Créer un site internet
Akademia : Pôetawebs sy ny Sorapiainana
Pôetawebs PÔETAWEBS
Ny pôeta raha miteny
dia mampita izay mba reny
sady saininy ombieny
amin'ny gadona avo lenta
mampitony hetaheta :
bitsik'ivan'ny pôeta.
 T.Ràja
Pôetawebs "Tsy azo adika na alain-tahaka raha tsy mahazo lalana avy amin'ny Pôetawebs fa voararan'ny lalàna 94-036 ny 18 septambra 1995 mikasika ny zon'ny mpamorona sy ny mpanakanto".
07 febroary 2021

AKADEMIA : PÔETAWEBS SY NY SORAPIAINANA
Pôetawebs Fahombiazana ny velakevitra teny amin'ny Akademiam-Pirenena Malagasy tamin'ny 4 febroary 2021 teo, nokarakarain'ny sokajy Haikanto sy Hailaza ka nandraisan'i Tsikimilamina Rakotomavo, mpikamban'ny Pôetawebs, anjara. Ny Pôetawebs sy ny sorapiainana" no lohahevitra nofidiany tamin'izany.

Nohazavain'i Tsikimilamina Rakotomavo aloha ny antsoina hoe Pôetawebs, ny antom-pisiany amin'ny maha tranonkala fanandratana ny literatiora malagasy azy, mpampivohitra ireo pôeta takona tsy lazaina, amin'ny alalan'ny teknôlôjia ankehitriny.

Nasehony koa ny endriky ny tranonkala sy ny atiny, ireo fandalinana sy karazan-dahatsoratra vokariny ary ny fomba fiasan'ny tranonkala sy ny vinany. 8 mianadahy no mandrafitra ny Pôetawebs, pôeta avokoa saingy samy manana ny ifotorany eo amin'ny andavanandrony. Lahatsoratra mahery ny 500 no efa nivoaka, tapatapakahitra 140 ary Sorapiainana 35.

Rehefa izany dia niroso tamin'ny fandrafetana ny Sorapiainana ny resaka, izay niainga tamin'ny anton'ny namoronana izany voambolana vaovao izany araka ny voalazany hoe:

Pôetawebs Rehefa izany dia niroso tamin'ny fandrafetana ny Sorapiainana ny resaka, izay niainga tamin'ny anton'ny namoronana izany voambolana vaovao izany araka ny voalazany hoe:

"Nofidiana manokana ny "sorapiainana" noho ny fahafantarana fa tokony hokajina fatratra mba tsy ho simba na ho very ny hasin’ny maha pôeta toy ny fikajiana ny hasin'ny maha olona ao amin’ny "sorapiankohonana".
Pôeta efa nodimandry iray isam-bolana no anaovana fandalinana ary miisa 35 no vita hatramin'ny janoary 2018 nanombohana ny asa.
Avadika ho harem-bakoka azo tsapain-tanana miendrika boky isan-taona ny Sorapiainana ka nohazavain'i Tsikimilamina Rakotomavo ny atin'ny boky voalohany antsoina hoe "Sorapiainana 1". Mifototra amin'ny fanangonana izay efa voasoratra ny asa fandalinana ary hatevenina amin'ny fikarohana ny takona na ny mety ho very, ka anisany ny tsiaro sy tahirin'ny taranaka pôeta.

Naharitra 15 minitra ny famelabelarana ary samy niloa-bava ny rehetra tao aorian'izany fa nianatra zava-baovao ka samy nankasitraka avokoa.

Pôetawebs
Eo ankavia i Tsikimilamina Rakotomavo, eo afovoany i Ranoe, nanao ny velakevitra faharoa

Miombon-kevitra amin'ny Pôetawebs i Nalisoa Ravalitera ny amin'ny maha takona ny pôeta kanefa mpanao tsy lazaina. Nanamarika kosa i Esther Randriamamonjy fa mampaharitra ny literatiora sy ny teny malagasy ny sehatra toy ny Pôetawebs. Nanamarika Razafiarivony Michel fa tokony hampahafantarina amin'ny haino aman-jery ny toy izao. Nanontany koa izy raha misy fampahafantarana "thèse" na "mémoire" any anaty efitry ny fandalinana. Nanazava ny mpanao velakevitra fa tafiditra anaty Sorapiainana ny fikarohana nataon'olon-kafa mikasika ilay pôeta.

