehetra
Ka indro ianao nalemy
Manompo azy eo"

Tsy hoe vavaka tsotra intsony ny natao fa nalefa lalina kokoa ny fanehoana azy. Na dia tsy nahomby aza ny vavaka tany aloha na nandiso fanantenana aza dia nohamafisina ihany ny fanatanterahana azy. Ka ny fiafarany dia heniky ny finoana ny tenany ary toy ny tsy mahatsiaro tena fa mandeha ho azy fotsiny ny fihetsiny. Fantatra teo àry fa tsy voatery hisy vokatra mahafapo ny vavaka izay atao. 

 *
* *


    Raha fintinina izay rehetra voalaza izay dia fantatra teo fa manana ny fihetsika entiny mihatrika ny olana mitranga aminy ny olona. Fantatra tamin’ny zava-nitranga tamin’ny olona fa tsy nihatra fotsiny  ny fahasahiranana fa latsaka anaty mihitsy. Nanoloana izany dia nivavaka sy nitalaho tamin’Andriamanitra no vahaolana hitan’ny olona. Tsara homarihina maharesy lahatra ny olona tojo olona ny vavaka na dia tsy azo antoka ho hisy vokany aza. Ankoatra ny vavaka ary mety misy ve fomba hafa hahafahana miatrika izay fahoriana mitranga?

Date de dernière mise à jour : 05/12/2023