AéRa, pôeta toka-miavaka
Pôetawebs PÔETAWEBS
Ny pôeta raha miteny
dia mampita izay mba reny
sady saininy ombieny
amin'ny gadona avo lenta
mampitony hetaheta :
bitsik'ivan'ny pôeta.
T. Ràja
Pôetawebs "Tsy azo adika na alain-tahaka raha tsy mahazo lalana avy amin'ny Pôetawebs fa voararan'ny lalàna 94-036 ny 18 septambra 1995 mikasika ny zon'ny mpamorona sy ny mpanakanto".
06 Janoary 2022
Lahatsoratra : Pôetawebs
AéRa, pôeta toka-miavaka
Maloka indray ny tontolon’ny literatiora. Nodimandry ny takarivan’ny 04 Janoary 2022 i André Rakotondranaivo na AéRa, rehefa nivahiny 95 taona teto an-tany. Pôeta izy, mpanoratra, mpampianatra, fantatry ny ankamaroan’ny Malagasy amin'ireo boky maro be navoakany.

Nahatratra 90 ireo boky navoakany araka ny kajikajy nasehony an'i Toetra Ràja (Pôetawebs) tamin'ny 2015:

Sokajy I
Boky fianarana amin'ny teny malagasy (misy pôezia) -› 30
Boky fianarana amin'ny teny frantsay -› 18

Sokajy II
Boky ho an'ny besinimaro (vazaha na malagasy misy pôezia) -› 32

Sokajy III : Bokim-pivavahana
a)-Nadikako avy amin'ny teny frantsay: "Prophètes et Rois, nosoratan'i Ellen Gould White - sy ny "Révolution au Vatican", nosoratan'i Dr Martin H. Kobialka" -› 2
b)-Boky nosoratako misy tantara sy pôezia marobe -› 8
______________
TONTALINY 90

Maro tokoa, araka izany, ireo boky fianarana navoakany. Mpampianatra tany Antsirabe mantsy izy no voaantso ho aty Antananarivo hamolavola ny fandaharam-pianarana mifanindran-dalana tamin'ny fanagasiana ny fampianarana, tao anatin'ny "BEP-OTEP" na "Bureaux d'Etudes de Programme" teo anivon'ny Minisiteran'ny Fanabeazana tamin'ny taona 1973. Tamin'izany indrindra no nananany fahasahiana hamoaka bokim-pampianarana ka anisany ny Kajy Fototra, Fahalalana tsotsotra, Fitsipi-pitenenana, Fianarana manoratra teny malagasy CE, CM1 ary CM2...

Fanafohezana ny anarany André Rakotondranaivo ny AéRa, izany hoe ny fanononana ireo litera roa voalohany. Fa ankoatra izay dia manana hevi-dalina izany anarana izany, araka ny nambarany tamin'i Toetra Ràja tamin'ny 2015 tao amin'ny Pôetawebs satria mirakitra ny fisiany sy ny tanjony. Mahalaza izany ity tononkalony ity:




AéRa
NY AERA

Moa fantatrao ny teny hoe "aera"?
Avo toerana izy saingy tsy mianjera,
mahasahana ny "atimôsifera",
nefa tsy mba tia hoe mideradera!

Ny "aera" mantsy eny anabakabaka,
manasoa sady tsy manavakavaka,
na jentilisa izany na ireo mpivavaka,
na ny biby izay miaina any an-davaka !

Raha tsy misy ny "aera" tsy afa-miaina,
ny voary manontolo ho karakaina,
tsy hisy endrika mihitsy fa ho maina,
tsy hisy fofonaina azo antenaina !

Ho sempotra izao rehetra izao,
ho jingy avokoa izaho sy ianao,
hitsahatra ny asa izay fanao,
satria tsy misy ny "aera" hanavao!

Isaorantsika eto ny any ambony,
manome ny "aera" mampitony,
sy mamelona itony nofo itony
ary koa mampisava ny lonjony!

