Créer un site internet
Sorapiainan'i Jasmina Ratsimiseta
PÔETAWEBS "Tsy azo adika na alain-tahaka raha tsy mahazo lalana avy amin'ny Pôetawebs fa voararan'ny lalàna 94-036 ny 18 septambra 1995 mikasika ny zon'ny mpamorona sy ny mpanakanto"

15 martsa 2021
Ny pôeta raha miteny
dia mampita izay mba reny
sady saininy ombieny
amin'ny gadona avo lenta
mampitony hetaheta :
bitsik'ivan'ny pôeta.
T.Ràja

Fantaro i...
JASMINA RATSIMISETA

(1890 - 1946)
Poeta,
Mpanoratra,
mpanao gazety
— Fandalinan'i Tsikimilamina Rakotomavo —

Hoy i J. Ratsimiseta tao amin’ny Telegrafy lah 213 ny 28 desambra 1928 raha nilaza ny tsiahy tokony hataon’ny taranaka mifandimby : "Raha lasa aho hoy aho, inona kosa no mba firesaky ny Malagasy namako ahy". Nanafatra ihany koa izy ka nanao hoe :

"… Raha mbola velona kosa izaho sy ianao, dia mifanaova dina, mifanorena vato, mifampiantsoa voady ka mifaneke hifankatia sy hifanasoa".


Teraka ny taona 1890 i Jasmina Ratsimiseta. Jasmina Ratsimiseta sy Bergelin Ratsimiseta no natera-dRatefiarivony  sy Razafindrasoa ray aman-dreniny. Ratsimiseta anadahin-dreniny izay mpitsara anefa no nitaiza azy. Nanambady an-dRavaoarivony izy saingy tsy niteraka izy ireo. Maty ny taona 1946 i Jasmina Ratsimiseta ary milevina ao Ambanidia.

Ny rahalahin'i Jasmina : Bergelin Ratsimiseta sy ny vadiny

Tahaka ny anarana atolotry ny ray aman-dreny amin-janaka dia misy heviny mafonja ihany koa ny anaran’ity pôeta ity. Ny Jasmina dia karazan-kazo mani-pofona izay manintona orona ny mpandalo. Olona miavaka sy mahaliana ny maro eo amin’ny sehatra maro irotsahany no iheverana izany fiantso izany. Matoanteny maneho toetran’olona miavonavona sy mianjonanjona kosa ny misetatseta. Rehefa dinihina dia mifanohi-kevitra amin’izany ny Ratsimiseta izay sokajin’olona misariaka ary tia mifandray amin’ny mpiara-belona aminy.


Jasmina Ratsimiseta, taranak'Andriamidarohasina
Taranaka fahefatra amin’ny terak’Andriamidarohasina Mpanozon-doha tamin’ny andron’Andrianampoinimerina i Jasmina Ratsimiseta. Teny Ambohitrandriana, vohitra kely 1.5km miala an'Ambatolampikely (Lalampirenena faharoa) no niorenan’ny tanàna nonenan’Andriamidarohasina. Hita ao avokoa na ny hadivory anankiroa na ny vohitra misy ny fasana ary ireo trano haolo manamarika an'iny faritra iny.

Manana ny tantarany eto amin'ny firenena io faritra io satria eo ambany andrefan'Ambohitrandriana no ahitana ny dobon-dRavololona (A. GYRE, 2013), sy ny tanànan'Ankadindravololona1, azo lazaina ho niandohan'ny fanenjehana mavaivay natao ny Kristianina. Niova ho Kristianina Ravololona izay tsy iza fa renin-dRanavalona I. Novonoin-dRanavalona I izy noho izay fiovam-pinoana izay. Mbola Ankadindravololona ihany koa no manelanelana an'i Ambohitrandriana amin'Ambatomanoina, nipoiran-dRanavalona I, Radama II, Rasoherina ary Ranavalona II2.

