Harioley

Sorapiainana - 15/02/2021

Harioley - Sorapiainana
Faniry zeckiel - 15/02/2021

Sorapiainan'i Harioley

Ny nofo no mora lo fa ny aingam-panahy sy ny pôezia ao anatiny kosa tsy mety levona. Izay tontolon’ny haisoratra izay indrindra no mbola mampipetraka ny anaran’i Harioley na dia efa tany amin’ny vanim-potoanan’ny fakan-tahaka tany aza no nahalatsahan’ny tavoniny.
Poeta miavaka i Harioley, vokatry ny finoana nanefena azy, ny fiainana nisandratany ary ny fahaizany nisokatra tamin'ny sehatra maro izay taratra amin'ny asasorany.

1. NOTEFEN'NY FINOANA

Hanampy amin'ny fahafantarana ny toe-piainan'i Harioley ny fandinihana ny fototra nahatonga azy ho olona manana ny maha izy azy eo amin'ny fiarahamonina. Zava-dehibe amin'izany ny loharano nipoirany, ny fanabeazana azy amin'ny finoana kristianina. Taratra amin'ny anarana nosalorany koa ny mety ho toetra maha izy azy.

1.1. Loharano nipoirany


Raharolahy Elie no tena anarana nampitondrain-dRakotomanga sy Razafindrafara ray aman-dreniny azy izay masoandro amam-bolana nitsilo ny lalany sy nahitany ny hazavana. Faralahy tamin’ireo mpiray tampo aminy izy, dia Rasoaseheno Elise sy Ranorosoa Augustine. Teraka tamin'ny 11 desambra 1901 tao Ankadivato Antananarivo izy, nanambady an-dRaveloarisoa Madeleine tamin'ny 1925 ary niteraka an-dRaharolahy Dhelys, Raharolahy Edelyn, Raoeliarivelo Harsoline (vavy tokana) ary Raharolahy Dhels. Ny 25 janoary 1949 kosa no nodian’ny vatany ho vovoka tao amin’ny hôpitaly Befelatanana ka niakaran’ny anarany hankeny ana habakabaka nanampy isa ny kintana.

Zava-dehibe amin'ny fandalinana sorapiainana pôeta ny fahafantarana ny loharano nipoirany. Hatreo amin'ny rainy no azo atolotra ny avy amin'ny lafin-drainy, Rakotomanga efa voalaza teo. 

Sary : Raharolahy Elie sy Raveloarisoa Madeleine vadiny, miaraka amin'ny zanany telo lahy

Mpampianatra tamin'ny sekolim-piangonana tao Ambohidratrimo aloha io rainy io ary  nanjary  Evanjelistra  tany  Toamasina,  vao  nanjary mpitandrina tao an-tanindrazany tany amin'ny fiangonana prôtestanta Ambohitrinibe Andringitra Avaratra, 30km mianavaratra andrefana avy ao Antananarivo.

Ireto kosa ireo singa azo tanisaina avy amin'ny lafin-dreniny. Zana-dRazafindrafara ny pôeta Raharolahy Elie, zafikelin-dRasoanoro, zafiafin-dRaharolahy ary zafin-dohalik'Andriamahazonoro. Iza moa Andriamahazonoro? Avy any Vohipeno izy araka ny voarakitra ao amin'ny Firaketana (1937), nakarin-dRadama ho tandapany, nampianatra azy ny sorabe, natokisany fatratra, nanjary fakan-kevitra ary nasandrany ho Andriamasinavalona mihitsy. Nanana rahavavy Rasoanoro renin-dRazafindrafara, antsoina hoe Rasendranoro izay vadin-dRabary Mpitandrina. Dadatoan-dRaharolahy Elie avy amin'ny rahavavin-dreniny, araka izany, Rabary Mpitandrina.

1.2. Fanabeazana ara-pinoana kristianina


Azo lazaina ho niaina tao anatina fianakaviana sahirana ihany ity pôeta ity saingy voataiza tamin’ny fivavahana kristianina kosa. Evanjelistra nafana fo tokoa Rakotomanga rainy ary nifindrafindra toerana matetika araka izay nanendren’ny misiona azy. Nobeazina feno tamin’ny finoana an’Andriamanitra araka izany Raharolahy Elie sy ireo zokiny roa vavy. Tsy mahagaga, araka izany, raha nibahana tao an-tsainy fahakeliny, ny maha zava-dehibe ny asa sy finoana, ka nahaloa-bava azy tamin-drainy hoe:

"Dada ô! rehefa lehibe aho dia sady ho dokotera no ho mpitandrina, ka raha marary ny Fiangonako, dia tsy mba lany vola izy fa izaho ihany no mitsabo azy" (1).