Marobe ny mbola azo tantaraina,
nefa misy izay tsy takatry ny saina,
fa io "aera" io no tena fototr'aina
manatanjaka ny osa sy kalaina

Betsaka ny soa tsy voatanisa,
ny fanampian'i "aera" tsy voavisa,
voasindany avokoa ny disadisa
ary koa mitaona ho any am-Paradisa !
Azo lazaina ho pôetan'ny fanagasiana izy ary naneho ny alahelony noho ny fanimbazimbana ny teny malagasy:

"ny mampalahelo dia ataon'ny Tanora vao misondrotra "valalan'amboa, ka ny tompony aza tsy tia" ny Teny malagasy"

Sarotiny amin'ny fanajana ny tsipelina izy ka nanindrom-paingotra manokana ny pôeta ankehitriny:

"Tsy tokony ho izaho irery mantsy no ho sarotiny amin'ny fanoratana ny teny malagasy, fa ny mpandala ny literatiora rehetra, indrindra ny Pôeta. Ny pôezia mantsy dia tsy natao hahafinaritra ny sofina fotsiny fa ny maso koa"

Koa mitaona ny mpiara-belona aminy izy hampiasa ny teny malagasy amin'ny sehatra rehetra eto amin'ny Nosy, eny fa hatramin'ny sehatra mety ho tsy ampoizina aza:

"... tokony hatao teny malagasy daholo ny fifanekena amin'ny vahiny, ny lalàna eny amin'ny Tribonaly sy ny lalàm-panjakana misy rehetra amin'izay dia hirehareha amin'ny maha-Malagasy azy ny Tanora! Izany no hisian' ny tena fiandrianam-pirenena marina mba tsy hotsabatsabahan'ny firenen-kafa ny atao eto Madagasikara"

Nahazoa ny “plume d'or" izy tamin’ny 22 Marsa 1985 ary ny "Grand croix de deuxième classe de l'ordre national malgache" tamin’ny 17 Marsa 2003.

Nahalalana zavatra maro tamin'ny fiainany ny tapatapakahitra nifanaovany tamin'ny Pôetawebs tamin'ny 10 Ôktôbra 2015. Anisan'ny zava-dehibe tao ny fanazavana amin'ny antsipiriany ny fandrafetana ny fanagasiana, ny lesoka, ny sedra sy setra niainany... Andeha isika hanjohy izany ao amin'ity rohy ity:

http://poetawebs.e-monsite.com/pages/tapatapakahitra/page-40.html

HOY IREO ZANDRINY MOMBA AZY

"Fito volana no nanomananay mianaka ny tapatapakahitra tamin'ny taona 2015. Mailaka maro dia maro no nifanakalozana. Mpampiasa milina fanoratana izy ka iny indray avy eo no alaina sary sy alefa "PDF" aty amiko. Manam-paharetana tokoa izy rehefa manoratra ary tsy nahitana dian-gaoma firy ny soratra. Porofo izany fa havanana amin'ny soratra izy ary mazava tsara ao aneritreriny aloha ny hevitra eo am-pandraisana ny milina".
Toetra Ràja

"Tsaroako tokoa ny fotoana nifampiresahanay voalohany. Tamin'ny 2016, izaho no zandriny indrindra tamin'ireo mpiray dia tamiko tamin'izany, nefa hitako ho nihaino tsara ahy izy rehefa izaho no miteny. Tsy noraisiny ho fandaniam-potoana mihitsy ny miresaka amin'ny zaza toa ahy. Zaza tokoa eo anoloany na amin'ny fahaizana na amin'ny taona. Faly izy niresaka tamiko sady eo am-pihainoana azy eo dia mahazo karazam-pahalalana maro".
Heriarilala Andriamamonjy
© Pôetawebs
Takelaka : Toetra Ràja

Date de dernière mise à jour : 06/01/2022