Ambohitrandriana araka ny nahitana azy tao amin'ny Google Maps
Ambohitrandriana taty aoriana;
"rindrina sisa mijoro
"

Rehefa misy fitarainana voarain’Andrianampoinimerina dia nankeny an-toerana voalaza teo hatrany izy. Andriamidarohasina mantsy no manao ny fitsarana farany mialoha ny hampisotroana tangena ilay olona izay heverina fa ahiahiana tamin’ny tranga iray. Voafaritra tamin’izany fa i Hagamainty no mpanolo-tsaina fa Andriamidarohasina kosa no mpandamina ny raharaham-panjakana.

Niteraka  4 Andriamidarohasina  ka nomen’Andrianampoinimerina vohitra teto Iarivo avokoa. Ireto avy izy ireo sy ny toerana natolotra azy.

- RAZAKA ANDRIAMIDAROHASINA tao andrefan-drova; Ambanidia
- RARIVO tao Manakambahiny, Ambatoroka
- ANDRIAMAROSAIKA tao Faravohitra
- ANDRIANTSIVITA tao Anjohy, Ambatomainty


Ny trano nipetrahan'i Jasmina Ratsimiseta ao Ambanidia
Ny fasam-pianakaviana ao Ambanidia

Fanampin’ireo anefa dia mbola nomena an’Ambohimena (Vohitra nomena; toerana misy ny Oniversiten’Ankatso) Andriamidarohasina. Nisy fasana teo amin’ilay faritry ny tendrombohitra  tany aloha. Noho ny fanorenana ny Anjerimanontolo anefa dia nafindra teny Antsahameva ny fasana ka ahitana  soratra hoe "ho an’ny taranaka Rainitsimiseta, Rarivo, Andriamarosaika, Andriantsivita". Ankoatra izany dia toerana ahitana ny fasan-drazana ao Ambohitrandriana sy Ambanidia.

Marihina fa RAZAKA ANDRIAMIDAROHASINA na Rainitsimiseta no niteraka an-dRatsimiseta izay nipoiran’i Jasmina Ratsimiseta.


Jasmina Ratsimiseta, sahy
Anisan’ireo mpianatra nanovo fahalalana voalohany tao amin’ny sekoly Le Myre de Vilers i Jasmina Ratsimiseta raha mbola tao Anatirova izany.
Nandray anjara tamin’ny raharaha V.V.S. i Jasmina Ratsimiseta ary voarohirohy  ka nalefa sesitany tany Comores. Notoheriny tamin’ny fomba rehetra ny endriky ny fanjakazakana sy ny tsy rariny nataon’ny mpanjanaka. Na dia mafy aza ny fiainana tany an-tsesitany dia nataony toy ny tsy nisy izany noho ny toetrany tsy dia maka sarotra loatra. Ny tolona nataony tany an-tsesitany no nampiova ny rivotra niainan’ireo gadra politika tany Comores ka nahatonga ny fanajana kokoa ny zo maha olon’ny voafonja rehetra tany.

Tafaraka tamin-dRamaholimihaso sy Rodlish izy tany an-tsesitany ary nifampidinika ny amin’ny hameloma-maso hatrany ny literatiora malagasy. Anisan’ny namalifaly ireo Malagasy tany an-tsesitany ihany koa izy tamin’ny alalan’ny vazivazy sy fomba firesaka manintona avy hatrany.

Jasmina Ratsimiseta, mahaleo tena

Tonian’ny fanoratana tao amin’ny Tanamasoandro izy tamin'ny 1930 ary Tonian-dahatsoratra, niaraka tamin’i Ny Avana Ramanantoanina tao amin’ny Gazety Fehizoro. Tompon’ny gazety Telegrafy izy ary navelan’ny mpitondra tamin’izany nivoaka io gazety io satria naneho fa "gazetin’ny fahendrena, hanondrotra ny Malagasy eo ambany elatr’i Frantsa reny malala". Tetika ihany izany anefa mba hahafahan’ny gazety mivoaka an-kalalahana. Nandritra izany dia sady mpitantana izy no niandraikitra ny fanoratana.