Voataiza ara-pinoana kristianina hatramin’ny fahazazany, hoy isika, i Harioley ary fitaratra nentiny namakivaky ny fiainany ny lalana nodiavin-drainy. Tsy nitsahatra niorim-paka tamin'ny faniriany tokoa ny asana mpitsabo sy mpitandrina. Taona iray talohan’ny nahalasanany, mahatalanjona ny fanapahan-keviny: nametra-pialana tamin’ny maha dokotera azy izy mba hanaovany ny raharahan’ny mpitandrina. Namboraka izany tamin'ny vadiny sy tamin'ny lehibeny izy tao aorian'ny nanendrena azy hiasa any Betroka:

“Tonga ny fotoana, ho ao an-tanàna amin’izao isika, ary raha vao tafakatra aho, dia hangataka fialana, raha avelany hiala dia izay no milaza amintsika fa tonga ny fotoana tendren’Andriamanitra hanombohana ny asa" (2).

"Fikasana ihany ny an’ny olombelona fa ny lahatra an’Andriamanitra” hoy ny Ntaolo satria tsy tanteraka ny fikasany. Nolavin'ny lehibeny mantsy ny fangatahany. Nionona kosa anefa izy rehefa nekena ny fangatahany hijanona ao Antananarivo araka izao fanazavany izao :

"... mahamaika kokoa ny eto an-drenivohitra noho izy afovoany misy ireo tanora tokony hotarihina, dia hiparitaka indray hanazava ny manodidina rehetra".


1.3. Anarana mifanaraka amin'ny endri-tsoratra


Mialoha ny hidirantsika amin'ireo anarana nanasoniavany asasoratra dia andeha hasiam-panazavana aloha ny tena anarany, dia ny nasalotry ny ray aman-dreniny, inoana ho mirakitra ny toetra tiana hananany amin'ny fiainana na mirakitra tantara (Firaketana, 1937).

Avy amin'ny fototeny "haro" sy "lahy" ny anarany, miampy ny tovon'ny mari-panajana "Ra". "Famadibadihana zavatra mba hifangaroan'ny ao anatiny tsara" ny haro hoy ny Rakibolana (R. Rajemisa-Raolison, 1985). Fanirian'ny ray aman-dreny ny hitafian-janaka tanjaka sy hery ny fanovanana "lahy" ny anarany, ankoatra ny fiavahana amin'ny vavy. Efa nentin'ny rain'ny raiben-dRaharolahy Elie rahateo io anarana io.

Mpaminany jiosy i Elie (3) ao amin'ny Baiboly, bokin'ny Mpanjaka I. Olon'ny fahendrena nitarika ny Jiosy tamin'ny lalana mahitsy izy ary nilaza ara-potoana tamin'ny mpanjaka ny loza mitatao hateraky ny main-tany. Olona mijoro amin'ny heviny ny Elie kanefa mamy hoditra sy to teny. Mety ho diso matoky tena loatra aza anefa izy ary mikomy manoloana ny zavatra tsy mifanandrify amin'ny ilainy.

Sady pôeta no mpanoratra Raharolahy Elie hany ka niankina betsaka tamin’ny votoatin-kevitra narosony teo amin’ny sorany ny anarana nampiasainy. Miisa fito izy ireo.
 

• HARIOLEY. Anarana azo avy amin’ny famadibadihana ny litera ao amin’ny anarany feno ihany ary nisalorany rehefa manoratra tantara foronina “roman” izy.
D. RHOLIVASON. Solon’anarana nentiny teo amin’ny sehatry ny tononkalo, nentiny indrindra indrindra tamin’ny fotoana naha mpitovo azy.
ERIKA (4). Lanjainy io anarana io rehefa manoratra mikasika ny fiainana eto an-tany.
MPIVAHINY. Entiny rehefa manao dinidinika mikasika ny mahafohy ny fiainan-janak’olombelona.
LHIVA DORSONAME. Anaran’izy mivady navadibadika sy natambatra no nahazoany io solonan’anarana io ka rehefa oriory ny lahatsoratra soratany vao nampiasainy.
TISBITA. Notsoahiny avy amin’i Elie mpaminany ao amin’ ny Baiboly. Tsy iza izany fa i “Elie Tisbita”. Trotroiny io anarana io rehefa mirona mankany amin’ny fivavahana ny sanganasany.
VARAMANGA. Vimbininy izany anarana izany any anaty lahatsoratra mikasika ny fiangonana.


