Créer un site internet
PÔETAWEBS "Tsy azo adika na alain-tahaka raha tsy mahazo lalana avy amin'ny Pôetawebs fa voararan'ny lalàna 94-036 ny 18 septambra 1995 mikasika ny zon'ny mpamorona sy ny mpanakanto"

15 desambra 2020
Ny pôeta raha miteny
dia mampita izay mba reny
sady saininy ombieny
amin'ny gadona avo lenta
mampitony hetaheta :
bitsik'ivan'ny pôeta.
T.Ràja

 

Fantaro i...
Rakotomavo Gilbert

(1938-2000)
Pôeta
Mpitandrina
Mpamoron-kira
Mpikabary 

— Fandalinan'i Tsikimilamina Rakotomavo —

Ambentitenin-dRakotomavo Gilbert mandrakariva ny hoe: ”Vitan’ny hafa ve tsy ho vita, noho izany, tsy misy manaiky ho gisitra” rehefa manentana ny mpiara-belona aminy hiatrika am-pahasahiana ny tranga mety ho sarotra.

 

 

Rakotomavo Gilbert : olon’ny fahatsorana
Teraka tao Ankazomanga Antananarivo, ny 17 jolay 1938 Rakotomavo Gilbert. Ny alahady 10 desambra 2000 izay fotoana natokana ho alahadin’ny Mpitandrina sy alahady nitsingerenan’ny faha-15 taona nitandremany ny Fiangonana Protestanta Antanimena Atsinanana kosa  izy no nandao ny tany. Tao Ambohimasindray Ambohimanga no nanaterana azy farany.
Rakotoson avy ao Imerintsiatosika sy Razafindrasoa Hélène avy ao Ambohimandroso Ambohimanga no ray aman-dreniny. Zanaka fahefatra tamin’ireo enina mianadahy naterany Rakotomavo Gilbert. 

“Contre maitre” tao amin’ny orinasa fandrafetan-kazo ny rainy ary niasa tamin’ny orinasa fanamboarana paraky sady mpanjaitra ny reniny.
 
Niaina tao anatin’ny fianakaviana antonony ara-pivelomana izy ireo tamin’izany. Tao amin’ny toerana nahaterahany voalaza tetsy aloha ihany no nanabeazana sy nitaizana azy nandritra ny fahazazany sy ny fahatanorany.

Mampitolagaga ny maro ny fahaizan-dRakotomavo Gilbert raha mitaha amin’ireo mpiray tampo taminy. Nandingana kilasy hatrany izy teo amin’ny fianarana ary fiteniny mandrakariva ny hoe:

 
”Vitan’ny hafa ve tsy ho vita, noho izany tsy misy manaiky ho gisitra”

Ny sekolim-panjakana tao Faravohitra no nandrantoany voalohany ny fahaizana amam-pahalalana. Nitohy tao amin’ny sekoly protestanta Ambohijatovo Avaratra izany. Nanao fifaninanana nidirana tao amin’ny sekoly ambony Génie Civil izy ny septambra 1956. Naharitra roa taona ny fianarany tao ka nahazoany mari-pahaizana roa sosona dia ny C.A.P. (Certificat d’Aptitude Professionelle) en Dessinateur et en Topographie. Tafiditra niasa avy hatrany tao amin’ny Service du Genie Rural Nanisana izy ary nahazo famindran-toerana tao Andapa Ankaibe faritanin’Antsiranana.

Ny fipetrahany tao no nahafahany nandresy lahatra lehilahy mpilalao ody mahery izay nikoizan’ny mpiara-belona kanefa niova fo ary nanolo-tena  ho amin’ny finoana an’Andriamanitra. Natao batisa, tonga Mpitandrina ary lehiben’ny tobim-pifohazana tao Bora Antsohihy izany lehilahy izany - Solomon Gabriel - taty aoriana.

Lehilahy somary manifinify Rakotomavo Gilbert teo amin’ny ara-batana, kanefa tsy araka izany hakelezany izany no misongadina fa ny mifanohitra tanteraka amin’izany aza satria vory hery sy tanjaka mandrakariva. Tia fanatanjahan-tena ny lehilahy hatramin’ny fahazazany.  Manaporofo izany ny fahatrarany ny zava-bita tsara indrindra tamin’ny hazakazaka 100m tany an-tsekoly. Nisy ny hazakazaka mifampitohy manodidina ny tanànan’Antananarivo nantsoina hoe "Relais pedestre", ny 1957  ka nahazoan’ny sokajy nisy azy ny laharana faharoa. Tsy ny lalao ho an’olon-tokana ihany anefa no nataony fa teo ihany koa ny fankafizana ireny baolina lavalava ireny. Koa raha vao nisokatra ny lalao baolina lavalava tao amin’ny Lycée technique du Génie Civil ny taona 1956, dia  izy no anisan’ny nanatevin-daharana izany. Mpilalao rugby  tao amin’ny  "Union Sportive d’Ankadifotsy" Rakotomavo Gilbert ny 1956-1958. Nilalao tao amin’ny Association Sportive des Postes tany Diego izy ny taona 1961-1964.

 

Teo amin’ny tontolon’ny fihetseham-po dia nampakatra an-dRavololomanitra Bebée Harilala mpampianatra ho vadiny izy ny 17 oktobra 1958. Maro be no naterak’ izy ireo ary niainany mihitsy ilay hoe: Indro lova avy amin’i Jehovah ny zanaka maro” Salamo 127.3
 
Ny taona 1990, ny Mpitandrina
 Rakotomavo Gilbert mivady

Na izany aza dia tsy vitsy ireo sokajin’olona nokolokoloiny ary noraisiny ho toy ny zanaka nateraka. Anisan’izany Solomon Gabriel Mpitandrina, Velomanana Léonce Mpitandrina izay nametraka ho toy ny ray tamin’ny alalan’ny fiantso sy fifandraisana am-po.

Anisan’ny nanabe ireo taranany ho olom-pirenena vanona tokoa ny lehilahy satria nanoro hatrany ny handalan’ny taranaka rehetra ny fifankatiavana sy ny fifanohanana izy. Fomba fiteny tsotra, maharesy lahatra, ary mipaka amin’ny fo sy ny saina no nampitany izany. Nahasarotiny azy ary nanentanany hatrany ireo naterany ny amin’ny  tokony hisongadinana eo amin’ny lafiny fianarana, fiarahamonina, fiangonana, firenena. Tsy midika ho fisehosehoana akory izany araka ny foto-keviny fa ilaina ny fahasahiana hahafahana mampiharihary ny fahaizana amam-pahalalana eo amin’ny vina tontosaina.

 
Rakotomavo Gilbert : Olom-pirenena
Hoy ny tononkalon’ny Pôeta Rakotomavo Gilbert:

Raha natolotra ny tena
 Dia ny ho an’ny firenena
 Ka ny zavatra kinendry
 Dia hanaiky izay voatendry

 
Notanterahiny an-tsakany sy an-davany izany tononkalony izany mba hanehoany ny maha olom-pirenena azy. Ankoatra ny maha mpiasam-panjakana (géomètre) azy dia maro ireo andraikitra nosahaniny tamin’ireo fikambanana isan-karazany.  Niasa tamin’ny sampandraharaha misahana ny fandrefesan-tany izy ny taona 1958 tany Ambodiangezoka, Andapa, Antsiranana.  Ny 1972-1998 no nitondrany ny fikambanana AINA tao amin’ny Service Topographique.
Filohan’ny ”Amicale sportive de Topographie“ izy ny 1974-1994. Ny taona 1974-1995 no lasa Mpitahiry volan’ny Section Foot-ball Antananarivo ny lehilahy. Ankoatra ireo dia :
 
- mpikambana  tao amin’ny fivondronam-ben’ny sendikan’ny Mpiasam-panjakana Malagasy (FEDNAFOP) Rakotomavo Gilbert ny 1979
- Filankevi-pitantanana tao amin’ny MUTUELLE MADECASSE izy ny 1980-1998
- Nitarika ny SEMPIVOLA na Sendikan’ny Mpiasan’ny Minisiteran’ny Vola ny lehilahy ny 1987-1989.
- Nirotsaka tao anaty antoko politika Rakotomavo Gilbert ary Mpikambana feno tao amin’ny AKFM FANAVAOZANA ny 1989

Nahatsiaro ho nanana adidy tamin’ny fampivoarana ny fiainam-pirenena izy amin’ny maha olom-pirenena tompon’andraikitra ka nandray anjara mavitrika tamin’ny fihaonamben’ny Hery velona dingana faharoa tao amin’ny FALDA Antanimena ny 1990. Mbola nitarika hatrany ny lehilahy ka filohan’ny SEMPIFAFA na sendikan’ny mpiasan’ny fambolena ny 1991-1993.
 