Ny endriky ny gazety Telegrafy tamin'izany fotoana izany. Jasmin Ratsimiseta, "Directeur"

Ny 1938-1940 dia Mpisolovava tany Toamasina izy. Noho ny fahasahiany dia nikoizan’ny mpisolo vava vahiny izy tamin’izany ary natahorana fatratra ny nifanandrina taminy. Voamarina aza fa vitany mihitsy ny namono ireo vazaha frantsay teo am-pidirana ny efitrano Ritz sy Rex tamin’izany vanimpotoana izany.

Nifototra tamin’ny fanaovan-gazety sy fanoratana ny lehilahy nony tafaverina avy any an-tsesitany.

Ankoatra ireo gazety izay niandraiketany dia tsy vitsy ireo  nandraisany anjara toy ny Fitarikandro, Mifoha i Madagasikara, Masoandro, Mpanoro lalana, Tanamasoandro.


Jasmina Ratsimiseta, mpamorona
Amin’ny maha mpamorona an’i Jasmina Ratsimiseta dia misalotra solon’anarana maro izy ary ampiasainy arakaraka ny lahatsoratra voiziny sy ny fironana ilafihany. Ireto avy izany :

-
-

-

EMILIE P no isalorany rehefa manoratra tononkalom-pitiavana mampiseho fo mbola tia
TREZAN no Sonia apetrany amin'ny lahatsoratra mampalahelo
Fantomas no anarana entiny amin'ny asa soratra maneho ny aloky ny fasana
PALAMEDA no Sonia apetrany rehefa manoratra sombintantara mikasika ny tontolon'ny fanambadiana

Ankoatra ireo : LISE, BELZEBOBA, FANTOMAS, KINTANA, RENTGEN, RAKOTOBELOHA

Maro ireo asa soratra noforoniny toy ny tononkalo. Nampalaza azy indrindra ny hoe "rehefa maty aho" izay miseho amin’ny endrika roa araka ny tahiry izay nakana azy. Ankoatra izany ny sombin-tantara toy ny  "Lo irery" sy ny "Ramatoa", tantara foronina  toy ny "anatin’ny haizina", "ny adidy"; ny tantara filalao an-dampihazo na tantara tsangana "izay mananda no resy". Fanampin’ireo dia maro ireo tonon-kira noforonin'i Jasmina Ratsimiseta nohiraina tamin'ny tantara tsangana. Ireto avy izany
3:


- "Valala vao norantovina"
- "Aiza ny tany tsy diavim-pitia" izay nohiraina tamin’ny tantara "Sangy mahery"
- "Ny mamonjely gasy", nohiraina tao amin’ny tantara "Izay mananda no resy"
- "Asakasak'izay tsy mitandrina"
- "Io fitiavana io" nohiraina tao amin’ny tantara "Izay mananda no resy"
- "Vita izay ny fitsarana", nohiraina tao amin’ny tantara "Izay mananda no resy"
- "Miarak'ory miara-paly", nohiraina tao amin’ny tantara "Izay mananda no resy"
- "Mivelara ry raozy", nohiraina tao amin’ny tantara "Dobla efatra"
- "Voalefona ny foko" nohiraina tao amin’ny tantara "Hanavotako an'i dada"
- "Ry zaza malala" nohiraina tao amin’ny tantara  "Sarobidy"
- "Ny fahoriam-pitia", nohiraina tamin’ny tantara "Kalokalo"


Ny Tropy Jeannette, araka ny fitanisan'ny Takelaka Notsongaina (Tak 73) ireo anarana amin'ny sary (sarin'ny Arsiva nasionaly, nindramina tamin'ny Musée de la Photo Madagascar).
Mitsangana miankavanana : Andrianary Ratianarivo, Rajaonarivony Fréderic, Ranaivoson, Gasy d'Iarivo, Rasamimanana, Georges
Mipetraka miankavanana : Gabriel Rakotomalala, Ratsimiseta Jasmin, Razanoela, Jeannette, Raketamanga