2. NASANDRATRY NY FIAINANA

Nanana ny fomba manokana nivoizany ny fiainany i Harioley na dia teo aza ny kalitaon'ny fomba nanabeazana azy. Niseho amin'ny fahatanorany izany, notohizany tamin'ny fahombiazan'ny fianarana norantoviny. Mampiavaka azy koa ny vokatry ny sangodim-piainana nosedrainy ka nanamarika ny kantony.


2.1. Fahatanorana nivelarany


Nankafy lalao tahaka ny tanora rehetra Raharolahy Elie. Tao ny fampiasam-batana toy ny baolina kitra, tao ireo mampiasa saina toy ny katro sy fanorona. Nanefy azy hahay mifanerasera aman'olona ireny lalao ireny hany ka lasa mamy hoditra teo amin’ny fiarahamonina izy taty aoriana ka nataon’ny olona fakan-kevitra mihitsy. Efa tsikaritra sahady eto ny maha "Elie" azy. Nankafiziny teo amin'ny fiainana koa ny vaky boky ka nahaizany teny frantsay sy anglisy ary nanampy azy tamin'ny fianarana ho dokotera.


2.2. Raharolahy nandranto fahalalana


Talohan’ny taona 1918 dia ireto avy ireo sekoly fototra nandrantoany fahaizana:

- Sekolim-panjakana tao Faravohitra
- Sekoly Misiona Prôtestanta tao Ambohijatovo Atsimo
- “Ecole Regionale“ Mantasoa
- 1919-1920, sekoly Le Myres de Viliers Mahamasina
- 1921-1925, sekoly fianarana ho dokotera tao Ankadinandriana.

Nivoaka ho dokotera izy tamin’ny 10 Novambra 1925 raha vao 24 taona monja ary tafakatra ho "médecin principal" teo amin'ny faha-43 taonany. Azo lazaina ho nitety an'i Madagasikara mihitsy izy teo amin'ny asany ka anisan'ny toerana nanendrena azy ireto:

- Alarobia Befeta (Fianarantsoa)
- Bekodoko
- Ankasakasa
- Besalampy Mahajanga
- Port-Bergé
- Maintirano
- Antananarivo renivohitra

2.3. Kantony nipoitra avy tamin'ny olana ara-pitiavana


Olana ara-pitiavana no namoha ny aingam-panahy voalohany tao aminy. Raiki-pitia tamin-dRaveloarisoa Madeleine izy teo amin'ny taona voalohany nandrantoany fianarana ho dokotera tao Ankadinandriana. Tsy namboraka izany anefa izy fa ireo ray aman-drenin’ny roa tonta no nifampiresaka. Nisy tsy fifanarahana anefa ka nanda ny hanaovana ny fanambadiany ny avy amin-dRazazavavy. Nitoetra tao aminy anefa ny fanantenana ny hahato ny fikambanan-dry zareo ho nofo iray ihany ka namerimberenany ny fanontaniana hoe "Rahoviana":

“(…)
Rahoviana no hifaly
Izany olon-tia sy tiana
O! ry vinta-mampijaly
Rahoviana, rahoviana?
Rahoviana no fotoana
Hahitana ilay malala?
Rahoviana no hihaona
Iza re no mahalala? (…)"

Vondrona Ambara, "RAHOVIANA?", tak. 4, and 3

Tsy nahasakana azy roa tsy hifankatia anefa izany ka niandrasana ny fahavitan’ny fianaran’i Elie nandritra ny telo taona vao tontosa ihany ny fanambadiana.

Izany fifamahofahoan-javatra sy savorovoro izany no nanainga azy hanoratra tononkalo sy tantaram-pitiavana maro ka nilomanosany voalohany tao amin’ny tontolon’ny literatiora. Niato tamin’ny fanoratana tantaram-pitiavana kosa izy ny 13 desambra 1925 rehefa lavorary soa aman-tsara ny fampakarany an’i Madeleine ho andefimandriny.


2.4. Tantely amam-bahona

Nifandimby tao amin’i Harioley ny fahasoavana nony vao vita ny fianarany ny taona 1925. Teo indrindra àry moa ny nahatafavoaka azy ho dokotera sy ny nahavoaray azy ho mpiasam-panjakana. Afaka tsikelikely ny fahasahiranana ara-bola nianjady taminy. Tojo teo an-tratrany ihany koa ilay olo-niriny sy tena notiaviny ary mbola narahin’ny dimby sy fara izany satria niteraka efatra mianadahy izy mivady, telo lahy sy vavy tokana.

