Créer un site internet
HETSIKA TONONKALO - DESAMBRA 2021
Pôetawebs PÔETAWEBS
Ny pôeta raha miteny
dia mampita izay mba reny
sady saininy ombieny
amin'ny gadona avo lenta
mampitony hetaheta :
bitsik'ivan'ny pôeta.
T. Ràja
Pôetawebs "Tsy azo adika na alain-tahaka raha tsy mahazo lalana avy amin'ny Pôetawebs fa voararan'ny lalàna 94-036 ny 18 septambra 1995 mikasika ny zon'ny mpamorona sy ny mpanakanto".
08 Janoary 2022
Tatitra : Léa Fandresena
HETSIKA TONONKALO - DESAMBRA 2021
Maro ireo hetsika namaranana iny taona 2021 iny teo amin'ny sehatry ny pôezia sy ny literatiora malagasy. Tsangambato tafajoro avokoa ireny hetsika ireny ka izay niseho tamin'ny volana desambra no handeha hampahafantarina antsika amin'ny alalan'ny fintina. Ialana tsiny ireo hetsika mety ho tsy voatanisa etoana.

ZAHA - 11 Desambra 2021



ZAHA no lohatenin'ny hetsika nokarakarain'ny vehivavy Fanilon'ny Madagasikara tao amin'ny Tranombokim-pirenena Anosy ny 11 Desambra teo. Nampiseho talenta maro ny mpandray anjara: antsa tononkalo, slam, dihy, hira, tantara an-tsehatra.
Ireto no nandray anjara: Lolly, Becla, Arlisoa, Lalaina, Yasminah ary Di'Art Tsifoina. Niavaka aoka izany ny endriky ny sehatra, tamin'ny haingon-tsehatra, ny fitafy sy dihy sns.

POETAWEBS MISEHATRA - 15 Desambra 2021



Hetsika karakarain'ny tranonkala Pôetawebs isaky ny alarobia fahatelon'ny volana ao amin'ny Tranombokim-pirenena Anosy ny Pôetawebs Misehatra. Niavaka tokoa ity natao tao amin'ity efitrano David Jaomanoro ity satria namoahana ireo boky Sorapiainana faharoa sy Sorapiainana fahatelo izay ahitana tantarana pôeta 20 efa nodimandry. Tamin'io fotoana io koa no nahitana ny taranak'ireo poeta 20 voarakitra ao anatin'ny boky. Nasaina manokana ireo pôeta efa nivahiny nitapatapakahitra an-tsehatra nandritra ny taona. Nampahafatarina ny mpanatrika ireo mpikamban'ny Pôetawebs rehetra monina eto Antananarivo sy any amin'ny faritany ary ny any ivelan'ny Nosy. Samy notolorana boky ireo taranaky ny kintan'ny lasa, ny nandrafitra ny sasin-teny ary ireo mpiara-miasa tamin'ny tranonkala nanatontosana ny hetsika. Nofaranana tamin'ny koktelina ny fotoana tao amin'ny efitrano Dox. Nojifaina nandritra io fotoana io ny boky sorapiainana anankitelo novokarin'ny Pôetawebs ary mbola mitohy izany any amin'ny trano fivarotam-boky.

ANTSA TONONKALO CEG ALASORA - 15 Desambra 2021


Niavaka ny fampisehoana teny amin'ny CEG Alasora tamin'ny tolakandron'ny 15 Desambra 2021 teo, hetsika fiaraha-miasa tamin'io sekoly io. Antsa tononkalo narahina fanontaniana napetraky ny mpianatra no nameno ny fotoana. Nandray anjara tamin'izany i Rohy Aitia, Thierry Poezia, Bin's, Elujar, Arielatra, Santatra Ramarozaka ary Ny Iraka Rambolamanana. Nandravaka ny fotoana ny skoto avy any Manjakaray. Nankafy literatiora tokoa ireo mpianatra nanatrika sady nazoto nandray anjara satria ny andavanandro iainana no nianohana tao anaty pôezia.

RANGOTRA VOATSONGA - 17 Desambra 2021


Nivoaka tamin'ny fomba ôfisialy tao amin'ny Tranombokim-pirenena Anosy tamin'ny 17 Desambra 2021 teo ny boky mitondra ny lohateny hoe RANGOTRA VOATSONGA, boky voalohany nosoratan- dRAVOROMBATO Ony Lantoarimamy. Tantara an-onjampeo no hita ao anatin'ny boky, karazan-kanto efa nanavanana azy hatramin'ny ela. Ahitana tononkalo sy sombintantara ary tantara fisehatra ihany koa ao anatiny. Toy izao ny hevitry ny "rangotra voatsonga", araka ny nambaran'ny mpanoratra: "Eo amin'ny fiainana día misy ratra, ary maro karazana ny ratra toy ny ratram-po, ratra eo amin'ny vatana... Rangotra satria midika ho sonia ary mametraka izany aho ho dian-tanana". Nanehoany ny talentany tamin'io fotoana io ny antsa tononkalo izay noravahin'ny Compagnie BeeZ'art tantara an-tsehatra fohy. Izay maniry hamaky ny boky dia afaka miresaka mivantana amin'ny mpanoratra.