Teo anatrehan’ireo fandraisana andraikitra samihafa teto amin’ny firenena ireo no nahazoany ireto mariboninahitra ireto :
 
Chevalier de l’ordre de Mérite
Chevalier de l’ordre National
Officier de l’ordre National
 
Rakotomavo Gilbert : Olon’ny  fanolokoloana
Maro ireo toe-tsaina novoizina sy nezahin-dRakotomavo Gilbert niainana ary nampitainy tamin’ny mpiara-belona. Tsy ny tontolon’ny fanoratana ihany akory no nizarany izany fomba fisainana izany fa teo amin’ny lafim-piainana rehetra.

Aoka ho lohany fa tsy rambony

Tenim-piontanana enti-mitaona na mitarika hanao asa na hanan-toetra mendrika halain-tahaka ny teny hoe: ”aoka”. Ny lohany kosa dia midika ho mpitarika, mpifehy, mpanapaka, mpandidy, ray aman-dreny. (Regis Rajemisa Raolison, 1985, tak 543)

Raha hazavaina bebe kokoa dia sokajin’olona misarika ny hafa amin’ny fomba sy fihetsika rehetra manintona ny mpitarika. Mpitondra ihany koa no hevitry ny teny hoe mpitarika ary mitaona ny hafa hanaraka ny feni-kevitra tiana haseho.

Ny mpifehy indray dia olona mitondra sy miadidy ary mahatsiaro ho  tompon’andraikitra voalohany eo amin’ny fiarahamonina misy azy. Miantoka ny fanaraha-maso sy fiahiana ny mpiara-belona ny olona tahaka izany.

Sokajin’olona tompon’ny fanapahan-kevitra ny mpanapaka sy mpandidy, ka tsy miandry ny hafa fa mijoro amin’ny tsangan-kevitra mazava.

Olona napetraka ho mpitondra na ara-nofo na ara-panahy kosa ny ray aman-dreny.

Raha faritana ny rambo dia laniny lavalava mamarana ny vatan’ny biby izay azo heverina ho tohin’ny hazondamosina ihany raha jerena ny rafi-batany. Mitovy hevitra amin’izay mirefarefa amin’ny fitafiana na mitaritarika aoriana izany. Raha eo amin’ny fiainana andavanandro dia midika hoe farany ny rambo. Apetraky Rakotomavo Gilbert  mazava tsara fa tokony hiezaka ho mpitarika na mpifehy, na mijoro ho ray aman-dreny ny olona mba hahafahana mandrindra sy manatsara ny fiainana. Raha eo amin’ny fianarana ohatra dia nohamafisiny fa raha tena milofo amin’ny fianarana ny isambatan’olona dia tokony hanatratra ny laharana voalohany hatrany any amin’ny voka-panadinana. Raha eo amin’ny asa fanompoana kosa dia ampitainy ny tokony handraisana andraikitra ka tsy iandrasana baiko na iraka. Ny  fahatsiarovan-tena araka izany no fototry ny fampandrosoana eo amin’ny sehatra rehetra.

Miezaha  mba ho fitaratra

Filaza mandidin’ny matoanteny miezaka ny miezaha. Midika ho fanatontosana asa amin’ny fomba haingana na malaky izany. Raha zohina dia tsy tokony hitaredretra fa ho kinga ary haneho fahavononana mandrakariva ny rehetra rehefa manatanteraka asa. Mamaritra ny hoe manao ny farany azo atao na mikely aina ihany koa ny miezaka. Manentana ny mpiara-belona Rakotomavo Gilbert araka izany mba hilofo ka tsy hitarain-tana-miempaka raha sendra fandavorariana asa mivaingana.

Ny fitaratra kosa dia tamaboha nasiana manjany ao an-damosiny ka afaka mamerina ny sarin’izay zavatra eo anoloana. (Regis Rajemisa Raolison, 1985, tak 350). Midika hoe mendrika halain-tahaka ny fitaratra. Raha manao ezaka lehibe eo amin’ny fiainany araka izany ny olona iray dia jeren’ny fiarahamonina manodidina azy ary tahafiny na eo amin’ny fandrindram-piainana na ny fisainana.

Ny fanaovana ny marina sy ny fijoroana amin’izany no tena foto-pisainana tian-dRakotomavo Gilbert hampitaina. Ny fitaratra mantsy tsy mandainga ary mampiseho ny mangarahara mandrakariva na inona na inona mety ho fiantraikan’izany eo anivon’ny firahamonina. Fitondrantena tena mendrika ary tokony haroso amin’ny mpiara-monina izany.

 

Arovy ny zon’ny teny malagasy

Filaza mandidin’ny matoanteny miaro ny arovy. Araka ny voalazan’ny rakibolana dia manao izay tsy hahavoazan’ny fahavalo, ny loza, ny ratsy no dikan’ny miaro (Regis Rajemisa Raolison, 1985, tak 660). Raha hazavaina bebe kokoa dia midika hoe misakana tsy ho voa, miambina izany.
Ny zo kosa dia azo faritana amin’ny hoe haja amam-boninahitra, fahefana ananan’ny olona iray amin’ny maha izy azy, azo adika amin’ny hasina ihany koa izany. Regis Rajemisa Raolison, 1985, tak 1059).

Noho ny firoboroboan’ny teknolojia isan-karazany dia mihavery sy mihalevona ny teny malagasy. Raha ny tontolon’ny fampianarana ohatra no resahina dia efa hatramin’ny andron’i Galliéni no nofoanana ny fampiasana ny teny malagasy fa teny frantsay no nampianarina sy nenti-nampianatra ny zaza malagasy.

Eo anatrehan’izany no anentanan-dRakotomavo Gilbert ny mpiara-belona mba hanaja ny teny malagasy izay isan’ny fototry ny maha Malagasy. Ny teny malagasy ihany no fototra voalohany hanehoana ny vetsovetsom-po, ny hevitra hampandrosoana ny fiainam-piarahamonina.
 
Ny teny malagasy no fiasana mahomby entina hanabezana ny taranaka mifandimby. Anisan’ny fomba hiarovana ny zon’ny teny malagasy ny fiezahana hiteny malagasy tsy misy fangarony, ny fampahafantarana voambolana tena malagasy amin’ny alalan’ny haino aman-jery. Ny famoahana boky fikarohana amin’ny teny malagasy ihany no fomba hikajiana izany tsy ho very.
Azo heverina araka izany fa ny famoronana tononkalo toy ny ataon-dRakotomavo Gilbert no fomba fiarovana ny teny malagasy tsy ho levona. Izany indrindra no nahatonga ny mpanoratra  hiventy an-tononkalo ny fanomezan-kasina ny teny malagasy manao hoe:
  N’aiza n’aiza ianao tazaniko
 Ry teny gasy tsy nindramiko
 Dia ho arovako fa mamiko
 ‘zany zon’ny tera-taniko!”…
 (…)
 Koa ny hafatry ny Reniko
 Ho amin’izay rehetra taizako
 Dia hanaja anao ry teniko
 N’inon’inona fahaizako
 Safatsiroa tak 64

 

Rakotomavo Gilbert : Olon’ny kanto
Anisan’ny nanamarika ny tontolon’ny Pôeta Rakotomavo Gilbert tokoa ny fanoratana tononkalo. Rakotomavo Gilbert na R.G no sonia apetrany hatrany eo ambanin’ny tononkalony. Taorian’ny nivoahan’ilay tononkalony mitondra ny lohateny hoe ”NOELY” tao amin’ny gazety Mpamangy ny desambra 1966 dia tafiditra ho mpikambana tao amin’ny A.J.E.M. (Association des Journalistes et Ecrivains malgaches) izy.   Raha noraisiko ny peniko
 Hanoratako ny teniko
 Dia indro tamy sady tazako
 Ny alokalok’ireo razako
 Toa mibitsika mandalo
 Nanafoana ireo kalo…
 
 
Maro ireo tononkalo izay nosoratany toy ny ho an’ny tanora, mpanambady, resy amin’ny fiainana ary indrindra ho an’ny olom-piangonana izay nandaniany ny androantokom-piainany.

