poeta_malagasy
 

Ny poeta raha miteny
  dia mampita izay mba reny
 sady saininy ombieny
 
amin'ny gadona avo lenta
  mampitony hetaheta :
 bitsik'ivan'ny poeta.
(T.Ràja)

05 novambra 2017

FAMELABELARANA TAO AMIN’NY AKADEMIA MALAGASY
SOKAJY “HAIKANTO SY HAILAZA”
 Ny tsiky hita taratra ao amin’ny tononkalon’ny anio


Izany lohahevitra izany tokoa no nofidian’i Tsikimilamina Rakotomavo tamin’ny velakevitra notontosainy tao amin’ny Akademia Malagasy ny Alakamisy 2 novambra 2017. Nambarany tamin’ny fitarihan-teny fa  toa mivetso alahelo, hakiviana, fahantrana amin’ny endriny maro samihafa, hetraketraka eo amin’ny fiarahamonina, ny fanamparam-pahefana sy fangoronan-karena, ny tsetsetra isan-karazany ny tononkalo ankehitriny. Saingy toa hadinon’ny mpikaroka fa misy ny tsiky milafika ao ambadik’ireny asa soratra ireny izay tsy tokony hohamaivanina satria fanoitra ho amin’ny fampivelaran-tsaina ary entina hampivoarana ny fomba fisainana sy fomba fiainan’ny isam-batan’olona.

Nizara telo mazava tsara ny famoaboasana ity lohahevitra ity. Navohitran’i Tsikimilamina mialoha  mantsy ny  famaritana tsotsotra ny atao hoe tsiky sy ny tononkalon’ny anio. Taorian’izay izy no naneho ireo  karazana tsiky tsikaritra ao amin’ny tononkalon’ny anio ary nentiny namamaranana izany ny fanasongadinana ny fahasahian’ny mpanoratra maneho  ireo voambolana mampitsiky  ao amin’ny tononkalony.

Tao amin’ny fizarana voalohany dia namaritra ny atao hoe tsiky  ity mpandalina ity toy ny voalazan’ny rakibolana, ny fanehoan’ny manam-pahaizana momba ny toetra, ny mpitsabo ary indrindra ny famaritany manokana izay nilazany fa fihetseham-po mora mipariaka indrindra ny tsiky. Notohizany tamin’ny famaritana ny tononkalon’ny anio izany amin’ny maha fanalahidim-pitenenana azy ao amin’ny lohahevitra. Nambaran’i Tsikimilamina fa ny tononkalon’ny anio dia tsy inona akory fa  soratra teraky vanim-potoana ankehitriny izany hoe ao anatin’ny vanim-potoana itenenana. Noho izany ny tononkalon’ny anio dia tononkalon’ireo mpanoratra ao amin’ny vanim-potoana ankehitriny. Misy amin’izy ireo no efa nialoha lalana toa an’i Elie Rajaonarison, Lydiary, Tadio saingy mbola eo am-bavan’ny maro ny tononkalony. Misy amin’izy ireo no efa nahazo taona, ny vao herotrerony, ny lehilahy, ny vehivavy eny fa na dia ny mpanoratra monina any am-pitan-dranomasina aza. Rehefa velona sy miaina ny tononkalony dia voasokajy ho tononkalon’ny anio izany.

Tao amin’ny fizarana faharoa kosa no nampahafantaran’ity mpikaroka ity ireo karazana tsiky ahariharin’ny tononkalon’ny anio.Tononkalo ombam-panazavana moa no fomba nanehoany izany. Koa ohatra iray niavaka naharihariny ity tononkalon-dRazafimamonjy Arsène ity:

"Ny veloman’ny faly= arahina tsiky
ny veloman’ny tia= arahina oroka"
Razafimamonjy Arsène, Ambioka, lah 23

 Endrika raiki-pohy no nanehoan’ny mpanoratra ny tononkalo eto hoy ihany ny mpanao velakevitra. Ny mira izay midika hoe mitovy no tsikaritra amin’ny tononkalo. Natao indrindra izany mba hisintonana ny mason’ny olona ho liana amin’ny tononkalon’ny anio. Ny veloma ataon’ny olona feno fifaliana izany dia ahitana tsiky hatrany. Rehefa mifanao veloma kosa ny mpifankatia dia tsy maintsy mifanoroka. Zava-misy hita sy iainana andavan’andro moa no ambaran’ny mpanoratra ary efa fantatry ny rehetra avokoa ny endrika isehoan’ny veloma araka ny trangan–javatra miseho. Tsikaritra eto ary nohamafisiny fa ny tsiky no marika hita maso hanehoana ny hafalian’ny olona iray. 

Na izany aza anefa dia nanamarika I Tsikimilamina fa misy fotoanany avokoa ny zava-drehetra eo amin’ny fiainana, satria mifamahofaho ny soa sy ny ratsy.
Tononkalon’i Tadio no nanamafisany izany:

Misy ny fotoana natokana hitsikiana
Natokana hifaliana"
Tadio, Hiratry ny Kintana II, tak 33

Koa asehon’i Tadio eto amin’ny tononkalo fa ilaina ny fitsikiana amin’ny fotoana tokony hanehoana izany. Raha dia hitsiky lava mantsy dia mety hanahirana ny mason’ny olona manodidina ihany ka ambaran’izy ireo amin’ny hoe: adala na ondranondranana.


