Ny pôeta raha miteny
dia mampita izay mba reny
sady saininy ombieny
amin'ny gadona avo lenta
mampitony hetaheta :
bitsik'ivan'ny pôeta.
T.Ràja


10 Janoary 2012
FIAROVANA SANGANASA

"Tsy azo adika na alain-tahaka raha tsy mahazo lalana avy amin'ny Pôetawebs fa voararan'ny lalàna 94-036 ny 18 septambra 1995 mikasika ny zon'ny mpamorona sy ny mpanakanto".


NY HAISORATRA ANKEHITRINY

Lahatsoratry RADO RAMAHERISON - TIAVINA - RIAMBOLA MITIA , Novambra 2011, naelin'i Rado Ramaherison tao amin'ny Facebook ao anatin'ny OMBAY MITADY NY VERY

Raha hiresaka ny amin’ny hoe haisoratra ankehitriny isika dia izay tonga ao an-tsaina voalohany indrindra dia ny fahatsapana aloha fa hanahirana ny famakafakana atao eto satria tsy nandalina manokana ny amin’izany izahay miresaka aminareo etoana fa dia olon-tsotra ihany, olon-tsotra mitondra fotsiny ihany izay fiheverany sy fahatsapany ny atao hoe haisoratra ankehitriny araka izay iainanay azy; hanahirana ihany koa satria amin’ny tontolon’ny asa fikarohana manodidina ny haisoratra dia ireo tranga ara-tantara tamin’izany araka ilay hoe: «Ny soratra izay mivela dia vavolombelona sy dindon’ny sombin’ny tantaran’ny fiainan’ny olom-pirenena tsirairay sy ny an’ny firenena; vavolombelona itarafana ny firaisana sy ny heverina ho fifandraisan’ny mpiara-monina sy ny tany onenany (François RAKOTONAIVO) miampy ireo Mpanoratra niaina sy ireo asasoratra, boky ary revio aman-gazety nivoaka tamin’izany sy ny hafa miaraka aminy no akora fototra ilain’ny mpikaroka. Isika anefa raha miteny ny hoe haisoratra ankehitriny dia amperin’izany vanim-potoana izany indrindra isika izao, isika mihitsy no miaina sy mandrafitra izay ho tantara raketin’izany vanim-potoana izany ka iza moa no mahalala raha ho voatana tokoa na tsia fa vanim-potoanan’ny fanalalahana, araka izay namaritan’Atoa RANJATOHERY Harilala azy, no ho anaran’izao vanim-potoana iainantsika izao, dia tahaka ireo vanim-potoana rehetra teo amin’ny tantaran’ny haisoratra malagasy nanana ny anarany tahaka ny hoe vanim-potoana kristiana (1818-1896: 78 taona), vanim-potoana fakan-tahaka (1896-1915: 19 taona), vanim-potoana fiforetana anaty (1915-1930: 15 taona), vanim-potoana mitady ny very (1930-1945: 15 taona), vanim-potoana fitakiana fanarenana (1945-1960: 15 taona), vanim-potoana niverenan’ny fahaleovantena (1960-1972: 12 taona), vanim-potoan’ny tolom-piavotana (1972-1991: 19 taona ) . Mipetraka izany fanontaniana izany satria vanim-potoana mandray ny kihony izao raha ny hevitry Niry-Solosoa ary vanim-potoana manary ny hita kosa no amaritan’i Di… ny ankehitriny, santionany ihany ireo fa raha amintsika kosa dia inona izao vanim-potoana izao? Aoka samy hamaly an’eritreritra isika fa izay andeha atao dia ny hitondra izay mba kely anjara fanahy hokirakirain’ny mpikaroka sy ho lovan’ny taranaka any aoriana. Araka izany dia ireto no heverinay ho manamarika izao vanim-potoana izao:

Izay manahirana amin’ny vanim-potoana ankehitriny dia ireto: ireo sampan’ny FARIBOLANA SANDRATRA sy ny an’ny HAVATSA-UPEM mieli-patrana dia tsara saingy ny indro kely dia ny fahatsapana fa na misy ihany aza ireo manoratra amin’ny fitenim-paritra dia vitsy tokoa fa mbola amin’ny fiteny eto afovoan-tany no anoratan’ny maro amin’izy ireny izay mety hiteraka izao fijery izao hoe ny haisoratra malagasy dia tononkalo amin’ny fiteny ofisialy avokoa, izay tsy mitombina mihitsy satria voalohany dia tsy ny fiteny merina mihitsy akory no atao hoe fiteny ofisialy ary faharoa dia rehefa amin’ny Teny malagasy na faritra aiza na faritra aiza eto Madagasikara dia haisoratra malagasy avokoa; tsy mitombina satria na dia miroborobo tokoa aza ankehitriny ny tononkalo «mitehin-tany» eto afovoan-tany sy any amin’ny faritra any dia mahalala isika fa ny hainteny, ny sombintantara, ny tantara foronina, ny tantara tsangana, ny angano, ny tantara an’onjam-peo, … ihany koa dia ao anatin’ny haisoratra, toa azo ambara anefa fa tsy manana Mpanoratra na vokatra misongadina firy amin’ireny intsony isika raha tsy hiteny ohatra fa nisongadina tamin’ny tantara foronina E.D Andriamalala (22 Oktobra 1918 - 25 May 1979) sy ANDRY ANDRAINA (30 Janoary 1922 - 27 Febroary 2006) sy ny hafa, ny sombintantara dia efa tamin’ny taona 1989 ny FARIBOLANA SANDRATRA no namoaka ny boky SOMBINTANTARA VOAFANTINA dia izay, izany dia noho ny fahasarotan’ny famoaham-boky iainan’ny Mpanoratra ka maha vitsy ny boky mivoaka, efa manao ezaka ihany ny FARIBOLANA SANDRATRA mandrakitra ho boky ireo antsatononkalo fanaony nanomboka ny taona 1990 hatramin’izao isaky ny alarobia fahefatra ao amin’ny CGM Analakely saingy tonga amin’ilay fitenenana hoe tsintsina mitondra vonin-tenona ka izay zakan’ny vava ihany no entina, soavaly miantom-bilona e; eo ihany koa ny tsy famakian’ny maro boky intsony, misokatra eto ny adihevitra, ny boky hovakiana ve no tsy misy sa ny maro mihitsy no tsy mamaky boky intsony, izahay dia sahy miteny fa misy ny boky fa ny maro mihitsy no tsy tia mamaky boky intsony, efa nofoanana ao an-tsain’ny maro mantsy ankehitriny ny kolontsaina mamaky boky anefa mbola marina ilay hoe ny boky no sakaiza tsara indrindra ary na manao ahoana na manao ahoana fandrosoan’ny hairaha vaovaon’ny fifandraisana dia tsy mbola mahasolo ny boky fa manampy azy kosa ny aterineto. Dia hiteny isika hoe ilay fahefa-mividy no olana dia izao ary: ny saran’ny karatra fidirana amin’ny fampisehoana ankalamanjana indray mandeha sy mandalo iray amin’izao fotoana izao dia mahavidy boky tsara mihitsy izay harena hipetraka araka ilay hoe ''ny teny mandalo fa ny boky mitoetra'', raha miteny izany tsy hoe ratsy ny fampisehoana fa mba fanamarihana fotsiny ihany sa ve hionona fotsiny amin’ny hoe efa nilaozan’ny toetr’andro ny ''olon’ny teny sy haino'' (génération de l’oral) sy ny ''olon’ny soratra'' (génération de l’écrit) fa efa ''olon’ny hainoamanjery'' (génération de l’écran) sisa isika ankehitriny araka ny fivoarana nomarihan’ny Dokotera J.Nalisoa RAVALITERA.