Niavaka tamin’ireny ny fanolorany tononkalo ho an’ireo taranany araka ny tranga nolalovan’izy ireo. Hoy indrindra ny kalony  tamin’ny fanokanana an-dRakotomavo Hanindranto Felamanitra zanany  izay nandimby azy ho Mpitandrina:

Aoka tsy hisy olona hanao tsinontsinona anao noho ny hatanoranao, fa aoka ho tonga fianarana ho an’ny mino hianao amin’ny fiteny, amin’ny fitondrantena, amin’ny fitiavana, amin’ny finoana, amin’ny fahadiovana” ITim. 4,12

 

 

  Aoka ho filamatrao
Io amboaranteny io
Ka n‘inon’inona atao
Dia manehoa fo madio

Amin’izay atao rehetra
Mijoroa mampianara
Mba ny tsara no hitoetra
sy voarakitr’ho tantara

Na fiteny… na fisainana
dia ataovy mahatarika
mba tsy hisy fitarainana
raha mba mila toro-marika

Koa mahareta mivavaha
hitady ho an’ny soa iombonana
dia mahereza mahatanjaha
hampandroso ny fiangonana…

9 Jona 2000
Safatsiroa tak 68
 
Toy izao indray no kalony tamin’ny fanorenam-panambadian’ny zanany faralahy Rakotomavo Rindra sy Willia :

FITIAVANA
Ny fitiavana tena fitiavana
Mifanaja ny tia sy ny tiana
Dia ny andaniny roa amin’ny Havana
Tafatambatra ho fianakaviana

Ny fitiavana tena fitiavana
Mifamboraka feno amin’ny fo
Ireo miafina mpanavangavana
Mba ho lafatra tsara ny zo

Ny fitiavana tena fitiavana
Miray tarigetra kendrena
Ka ny ratsy iombonam-pandavana
Fa ny tsara ombam-pahendrena

1999
Safatsiroa tak 71
 
"NY TOKANTRANO RAHA TIANA HATEZA DIA: …
*Amboleo hamaka tsara ny fitiavana hahazo ny tena nofom-pahasambarana hoe:” tiako ianao”
*Asio zeziky ny fitsikitsikiana sy angola malefaka ary oroka amin’ny fo mazava mba handrobona tsara" Safatsiroa, tak 71

Namoron-kira hatrany ary nandray anjara tamin’ny fifaninanan-kira Rakotomavo Gilbert. Santionany amin’izany ny fahazoana loka tamin’ny fifaninan-kira ”Tournée GUEBERT” ny taona 1963, tamin’ny alalan’ilay hira mitondra ny lohateny hoe ”Gasikara”.
 

 


Nimasoany hatrany ny famoronan-kira ara-pilazantsara toy ny "Ny asan’i Jehovah"; "Mendrika ho deraina"…
 
  NY ASAN’I JEHOVAH

Lehibe ny asanao
Ry Jehovah Tomponay!
Fa dinihinay izao
Tena mahagaga anay!
Koa misaotra anao zahay
Amin’ny feonay miraona
Fa he! Mifaly ny finoanay
Mankalaza zato taona

Safatsiroa tak 10
  MENDRIKA HODERAINA

Mendrika hoderaina
Ianao Jehovah Ray!
Fa he mamelon’aina
Sy mampifaly anay;
Ka ravo izao ny saina
Mandia ny lalanao
Fa lavitra taraina
Ny miaraka aminao

Safatsiroa tak 11

Tsy ny famoronana ihany no talentan-dRakotomavo Gilbert fa eo ihany koa ny fahaiza-mandahateny.
 

Mpikambana feno tao amin’ny fikambanan’ny MPIKABARY MALAGASY izy hatramin’ny taona 1984, ary maro ireo sehatra efa nandraisany anjara sy nahitana azy indrindra moa fa teo amin’ny fanorenam-panambadiana. Nisongadina hatrany ihany koa ity pôeta ity teo amin’ny lahateny samihafa teo anivon’ny fikambanana izay notarihiny.
 

Tsara ny manamarika fa olon’ny boky Rakotomavo Gilbert ary nahaliana azy indrindra  ny namaky ireo boky sy gazety mirakitra asa soratra ary nitahiry izany. Hoy indrindra izy:
 
Mazotoa mamaky boky, fa io no mpampianatra voalohany, aorian’ny famakiana azy dia mijoroa eo anoloan’ny fitaratra mampiana-tena
Resaka nifanaovana tamin-dRakotomavo Gilbert, Jolay 1999

Araka izany dia boky amin’ny teny malagasy avokoa no hita tamin’ireo tahirim-bokiny. Akora fototra namolavola ny famoronany tononkalo ny fifikirany tamin’ireny karazan-tahirin-kevitra samihafa ireny.
 
Rakotomavo Gilbert  : Olon’ny famoronana
Efa hatramin’ny vanim-potoana kristiana teo amin’ny sehatry ny  tantaran’ny literatiora no efa nisy ny famoronana tononkira maintimolaly izay andrenesana ny kanto na eo amin’ny lafiny feo na ny teny. Asongadina eto ny maha olon’ny famoronana ny Pôeta Rakotomavo Gilbert satria maro ireo kanto ao amin’ny feo sy ny kanto ao amin’ny teny izay mampiavaka ny tononkalony.

Tsikaritra àry fa andrenesana feo mahery ny tononkalon’ity pôeta ity eo am-pamakiana azy imaso na antsaina am-bava.

 
MENDRIKA HODERAINA

Mendrika hoderaina
 Ianao ry Jesoa Tompo
 Fa tsy mba very maina
 Ny andronay mpanompo
 ‘zay folo taona izao
 No efa laninay
 Ka nanambinanao
 Ny asan-tananay"
  Safatsiroa tak 11

Fiderana an’Andriamanitra no ambaran’ny tononkalo eto koa rariny raha feo mafy sy mahery no anehoana izany. Noho hafaliana anaty dia atao amin’ny feo avo sy mafy hatrany ny fiderana an’Andriamanitra mba ho mariky ny fihobiana azy. Ny fahasoavana azo teo amin’ny fiainana izay mahafaly ny fo sy mahamirana ny tava no mahatonga ny fiderana ka anandratana izany feo izany.

Andrenesana feo miangola ihany koa anefa ny kalon’ity pôeta ity.


 
VOADIKO

Mamin’ny foko, eny, tiako tokoa
 Ho tena iray aminao tompon’aina
 Satria ny soa ho azo avokoa
 Fa olom-boafidy milamina saina
  Safatsiroa tak 44
 Misy feo [u] miavaka tsara amin’ireo andalana ireo, izay feo amolotra. Andrenesana feo [f] malemy na tsy migoboka ihany koa ao anatin’izany. Manamarika feo miangola avokoa ireo voalaza teo ireo. Natao hanairana ny mpihaino dieny ety am-piandohan’ny tononkalo ary mba hifantohany amin’ny tena vontoatiny izany.
Rehefa milaza faniriana tokoa ny olona iray dia malefaka ny feo eo am-panehoana izany fikasana izany. Rariny araka izany raha misy ny feo miangola re eto amin’ny tononkalo.
Manamarika ny kanton’ny feo ao amin’ny tononkalo ny rima izay manavaka azy.

 
TOHANONAO ZAHAY
 
Tohanonao’zahay
 Hamakivaky indray
 Ny taona vaovao
 Hanao ny asanao
Safatsiroa, tak 17


|a
|a
|b
|b
Mitovy endrika amin’ny ”pôezia Rose”, natolotr’i Jupiter na Justin Rainizanabololona izay voalaza fa mpanjakan’ny pôezia malagasy izany endrika izany. Nambarany tamin’ny alalan’ny ohatra nomeny fa ny andalana roa aloha no miady ary ny roa aoriana kosa no miady (Rabemolaly sy ny namany, 1975, tak 55)
Ankoatra ireo ngadona efa mahazatra eo amin’ny tontolon’ny haisoratra dia manavaka ny tononkalo ny ngadona malalaka ao aminy.
 
