Créer un site internet
poetawebs

Ny poeta raha miteny
  dia mampita izay mba reny
 sady saininy ombieny
 
amin'ny gadona avo lenta
  mampitony hetaheta :
 bitsik'ivan'ny poeta.

(T.Ràja)
15 novambra 2018

FIAROVANA SANGANASA

"Tsy azo adika na alain-tahaka raha tsy mahazo lalana avy amin'ny Pôetawebs fa voararan'ny lalàna 94-036 ny 18 septambra 1995 mikasika ny zon'ny mpamorona sy ny mpanakanto".

Fantaro i...
Elie Rajaonarison

(1951 - 2010)
Poeta
Mpamoronkira

Mpampianatra mpikaroka
Akademisianina
Mpanao politika
Tomponandraiki-panjakana

— Lahatsoratr'i Tsikimilamina RAKOTOMAVO 

Toy izao ny zara soa naroson’i Elie Rajaonarison tao amin’ny New Magazine lah. 59 ny 21/05/01.
”Fanontaniana izay isan’ny manetsika ahy hihoitra tsy ho tafandrimandry no arosoko isainanao ary antenaiko fa hanokananao fotoana vitsy hijerenao fitaratra tsy miangatra manoloana azy dia ny hoe: inona no nataoko hanomezana Hasina ny Tenin-drazako dia ny Teny Malagasy izay fototra hijoroan’ny maha izaho ahy? Lalana iray hahafahanao mamaly izany tsy amin-tahotra ny hilazako aminao eo amin’ny fivoaran’ny kolontsaina dia azo atao tsara ny mifaka fa tsy mihemotra ary misokatra fa tsy safotra”.

Teraka tao Atsimondrova Ambatondrazaka ny 15 novambra 1951 ary nodimandry ny Sabotsy 27 novambra 2010 Rajaonarison Elie na i Elie Rajaonarison eo amin’ny sehatry ny fanoratana. Zanak’i JOHNARISON RANAIVO Frederic (1898- 1976), mpanefy firavaka sady Evanjelisitra sy RAZANADRAIBE Florine (1918-1971), mpanjaitra izy. Andriamasinavalona tompon’ny loharano na mpifehy tao Ambohitrombihavana, ary voairaka hifehy tany Antsihanaka (Ambatondrazaka) taty aoriana ny rainy. Andriamasinavalona avy ao Ambohidrano Atsinanana Avaradrano kosa ny reniny.
Efatra ambin’ny folo no nateraky ny Ray aman-dReniny : fito lahy sy fito vavy. Laharana fahafolo amin’ny mpiray tampo i Elie Rajaonarison ary fahefatra amin’ny zanaka lahy.
Nanambady an-dRamananarivo Mamisoa Selinirina izy ary telo mirahavavy no oty fitian’izy ireo dia Johnarison Ramananarivo Rojoialielinoro, Johnarison Ramananarivo Anjahasiniony Mpitandrina, ary Johnarison Ramananarivo Linjomaradona.


