FANOLORANA NY BOKY SORAPIAINANA-2 SY SORAPIAINANA-3
Pôetawebs PÔETAWEBS
Ny pôeta raha miteny
dia mampita izay mba reny
sady saininy ombieny
amin'ny gadona avo lenta
mampitony hetaheta :
bitsik'ivan'ny pôeta.
T. Ràja
Pôetawebs "Tsy azo adika na alain-tahaka raha tsy mahazo lalana avy amin'ny Pôetawebs fa voararan'ny lalàna 94-036 ny 18 septambra 1995 mikasika ny zon'ny mpamorona sy ny mpanakanto".
31 Desambra 2021
Tatitra : Toetra Ràja
FANOLORANA NY BOKY SORAPIAINANA-2 SY SORAPIAINANA-3
Poa-droa ny an'ny Pôetawebs tamin'ny 15 desambra 2021 teo, tao anatin'ny hetsika PÔETAWEBS MISEHATRA fanao isaky ny alarobia fahatelon'ny volana. Niaraka natolotra ampahibemaso tamin'io andro io mantsy ny boky anankiroa, boky mirakitra ny tantarana pôeta 20 antsoina hoe Sorapiainana-2 sy Sorapiainana-3.

Efa hatramin'ny febroary 2021 no nahalalana ny hetsika PÔETAWEBS MISEHATRA kanefa ity fahafito ity dia niavaka tamin'ny mahazatra satria endrika fety aman-danonana no nanehoana azy.

Nisantatra ny lanonana i Nini ao amin'ny tarika Kiaka tamin'ny famelomana an-kira ny tononkalon'i Dox hoe "Ny hirako". Novelomin-dRalanto an-kira koa teny an-tsefatsefan'ny fotoana ireo tononkalo diso fantatry ny maro toy ny "Raha ho avy ianao" an-dRatsimba Georges sy ny "Veloma soa" an'i Samüel Randria. Nianoka an'ireo tononkalo nampalaza an'ireo pôeta tafiditra tao amin'ireto boky anankiroa ireto koa ny mpijery. Niantsa ny tononkalo "Zon'ny teniko" i Anjoanina zafikelin'i Gilbert Rakotomavo; "Etsetra etsetra" kosa ny an'i Saroy zanak'i Solofo José; "Tarigetran'ialahy" ny an'i Dô Rabesaiky rahalahin'i Om-Gui...

Tafavoaka ny efitranony ny tranonkala Pôetawebs, hoy i Tsikimilamina Rakotomavo, mpandrindra ny Pôetawebs, fa tsy voafefin'ny rindriny intsony satria natonta ho boky ny voka-pikarohana sorapiainana ary mifanatrika mivantana an-tsehatra amin'ireo mpiserany ny tranonkala.

Niloa-bava kosa i Sahondra Andriamihamina, talen'ny Arsivam--pirenena nanao ny sasin-tenin'ny boky Sorapiainana-2, momba ny halalin'ny fikarohana sy ny fandalinana tao amin'ny tranonkala sy ny boky. Tafiditra ao anatin'ny fikambanana lehibe mivoy sy manandratra ny literatiora malagasy, hoy izy, ny Pôetawebs.

Nanamafy ny maha pôeta an'i Joseph Andrianaivoravelona ny zafikeliny Razakandriantsilavo ary nanazava ny fomba fifandraisany tamin'ny Pôetawebs ka nifampizarana tahirin-kevitra. Ny Talen'ny Kabinetra eo anivon'ny Ministeran'ny Serasera sy ny Kolontsaina no namarana ny lahateny nandritra ny sehatra tao amin'ny efitrano David Jaomanoro, fotoana voafehin'ny Tonian-danonana, Vetson'ny Fanahy, tao anatin'ny 85 minitra.

Mampiombona ny pôeta sy ny taranaka pôeta ity hetsika ity satria saika nahitana solontena avy ireo taranaka pôeta 20 voakasik'ireo boky roa ireo, miampy ireo nandray anjara tamin'ny hetsika "Pôetawebs misehatra" hatramin'ny febroary 2021 nanombohana azy. Namela rango-tsoratra tao amin'ny boky volamena izy ireo ka anisany ry Tsitohery Raolona sy Riambola Mitia avy ao amin'ny Faribolana Sandratra. Nanatrika hatramin'ny faran'ny fotoana i Lala Rakotoson Raolisoa Agnès sy Ranjatohery Harilala avy ao amin'ny Havàtsa-Upem.