Ny fiovaovan’ny ngadon’ny teny isaky ny andalana no antsoina hoe ngadona malalaka. Tsy voafaritra mazava ny isan’ny mingadona (G) sy mitsaika(S) isaky ny andalana mifanesy araka izany.
 
JESOSY TIA ZAZA

S G S  S   G  S
Jesosy tia zaza
S    S  G S S  SGS
No tsarovana anio
S  S     G S  S SG S
Ka na misy ota aza
S  G  S   S  G S
Hinoako fa hadio

Safatsiroa, tak 59
  Toy izao ny endriky ny ngadona eto :

SGS/SGS
SSGS/SSGS
SSGS/SSGS
SGS/SGS

Tsikaritra eto ny fiovaovan’ny endriky ny ngadona isan’andalana; ny andalana voalohany sy farany no misy itovizana ary ny andalana eo amin’ny faharoa sy fahatelo no mifanahaka.


Tsikaritra ao amin’ny tononkalon-dRakotomavo Gilbert ny filalaovany teny amin’ny alalan’ny sarinteny samihafa.

Zava-dehibe ny sarinteny ampiasain’ny mpanoratra ao amin’ny tononkalo ary voambara fa tsy sanatria haingo na ravaka tsy misy dikany na tsinontsinona ny sarinteny fa miantoka ny maha izy azy sy ny maha kanto ny tononkalo.

Sarinteny tsikaritra ao amin’ny tononkalo ny fanantintranteran-javatra izay manamafy na manizingizina ny tian-kambara. Iray amin’izany ny filazan-javatra mihoatra noho ny tena izy (Siméon Rajaona, 1993, tak 62: "Hyperbole"). Fanamafisana izay voambara teo aloha no tsikaritra amin’ny teny arahiny.

 
EMBONA SY VAZO
Raha lavo mikodia
Safatsiroa, tak  6

Ny lavo no voambara mialoha kanefa mbola hamafisin’ny hoe mikodia indray. Ny lavo izay mitovy amin’ny mianjera dia tohanan’ny mpanoratra amin’ny mikodia indray ary mbola hevitra fonosin’ny mianjera ihany koa izany. Ambaran’ny mpanoratra eto moa ny fiantorahana sy fianteherana amin’Andriamanitra raha sendra mandalo onja vaventy eo amin’ny fiainana.
 
ZAVA-NISY
Tsy miteny, tsy mamaly
 Safatsiroa,tak 29

Ny tsy miteny dia midika ho tsy mahita ambara. Hamafisin’ny tsy mamaly izay iray andalana aminy ihany izany. Tsy ahitan-teny ny hevitry ny tsy mamaly ary fanamafisana izay voalaza teo aloha izany. Ny tranga nolalovan’i Jesoa tamin’ny ady farany natrehiny no ambaran’ny tononkalo. Misarika ny saina ny pôeta eto mba hangina ary tsy hiteniteny foana rehefa misy ady atrehina. Ny fanginana no fomba hisainana lalina sy handinihana izay tokony heverina mba hahazoana ny rariny sy ny vokatsoa.

Tsy nohadinoin’ny pôeta ny mari-piatoana izay manome endrika kanto ny tononkalo.
Endrika hanehoana fa mijanona na miato ny andalana ao amin’ny tononkalo mantsy no atao hoe mari-piatoana. Ao amin’ireo tononkalon-dRakotomavo Gilbert dia miseho amin’ny endrika maro izany toy ny tsoraka, teboka telo, ny baraingo. Tsikaritra ny fisian’ny tsoraka (!) izay fiontanam-po eo am-piatrehana ny zava-misy. Na izany aza anefa dia midika ho fanginana izany. Mamarana andalana matetika no ahitana tsoraka satria mifarana eo ny ambara.

 
HE TONGA INDRAY
Ka mitamberina an-tsaina ho tadidy
 Fa hay moa ny tany vangian’ny lanitra !
 Safatsiroa Tak 54

Tsara ny manamarika fa misy mari-piatoana toy ny tsoraka hita amin’ny lohatenin-tononkalo.
 
"'ZANY FETINAO RY RAY !” Safatsiroa tak 33

Fanampin’izay voambara dia hita fa zava-dehibe sy tsy azo hadinoina ny sora-baventy ary asongadin’ny mpanoratra manokana mba ho voarain’ny mpamaky.
 
dia tao ANDRIAMANITRA sy ny finiavany”, Safatsiroa tak 70
 
Hita araka izany fa misy hafatra tian’ny mpanoratra ampitaina amin’ny mpamaky matoa sora-baventy ny teny iray na maromaro voalaza ao amin’ny tononkalo. Manan-kasina amin’ny mpanoratra mantsy ilay teny atosany an-tononkalo ary iriny ny mpandray izany mba hanao ho zava-dehibe sy hanome lanja izany eo amin’ny fiainana.

 
Rakotomavo Gilbert : Olon’ny kalo
Eto no anehoana fa tononkalo kristiana no kaloin’ny Pôeta Rakotomavo Gilbert. Ho hita ao anatin’izany ny tantaram-piangonana, ny antom-pisian’ny sampana ao, ny vanimpotoana samihafa iainan’ny Fiangonana, ny toeram-panompoana ary indrindra ireo samihafa izay tokony ho fantatra.

Manasongadina ny tantaram-piangonana Antanimena Atsinanana sy ny zava-nisy tamin’ny fotoana samihafa izay namaivay nandritra izany ny tononkalon-dRakotomavo Gilbert. Nisy tokoa mantsy ny adin’ny Fiangonana. Adin-tany no niantombohan’ny olana izay nibodoan’ny olona milaza fa tompony ka tsy omeny ny fiangonana izany. Teo anatrehan’izany dia nizara roa ny mpivavaka. Ny an-daniny dia nifindra teny Betafo ary ny an-kilany kosa dia nijanona tao Antanimena ihany. Naharitra dia naharitra ny fifanolanana satria  nandritra ny telo ambin’ny folo taona izany. Manamarina izany ity tononkalo manaraka ity:

 
FAHATSIAROVANA

Mafy ny tolona, navotana lafo
 Nialoka kely nankeny Betafo…
 Ny ady kanefa nitohy fa tsy vita
 Fa niakatra mihitsy nandeha any am-pita

 Telo ambin’ny folo ny taona niadiana
 Zay hita fa nisy fangirifiriana
 Kanefa akory izany hafaliana
 Fa resy ilay ratsy ka indro fa gina…"
 Safatsiroa,tak 5

Amin’ny maha tononkalo kristiana ny tononkalon-dRakotomavo Gilbert dia miharihary ny filazana ny antom-pisian’ny sampana velona ao amin’ny  fiangonana.
 
SAMPANA FANANTENANA

Ny fahatanorana no tena tsaroana
 Fa itobahan’ireo hadalana
 Hila fanafana sy fitsaboana
 K’izany no ilana ny Fanantenana
Safatsiroa,tak 38

Sampana  Fanantenana no ambara eto amin’ny kalo, sampana izay anisan’ny naorin-dRakotomavo Gilbert tamin’ny fotoana nitondrany ny fiangonana Antanimena. Asehony ao fa maro ireo ezaka andrasana amin’ity sampana ity toy ny fitaomana ny tanora hifady ny zava-mahamamo sy mahadomelina. Ankoatra ireo anefa dia tanjona ny fanentanana ny olona mba hanalavitra ny fitondrantena tsy mendrika toy ny filalaovan-dratsy sy ny fijejojejoana.

Tsikaritra ihany koa fa misy ny tononkalo izay manasongadina ny fankalazana ny fety iraisam-pirenena ka ankalazaina eo amin’ny sehatry ny fiangonana dia ny fetin’ny Ray.

 
‘ZANY FETINAO RY RAY!