Elie Rajaonarison : olon'ny finoana protestanta

Teo  amin’ny sehatry ny finoana dia nilona tao amin’ny fivavahana kristiana i Elie Rajaonarison. Ny fivavahana kristiana no nanabe sy nanampy azy ho tia ny teny satria nanosika azy hankafy ny teny malagasy sy hirotsaka eo amin’ny sehatry ny asa soratra ny fahenoany an-drainy Evanjelisitra nitoriteny sy nandaha-teny. Finoana Protestanta izay misarika ny olona hifandray mivantana amin’Andriamanitra sy hahavita tena no nifotorany. Ny mpitandrina Jules Raminosoa, mpamoron-kira sy tononkalo ary mpanoratra tantara, mpanorina ny sampana Vokovoko Manga teto Madagasikara, mpamaky lay sy nanaparitaka ny finoana Protestanta tany Antsihanaka, no nanao Batisa azy tao amin’ny F.J.K.M Ambatondrazaka Fitiavana. Io mpitandrina io no nitaiza azy teo amin’ny sehatry ny teny sy ny fomba fisainana ary fifadiana ny zava-mahadomelina. Ny mpitandrina Ramilijaona kosa no nampiofana azy taty aoriana ka nahatonga azy noraisina ho mpandray fanasan’ny Tompo tao amin’ny F.J.K.M Ambohidrano Atsinanana ny Paska 1968. Kristiana tanora tao Ambatondrazaka izy ny 1966-1973. Nitohy hatramin’ny  firotsahana ho Diakona izany fiorenam-pinoana izany. Tiana ny manamarika fa ny 1975-1989 dia nianatra sy niaraka nampianatra tamin’i Mompera Adolphe Razafintsalama izy ary niara-nidinika matetika mikasika ny kolontsaina sy ny finoana.


Elie Rajaonarison : olon'ny fikarohana

Tao amin’ny sekolim-panjakana Antsahatanteraka Ambatondrazaka no nanombohan’i Elie Rajaonarison ny fianarana ny 1963-1967. Tafiditra tao amin’ny toeram-panomanana ho mpampianatra Mahamasina izy ny 1967-1970. Anisan’ny sangany izy satria fifaninanana sarotra no nidirana tao tamin’ny fotoan’androny.

Ny 1970-1974 dia sady nipetraka tao amin’ny kilasimandry zazalahy Ambohijatovo Avaratra no nandalina ny tantara teny amin’ny Oniversiten’Antananarivo ny lehilahy. Nanomboka ny 1974 no mpampianatra mpikaroka teny amin’ny fakiolten’ny teny sy ny soratra, Oniversiten’Antananarivo izy.

Tsy teto an-toerana ihany no nanovozany fahalalana fa  hatrany ivelan’i Madagasikara toy ny fanofanana “fanabeazana olon-dehibe eo amin’ny sendika" izay natao tany Italia, Soisy, Alémana, Frantsa ny taona 1977.

Nanohy ny fianarana tao amin’ny sekoly ambony misahana ny fahalalana ny fiarahamonina E.H.E.S.S (Ecole des Hautes Etudes en Sciences Sociales) tany Parisy izy ny 1979-1980, ka nahazo ny mari-pahaizana ambony mikasika ny haiolombelona.

Ny 1985-1989 dia nivezivezy nampianatra sy nandray anjara tamin’ny fikaonan-doha iraisam-pirenena tany La Réunion i Elie Rajaonarison. Sady nianatra no nampianatra tao amin’ny London School of economics and political science (Departement of Anthropology) tany Londona –Angletera izy ny 1990-1991.

Tiana ny manamarika fa mpikambana teo anivon’ny Akademia Malagasy i  Elie Rajaonarison.

Ireto avy ireo fikarohana efa notontosainy.
1972-1973 : Tanàn’Ambatondrazaka
1973 : Mahafaly Maroseraña (Ejeda, Ampanihy)
1975-1979 : Antsihanaka (Anororo)
1980-1991 : Antemoro-Sorabe (vohipeno, Ivato...)
1997- 2010 :
    - Ireo fomba samihafa toy ny Sambatra, Fitampoha
    - Fiaraha-mivelona sy ny famoronana ary ny tontolo iainana
    - Imerina
    - Fikarohana maro niarahana tamin’ny W.W.F sy ny U.S.A.I.D

Ireto manaraka ireto kosa ireo taranja izay efa nampianariny
1970-1989 : Tajefi, sekoly Ambohimanoro, Kolejy Rasalama
1980-1996 : Anthropologie Culturelle et Sociale, Oniversite Antananarivo, Centre d’Anthropologie Sociale et Culturelle sy ny Centre d’Art et d’Archéologie
1980- 1990 : Sorabe, Oniversite Antananarivo
1984- 1998 : Patrimoine, Créativité, société. Oniversite Antananarivo, Centre d’Anthropologie Sociale et Culturelle sy ny Centre d’Art et d’Archéologie.



