Créer un site internet
PÔETAWEBS TAO ANOSY, NISEHARAN'NY TANORA SY NY ZOKINJOKINY
Pôetawebs PÔETAWEBS
Ny pôeta raha miteny
dia mampita izay mba reny
sady saininy ombieny
amin'ny gadona avo lenta
mampitony hetaheta :
bitsik'ivan'ny pôeta.
 T.Ràja
Pôetawebs "Tsy azo adika na alain-tahaka raha tsy mahazo lalana avy amin'ny Pôetawebs fa voararan'ny lalàna 94-036 ny 18 septambra 1995 mikasika ny zon'ny mpamorona sy ny mpanakanto".
18 martsa 2021

PÔETAWEBS NANOLOTRA NY POETAN'NY ANIO SY OMALY
Nifamotoana tamin'ny tranonkala Pôetawebs toy ny fanao isaky ny alarobia fahatelon'ny volana ireo mpakafy pôezia omaly 17 martsa tao amin'ny Tranombokim-pirenena Anosy. Maro ireo tonga teny an-toerana saingy tsy tafiditra noho ny fepetran'ny hamehana ara-pahasalamana voatery tsy maintsy noraisina.

Pôetawebs Pôetawebs
Njaka Raonison, Talen'ny Tranombokim-pirenena
Tsiky Rakotomavo - Pôetawebs

Anisan'ny votoatin-tenin'ny Talen'ny Tranombokim-pirenena, Njaka Raonison, izany teo am-panombohana ny fotoana ka nanazavany koa ny antom-pisian'ny hetsika.
Rehefa izany dia niroso tamin'ny fanolorana ireo mpiara-miasa aminy i Tsikimilamina Rakotomavo avy ao amin'ny Pôetawebs. Nisy tamin'ireo mpikambana no tonga avy lavitra, dia i Solotiana Nirhy-Lanto Ramamonjisoa, mpampianatra mpikaroka amin'ny sehatry ny teny sy literatiora any amin'ny INALCO Parisy.

TAPATAPAKAHITRA
Pôetawebs Tapatapakahitra an-tsehatra no nanohizana ny fotoana ka nahitana an'i Fafah Rakotondratsimba nametra-panontaniana tamin'ny pôeta Nirihaja. Rehefa avy nampahatsiahy ny mombamomba ny vahininy izy dia niroso avy hatrany tamin'ny hevitra fonosin'ny teny filamatra hoe "pôezia... fiainako". Tsy nihambahamba i Nirihaja nitety ny habakabaka misy azy sy ny pôezia, ny fifandraisany aminy, ny nanombohany nanoratra, ny famaritany ny atao hoe poezia, ny fiainany ao amin'ny Faribolana Sandratra.
Amin'ny maha pôeta vehivavy azy, ary noho ny fankalazana ny andro iraisam-pirenena momba ny zon'ny vehivavy tamin'ny herinandro lasa teo, dia nanontanian'i Fafah Rakotondratsimba azy ny fahitany amin'ny ankapobeny ny toerana sy ny lanjan'ny vehivavy mpanoratra malagasy.

Fafah Rakotondratsimba sy Nirihaja
Pôetawebs Fampitahana no nentin'i Nirihaja nanazava izany toy ny mpanoratra "taloha sy ankehitriny", ny asa soratry ny vehivavy mitaha amin'ny an'ny lehilahy, fitanisana ireo mpanoratra vehivavy izay vitsy mpahalala na tsy fantatra mihitsy, ireo Amboara efa nivoaka. Marihina fa tsy nohadinoin'i Nirihaja ny nanolotra voan-dalana ho an'ny mpanatrika tamin'ny alalan'ny antsa tononkalo. Fanontaniana avy tamin'ny mpijery no nentina namarana ny tapatapakahitra. Anisan'izany ny asan'ny literatiora sy ny akony eo amin'ny mpamaky sy ny mpanoratra. Novalian'i Nirihaja fa mila fahatsorana sy fanetren-tena ny mpanoratra raha tiany hateza sy hipaka any amin'ny mpamaky ny asa sorany, izay asa soratra tsy noterena. Voalazany koa fa mieritreritra ny hamoaka boky ato ho ato izy.