Tena faly aho mandre
 Fa manerana ny tany
 Misy feo manako hoe
 Kanto eny tena mamy
 Sady koa malaza be
 Zany fetin-dray izany!...
Safatsiroa,tak 33

Fanomezan-kasina ny ray izay manana ny anjara toerana lehibe eo amin’ny ankohonany, fiarahamonina, fiangonana… no  hita ao amin’ny tononkalo. Asehony amin’izany fa zava-dehibe ny fitrotroana am-bavaka azy ireny mba hahefany ny adidy aman’andraikitra tandrify azy.

Ny toeram-panompoana

Miavaka tokoa ny tononkalon-dRakotomavo Gilbert satria voarakitra avokoa ireo toerana samihafa nanompoany. Nanamarika ny zava-nisy niainan’ny mpanoratra ireny ary misy akony amin’ny vontoatin’ny tononkalo izany.

 
AMBOLO

Samy ho tahiana amin’ny asa daholo
 Ny mpiara-mivavaka rehetra eto Ambolo
 K’ilay Andriamanitra Mpanolokolo
 Mbola hampitrebona tsivakivolo
Safatsiroa tak 52,

Ambolo no toeram-panompoana voalaza eto satria efa filohan’ny zanaka am-pielezana tany an-toerana ity pôeta ity araka ny efa voalaza tao amin’ny fizarana voalohany. Nandray anjara mivantana tamin’ny fampandrosoana ny fiainam-piangonana tany an-tanindrazana mihitsy ny lehilahy nandritra izany fotoana izany.
 
LOHARANOM-PITIAVANA

Izy ‘lay Hendry no sady mahery
 Nahita tsy tsara ny lahy raha irery
 Ny vavany mihitsy no indro nilaza
 ‘ndeha hotolorako vady sahaza
Safatsiroa, tak 70

Hita ao anatin’ny tononkalo ny voalazan’ny Soratra Masina ny amin’ny fanorenam-panambadiana. Asongadiny amin’izany fa Andriamanitra no nanorina ny fitiavana, ary mampitoetra izany eo amin’ny olon-droa izay manapa-kevitra hiombom-piainana.
 
Rakotomavo Gilbert : Olon’ny Fampitana
Rariny loatra raha asongadina ireo hafatra ampitain’ny tononkalo mba hanehoana ny maha zava-dehibe ny anjara toeran’ny tononkalo eo amin’ny fikoloana ny fomba fisainan’ny mpiara-belona.

Fiderana

Hita ao amin’ny tononkalon-dRakotomavo Gilbert ny fiderana sy fankalazana an’Andriamanitra. Maro ireo fomba fiderana anomezam-boninahitra an’Andriamanitra. Anisan’ireny ny fiventesana ny salamo sy ny fihirana sesilany. Azo asongadina amin’ny alalan’ny zava-maneno isan-karazany ny fiderana. Ny tanjona dia ny hahazoana ny fiainam-panahy hahafahana miroso bebe kokoa amin’ny fiainam-pinoana marina.

 
DERA SY LAZA

Dera sy laza ry Tomponay malala
 No ventesinay omena anao
 Ka ny fonay toa misalasala
 Diovy tena ho fonenanao
Safatsiroa,tak 2

 


Noho ny fitahiana sy fahasoavana azo eo amin’ny fiainana dia mahatsiaro ho feno fifaliana sy hamiranan-tava. Koa rariny loatra raha midera sy mankalaza an’Andriamanitra eo anatrehan’izany. Ampitain’ny pôeta fa tokony hidera an’Andriamanitra mandrakariva ny olo-miaina satria maro ireo soa atobany amin’ny fiainan’ny isambatan’olona.

 
TONOM-BAVAKA

Mamelà anay, omeo anay ny hery
 Hahatonga anay tsy anisan’ny ho very
 Tano koa ny saina, hibanjina aminao
 Mba handova tsara ny fiainam-baovao
Safatsiroa,tak 23

Zava-dehibe ny fiainana amim-bavaka mba hanoherana ny ratsy. Ny vavaka no hiambenana amin’ny fahavalo ary hananana faharetana amin’ny finoana. Fomba hanoherana ny ratsy izay mitranga ankehitriny ny vavaka. Koa miankina amin’ny fiaraha-miasa amin’Andriamanitra izany hoe ny fahazotoana mivavaka no andresena ny fahavalo, ka hirosoana amin’ny fiainan-danitra.

Fananana Fanantenana

Ara-boajanahary dia eritreritra feno faniriana miompana amin-javatra tsara hitranga amin’ny ho avy ny fanantenana. Araka ny Soratra Masina kosa dia fananana toky matotra avy amin’Andriamanitra sy ny fanambarany azy ireny. Raha hazavaina bebe kokoa dia tsy afa-misaraka amin’ny finoana tsy voahozongozona ny fanantenana. Voafaritra mazava ao amin’ny tononkalon-dRakotomavo Gilbert ihany koa izany.

 
FANANTENANA

Fahoriana sesilany
 No mba hitantsika eto
 Dradradradra sy tomany
 Alahelo,mampisento…
 Kanjo hoy ny Tompo: ”Sambatra ny ory fa izy no hampifaliana” (Mat 5:4)"
Safatsiroa,tak 62

Eo anatrehan’ny fahasarotan’ny fiainana ankehitriny dia manjaka ny fahakiviana sy ny famoizam-po isan-karazany. Ny olona mino anefa dia vonona mandrakariva eo am-piatrehana izany ary manantena fahombiazana hatrany satria manana mpiaro sy mpitarika mahomby.

Fanehoana fitiavana

Ny tena fitiavana dia ny fiheverana sy fikatsahana izay tsara indrindra ho an’ny hafa ka tsy itadiavana ny tombontsoa manokana ho an’ny tena.

 
VOADY

Izao no mba hafatra tiako hitoetra
 Ho tena kiady amin’ny atao rehetra
 Mahaiza manaja fitia ao anaty
 F’izany no voady natao mandra-maty
Safatsiroa, tak 69

Zava-dehibe ny torolalana ampitaina amin’ny mpiara-belona mba hampahomby azy eo amin’ny sehatry ny fitiavana. Misarika ny olona miroso amin’ny fanambadiana ny pôeta eto mba haneho ny fahaiza-miaina fototra, dia ny fifanajana sy fifanomezam-boninahitra mandritra ny fiombonan’izy ireo.

 
FITIAVANA

Ny fitiavana tena fitiavana
 Mifanaja ny tia sy ny tiana
 Dia ny andaniny roa amin’ny Havana
 Tafatambatra fianakaviana
Safatsiroa, tak 71

Aseho eto fa ilaina ny fahari-po eo amin’ny fitiavana satria mila maharitra sy miaritra ny zava-mitranga rehetra eo amin’ny fiainana ny isambatan’olona. Raha mitoetra amin’izany ny mpivady dia milamina ny fo sy ny saina ary afaka mifandray sy mifankahafantatra tsara.

Fampaherezana amin’ny sehatra samihafa 

Mampiavaka ny olona amin’ny biby io fanomezana io, ary ahafahana mamoaka izay ao an-tsaina sy ao am-po. Anisan’ny fampaherezana voalohany indrindra ny fiderana ny hafa amin’ny fo. Mety hanohina ny fon’izay mihaino ny teny fiderana vokatry ny fo, ary hampahery azy mihitsy. Rehefa mahatsapa hoe misy mahamarika sy mankasitraka ny olona iray dia faly aoka izany. Toy ny zavamaniry mahazo tara-masoandro sy voatondraka tsara ny olona mahazo teny fiderana sy fankasitrahana.

 
ZATO IANAO RY RAY

He ry Raiko tena tiako
 ‘zay nisasatra ho ahy
 Raisonao ny fifaliako
 Feno haravoam-panahy
 Fa voalaminao ny diako
 Ka mijoro aho fa ho sahy
Safatsiroa,tak 34

Manana andrakitra goavana eo amin’ny famelomana ny ankohonany ny ray. Misahana andraikitra maro izy; ka mendrika hotohanana amin’ny alalan’ny fankaherezana. Na izany aza anefa dia mariky ny fanajana ny ray aman-dreny toa azy ireny ny fitenenana malefaka izay manome hery sy fifaliana ary fahazotoana hahafahana manao ny metimety kokoa.