Elie Rajaonarison : olom-pirenena

Amin’ny maha olom-pirenena an’i Elie Rajaonarison dia niofana tany amin’ny Akademia miaramila Antsirabe  izy ny 1974-1975. Lasa manam-boninahitra fiandry tao amin’ny tafika ana habakabaka sy an-dranomasina izy ary nametrahana andraikitra maro. (Sous Lieutenant, officier Adjoint à l’escadron de base, Officier Directeur des forces des soldats, Officier Responsable du Bureau d’instruction). Nandray anjara mavitrika tamin’ny tolona Hery velona ny taona 1991 izy ary nifantoka indrindra tao amin’ny vaomiera Kolontsaina.

Andraikitra notanany teto amin’ny firenena

1992 : Mpanolotsaina teknika tao amin’ny Ministeran’ny raharaham-bahiny
1993-1997 : Sekretera Jeneraly, Talen’ny Kabinetra tao amin’ny Ministeran’ny Kolontsaina sy Serasera, Ministeran’ny Fambolena sy Fampandrosoana ny eny Ambanivohitra, Ministeran’ny Mponina sy fanarenana ny fari-piainana.

Mpanao politika ihany koa i Elie Rajaonarison satria mpanorina ary mpikambana tao amin’ny Antoko A.V.I. (Asa Vita no Ifampitsarana). Izy no namorona ny sary famantarana miloko mavo sy manga izay manavaka ny antoko. Mankarary azy ny fieritreretana ny fahantran’ny firenena ka naha voafidy azy ho mpanolotsainan’ny tanàn’Antananarivo ny 2000.

Toy izao ny voalazany tao amin’ny L’Express de Madagascar nivoaka ny 10 mey 1999 :

Dia voailika tsy afaka hiteny ny ampahany betsaka amin’ny vahoaka satria efa misy olona voahosotra hiteny amin’ny anarany; dia nomena anarana hafahafa toy ny hoe: valala tsy mandady harona” na "valala be mandry” ny vahoaka izany hoe nampatoriana na nampiesonina araka ny filazan’ny tanora ankehitriny”.



Elie Rajaonarison : olon'ny kanto

Nanomboka nanoratra  izy fony mpianatra tao amin’ny C.E.G Atsimondrova Ambatondrazaka ny 1965-1966. Nandray anjara tamin’ny hetsika nokarakarain’ny tanora Kristiana tanora teo amin’ny teatra sy seho an-tsehatra izy ny 1965-1970.
Ny 1973 no nandrindrany an-tsehatra ny tononkalon’i Patrice Ralaitafika tao Ambatondrazaka.

Maro ireo sehatra namantarana an’i Elie Rajaonarison teo amin’ny kanto
* Fitarihana fikambanana samihafa
- 1982-1983 : nanorina ny Faribolana Sandratra niaraka tamin’i Solofo José, Ilay, J.Nalisoa Ravalitera, AR.Ni, Ranöe, Lydiary...
- 1991 : namorona sady filoha lefitry ny  Farimbon’ny mpamorona sy mpandala ny kanto na ny PROCREA (Professionnels de la creation et des Arts) izay lasa MAHA OLONA taty aoriana.