Jasmina Ratsimiseta, mamosaka
Maro ireo hevitra hita taratra sy hafatra miampita ao amin’ny kalon’i Jasmina Ratsimiseta. Tsy misalasala ny pôeta mamosaka izay mahatery ny aty fo sy fanahy hiako any ny mpankafy ny kalony. Tsikaritra tamin’izany fa zava-dehibe ny fampanjakana ny fitiavana. Ny fananana fandeferana no anisan’ny singa mampiorim-paka izany fitiavana izany.

Koa na eo aza ireo ady sy fifanolanana eo amin’ny olon-droa dia ilaina ny fananana izany fahendrena izany. Ilaina ihany koa ny fijerena ny lafitsaran’ilay olona tiavina mba hampilamina ny fihetseham-po. Rehefa manjaka izany dia misy hatrany ny fiombonana eo amin’ny roa tonta.

"Ny lalako maizina, rakotra tsilo
 Tsy ilaozako akory, fa arahiko mora
 Satria fandeferana re no fanilo
 Ka hoy ny fanahy sy sy saiko mizora"
 Ny lasa,Telegrafy n° 354, 26 juillet 1932

Zava-dehibe ny famonoana eritreritra tsy hanaiky ho resin’ny ratram-po mety hanavesatra ny fo rehefa tafara-dalana. Tsy mitovy ny fomba fijery sy fihevitra hany ka mety hifanipaka ny eritreritra. Vahaolana mendrika indrindra iatrehana izany ny fitoniana sy fananana fiainam-pifaliana.

"Ny raho-manjombona hitako androany
 Dia asaiko resen’ny masoandro omaly
 Ny masoko feno, ka sendra tomany
 Dia iniako fafana, tereko hifaly"
 Ny lasa,Telegrafy n° 354, 26 juillet 1932

Hita taratra ny fahadisoam-panantenana noho ny tsy fahalavorarian’ny fifandraisana izay nokasaina mba hateza. Samy manana ny fomba nanabeazana azy ny tsirairay hany ka hita miharihary ny fahasamihafana rehefa injay miara-monina ao an-tokantrano. Teny manindrona, fihetsika tsy voahevitra izay mety hiteraka ratra anaty no mazàna re sy hita ao anatin’izany. Eo anatrehan’izany no hisian’ny fandaozana tampoka noho ny tsy fahazakana izay zava-mitranga.

"Nataoko ho tanan’ny mpanafosafo
 Ka hay lefom-pohy nandratra ny foko
 Ny rano tokoa no nivadika ho afo
 Matoa izany tsiky nanjary toloko"
 Ny Telegrafy n° 215 , 8 janvier 1929

Voarakitra an-kalo ny aloky ny fasana sy ny fahafatesana izay maneho fa toy ny mpivahiny eto an-tany ny olombelona ary ilaina ny fiomanana ny  amin’izany. Toa tsinjo sy mihelohelo amin’ny alalan’ny nofy sahady ny tranga hiseho ao aoriana ka ambara amin’ny besinimaro.

"Voavakiko, hono, ny soratr’anarany ;
 Fasa-mangina, fonenana soa
 Tsy manana fetra, tsy manana farany
 Mandrakizay tsy hiova tokoa"
 Ny Telgrafy,n° 354,26 juillet 1932

Ambaran’i J.Ratsimiseta fa na inona na inona endrika nisehoan’ireo tranga nolalovana tany aloha dia tsy tokony hanana ahiahy na na tebiteby ny tsirairay. Ny zava-dehibe dia ny fametrahana ny fahatsiarovana  tsara hipetraka ho tantara tsy fanadino fa tsy handaniana fotoana hamaliana faty izay ratsy niseho akory.