Na teo aza anefa ireo fahasoavana nigohany ny tsiron’ny tany ireo dia nifanesy ihany koa ireo sedram-pahoriana nizorany nanomboka tamin'ny 1928. Niaina ny vanim-potoana "fiforetana anaty" izy tamin'izany izay nitrangan-doza teto ambonin'ny tany toy ny aretina pesta sy gripa ka namoizana ain'olona maro. Teo anivon'ny fianakavian'i Harioley:

- Nindaosin’ny fahafatesana Rasoaseheno Elise, anabavy iray tampo aminy, ny volana septambra 1928
- Herintaona tao aorian'izay, nodimandry ihany koa Raharosoa Jeanne, zanak’olona mirahavavy taminy ary anisan’ny nahitany ny vady andefimandriny.
- Toy ny tady tohizan-tady tokoa ny andro maloka nolalovany satria, herintaona taty afara, ny volana septambra 1930, natelin’ny rangolahy indray ny zanany vavy tokana izay vao dimy volana monja. Latsa-bato an-tanana tokoa ity pôeta ity tamin’izany raha mbola tsy maina akory ny ravina nihinanana tamin’ireo fahoriana teo aloha.
- Ny volana desambra 1934, nandao azy koa Ranorosoa Augustine zokiny vavy izay sisa velona ka dia izy irery sisa no nanohy ny dia tamin’izy telo mianadahy iray kitapo nifonosana.

Tsy nandalo fe nandalo fotsiny ihany ireny donam-pahoriana ireny fa nokaloiny toy ity natokany ho an'ny anabaviny Rasoaseheno Elise ity:

“(…)
 Dia veloma sombinaina
 Eny kosa
 Fa ny vetsovetson-tsaina
 Zay miavosa
 Dia efa zavon’alahelo
 Fomban-tany,
 K’izay fo mamelovelo
 No anjakany.
 (…)”
Vondrona Ambara, "Ho fahatsiarovana an'i Elise Rasoaseheno anabavy malalako"

Raha tomorina akaiky, nilaozan’olona akaiky azy efatra be izao Raharolahy Elie tao anatin’ny enin-taona izany hoe teo anelanelan’ny 1928 sy 1934. Tsapa ho niroborobo ny literatiora malagasy tamin'izany vanim-potoana fiforetana anaty izany, nivelaran'ny tara-kevitra embona sy hanina, alahelo, hakiviana, fitiavana, zavaboary... ary izay nentina namenoana ny banga noho ny enji-dresim-piainana. Niara-dalana tamin'izany koa anefa ny fironana tamin'ny lohahevitra rômantika, taratra tamin'ny asasoratra vahiny.

Tsy anisan'ireo ela velona koa Raharolahy Elie. Efa tsinjony dieny mialoha izany amin'ny maha Elie azy, araka ny alahelo nobitsihiny tamin-dRaveloarisoa Madeleine, nanoloana ny sakana nanamaloka ny fitiavan-dry zareo:

"alohan’ny hankalazana ny fifamofoantsika, dia tiako ny hampahafantatra anao izao toe-javatra izao: izaho anie ka olona toa efa nahazo tsindrimandry, fa tsy mba hahatratra izany fahanterana izany. Toa nisy filazana tamiko aza fa hatreo amin’ny faha 40 taonako eo ihany. Ny fiadananao no iriko ary ianao dia tiako ho iray amin’ny zazavavy manan-tokatrano sambatra indrindra. Kanefa raha anjary hahitan’ny fahatanoranao fahoriana ny hanekenao ahy, dia tsy hanome tsiny anao akory aho, raha tianao ny hanapaka ny raharahantsika".
Raveloarisoa, Ny Erika, op. cit, tak. 2

Voalaza fa ranomaso no nasetrin'ilay ho andefimandriny an'izany filazana izany. Toy ny efa nanomana ny fahafatesana i Ny Erika araka izany, tsy tamin'ny tsindrimandry ihany fa tamin'ny fiainam-panahy mihitsy araka ity tononkalony mamaritra ny ora farany ity:


ILAY ORA HODIAKO

Ra’ ny heriko hanjoko
Fa ny aiko re ho lasa
Ka ho simba tony foko
Fa hitsahatra hiasa,
Ry Jesosiko mahery
Aza manalavitra ahy
Fa ny tavanao irery
No manafaka ahiahy.
Ao ny taona maro lasa
Indrisy feno fahotana
Fa Hianao izay mahasasa
Manomeza famelàna
Dia ho tonga fifaliako
Ny ho faty ety an-tany
Fa raha ho tapitra ny diako
Dia hiafara an-danitra any.