SORAPIAINANA
Pôetawebs
Teo amin'ny Sorapiainana indray dia ny pôeta Clarisse Andriamampandry Ratsifandrihamanana no nomem-boninahitra. I Tsikimilamina avy ao amin'ny Pôetawebs aloha no nisantatra izany tamin'ny alalan'ny famintinana izay voarakitra tao amin'ny tranonkala Pôetawebs.

Ny Dr Ny Hasina Ratsimbazafy kosa no nitanisa ireo voka-pikarohana miisa 6 momba an'i Clarisse Andriamampandry Ratsifandrihamanana teny amin'ny fampianarana ambony. Marihina fa izao firotsahan'ny Dr Ny Hasina Ratsimbazafy izao no manamarika ny fisokafan'ny Pôetawebs ao amin'izany sehatra izany.

Rehefa izany dia nitondra fanampim-panazavana ny fianakaviana tamin'ny alalan'i Lisy Ratsifandrihamanana sy Lila Ratsifandrihamanana. Anisan'izany ny nilazana fa misy 30 ireo boky nosoratan'i Clarisse Andriamampandry Ratsifandrihamanana ary misy tsy mbola voatonta, 10 ireo zafikeliny, noraisina ho mpikamban'ny Akademia tamin'ny 22 aprily 1976 izy.  Namaly ny fanontanian'ny mpijery ihany koa ny fianakaviana.
Tsiky Rakotomavo namintina ny sorapiainana


Pôetawebs Pôetawebs
Lila Ratsifandrihamanana
Lila sy Lisy Ratsifandrihamanana

Pôetawebs Pôetawebs
Dr Ny Hasina Ratsimbazafy Clarisse Andriamampandry Ratsifandrihamanana

Nijoro ho vavolombelona aloha i Nalisoa Ravalitera, momba ny fifaneraserany taminy. Nanamarika i Harilala Ranjatohery fa anisan'ireo mpianany, mpampianatra teny malagasy mantsy i Clarisse Andriamampandry Ratsifandrihamanana. Niangavy kosa ny pôeta Felana ny hanontana indray ny boky "Pitik'onja".
Nanamarika ny fotoana ny fanazavana momba ny boky vaovao biografia an'i Clarisse Andriamampandry Ratsifandrihamanana, izay novolavolain'ireo zanany.


Pôetawebs Pôetawebs
Nalisoa Ravalitera Harilala Ranjatohery

Teny antsefantsefan'ny fotoana no nahafahana nianoka ireo tononkalon'i  Clarisse Andriamampandry Ratsifandrihamanana ary nankafizana hira roa fantatry ny maro kanefa an'ity pôeta andrarezina ity ny tonony: "Homeko lalana" sy "Fa inoko ianao no antsoiko".

Pôetawebs
"Fa inoko ianao no antsoiko"

Antsa tononkalo

Pôetawebs Pôetawebs
Mpianatra anisan'ny nanontany an'i Nirihaja

Nofaranana tamin'ny hiran'ny tarika Ramaroson Wilson izay nindrana ny tononkalon'i Dox hoe "Ny hirako" ny fotoana. Gaspard, mpitendry zavamanenon'ny FJKM Isotry Fitiavana no anisan'ny nanafana ny fotoana hatrany am-boalohany.

Fisaorana mitafotafo no natolotr'i Tsikimilamina Rakotomavo ireo mpanatrika nameno ny efitrano Dox. Nanome fotoana azy ireo indray izy amin'ny alarobia faha 21 aprily 2021.

Tatitra : Toetra Ràja
Sary : Riambola Mitia


© Pôetawebs

Date de dernière mise à jour : 21/03/2021