"Tsy asiam-panenenana akory ny lasa
 Tsy asiana alahelo ny zavatra vita
 Fa hoatra ny lamba niaraha-nanasa
 Tahaka ny rano niarahana nita "
 Ny lasa,Telegrafy n° 354, 26 juillet 1932

Nofiko hono !

Ity toerana ity tany be ranomaso
Tsy maintsy tomany ny miaina rehetra
Mitondra mangidy sy anaovany ankaso
Ampidirany sento sy asainy mitsetra (…)

Kinanjo nanonofy aho alina iray
Fa toa misy  toerana roa izay voavoatra
Tsy azom-pitserana mandrakizay
Dia ny kibon’Ineny sy Ifasana an-koatra (…)

Dia ny kibon’Ineny no hitako aloha
Ka tany aho hono, dia volana folo
Natory sy miadana tsy misy mpamoha
Nipetraka foana isan’andro tontolo

Ny masoko, hono, dia mbola nikatona
Sady ny vavako tsy mba miteny
Kanefa ny ilaiko dia tamy nanatona
Vokatra ho azy fa misy an’Ineny

Ny tongotro, hono, tsy mbola namindra,
Ny tanako koa tsy mbola nandray
Ary izao no dia tena tadidiko indrindra
Tsy nisy alahelo tamin’izay !

Fa satria any, hono, tsy idiran-tomany
Ka tsy azo isentoana indray maka akory
Nandritra ny volana nisy ahy tany
Tsy fantatro, hono, izay zava-mahory


Dia tapitra, hono ny anjara fotoako 
Nivoaka aho, hono, fa tonga ny fetra
Ka ny alina sy andro no teo anoloako
Nipaoka ahy tsy mba namela hitoetra

Nindaosiny, hono, ny tenako re
Mba hamaky ny fiainana ambany masoandro
Namindra tanatin’ny setroka be,
Ka namoa-dranomaso isan’andro isan’andro

Mandritra ny taona izay nahavelomako
Zavatra roa mba haiko natao
Mitomany ny hoavy mbola any alohako
Sady manenina ny efa nandao !

Ny maraina aho, hono, dia be faniriana
Ny antoandro aho, hono, dia maro tadiavina
Nony hariva dia be fahoriana
Mitady hifody amin’ny efa nodiavina

Roso ny dia ka toa nofiko indray
Fa nandeha nahitsy, nijonjona ihany
Namantana ho amin’ny lavaka iray
Zay nomanina ho ahy any ambanin’ny tany

Voavakiko, hono, ny soratr’anarany
"Fasa-mangina, fonenana soa
Tsy mba manana fetra na manana farany
Mandrakizay tsy mba hiova tokoa".

Any mitovy ny hendry sy ny adala
Any tsy misy izay tiana sy hala
Any tsy diavin’ny fiavonavonana
Any tsy onenan’ny fialonana

Any no toerana fara fodiana
Any no marina samy itoviana
Any tsy misy ho ambany sy ambony
Any tsy misy tsy tiana intsony

Any ny vola dia zava-tsy ilaina
Tsy hisy mahantra mba re mitaraina
Any no tany tsy idiran’ny ady
Ny feo mifanditra dia zavatra fady

Any tsy hisy mahory ny tena
Any tsy misy mosara ho lena
Any tsy misy izay kibo ho noana
Any tsy itoeram-pisentosentoana !

Voavakiko, hono, ny soratr’anarany
Fasa-mangina, fonenana soa ;
Tsy manana fetra, tsy manana farany
Mandrakizay tsy hiova tokoa !