 
Rakotomavo Gilbert : Olon’ny finoana
Ny Fiangonana Kristiana Protestanta Antanimena Atsinanana no nikolokoloana an-dRakotomavo Gilbert ara-panahy. Zazalahy liana, nankamamy ny tenin’Andriamanitra izy fahakeliny ary nikoizana mihitsy ny fahatakarany zava-dalina tamin’izany Soratra Masina izany. Nandray anjara mavitrika ary nahazo laharana voalohany izy tamin’ireny fifaninanana Soratra Masina ireny.

Tantaran’ny FJKM Antanimena Atsinanana Fifaliana

Tsy azo hodian-tsy hita ny tantaran’ ny FJKM Antanimena Atsinanana Fifaliana mba hanehoana ny tontolon-dRakotomavo Gilbert teo amin’ny sehatry ny finoana.
Teo anelanelan’ny sekoly ambaratonga faharoa Antanimena sy Sekoly Masindahy François-Xavier, no toerana nisy ny fiangonana ny taona 1897. Nifindra teo ambony avaratry ny zaridaina  izany taty aoriana  kely. Ny taona 1900 kosa dia niampita nianatsimo kokoa teo akaikin’ny Paositra ary tsy niova  toerana intsony mandraka ankehitriny. Nahitana ireo sokajin’olona nahay nihira sy manga feo ny fiangonana Antanimena hany ka nahasarika ireo mpampianatra hira malaza toa an-dry Ramboatiana, Rainizanabololona.

Maro ireo mpitandrina nifandimby tao toa an-dRainiveloarivony (1900-1945), Raveloarivony (1945-1959), Ratrema Felix (Aogositra 1958-1978).  Hoy indrindra ny kalony maneho izany:

 
"Tao zany ingahy Rainiveloarivony
 Mpitandrina tena nanangana fototra
 Ny ho mpifady, ka dia nimasoany
 Hitaona ny namana hiara-mifofotra…"

Nanampy azy Raveloarivony
 
"Fa sady mpitondra, no koa tena sahy…
 Ny zavatra tena nameno ny fony
 Dia: “Hampifady…ndrao very fanahy”"
Safatsiroa tak 6

Niatrika olana matetika  ny fiangonana noho ny korontana niseho nandritra ny fotoana nitondran’ireo mpitandrina voalaza teo ireo. Tsikaritra fa ny fiheveran-tena ho lohany hatrany no fototry ny olana hany ka nisy ny fisaraham-bazana. Hany ka maro ireo nifindra teny Betafo Ambohimanarina sy nanorina  fiangonana hafa teo Ambodivona sy  Anjanahary. Hoy ny kalo manamafy izany:
 
"Mafy ny tolona, navotana lafo
 Nialoka kely nankeny Betafo…
 Ny ady kanefa nitohy fa tsy vita
 Fa niakatra mihitsy nandeha any am-pita

 Telo ambin’ny folo ny taona niadiana
 Zay hita fa nisy fangirifiriana
 Kanefa akory izany hafaliana
 Fa resy ilay ratsy ka indro fa gina…"
Safatsiroa tak 5

Niovaova ihany koa ny anaran’ny Fiangonana toy ny Fiangonana Kristiana Malagasy Antanimena izay niova ho Fiangonana Kristiana Protestanta Antanimena, ary lasa F.J.K.M Antanimena Atsinanana Fifaliana taty aoriana. Marihina fa Ravololomanitra Bebée Harilala vadin-dRakotomavo Gilbert no nanolotra ny voambolana FIFALIANA teo amin’ny anaran’ny Fiangonana.

Tamin’ny fotoana nitondran’ny Mpitandrina Ratrema Felix tao amin’ny Fiangonana Antanimena  dia nandamina ny korontana nisy teo anivon’ny fiangonana Rakotomavo Gilbert. Ny tanora no navondrony ho fiasana nampilamina ny daholobe satria filohan’ny fivondronana’ny Kristiana tanora ny lehilahy tamin’izany fotoana izany. Hatreo dia noraisin’ny mpitandrina Ratrema Felix ho mpanolo-tsaina azy Rakotomavo Gilbert ary natao ho tonia teo amin’ny raharaha rehetra. Porofon’izany ny naha prezidan’ny Fiangonana Kristiana Protestanta Antanimena Atsinanana azy nanomboka ny desambra 1978. Anisan’ny nampiavaka azy tamin’ny maro ireo tari-tsaina sy fanentanana samihafa nentiny nandaminana sy nampandrosoana ny fiangonana. Ny daholobe anefa no mpanatontosa izany tari-dalana rehetra izany. Mampiavaka an-dRakotomavo Gilbert loatra ny fanehoana fomba fiteny malefaka izay mandresy lahatra avy hatrany, hany ka manaiky tsy misy fisalasalana izay voambarany ny rehetra.

Tamin’ny fotoana tsy nisian’ny mpitandrina teo anivon’ny Fiangonana, izany hoe nanomboka ny 1 janoary 1979, dia filohan’ny filankevi-pitantanana (conseil d’administration) Rakotomavo Gilbert. Niova ny rafitry ny fiangonana nandritra izany; koa rehefa tsy nisy ny mpitandrina dia ny filankevi-pitantanana no nandrindra sy nandamina ny fiainam-piangonana. Ny fanjakana anefa no nanara-maso ny fizotry ny vola. Isaky ny roa taona no nanovana ny filankevi-pitantanana ary izy hatrany no filoha hatramin’ny taona 1985. Nandamina ny fahalavorarian’ny fiainam-panahin’ny fiangonana izy toy ny:

 
• Fotoam-pivavahana isaky ny alahady
Fandraisana isam-bolana
Herinandro masina sy fetim-piangonana samihafa
Fampianarana Katekomena
Fampianarana Sekoly Alahady kilasy “ESSAI“ izay sokajy zokiny indrindra tao amin’ny sampana. Tsara ny manamarika fa mpianatra avy ao Antanimena hatrany no voalohany tamin’ny fanadinana sekoly alahady teo anivon’ny Synodam-paritany.

Na izany aza anefa dia niara-niasa tamin’ireo Mpitandrina maro teto an-drenivohitra izy ny amin’ny fampandraisana sy fanaovana batisa amin’ny fotoana tokony hanatontosana izany.

Nivadibadika anefa ny fotoana ka nisy ny kihon-dalana iray nanamarika ny maha olon’ny finoana an-dRakotomavo Gilbert. Noho ny hetahetan’ny mpiara-mivavaka nandre ny fampianaram-pinoana nataony, indrindra ireo hafa finoana tonga nivavaka matetika tao Antanimena, dia natsangana ho Mpitandrina teo anivon’ny Fiangonana Rakotomavo Gilbert. Nekeny tamim-panetren-tena izany saingy mbola nanohy ny maha mpiasam-panjakana azy ihany izy.

 
Rakotomavo Gilbert Mpitandrina

Ny alahady 8 desambra 1985 no notokanana ho Mpitandrina Rakotomavo Gilbert. Tsara ny manamarika fa maro ireo Mpitandrina nanatontosa izany fanokanana izany, ireto avy izy ireo:

 
Ramiliarijaona S, Mpitandrina tao Peniela Besarety
Randriamahefa Frederic, Mpitandrina tao amin’ny Foibe FJKM
Randriamiadanarivo, Mpitandrina nitondra tao Soavina, tao amin’ny foibe FJKM
Rakotondrazay Michel, Mpitandrina tao Ambohimandroso, Ambohimanga
Razanadeva Arthur, Mpitandrina tao Ambohimamory
 
Nanomboka teo dia nanao ny asa fanompoana an’Andriamanitra izy ary nanamasina mariazy voalohany ny sabotsy 28 desambra 1985.