NY ERIKA


Maty teo amin'ny faha-48 taonany i Harioely kanefa dia nahavita zavatra betsaka teo amin'ny fiainana ary nisandratra tamin'ny karazan-tsoratra maro.

3. POETAN'NY FISOKAFANA

Pôetan'ny fisokafana i D. Rholivason, tia mifanerasera amin'ny mpiara-belona aminy araka ilay hoe "haro" ao amin'ny anarany ka singanina manokana ny fifandraisany tamin'ireo mpanoratra malagasy. Mpitarika izy amin'ny maha "Elie" azy sady manana fahendrena sy fandavan-tena ary finiavana hampandroso ny fiarahamonina amin'ny alalan'ireo anatranatra taratra amin'ny tononkalony.


3.1. Nifanerasera tamin'ny mpanoratra


Tsy nitoka-monina i Harioley teo amin'ny soratra fa nifanerasera tamin'ireo antsoina hoe mpanoratra zandriny toa an'i Lys Ber, J.-J. Rabearivelo, Jean Narivony... mpanoratra nalaza tamin’izany fotoana izany. Niaraka nanoratra tao amin'ny gazety literera "Takariva Volafotsy” izy sy ry Lys Ber, Ny Ando, Jean Narivony.

Niara-nihira tamin'ny mpanoratra zokiny koa anefa izy toa an'i Ny Avana Ramanantoanina. Singanina manokana ity hirany "Asakasakareo..." ity, izay mampahatsiahy antsika ny "Asakasakareo" an'i Ny Avana, andinin-teny samy mandoko zavaboary:

Horakoraka anjaran'ny akanga,
Kalokalo fanaom-boromanga,
Fa asakasakareo tsy hitranga.

Dobodoboka fomban'amponga,
Tabataba ny maro kilonga,
Fa asakasakareo tsy mba tonga.
(...)

Ny Avana




"Ny rahona indro mazava
Ny orana koa mba misava
F’asakasakareo tezi-dava

"Ny vorona ery Tsarasaotra
Nilaza fa tsy mba hihaotra
F’asakasakareo feno loatra"
(...)

Harioley




Mbola ho an'i Ny Avana ihany koa ity fanontanian'i Ny Erika tamin'ny septambra 1936 ity:

"Hono ho’aho, RY AVANA …
 Moa tsy toby fandalovana
 Ny tany,
 Ary toeram-pandalovana
 Mavany?
 e! seranim-pahatsiarovana
 An’izany
 zany saina, ka torovana
 Tomany.
 (...)"

Marihina fa nitovitovy vanim-potoana niainana izy roalahy: Ny Avana Ramanantoanina (26 febroary 1891 - 5 marsa 1940); Harioley (11 desambra 1901 - 25 janoary 1949).

3.2. Asasoratra misandrahaka


Maromaro ireo karazana asasoratra mahazatra an'i Harioely. Voalohany amin'izany angamba ny tononkalo sy sombintantara, ny tantara foronina sy ny tantara tsangana. Fantatra amin'ny fanaovana Dinidinika sy Vetsovetso koa izy. Nivoaka tao amin’ny gazetim-panjakana tamin'ny volana avrily 1922 ny asasorany voalohany.


3.3. Dokotera be fandavan-tena


Na dia nanana toerana ambony teo amin’ny asany aza izy dia tsy nanavakavaka na nifidy saranga fa nahay nifandray tamin’ny sokajin’olona rehetra indrindra ireo sahirana. Hoy indrindra i Samuel Rajaona tao anatin’ny teny fanolorana ny boky "ERIKA" izay misy ireo sombintantara nosoratany:

"Dokotera be fandavan-tena sady kristianina nahafatra-po ny mpanoratra ka tsy nifidy olona nifaneraserana, na toa inona fari-piainany, na toy inona foko niaviany."

3.4. Pôetan'ny fampaherezana sy ny fananarana


Manana toerana lehibe eo amin'ny fiarahamonina ny pôeta noho ireo fitoniana na filaminana azo raisina avy amin'ny asasorany, manoloana trangam-piainana mampihotakotaka na mampalahelo. Anisan'izany ny fampaherezana sy ny fananarana taratra ao amin'ny tononkalon'i Harioley.

Niaina tanteraka ny fanjanahan-tany tamin'ny endriny mampiferinaina aina indrindra i Harioley. Toy ny very fanahy mbola velona sy tsy manan-tsafidy ny vahoaka miaritra ny sitrapon'ny mpanjanaka. Hain'ny mpanoratra ny maneho izany amin'ny andinin-tononkalo mahatonga saina izay ampitahana ny vahoaka amin'ny ombin-tsarety:

“Isada moa mba ho aiza
 Fa miondrika amin-tany
 Ny zioga no sakaiza!
 Hatrany am-parany any.”