Nitohy ihany ny fanontaniana ka nahaliana an'i Yvette Ranjeva ohatra ny anjara toeran'ny mpahay tantara sy ny tolotry ny taranaka pôeta eo amin'ny fandrafetana Sorapiainana. "Zava-dehibe ny fihaonana mivantana amin'ny taranaka sy fitsidihana ny toerana nitoerany" hoy i Tsikimilamina Rakotomavo. Nalainy ohatra ny trano nipetrahan'ny pôeta Suzy-Andry tao Ankadivato izay nahazoana zava-baovao maro. Nantitranteriny fa "tsy tatitry ny resaka ifanaovana amin'ny taranaka anefa akory ny Sorapiainana fa fandrafetana ireo angona samihafa, ary tsy mijanona amin'izay fa mbola arahina fandalinana ihany koa". Momba ny fanontanian'i Zo Rasendra hoe "manana vondrona mpitsara lahatsoratra ve ny Pôetawebs" dia "misy fitsarana hatrany ny lahatsoratra mivoaka" no valiny. "Rahoviana no hivoaka ny boky Sorapiainana manaraka?" hoy Razakandriantsilavo. Novaliana fa "Hivoaka tsy ho ela ny Sorapiainana 2 sy 3 ary mety hiaraka ireo, izay hahitana ny an'i Josefa sy Joseph Andrianaivoravelona". Raha ny momba ny hosoka mianjady amin'ny asa soratra nomarihin'i Raymond Ranjeva dia nambaran'i Tsikimilamina Rakotomavo fa anisan'ny atrehina ankehitriny ny hosoka sy hala-tahaka ka nahatonga ny Pôetawebs nametraka fiarovana ny tranonkala. Niompana tamin'ireny fifaninanana anaty taonkanto ireny kosa ny fanontanian'i Serge Henri Rodin, ahoana hoy izy no iatrehana ireny? "Maro ny tranonkala fa ny Pôetawebs dia mijoro ary mifototra amin'ny fandalinana" hoy ny mpanao velakevitra.

Raha izay ny momba ny Pôetawebs sy ny Sorapiainana dia nahaliana ny maro ihany koa ny velakevitra faharoa nentin-dRakotomahafaly Norbert Eugène na Ranoe hoe "Ny aingavao nentin'ny Faribolana Sandratra teo amin'ny Literatiora malagasy".

Nambarany tany am-piandohana aloha fa tsy fikambanana ny Faribolana Sandratra. Nofaritany ny Faribolana  sy ny sary famantarana azy. Nohazavainy ny momba ireo hetsika fanaon'ny Faribolana toy ny Alim-betso sy ny Zara Fanahy.

Nampiavaka ity velakevitra ity ny adihevitra momba ny fanandratan-tena hita matetika ankehitriny izay mety hahafaty antoka ny fanandratana ny haisoratra, araka ny ahiahin-dRanoe.

Feno hipoka ny trano fivoriana.  Ankoatra ireo Akademisianina sy Profesora maro dia tsy diso anjara tao ireo Mpiraifaribolana Sandratra, mpikaroka Master 2 eny Ankatso, taranaka pôeta, Mpikamban'ny Pôetawebs, ireo mpanolotsaina teknika sy lehiben'ny sampandraharaha teo anivon'ny Ministeran'ny Serasera sy ny Kolontsaina...

Tatitra : Toetra Ràja
Sary : Tsikimilamina Rakotomavo


Samuel Randria - Pôetawebs
Tsikimilamina Rakotomavo niaraka tamin'ireo Mpiraifaribolan'ny Sandratra.
Miankavanana : Sunny, Tsiahy Andrianina, Vahela, Ranoe, Tsikimilamina Rakotomavo, Liantsoa

Sary : Liantsoa
© Pôetawebs

Date de dernière mise à jour : 08/02/2021