Anisan’ny ezaka nataony herintaona taty aoriana ny fanatanterahana jobily tokantrano mateza izay notontosaina ny alahady 19 oktobra 1986. Lohahevitra tamin’izany ny hoe ”Jesoa Kristy fehizoron’ny fanambadiana” ka nilazan’ny mpitandrina fa:

"ny tokantrano raha tiana hateza dia alokalofy sy fefeo amin’ny vavaka fa ambony io miaro, milahatra mitantana, ambany mandrotsirotsy

Rehefa nizotra ny asam-piangonana dia nanangana sampana maro izy toy ny:

 
Tarika Voatsinapy (mey 1987)
Sampana Lehilahy Kristiana (marsa 1987)
Sampana Fifohazana (aprily 1993)
Sampana Mpanazava sy Tily (oktobra 1993)
Rantsana Fanantenana (jolay 1995)

Nisy ihany koa anefa ny fampivoaram-pinoana tamin’ny alalan’ny fotoam-bavaka isan-karazany. Ny 6 aprily 1988 no nanombohan’ny fotoana manokana nantsoina hoe ”fiainam-bavaka” izay notanterahina isaky ny alarobia tamin’ny 6 ora sy sasany hariva. 
Rakotomavo Gilbert, indray alahady faha 8 desambra 1985, andro fitokanana azy ho mpitandrina

Natao izany mba hifampaherezana ara-panahy sy ho fandalinana ny foto-pinoana, ka ho an’ny mpino rehetra ny fotoana ary azo natao tsara ny nangataka vavaka manokana nandritra ny fotoana. Nivohitra ny fampianaram-pinoana ho an’ny sampana Dorkasy ny 11 aprily 1991 ary lohahevitra voalohany tamin’izany ny hoe ”nahoana no manao asam-pihavanana ny Fiangonana?”

Ankoatra izany dia nampisongadina ny fotoana nitandreman-dRakotomavo Gilbert ny fanavaozana ny gorodona ho mihaja sy fametrahana valitafo kanto tamin’ny fankalazana ny fahazato taonan’ny fiangonana ny taona 1997. Nisy ihany koa ny fanatsarana ny alitara izay notontosaina ny 8 oktobra 2000.

Teo anatrehan’izany dia niezaka nampiditra ny Fiangonana ho isan’ny mpiombona tao amin’ny sehatry ny FJKM Rakotomavo Gilbert. Tsy miankina hatrany mantsy no namaritana ny fiangonana teo aloha. Natao izany mba tsy hisian’ny fitokana-monina sy ho fampandrosoam-piangonana mba hivelatra kokoa. Noho ny fandaharana anefa dia tsy natrehany akory ny fitokanana ny FJKM Antanimena Atsinanana Fifaliana ny 23 Desambra 2000.

Ankoatra ireo voambara ireo anefa dia nandray andraikitra teo amin’ny sehatra hafa ivelan’Antanimena Atsinanana Rakotomavo Gilbert:

 
1981-1984   Filohan’ny zanaka am-pielezana Ambohimandroso Ambohimanga
1982-1985   Filohan’ny zanaka am-pielezana Ambolo
1980-1987   Mpanolo-tsaina tao amin’ny firaisan’ny 70 trano Antananarivo Renivohitra izy ary Filohan’ny lohavolana 70 trano Antananarivo avaratra, izay niray tamin’ny synodam-paritanin’Ambatonakanga
 

Fehezan-tononkalo
 
  Marihina etoana fa anisan’ny nampisongadina an-dRakotomavo Gilbert ny fahaizany mandamina fotoana. Voarafitra ho fandaharana avokoa mantsy ny vanimpotoana rehetra lalovan’ny fiangonana toy ny fandaharana mandritra ny Herinandro masina izay ahitana ny an-tsipirian’ny mpandray najara mivantana. Ny mampiavaka ireny fandaharana rehetra ireny dia ahitana tononkalo hatrany mifanandrify amin’ny zava-misy sy ny hetsika tontosaina.

Tsikaritra tamin’ireo antontan-taratasiny fa na dia ny fandaharana nandritra ny efa-bolana voalohany ny taona 2001 aza dia efa voarafitra saingy fikasana tokoa ny an’olombelona, fa ny lahatra no an’Andriamanitra noho ny fodiamandriny ny 10 Desambra 2000. Tsapa tokoa fa niainan-dRakotomavo Gilbert hatramin’ny fara fofon’ainy ny fanaovana asa am-pitiavana sy fahamarinana ka nanentanany ny mpiara-belona.
 
                                     
“Marobe ny andro lasa
 Nanompoana tamin’ny asa
 Nandosirana hakiviana
 Dia ny asa fitoriana”

 
Rakotomavo Gilbert mifanahaka amin-dRabary, Ravelojaona ary Henri Randzavola
 
• Rabary
Raha halalinina ny tontolon-dRakotomavo Gilbert dia tsy mba nandalo toeram-panomanana ho mpitandrina, kanefa dia nahafehy tanteraka ny asa fanompoana an’Andriamanitra teo anivon’ny Fiangonana tao Antanimena Atsinanana. Mampahatsiahy ny tantaran-dRabary Mpitandrina (04 mey 1864 – 20 febroary 1947) izany lalana nodiaviny izany. Ankoatra ny fianarana tany an-tsekoly mantsy dia nampiana-tena ihany koa Rabary. Raha vao 18 taona monja izy dia efa nanomboka nampianatra ny taranja filôzôfia sy matematika. Hatramin’ny nanombohany nampianatra, dia efa nantsoin’ny Fiangonana hitory teny ihany koa izy. Voafidy ho sekreteran’ny Fiangonana tao Avaratrandohalo izy ny taona 1885.

Nampiavaka azy tanteraka ny fanetsiketsehana, fitarihan-draharaha, fandaharan-teny matetika. Fanampin’izany dia mbola manasongadina an-dRabary ny fahaizany manoratra ireo karazan-dahatsoratra samihafa toy ny tantara foronina, lahatsoratra famotopotoran-kevitra, tononkalo, tantara... Misandrahaka amin’ny lohahevitra samihafa ireny asa soratra ireny.

Ankoatra izany dia tsikaritra fa mifanahaka amin’ny fiaimpiainan-dRavelojaona Mpitandrina (14 febroary 1879 – 04 septambra 1956) ny zotram-piainan-dRakotomavo Gilbert.
 
• Ravelojaona
Nahazo ny laharana voalohany hatrany mantsy Ravelojaona tamin’ny fanadinana natao hahazoana ny mari-pahaizana. Ankoatra ny fampianarana dia voafidy ho Mpitandrina tao Ambohitantely izy no notokanana novambra 1908. Tsy nitandro hasasarana tokoa izy tamin’izany fa nandany ron-doha nanao izay hampandrosoana ny Fiangonana sy ireo Sampana samihafa ao aminy. Nataony izay hifampikasokasohan’ny mpiray Fiangonana (ohatra, fiaraha-mitsangatsangana) mba hifankahalalany sy hifankatiavany. Havanana izy teo amin’ny fanentanana ny olona indrindra ny tanora mba hitia ny  famakiana ny boky. Teo ihany koa ny fanentanana azy ireo hanao fanatanjahan-tena satria ao anatin’ny vatana salama no misy ny saina mavitrika sy matsilo. Tamin’ny lahateny sy ny dinidinika nifanaovany tamin’ireo vahoakan’Andriamanitra notandremany dia nanainga azy ireo mandrakariva Ravelojaona mba ho tia ny tanindrazana sy handala ny maha Malagasy azy.

Maro  ireo gazety no niandraiketan-dRavelojaona toy ny Teny Soa (1907-1915); Ny Mpamafy (1911-1915); Ny Mpandinika (1923-1930); Ny Mpanolo-tsaina (1927-1929); Ny Fiainana (1928-1955). Fa ny tsangambato lehibe navelany ho an’ny taranaka dia ny “Firaketana ny Teny sy ny Zavatra Malagasy” izay nanomboka nivoaka tao amin’ny Fiainana ny taona 1937.
 