MAIZINA AMPOTOTRY NY MAZAVA - 22 Desambra 2021


Taorian'ny Rano raraka izay natao tao amin'ny Ivokolo Analakely ny volana jolay 2018 dia nivoaka tamin'ny fahanginany indray ny fikambanana "HAINTSO TELO". Nikarakara hetsika mitondra ny lohateny hoe MAIZINA AMPOTOTRY NY MAZAVA mantsy ny fikambanana tamin'ny 22 Desambra lasa teo tao amin'ny Tranombokim-pirenena Anosy. Nampahatsiahivina tamin'ny alalan'ny tantara an-tsehatra ny tokony hitodihan'ny olona amin'Andriamanitra manoloana ny hatanorana, ny olan'ny fiainana toy ny tsy fananan-janaka, ny harena ifikiran'ny olona eto amin'ity tontolo ity. Nahaliana ny mpijery koa ny fiantsana tononkalo tamin'izany izay niangalian'i Diähy Miäjã, NLRC, Miu Fitia Idealy, Rolly Casimir, Ny Andrianary, Fanjan'Eritreritra. Nitsangana tamin'ny taona 2018 ny fikambanana Haintso Telo. "Hitaiza, Hanabe, Hampiala voly"  amin'ny alalan'ny literatiora (tantara, antsa tononkalo, kabary...) no tanjona voizin'ny fikambanana. Tafita, araka izany, ny fototra ijoroan'ity fikambanana ity satria fampitana anatra sy fanabeazana tao anaty fialamboly tokoa ity hetsika ity izay hitohy hatrany ho fanandratana ny literatiora malagasy.

NY METY HO KRISMASINAY - 24 Desambra 2021


Notontosaina ny marainan'ny 24 Desambra 2021 tao amin'ny sekoly Rasalama ny hetsiky ny fikambanana "TSANTA" mitondra  ny lohateny hoe: Ny mety ho krisimasinay!  Niavaka ny antsa tononkalo nandritra ny fotoana izay nanomezana toerana manokana teny an-tsehatra ny mpijery. Natao ho fanampiana ireo kamboty ity hetsika ity mba hiatrehana soa aman-tsara ny fety. Nisy, araka izany, ny vidim-pidirana nentina hividianana akanjo sy sakafo izay nozaraina tamin'ny 27 Desambra araka ny nampanatenaina ireo kamboty. Tsy mijanona hatreo anefa ny hetsika ohatra izao fa miezaka hatrany ny fikambanana mba hitondra anjara biriky ho an'ireo sahirana ary ho fampivoarana ny literatiora ihany koa! Marihina fa ny fikambanana TSANTA (Tiako Sy Andrianiko Ny teniko sy TAniko) dia tarihin'i Nofinofy Idealy.

TARABOLANA - 26 desambra 2021


Nankalaza ny tsingerintaona voalohany ny fikambanana TARABOLANA ny tolakandron'ny 26 Desambra 2021 tao amin'ny akany Ami4 Anjanahary. Ny hevitry ny TARABOLANA dia hazavana kely eny anahabakabaka saingy miteraka tara-pahazavana ety ambonin'ny tany. Mivoatra anefa izany fa tsy mijanona ho taratra kely foana. Bin's no filoha mitarika azy ary Ny Fangaro no filoha lefitra. Manana ny teny fanevany izy: Sahy vonona matotra. Nampahafantatra ny mpankafy izy ireo fa ara-panjakana ny fijoroan'ny fikambanana. Nambara tao ireo lalana efa nodiavin'ny fikambanana sy ireo zava-bita nandritra izay fotoana izay. Niavaka ny fampisehoana satria nandray anjara mavitrika tao anatin'ny lanonana ireo olona nasaina. Novelabelarina nandritra izany ny lohahevitra hoe "Ny anjara asan'ny fikambanana ho amin'ny fampandrosoana ny literatiora". Nianoka antsa tononkalo ny mpanatrika ary nandray anjara malalaka tamin'izany koa ankoatran'ny seho nataon'ny fikambanana. Nanamarihana ny fotoana ny fanapahana koban'ny tsingerintaonan'ny TARABOLANA mba ho marika fa tena Malagasy no niandohana.


ALIMBETSO - 29 Desambra 2021


Nanatanteraka Alimbentso ny Faribolana Sandratra Manjakandriana ny 29 Desambra 2021 teo tetsy Maharidaza ho famaranana ny taonan'ny literatiora malagasy. Tsy nanavahana na iza na iza ny hetsika fa rehefa mpankafy literatiora malagasy ka naheno izany dia afaka nanatrika avokoa. Tsy nivalamparana ny fanentanana mialoha noho ny hamehana ara-pahasalamana fa izay tratra antso no tonga. Nomarihina tamin'ny fifampizarana tononkalo manodidina ny afondasy ny fotoana, ary nombana adi-hevitra mahakasika ny literatiora, izay nanompanana ny tontolon'ny alina tena nankafizin'ny rehetra. Efa hetsika fanaon'ny Faribolana Sandratra hatry ny ela ny Alimbentso, fomba nolovaina tamin'ireo Zoky tany aloha, ka mbola tohizina hatrany ho fanamarihana fa velona sy miaina ny literatiora malagasy.


© Pôetawebs
Takelaka : Toetra Ràja

Date de dernière mise à jour : 09/01/2022