PÔETAWEBS "Tsy azo adika na alain-tahaka raha tsy mahazo lalana avy amin'ny Pôetawebs fa voararan'ny lalàna 94-036 ny 18 septambra 1995 mikasika ny zon'ny mpamorona sy ny mpanakanto"

31 ôktôbra 2019
Ny pôeta raha miteny
dia mampita izay mba reny
sady saininy ombieny
amin'ny gadona avo lenta
mampitony hetaheta :
bitsik'ivan'ny pôeta.
 Toetra Ràja


AKORY E! FANOKAFANA MIAVAKA

 

Niavaka araka izany lohateny izany tokoa ny fotoam-panokafana ny hetsika nokarakarain'ny fikambanana GASIKO tamin'ny 29 ôktôbra teo, tao amin'ny Tranombokimpirenena Anosy, hetsika notanterahina teo ambany fiahian'ny Ministeran'ny Serasera sy ny Kolontsaina. Tsapa tamin'ireo lahateny nifandimbiasana ny maha harena ho an'ny firenena ny kolontsaina sy ny fitenim-paritra. Ny Filohan'ny fikambanana Gasiko, ny Tale Jeneralin'ny Foibe momba ny Teny, ny Talen'ny fampianarana Ambaratonga faharoa ao amin'ny Ministeran'ny Fanabeazam-pirenena, ary ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina no nanao lahateny.
 
PôetaWebs
Ny Ministry ny Serasera sy ny Kolontsaina Lalatiana Andriatongarivo,
eo anelanelan'i Maka Alphonse (CFM) sy Govina Damy (Gasiko)

 

 

 

Nandrindra ny fotoana i Simon R. izay Tsimihety ary nanao fitenim-paritra teo am-panaovana izany.
 Sammy no nandravaka ny fotoana. Tantara kely milohateny hoe "Fitraofagna", midika hoe fihaonana, no nanelanelana.
Niavaka ny Antsa Antakaragna. Nitsidika ny tranoheva misy ireo torohay momba ny fitenim-paritra ny rehetra, tranoheva nahitana ohabolana, fomba fiaina sns.

Niafara tamin'ny tsaingoka sy fialana hetaheta niarahana tamin'ny Cafetulat ny fotoana. Marihina fa mpiombona antoka amin'izao hetsika izao ny Cafetulat, nahamasaka sakafo tena malagasy nandritra izany.

Mpianatra maro be, mpikaroka, olona samihafa liana amin'ny kolontsainy no nanotrona ny fotoana. Feno hipoka ny efitrano ka maro aza ireo nanao talapetraka.

Tsy diso anjara koa ireo mpanao gazety fa nanaporofo izany tamin'ny lahatsoratra nandrakotra ny haino aman-jerin'ny Nosy. "Mila mifanatona isika Malagasy", izany ampahan-tenin'ny Ministry ny Serasera sy ny Kolontsaina izany no nindramin'ny gazety 
Jejoo. "Hiara-miasa amin'ny fikambanana "Gasiko" ny ministeran'ny Kolontsaina" hoy kosa ny Ao Raha raha nanasongadina ny dingana voalohany, dia ny fahatsapan-tenan'ny tsirairay handrava ny rindrin'ny fahasamihafana. Ny L'Express indray dia nitodika tany amin'ny atrikasa ho an'ny fampiroboroboana ny fitenim-paritra izay nahazo toerana eo anivon'ny Ministera. Nomen'ity gazety ity toerana manokana koa ny tantara tsangana "Fitraofagna" sy ny fitsidihana ny tranohevan'ireo foko folo mitambatra ato anatin'ity hetsika ity. Ny FreeNews indray dia nampirantiranty ny toerana avon'ny fitenim-paritra ary nitatitra ny tenin'ny Talen'ny Foibem-pitondrana misahana ny Maha Izy ara-Kolontsaina momba ny fiitaran'izao hetsika izao any amin'ny faritany.
 
 
PôetaWebs
 
PôetaWebs
 
 
PôetaWebs
 
 
PôetaWebs


Tatitra : Toetra Ràja
Sary : Tsikimilamina Rakotomavo

 

poetawebs@gmail.com

Date de dernière mise à jour : 04/11/2019