Mpampahery i Harioley amin'ny maha olon'ny finoana azy, toa ireo Apostoly fahiny nanao izany tamin'ny faritany nanenjehana ny Kristianina. Iantefan'izany ireo vahoaka novesarin'ny hirifirin'ny fanjanahan-tany teto Madagasikara amin'ny hoe:

"Mahareta, mahereza
 Aza kivy ambony ihany
 Fa ny kely mbola ho ngeza
 Ka hiadana any ho any"

Mirona any amin'ny olona "fanahy" koa i Erika rehefa mananatra amin'ny asasorany toy ny hita ao amin'ny tononkalony "Aina":

"fandaharam-pahoriana
 Itony aina kely itony!...
 Toa tsy ho ela dia hangina
 Ka tsy honina eto intsony.
 (...)
 Fa ra’ ny aminao: FANAHY,
 Zay mitoetra anatiko ao…
 Mbola misy ny hitahy
 Sy hampifalifaly anao".

Mbola nalahany teo anatrehan'ny vola ihany koa io aina io amin'ny alalan'ilay teniny manan-danja sy manan-daza manao hoe:

"Aina lany itadiavam-bola, vola azo itadiavana aina"

Pôeta mpananatra i Harioley, toetra itovizany amin'i "Elie" mpaminany, nitsinjo ny Jiosy amin'ny loza mitatao, ny fitodihany manokana amin'ny tanora sasany azo sokajina ho adalam-pitia:

"Hanky va re dia mora mandainga
 Raha te hanadala ny olona tsotra
 Tsinjovy zareo ny fitia vao miainga
 Sao kobak’ambava no enti-mizotra
 Fa fantatro marina hatramin’izao
 Ny lalam-pitiavana ‘zay mora taitra
 Mafana izy anio ka tsy mba fantatrao
 Fa ny afak’ampitso dia be haitraitra"

Anisan'ny iantefan'ny fananarany koa ireo ao anatin'ny tokantrano, ireo jamban'ny rendrarendram-piainana, ireo revo anatin'ny fahotana mangitsokitsoka... Tsara ny manamarika fa nahasoratra sy nahatahiry vavaka maro dia maro i Harioley.



3.5. Ireo tara-kevitra nilomanosany


Tsapa amin'ny tara-kevitra novoiziny ny vanim-potoana nodiavin'i Harioley toy ny vanim-potoana "fiforetana anaty" ahatarafana ny fitiavana, alahelo sy ngidim-piainana...

- Niredareda tao anatin’ny haisorany ny fitiavana. Mivaofy ny atin’izany fitiavana izany ireo sombintantara sy tononkalo maro narindrany. Hoy i Harioley tao amin’ilay sombin-tantara “Volo-hala nitera-pitia“:
“Ry fitiavana ô! Fitiavana hafa loharanom-piaviana, naharitra hatramin’ny farany mihoatra noho ny fitiavana nivoaka avy ao amin’ny fitiavana”.
- Tsy teo amin’ny lafiny ara-pitiavana ihany anefa fa nivoy ny fahoriana mianjady amin’ny manodidina azy koa ity mpanoratra ity, nahatsapa ny hirifirin’ny hafa ka nandrakitra ireny tao anaty sorakanto. Iray amin’ireny ity tononkalo ity:


VAVAKA HO AN’ILAY MPANDALO

Renin-jaza iny mihazakazaka iny
 Mitrotro zazakely
Marary Ibeby kely, Ibeby tena tiany
 Naman’ny Anjely
Ny tebitebim-pony izany reko izany
 He! mihasohaso
Mivava-bavaka izy, sady mitomany
 Mitelin-dranomaso.
Mitaraina Ibeby anaty lambany ao
 Mainka koa indreny
Mipatraka mijohy, fa feno mitatao
 Ny ranomason-dreny.
 
Ry Tompo ô! Tahio iny renin-jaza iny
 Ny sombin’ainy koa
Ny vavaka tononiny anaty fahoriany
 Henoy ry Tompo soa
Hianao no nanome ny zaza hifalina
 Ho kilalaon’ny reny
Hianao no mahavonjy, Hianao no iangaviana
 Ra’marary ireny.
Tahio ny dokotera izay alehany any
 Hahita izay hatao
Hianao no Mpanazava ny saina ety an-tany
 K’aza mba mandao

Nony ampitso anefa indrisy fa ilay reny
 Tazako nandalo
Mitafy sisika izy, misaraka aman-teny
 Mimalo dia mimalo
Ny sandriny ô! Indrisy tsy mitrotro intsony
 Fa iny eroa aloha
Lanjain’olon-droa ilay silaky ny fony
 Mandry tsy hifoha
Ry Tompo, Hianao no naka, rehefa nanome
 Iny zanak’olona iny;
Hankininy aminao ny fahoriany anie
 Mba hisy hitsikiany!