Tao amin’ny fizarana faran’ny famelabelarana kosa no nanasongadinan’i Tsikimilamina ny fahasahian’ny mpanoratra maneho voambolana mampitsiky ao amin’ny tononkalon’ny anio noho izay fahafahana eo aminy izay.
Ny tononkalon’i Toetra Ràja izay vao tsy ela akory izay no namoaka ny boky Tiako - Tiako Foana! no porofo voalohany nanamarinany izany. Hoy ny tononkalo:

Lavitra ahy
Ilay malala
Tsy izy va
No i Kaladala?
Atsy ho atsy
Izy indray
No i Kalaratsy
Mpanafay!
Toetra Ràja, Tiako - Tiako Foana! tak 43

I Kaladala sy I Kalaratsy no voambolana mampitsiky nanehoan’i Toetra Ràja ny toetram-behivavy izay toa mampijaly ny olon-tiany. Ny ikala moa araka ny voalazan’ny rakibolana dia entina ilazana vehivavy fetsifetsy tsy dia misy itiavana azy loatra. Maro mantsy ireo fihetsika mankarary fo asehon’ilay vehivavy toy ny fandaozana, fitenenana mahery, fiavonavonana sns… Hita araka izany fa rehefa mahasosotra ny lehilahy ny toetra amam-pihetsika asehon’ny vehivavy iray dia antsoiny hoe Ikaladala sy Ikalaratsy. Na izany aza anefa dia azo heverina ho anarana  angoty ifampiantsoan’ny olona efa mifanakaiky loatra ireo voambolana ireo. Mahatsikaiky ny tononkalo eto satria na dia eo aza izany tranga izany dia mbola tia ilay vehivavy hatrany ilay olon-tiany.


Tononkalo hafa tena nampitsiky ny rehetra ihany koa ity ohatra natolotr’ity mpandalina ny literatioran’ny ankehitriny ity.

"Toeram-pamoronana
Hamoronantsika
Foron-tononkalo
Foron-tononkira
Forom-pahasambarana…
Dia rafitra namorona sy
namoromporona
Teny amoromorona
Tsy lavitr’Ibeforona
ny tia foromporona
tsy  foromporom-poana
fa tena foromporona…"
Benaina, Ambioka lah 119

Nampitsiky  ny rehetra nanatrika avy hatrany ny fandrenesana ity tononkalo ity. Ny teny morona sy forona izay teny madio no lalaovin’ny mpanoratra an-tononkalo, kanefa ny sofina mihaino azy no sadaikatra ihany. Litera [m] sy [f], no iavahan’ny teny roa kanefa dia samy manana ny heviny manokana. Ny morona moa dia ilazana sisiny , akaiky. Ny forona kosa dia fototenin’ny famoronana ary midika fanaovana zavatra tsy mbola nisy. Entina ilazana karazan’ahitra maniry anaty rano izay akora hanaovana harona sy tsihy ihany koa izany.Tahaka ny miteniteny foana ny mpanoratra raha henoina ery lavidavitra ny voambolana ampiasainy, kanefa mariky ny fahasahiana miteny avokoa izany mba hampitsiky ny mpihaino.

Azo lazaina ho niaina tao anatin’ny tontolo tony izay hita ho feno tsiky tokoa ny mpanatrika velakevitra tamin’iny tolakandro iny.
Tiana ny manamarika  fa ankoatra ny filohan’ny Akademia Pr Ranjeva, ny filohan’ny sokajy haikanto sy Hailaza Rtoa Esther Randriamamonjy, ny filoha lefitra, Atoa Nalisoa Ravalitera  dia maro ireo olona nanatrika ity hetsika ity toy ny:

- mpikambana samihafa ao amin’ny Akademia
- mpampianatra mpikaroka eny amin’ny anjerimanontolo
- mpianatra eny amin’ny anjerimanontolo
- lehiben’ny Antenimieran’ny Andriana  Atoa Hamon Randriamahary
 -Tompon’andraikitra tao amin’ny Ministeran’ny Kolontsaina sy fampiroboroboana ny asa Tanana ary ny fiarovana ny vakoka
- ny Tompon’andraikitry ny fandaharana asa ao amin’ny vondrona Eoropeana
- Mpanoratra avy amin’ny Faribolana Sandratra (Niry-Solosoa, Riambola Mitia, Niry Haja, Rima, Jery, Rado Ramaherison, Hanitra Olive, Felana,Tolotra Arinandriana…)
- Mpikabary samihafa avy amin’ny FIMPIMA sy ROJOMI
- Fikambanana Diantanamasoandro
- Ireo mpitantara angano toa an’Ny Eja, Nirina Randriamamonjy
- Andry Andriamanantena zanak’i Rado
- mpanao gazety

Antenaina ny hitohizan’ny velakevitra miavaka tahaka izao mba hampiroboroboana ny tononkalo ankehitriny.

Tatitra: Toetra Ràja

Sary: Tsikimilamina Rakotomavo

Pôetawebs©2017 - poetawebs@gmail.com

Date de dernière mise à jour : 05/11/2017

×