Hafa mihitsy araka izany ny fomba namaranana ny fotoana izay nihaonan'ny taranaka pôeta 20 sy ireo nahazo fanasana tamin'ny kokitelina tao amin'ny efitrano Dox. Mbola nitohy tamin'izany mantsy ny fandraisam-pitenenana izay nosantarin'ny Solombavambahoaka Andriamiakatrarivo Pierrot. Nifandimbiasana ny sehatra ka niavaka ny fiantsana ny tononkalon'i Dox nataon'ny zanany Elie Ramasindraibe Salomon, ny ritsoka mahatsikaikin'i Enjana, ny feo mangan'ny tarika Brawd BeatBox.


Ny tranonkala Pôetawebs dia manolotra fisaorana ireo taranaka navelan'ny pôeta 20 nanoina ny antso tamin'ny famoahana ampahibemaso ny boky Sorapiainana 2 sy ny boky Sorapiainana 3. Isaorana ihany koa ireo izay nanohana tamin'ny fanatontosana ny boky. Ao ireo nanao sasin-teny, ireo mpanakanto nanafana ny lanonana, ireo mpanatrika, mpankafy, mpanaraka tsy tapaka ny fandalinana notontosaina. Tsy hay hadinoina ireo mpiara-miasa : Vohitravo, CROIMA, Cabinet Médical MAHATSARA, ny quinquaillerie MAHAVANTANA, izay nifanolo-tanana tamin'ny fandavorariana rehetra.

Ankasitrahana manokana:

- ny Solombavambahoaka Andriamiakatrarivo Pierrot sy Razaiharimalala Fiainantsoa
- ny Talen'ny Kabinetra eo anivon'ny Ministeran'ny Serasera sy ny Kolontsaina
- ny Talen'ny Arsivam-pirenena
- ny filoha lefitry ny sokajy 1, Haikanto sy Hailaza eo aniveon'ny Akademiam-pirenena malagasy
- ny solontenan'ny taranaka, Razakandriantsilavo
- ireo mpanao gazety
- ny mpanakanto Nini (Tarika Kiaka), Ralanto, Brawd BeatBox, Enjana

Marihina fa ny boky Sorapiainana-1,  Sorapiainana-2 ary  Sorapiainana-3 dia hita ao amin'ny librairie Md-Paoly Analakely.


Vetson'ny Fanahy, Tonian-danonana Pôetawebs
Ralanto, nanafana ny lanonana tamin'ny fihirana ny tononkalon'ny pôeta

Nisantatra ny hira i Nini (tarika Kiaka) tamin'ny tononkalon'i Dox "Ny hirako"

Saroy, zanak'i Solofo José sy Lydiary niantsa ny "Etsetra etsetra", tononkalon-drainy
Ambinintsoa, zafikelin'i Bolespara, niantsa ny
"Mahaiza misaotra"


Anjoanina, zafikelin'i Gilbert Rakotomavo, niantsa ny "Zon'ny teniko"
Zafikelin'i R. Rajemisa-Raolison,
niantsa ny "Idada sy Ineny"
Do Rabesaiky, rahalahin'i Om-Gui
niantsa ny
"Tarigetran'ialahy"


Andrianaivoravelona Razakandriantsilavo,
nisolo tena ny taranaka pôeta

Talen'ny Arsivam-pirenena
Ireo nahazo fanasana manokana,
napetraka mialoha teo anoloana


Talen'ny Kabinetra eo anivon'ny Ministeran'ny Serasera sy ny Kolontsaina

Ireo fianakavian'ny pôeta teo amin'ny ilany ankavanan'ny efitrano David Jaomanoro. Eo amin'ny laharana faharoa no ahitana ny fianakavian'i R. Rajemisa-Raolison ka faharoa avy any amin'ny sisiny farany indrindra i Lala Rakotoson Raolisoa Agnès nodimandry tamin'ny 30 Desambra

Fianakavian'ny pôetan'ny Sorapiainana-2

Fianakavian'ny pôetan'ny Sorapiainana-3. Eo ankavanana ny Pôetawebs

Ireo nahazo fanasana manokana sy nanokanana toerana mialohan'ny fotoana

Solombavambahoaka Andriamiakatrarivo Pierrot
sy ireo manam-pahefana, mialoha ny sakafo

Elie Ramasindraibe Salomon (zanak'i Dox) sy ny fianakaviany, miantsa ny tononkalon-drainy

Brawd BeatBox Enjana


RANGO-TSIARO TAMIN'NY BOKY VOLAMENA
Rakotomalala Moïse, zanak'i G.R.G.
Ny pôeta Ramarolahy

Aina Randria, zanak'i Samüel Randria

Taranak'i Bolespara

TEO AMIN'NY SAKAFO


Sahondra Andriamihamina
sy Tsikimilamina Rakotomavo

RHA Nary sy Elie Ramasindraibe Salomon
© Pôetawebs
Takelaka : Toetra Ràja

Date de dernière mise à jour : 03/01/2022