NY ERIKA
Imanga, 19 desambra 1933
5 ora sy sasany hariva


- Hita taratra  amin’io tononkalony io koa fa tsy vitan’ny mahatsapa ny fahorian’ny mpiara-belona i Harioley fa lehilahy niaina ny finoana ihany koa ary hita taratra tao anaty asasorany ny fahatokisana an’Anandriamanitra. Hoy ny sombiny kely nosoratany tao amin’ilay sombintantara “Hiandry ny fitsarana farany aho”:

“Asanareo tompoko, hoy aho RAHAJASON, madio tokoa aho. HIANDRY NY FITSARANA FARANY AHO, ary AHO, dia ilay any an-danitra, ny any no mahita ny fahamarinako; dia anampina ny tavako tao anaty mosoara aho”.


Raha tsorina dia niankina tamin'ny onja niainany teo amin’ny tantarany ny endriky ny literatiora navoitrany. Teo amin’ny fahatanorany izao (1922-1925) dia  ny fitiavana no nibahan-toerana teo amin’ny diam-peniny, rehefa nahazo ilay sila-panahiny kosa dia nifototra tamin’ny fahoriana mianjady amin’ny hafa izany. Teo amin’ny faramparan’ny fianany teto an-tany (1940-1947), nibahana tao anaty aingam-panahiny ny fahatokisana an’Andriamanitra .

Maro ireo sombintantara sy tononkalo nosoratany, anisan’ireo sombintantara nampalaza azy ohatra ireto: RAOBY, RAIVO MPANOTA, HIANDRY NY FITSARANA FARANY AHO, MANDOLINAH, ZANAK’IZAO TONTOLO IZAO, VOLO-HALA NITERA-PITIA, AMBATON’IBANGO, ‘NDEHA HODY ISIKA. Samy hita ao amin’ilay boky ERIKA izay mirakitra ny soratanany ireo. Maro amin'ny mpianatra nandia sekoly ambaratonga faharoa angamba no mahatadidy tsara ny tantaran'i Ikakilay sy Ifaralahy mampiharihary ny tsy fitovian-tsaranga hatrany am-piandohan'ny tantara:

"Diam-borosy farany no nasafony an'ilay filazana vonivony napetany teo amin'ny rindrina, dia iny nihodina ilay zatovo ka lasa nisakelika ireo horonan-taratasy lehibe mirentirenty soratra; nivimbina ilay fitoeran-dakaoly anangasangan'ny tahom-borosy.
Satroka tonta samihafa, lamba malotoloto, lobaka rovidrovitra, pataloha mitampina maromaro no indreo mifanosinkosina mandinika ilay filazana.

Iray amin'ireo Ikakilay (...)

Niampy niampy ihany anefa ny mpamaky vaovao. Niampy irony olona madio fitafiana, mahay mamaky teny hoatra ny manety rano irony, ka indreny ry zalahy niala tsirairay rehefa avy nanopy maso ka nahita fa toa olona malaina hifanosy aminy no tao ivohony, anefa mijoro teo ihany, nanalava tenda na nanilika azy tamin'ny fanondro miangentsana."


Namolavola ny hevi-dehiben’ny sorany ihany koa ny alahelo nateraky ny fifindrana toerana matetika amin’ny maha mpiasam-panjakana azy, lavitra ny akany fahazaza ka seranin’embona sy hanina matetika.

“(…)
Ny tenabeko foana
No tsy afa-manoloana
Ny saina dia efa niainga
Nihoatra irony bainga
Ry tiana lavitra ahy
Andraso fa ho tonga
Andraso ilay fanahy
Mihoatra irony bonga
(…)”
Vondrona Ambara, "NY MANINA", tak.58, and 3, 4

Indray mitopy maso

Tsara ny manamarika eto am-pamaranana fa tao anatin'ny ivon'ny fanjanahan-tany ny androm-pahaveloman'i Harioley, fotoana nampivaivay ny tsindrihazolena sy ny fanoheran'ny Malagasy izany. Impito niova mihitsy aza noho izany ny governora jeneraly nitantana an'i Madagasikara teo anelanelan'ny 1922 sy 1947(5). Teraka tao anatin'ny vanim-potoana "fakan-tahaka" izy ary nandia ny vanim-potoana "fiforetana anaty" nisedrany ngidim-piainana. Namarana ny diany tamin'ny vanim-potoana "Mitady ny very" izy raha folaka an-dantony teo amin'ny faha-48 taonany.