Gazetim-panjakana fevrier 1915

Rehefa maty aho

Rehefa maty aho
(Nohirain'ny tarika Mahaleo sy Feo Gasy)

Raha ho avy Ralala ny taona hodiako
Ho ambanin’ny tany tsindrian-drangolahy
Ka ny vato manjary kidoro hatoriako,
Dia izao no zavatra mba ataovinao ahy

Voleo voninkazo eo  ambonin’ny lohako
Fotsy sy Mavo ary Manga sy Mena
Ka avela  haniry eo mandra-pifohako
Mba hanofisako ilay Fanekena

Ny fotsy ho marik’ilay fahadiovana
Fotsy madio fa tsy azo lotoina
Natao orim-baton’ilay nifanaovana
Ho sarotra velona tsy azo vonoina !

Ho vavolombelona manaporofo
Fa misy fitiavana iray sy maningana
Fitiavana marina tsy miova na miofo
Hijoro mihitsy tsy hety ho voafingana !

Ny endriny Mavo, ny fofony manitra
Dia fivavahana ataoko any an-danitra
Mba hitsinjovany anao tsy irery
Hombany raha sendra tsy misy mpijery !

Ny manga ho marik’ilay fihafiana
Niaraha-nitondra ny zava-mangidy
Dia ny andro namoizana ‘zay fifaliana
Niaraha-niaritra zava-tsy fidy !

‘lay lamba manify niaraha-nitafy
Aza hadinoina indrindra, tsy maintsy ampombaina
Mba hahatsiarovako antsika nihafy
Nahita ny sento nihatra aman’aina

Ny "Mena" no taratry ny "Afo tsy maty"
Mirehitra lava ao anatin’ny foko
Dia ny Fitia, fitia tena anaty
Fitia voakase sy mitomboka loko

Ny fasako ataovy eo andrefan-tanàna
Ka ataovy mikasika ny ila-kamory
Ka soraty eo ny tenin’ny fanantenana
"tsy maty aho akory fa mbola matory"

Ny ilan’ny rano voleo volotara
Ka jerijereo aza avela ho maina
Dia tarafo ny rano sy jereo tsara
Fa tsy miala eo aho raha tsy efa maraina

Ka indray andro any raha toa mahatsiahy
‘lay roso any an-tany fiandrasam-bahiny
‘lay lasa ho "avelo" sy tonga fanahy
Jereo eo any sarin’ny andro fahiny !

Tarafo ny rano fa ho hitanao ao
Ny nakako voahirana indray maka izay
Ka tsarovy ny teny nataoko aminao
Raha manolotra anao ny sampahony iray

Na dia maty aza ny tenako be
Ka hiraraka an-tany ny ra ao am-po
Ny fitiavako anao ka mipetraka anie
Tsy miova, tsy akory, eny tsy mba ho lo !

Tsy ho aiza tsy akory fa mbola hitoetra
Tomoetra aminao tsy mahazo mandao ;
Hiaro anao tsy haratran’ny tsilon-draiketra
Ny tsilon’ny senton’izao tany izao

J. Ratsimiseta
Sampan’oliva,tak 11-13



Raha ho avy ralala ny taona hodiako
Ao ambanin’ny tany tsindrian-drangolahy
Ka vato no tonga kidoro atoriako
Dia izao no mba zavatra ataovinao ahy

Voleo voninkazo eo an-dohan’ny lohako
Fotsy sy mavo ary manga sy mena ;
Ka avela haniry eo mandra-pifohako
Mba hanofisako ‘lay fanekena

Ny FOTSY ho marik’izay fahadiovana
Misy aminao tsy mba azo lotoina
Ho toy ny orim-baton ‘izay nifanaovana
Soratra velona tsy azo vonoina

Ho vavolombelona manaporofo
Fa misy fitiavana iray tsy mirona
Maharitra tsy mba halazo na hiofo
Vao mainka mijoro raha misy midona

Ny MENA ho mariky ny afo tsy maty
Mirehitra lava ao anatin’ny foko
Dia ny afom-pitia, ny fitia tena anaty
Fitia voakase sy voatomboka loko…