* Fikarakarana famelabelarana
- Fitetezana sekoly teto Antananarivo sy ny manodidina
- Tsangan-tononkalo
- Antsan-tononkalo niarahana tamin’ny C.G.M. na ny fahitalavitra (Mey 1999)
- Fanolorana tononkalo tao amin’ny onjam-peo izay niarahana tamin’ny Faribolana Sandratra (1982-1989)

I* Sehatra nanaovany velakevitra

- RAJAONARISON, E. (2000, Febroary). Razana sy vina, Akademia Malagasy, Antananarivo.
- RAJAONARISON, E. (2001, Febroary). Dia mbola hitsetra foana ve? Akademia Malagasy, Antananarivo.
- RAJAONARISON, E. (2002, Aogositra). Mamorona ary manoratra, Dian-tana sy Dian-teny. Ambohitsaina, Antananarivo.
- RAJAONARISON, E. (2003, Jolay). Soatoavina, Forona, fanatontoloana, Akademia Malagasy, Antananarivo.
- RAJAONARISON, E. (2003, Janoary ). Patrakalo, Radio Mada, Antananarivo.




































                                                  Elie Rajaonarison miantsa
* Famoahana tononkalo sy lahatsoratra amin’ny gazety

- Gazety Malagasy : Madagasacar Tribune, Dina, Bako, New Magazine, L’Express de Madagascar, Gazetiko, Midi Madagasikara, Ambioka...
- Gazety vahiny : Journal de La Réunion, Témoignage, L’espoir...  

* Famoahana boky sy gazety iombonana amin’ny Faribolana Sandratra

- 1988 : Sandratra Amboaran-tononkalo voalohany
- 1991 : Tontolo Isainana
- 1994 : Sandra-kalo
- 1997 : Hiratry ny Kintana I, II
- 1997 : Gazety Ambioka
- 1998 : Sandratr’Antsa

Tsara ny manamarika fa Elie Rajaonarison no nitady fiaraha-miasa sy fanohanana avy amin’ny fikambanana hafa avy any ivelany tamin’ny famoahana ireo amboara samihafa ireo.

* Famoahana boky hafa

- 1992 : "Ranitra" mirakitra ny tononkalony manokana
- 1994 : "Gens de Tanà"  ahitana hainteny miavaka  noforoniny izay niarahany tamin’i Pierrot Men sy Descamp Bernard.
- 1999 : "Ranitra" voadikan’i Patrick Rakotolahy  tamin’ny teny frantsay
- 2001 : "Anjambolana" dikanteny ny tononkalon’i Jacques Prévert niarahany tamin-dRanoe

* Fandraisana anjara tamin’ny fikaonan-doha

-1987 : Faha dimampolo taona nahafatesan’i J.J. Rabearivelo
-1988 : L’espoir Transculture, St Gilles - La Réunion
-1990 : Colloque Métissage, St Denis - La Réunion


Lahatsoratra fisaorana

Lahatsoratra iray navoakan'i Elie Rajaonarison tao amin'ny gazety L''Express mitondra ny lohateny hoe "Haninona eto isika" izay maneho ny tokony hampanjakana ny fomba fisainana tena malagasy, toy ny firaisankina, firaisambolo sns.

Ahitana hainteny maro samihafa io lahatsoratra io, izay nifaranana tamin'ny fisaorana avy tamin'i Elie Rajaonarison ho an'ireo nanampy azy.

Ireo sehatra hafa nivelarany teo amin’ny zavakanto

- Mpanolotsaina ary mpanentana tao amin’ny A.S.C.U.M (Association Socio-Culturelle des Université de Madagascar)
- Mpamorona tononkira ho an’ny mpihira malaza toa an-dry Carson, Njila, Fafah.
- Mpamolavola sy mpanatontosa fandaharana
*1982-1989 : Namorona ny onjam-peo voalohany teto Madagasikara FM 100 MHZ tao amin’ny Radio Madagasikara niaraka tamin’i Nicolas Ratsimandresy, Josette Ramaroson, Niry Ravelojaona. Namorona ary nanokatra fandaharana tamin’ny televiziona sy Radio maro
*1984 : Isan’ny voalohany namoaka tononkalo tamin’ny fandaharana Salohy izay novokarin’i Tsilavina Ralaindimby tao amin’ny TVM   
*1996 : Namolavola ary nanampy tamin’ny fanatontosana ny horonantsarimihetsika RAKOTOZAFY (Angletera)
*1997 : Namolavola ary nanampy tamin’ny fanatontosana ny REVUE NOIRE mikasika an’i Madagasikara narindran’i Jean Loup Pivin.
*1998-1999 : Nandrindra an-tsehatra ny Tana-Cergy niaraka tamin’i Vincent Colin izay naseho in 60 tamin’ny firenena 9.