Namirapiratra ny sanganasany; nahavita be teo amin’ny sahan’ny zava-kanto vita amin’ny soratra sy teny ny dokotera Raharolahy Elie. Niara-nitakosona sy niara-nanandratra ny literatiora malagasy tamin’ireo mpanoratra indray nihira taminy izy tahaka an-dry J.J. Rabearivelo, Ny Avana Ramanantoanina, Lys Ber...

Maha pôeta mitory an'i Harioley ny herin'ny finoany, niainga hatrany an-doharano nipoirany, ny herin-tsaina niatrehany ny ziogany, ny fandavan-tena ananany ho an'ny mpiara-belona, ny fahaizany misokatra amin'ny maro, ary ireo rehetra ireo mitambatra ka nampiavaka ny diam-peniny. Pôetan'ny romantisma izy, nankamamy ny fitiavana, ny zavaboary... ary ny embona sy hanina izay entina mamarana ity fandalinana ity ho an'ny taranaka miady ho an'ny fahaveloman'ny literatiora sy ireo pôeta tsy mba maty:

O! Raketaka soavinindriaka
Manimanina ny amintsika!
Ny andron’Ikaky, hono, dia andro madiva
Ho levona alohan’ny fetran’ny hariva
Andrao, hono, ianao tsy mahita
‘Lay tendry findrany ao am-pita.

O! Raketaka soavoron’ala
Toran-tsento ao ilay Neny malala
Fa ny akoho aza, hono, mifaly isan’andro
Mambomba ny zanany maty masoandro
O! haingàna zavavy, haingàna
Fa hateriko andrefan-tanàna.

Harioley (in RAOBY)


_______________________________
Loharano nanovozan-kevitra


* Boky

KRUGER, E., RAVELOJAONA, JONAH-GABRIEL. (1937). Firaketana ny fiteny sy ny zavatra malagasy. Avoakan'ny "Mpiadidy ny FIAINANA" sy ny namana maro manerana ny Nosy
RABEMOLALY F., RAMILIARISON H., RAVALITERA NALISOA J., RAVELOMANANA H. (1973). "Fary Mamy, kilasy fahatelo", Antananarivo: Salohy, Trano Printy Loterana.
RAHAROLAHY, D, RAHAROLAHY, E., RAHAROLAHY, D., "Erika". Mirakitra ny haisorany izay novolavolain’ireo zanany telo miralahy taty aorian’ny nahafatesany.
RAJEMISA-RAOLISON R. (1985). "Rakibolana malagasy"
RASOAMAMPIANINA M. H. (2013). "Elie Raharolahy : pôeta romantika". Voka-pikarohana fanohanana C.A.P.E.N., Oniversite Antananarivo, ENS

* Tranonkala

Madame le Figaro. "Origine et signification du prénom Elie", repéré dans:
https://madame.lefigaro.fr/prenoms/prenom/garcon/elie
Dominique Ramarlah (2012). Médecine à Madagascar de 1987 à nos jours, Photos 1924-1925. Repéré dans:

Raharolahy Elie. "Ikakilay sy Ifaralahy", sombintantara, tsikaritra ao amin'ny:

_______________________
(1) RAVELOARISOA, ERIKA, op. cit, tak. 2, notanisain-dRASOAMAMPIANINA (M. H.). 2013, tak 44
(2) RAVELOARISOA, ERIKA, op.cit, tak. 7-8, notanisain-dRASOAMAMPIANINA (M. H.). 2013, tak 52
(3) Famaritan'ny Madame le Figaro
(4) Erika no solonanaran'i Harioley araka ny hita ao amin'ny Teny fanolorana ny boky "Erika". Ny Erika kosa no sonia hita ao amin'ny tononkalo maro voarakitra ao amin'ny voka-pikarohana fanohanana C.A.P.E.N. navoakan-dRASOAMAMPIANINA (M. H.). 2013
(5) RAMARSON et GIAMBRONE, Teto anivon’ny riaka, lib. Ambozontany, Fianarantsoa, 1973, tak 93. Nampahatsiahivin-dRasoamampianina M. H. (2013)


q Nandrindra ny takelaka : Toetra Ràja

Date de dernière mise à jour : 04/12/2023