Ny sorany mavo ny fofony manitra
Dia fivavahako anao tsy ho irery
Sy hataka ataoko mipaka any an-danitra
Sao hianao ory, tsy misy mpijery

Ny manga, ho marik’ilay fahoriana
Nanjo ahy fony vao hana-malala
Niaraha-niaritra andiam-pijaliana
Ny araby sy eson’ireo mpankahala

Ny lamba manify niaraha-nitafy
Aza ajanona koa fa tsy maintsy ampombaina
Ho fahatsiarovako antsika nihafy
Nitondra mangidy nihatra amin’aina

Taretra ambolena, ho solon’ny hazo
Niarahana niolaka fony nandositra
Vavolombelona tsy mba malazo
Ho maitso isan-taona, tsy ho azon’ny fositra

Ny fasako ataovy eo andrefan-tanàna
Ka ataovy mikasika ny ila-kamory ;
Soraty eo ny tenin’ny fanantenana :
TSY MATY AHO AKORY FA MBOLA MATORY !

Ny moron’ny rano, voleo volotara
Ka jerijereo fa aza avela ho maina
Tarafo eo aho, fa tsinjonao tsara
Tsy miala eo aho raha tsy efa maraina

Tazano ny rano, fa hitanao ao
Ny nakako voahirana indray maka izay
Ka tsarovy ny teny nataoko aminao,
Raha nanolotra anao ny sampahony iray

Na dia maty aza anie izany tenako be
Ka hiraraka an-tany ny ra ao am-po
Ny FITIAVAKO anao ka mipetraka anie
Tsy mba maty tokoa, eny tsy mba ho lo !

J. Ratsimiseta
Ny Telegrafy, n° 52, 15 marsa 1927




-
-
-

-
-

-
-

-
-
-
-
_______________________________
Loharano nanovozan-kevitra

Akademia malagasy, 2005, Rakibolana rakipahalalana, Antananarivo
Gazetim-panjakana fevrier 1915
Gyre A., 2013.  À la rencontre d'Ambohitrandriana. Tsikaritra ao amin'ny:
http://agir.avec.madagascar.over-blog.com/article-histoire-a-la-rencontre-d-ambohitrandriana-121821231.html
Lala-Rakotoson, 2003, Lovako T12, Antananarivo: Editions Ambozontany
Mondemalgache. Jasmina Ratsimiseta. Tsikaritra ao amin'ny:
http://mondemalgache.org/bins/teny2/ratsimisetajasmina

Rabemolaly sy ny namany,1977, Fary Mamy, kilasy faharoa, Antananarivo: Edisiona salohy
Raja T, 2020, Fantaro Ratsimba Georges. Tsikaritra ao amin'ny :
http://poetawebs.e-monsite.com/pages/sorapiainana/page-85-1.html
Rajaona.S ,1972, Takelaka Notsongaina, Fianarantsoa
Telegrafy n° 354, 26 juillet 1932
Telegrafy lah 213 ny 28 Desambra 1928
Schmidhofer (collection). Les disques 78 tours. Tsikaritra ao amin'ny:
https://www.avmm.org/disco/78.html

_________________
Ankasitrahana ireto taranaka voalaza anarana ireto tamin’ny resaka nifanaovana :
- Falilalao Rajasinelina  
- Rasoamanana Jean De Dieu
- Ratsimisetra Harison
_________________
1Gyre A., 2013.  À la rencontre d'Ambohitrandriana. Ahitana fanazavana momba an'Ambohitrandriana sy Ankadindravololona
2Raja T (2020). Fantaro Ratsimba Georges. Nanehoana ny lanjan'ny tanànan'Ambohimanga sy Ambatomanoina, nosintonina tao amin'ny boky Tantara Ny Andriana.
3Schmidhofer (collection), ahitana ny lisitr'ireo kapila 78 tours

Nandrindra ny takelaka : Toetra Ràja
© Pôetawebs

Date de dernière mise à jour : 14/03/2021