Henri Randzavola
Fanampin’ireo dia hita taratra fa mifanahaka amin’ny tontolon-dRakotomavo Gilbert ny fiainan’i Henri Randzavola, Mpitandrina (5 nôvambra 1875-21 Desambra 1953). Nampiana-tena mantsy ity Mpitandrina ity ka na dia tsy niditra kolejy aza izy dia tonga Mpitandrina amin’ny fiangonan-dehibe teto amin’ny Nosy. Maro be ireo vitany teo amin’ny tontolon’ny soratra. Ny "Firaketana sy ny zavatra Malagasy" (betsileo). Nanao ny "littérature Malgache" ao amin’ny Encyclopédie coloniale (1947). Efa nanoratany ary niadidiany avokoa ny ankamaroan’ny gazety avoakan’ny misiona protestanta (Teny Soa, Fiangonana sy Sekoly, Mpamafy, Mpanolontsaina), ao koa ny gazety Mpandinika (MPF), Ranovelona (FFMA), ny Fanilon’ny Tanora (Zatovo Kristiana), Fiainana (Mpiasan’Andriamanitra)
1925 : Sekretera Jeneralin’ny fikambanana Kristiana Tovolahy izy. Efa mpitari-draharaha tao amin’ny Isan’enimbolan’Imerina, tao amin’ny Isankerintaonan’ny LMS, ny Fikambanana Mampiely Baiboly. Izy no azo atao hoe "Tonia" amin’ny Antenimiera manamboatra ny boky "Fihirana", voatendrin’ny Isan’enimbolan’Imerina. Mpikambana tao amin’ny Akademia Malagasy izy sady nanoratra momba ny teny malagasy tao amin’ny gazety akademika. Noho ny famakafakany izany teny izany no nanovany ny anarany hoe Ranjavola lasa hoe Randzavola.

Zava-dehibe ny fanehoana ny tantaran’ireo mpitandrina telo mitovitovy lalan-kizorana tamin-dRakotomavo Gilbert ireo satria ilaina ny fahafantarana ny zava-nisy tany aloha mba hahitana ny fivoaran’ny fanadihadiana sy hampanan-danja kokoa ny fikarohana.
Izay rehetra voalaza tamin’ny fandalinana dia nahitana taratra fa mitana toerana lehibe eo amin’ny fampitana ny hafatra amin’ny sehatra samihafa ny tononkalo. Tsapa fa mikendry ny hampandroso sy hanatsara ny fiainan’ny mpiara-belona ny ankamaroan’ireo tononkalon’ny Pôeta Rakotomavo Gilbert. Hoy indrindra (Ch) Ravoajanahary manamafy izany:
 
Tsy misy fiaraha-monina milamina raha tsy eo ny literatiora”. Ravoajanahary (Ch)
"Ny literatiora Malagasy" in Fanasina, lah 539, 15 febroary 1968

Nisongadina àry ireo lalana samihafa nodiaviny sy ny toetsaina voiziny mba hamantarana ny tontolo namolavola ny Pôeta Rakotomavo Gilbert. Ilaina ny fahafantarana ny lafiny tantara tahaka izao mba hamantarana ny fototry ny famoronany.

-
-
-

-
-
-

-
-
-

-
Loharanon-kevitra
La Société Biblique Malgache, 1965, Ny Baiboly, Antananarivo
RABEMOLALY sy ny namany, 1975 ,Fary mamy, Edisiona Salohy, Antananarivo
RAINIZANABOLOLONA, 1914, Lesona tsotsotra momba ny fianarana poezia amin’ny teny malagasy, Imprimerie FFMA, Faravohitra, Antananarivo,
RAJAONA (S), 1993, Zava-kanto vita amin’ny Teny, Ed Ambozontany
RAJEMISA RAOLISON (R), 1985, Rakibolana Malagasy, Fianarantsoa
RAKOTOMAVO,(T), 2016, Ny aim-panahy tovozina ao amin’ny tononkalon-dRakotomavo Gilbert Mpitandrina, Faculté de Théologie Ambatonakanga
RAKOTOMAVO, (T), 2016, Safatsiroa, Antananarivo
RAVELOJAONA, 1908, Litterature in gazety Ny Mpanolotsaina, Antananarivo, 19 juillet 1908
RAVOAJANAHARY (Ch), 1963, Ny Fitaizan-tsaina amin’ny alalan’ny Haisoratra in gazety Fanasina n° 597-600, Antananarivo
RAVOAJANAHARY (Ch), 1968  Ny literatiora Malagasy in Fanasina, lah 539, Antananarivo

_____________________________________
NY ZON’NY TENIKO
 
Tovoziko ny fahalalana; katsahiko ny fandrosoana hitovy amin’ny mandroso rehetra; tafiako tahaka ny lamba ny fomba rehetra avy any ivelany, ka raha vao hisehosehoako, rehefa tonta soloako indray, fa ezahiko hatramin’ny farany kosa ny hitandro sy hiaro ireo fahendrena rehetra eto amin’ny taniko. Tsy mandroso izay tsy tia vao, tratra aoriana izay mitomoe-poana, saingy ny mitapikitra amin’ny any ivelany kosa dia tahaka ilay namono voay, ka ny hafa no miravaka ny vanginy. Noho izany na dia maro aza ny akanga tsara soratra, aza ariana ny akoho mavon-drazana. Meteza ho adala nomen-tanan’ondry, ka na soloana hofany aza tsy tia. Ary moa tsy izany no antoky ny fijoroan’ny firenena mandroso? Koa...
 
N’aiza n’aiza ianao tazaniko
Ry teny gasy tsy nindramiko
Dia ho arovako fa mamiko
‘zany zon’ny tera-taniko!...

Ao tokoa ireo randram-bao
Mety hanao an-kilabao;
Saingy esoriko aminao
F’ireny no hoseko izao!...

Tenin’olon-kafa ve
No entiko mirehareha
Isandohako fananana
Amin’ireo mibaiko Tanana?

Sanatria ! Tsy tsara izany
Fa mitory fomba ambany
Saingy mety hisy ihany
Raha tsy ao ny zon’ny tany

Koa ny satanao ry teniko
Habaribariko tsy afeniko
Fa n’iza n’iza hanadino
Fa hoe mandroso hirimorimo
Tsy kosehiko ato an-tsaiko
Fa vao mainka koa lalaiko
Mba hijoro lalandava
Ka hiriko tsy ho ravan’
Irony sadasada
Ireo narafitry ry dada;

Koa ny hafatry ny Reniko
Ho amin’izay rehetra taizako
Dia hanaja anao ry teniko
N’inon’nona fahaizako

R.G.1974    
 
  MOA

Moa ny tany izay malama
Diavin’isanandro izao
Antenaina fa hitana
Irony dian-tongotrao?

Moa ny aloky ny hazo
Nahazoana fahasambarana
Tsy mivadika ho tazo
Raha midila varavarana?

Moa ny oram-batravatra
Nantenaina hamelo-maso
Tsy toa tselatra mandratra
Ny ati-fo, voan’ankaso?

Moa ny rindrina mijoro
Manafana ny ao an-trano
Dia hinoana tsy hikoro
Ka mety ahitana angano?

Moa ny alina mangina
Fandinihana ny lasa
Tsy hiterak’hakiviana
Raha toa ka be fikasa?

Moa ny hevitra milona
Tsy mivoaka avy ao anaty
Tsy maha kely ny finoana
Ka hisaina valifaty?

Moa ny rivotra fifoka
Toa mamelombelon’aina
Tsy kimonomono-moka
Raha laroina adin-tsaina?

Ho inonao anefa izany
Fa na mandry na mifoha
Dia ekena avy hatrany
Fa misy lafiny ankiroa
Ny fiainana eto an-tany
Ao ny ratsy, ao ny soa.

R.G
NY MPITANDRINA RAKOTOMAVO GILBERT MIVADY

1995, fahafolo taona nitandremana
 
 
Fitoeram-panalahidy
 

Izy mivady tao Anatirova
 
IREO SINGA AHITANA NY TONTOLON-DRAKOTOMAVO GILBERT

Tahirin-tsary indray mitopy maso
 

Tantaram-piainana amin'ny valonan-taratasy
 

Fandaharana tamin'ny fodiamandriny
 

Tononkalo an-tsoratanana

Vokaa-dehiben'ny Sampana Kristiana Tanora
 

Tononkalo tao amin'ny fandaharana Voka-dehibe
 

Fandaharana Herinandro Masina
 

Fandaharana Herinandro Masina, lohahevitra sy tompon'anjara
 

Nandrindra ny takelaka : Toetra Ràja

© Pôetawebs

Date de dernière mise à jour : 16/01/2021

×