Na eo aza anefa izany rehetra izany dia tsara kosa ny mitondra izao manaraka izao hoe raha mitaha amin’ny vanim-potoana rehetra tany aloha dia izao vanim-potoana izao no manana Mpanoratra tanora maro indrindra, tsy hijery isika ny amin’ny hoe iza no tena Mpanoratra na tena Poeta amin’ireny, araka izay voalazan’i Dox hoe ''Ny olona rehetra dia Poeta avokoa fa izay tena Poeta dia izay mahay mamoha ny Poeta matory ao anatin’ny tsirairay'' , fa ny zava-misy aloha dia ny fisian’ny fivondronana Mpanoratra roa dia ny HAVATSA-UPEM sy ny FARIBOLANA SANDRATRA sy ireo an-dalam-pijoroana , izay samy mikely aina tokoa amin’ny fampiroboroboana ny haisoratra malagasy, sy ireo izay tsy miditra anaty fikambanana izay raha ny marina dia ireo no maro an’isa. Izay nahatonga izany dia izao: rehefa nodimandry RADO (Georges ANDRIAMANANTENA: 01 Oktobra 1923 - 15 Septambra 2008) sy elie rajaonarison (15 Novambra 1951 - 27 Novambra 2010) dia noheverina fa ho ''faty'' koa ny haisoratra malagasy, tsy izay anefa no nitranga fa ny nahafatesan’izy ireo indrindra no nampivoaka Mpanoratra maro, asa izay ve ilay mbola fahendren’ny maro amintsika hoe tsy mihoa-joky. Amin’ny lafiny iray dia tsara izay satria ireny no lalana maneho ireo Mpanoratra sy ireo asasoratra any amin’ny faritra maro any saingy ny mampanahy dia toa ary mety ho lasa mpanoratra daholo indray isika mianakavy.
Fa raha mandinika koa isika dia tsy nisaraka mihitsy tamin’ny tantaran’ny haisoratra malagasy ny gazety literera ary dia mbola mitohy izany hatramin’izao satria ankoatra ny AMBIOKA mivoaka isam-bolana dia mifandimby miandraikitra ny pejy manokana isan-kerinandro momba ny haisoratra indroa isam-bolana ao amin’ny gazety ''L’Observateur'' ankehitriny ny FARIBOLANA SANDRATRA sy ny HAVATSA-UPEM.
Teboka manaraka amin’izay manamarika izao vanim-potoana izao dia ny firoboroboan’ny hairaha vaovaon’ny fifandraisana, tsy tara amin’izany ny haisoratra malagasy satria efa misy ankehitriny ny tranonkala miresaka ranofotsiny izany dia ny www.poetawebs.com sy ny www.haisoratra.org, eo ihany koa ny tambanjotra sosialy ''facebook'' izay na ny FARIBOLANA SANDRATRA na ny HAVATSA-UPEM dia efa samy mpikambana amin’izany avokoa ankoatra ireo Mpanoratra sy Poeta izay efa ao hatramin’izay. Anterina izay efa nolazaina teo aloha fa manampy fotsiny ihany fa tsy mahasolo velively ny boky ny aterineto.
Ity manaraka ity angamba no nahatonga ny hoe vanim-potoan’ny fanalalahana izao satria tokoa nanomboka ny taona 1991 no nahazo vahana lehibe izany tamin’ny alalan’ny fanafoanana ny sivana sy nisokafan’ny hainoamanjery tsy miankina maro teto amin’ny firenena; tsy azo lavina izay fiovana ratsy nentin’ny sivana fa andeha hojerena amin’ny lafiny tsara kosa hoe lalana iray nahafantarana Mpanoratra maro izany satria ny ankamaroan’ireny hainoamanjery ireny dia mamokatra fandaharana momba ny haisoratra avokoa isan-kerinandro. Eto am-pamaranana dia nilaza isika tery aloha fa aoka ny tsirairay no hamaritra izao vanim-potoana izao araka ny fiheverany azy koa raha aminay, miainga amin’ny fahatsapanay sy izay iainanay azy andavanandro dia vanim-potoana ombay mitady ny very izao vanim-potoan’ny literatiora malagasy an-tsoratra izao, ombay mitady satria ''isika rehetra izao ihany no niara-nanary azy'' koa ''tsy adidiko izaho irery izany fa adidiko izaho sy ianareo''.

RADO RAMAHERISON - TIAVINA - RIAMBOLA MITIA , Novambra 2011

Ity lahatsoratra ity dia navoaka voalohany ny Asabotsy 03 Desambra 2011 nandritra ny hetsika TONONKALO MITETY VAZAN-TANY fanaon’ny FARIBOLANA SANDRATRA tao amin’ny Lycée FJKM Ambohitrimanjaka.

Ireo nanovozan-kevitra :

Rakibolana Raki-pahalalan’ny Akademia malagasy (tantaran’ny haisoratra malagasy)
Tsanganana HAODY, ''Ombay mitady'' nosoratan’i Hary RAZAFINDRAKOTO tao amin’ny pejy kolontsaina , gazety Taratra nivoaka ny Zoma 25 Novambra 2011

 

poetawebs@gmail.com