- Nitarika  mpanakanto tamin’ny hetsika samihafa tany ivelany
*1986 : Nitondra ny tarika KALAZA (Rakoto Frah, Colbert, Gege, Panah...) “Music from Madagascar” tamin’ny tanàna 13 tany Angletera.
*1987 : Nitondra ny hosodokon’i Jean Andrianaivo Ravelona sy Léon Fulgence tany La Réunion
*2005 : Nitondra mpanakanto samihafa (Tsiky Rakotomavo, Nestor Rabearizafy, Ranöe, Ramaka, Mafonja, Silo...) tamin’ny hetsika “Oeil du cyclone” tao amin’ny Nosy La Réunion.


Elie Rajaonarison : Pôeta mifaka

Anisan’ny namolavola an’i Elie Rajaonarison teo amin’ny famoronany ny fankafizana ny tononkalon’ireo mpanoratra Malagasy sy vahiny izay niavaka toa an-dry J.J. Rabearivelo, Ny Avana Ramanantoanina, Randza Zanamihoatra, Jacques Prévert, Cesare Pavese...

Vokatry ny filonana tamin’ireny asa soratry ny mpanoratra mpialoha lalana azy ireny no nahatonga azy nandini-tena ka nametraka fomba fijery hahafahana mahomby eo amin’ny fanoratana tononkalo. Ireto avy àry izany : MIHAINO, MIAINA, MINO ARY MANAO.
- Ny mihaino dia miaina tanteraka ao anaty fahanginana, milona ao anaty zavaboahary sy ny tontolo manodidina toy ny fihetsiky ny olona, ny fijeriny, ny fitafy ary indrindra ny fiteny andavanandro. Manampy ireo ny fifotorana amin’ny teny tenenina na soratana izay isehoan’ny boky samihafa  nosoratan’ny olona izay mahaliana eo amin’ny fomba fanoratra.
- Ny miaina  indray  dia fandalana ny fihavanana eo amin’ny fiarahamonina. Ao anatin’izany no hisian’ny fankafizana ny zava-misy hita eo anivon’ny fiarahamonina.
- Ny mino kosa dia faharesen-dahatry ny mpanoratra eo amin’izay rehetra hitany sy niainany ka hahafahany manapa-kevitra hiroso lalina eo amin’ny fanoratana.
- Ny manao  dia toe-tsaina mitarika ny mpanoratra handalina ny zava-misy. Tsikaritra eto ny fahasahiana miavaka amin’ny lalana efa mahazatra ka ahafahana mamorona fa tsy mamerina izay nataon’ny teo aloha fotsiny.
Amin’i Elie Rajaonarison dia “anjorian’olon-drery” ny famoronana tononkalo ka ambara am-pahasahiana izay teraky ny aingam-panahy. Averimberiny matetika fa tsy mandrafitra tononkalo izy satria tsy misaina eo am-panoratana. Manaiky fotsiny ho fitaovana manoratra ireo teny tonga mifamaho ary mifalihavanja manerana ny vinaniny sy mamonto ny fanahiny izy ary teraka avy eo ny tononkalo. Iny tononkalo voasoratra iny no ambarany fa vongam-piainana ary hamafisiny fa vongam-potoana satria manamarika indrindra ny zava-misy niainana tanaty vanimpotoana miavaka.

Tarakevitry ny tononkalony

- Fitiavana
- Tsy fahalavorarian’ny fifandraisana eo amin’ny sehatra rehetra
- Ny tolona atrehin’ny vahoaka madinika
- Finoana (Zanahary, Tody)
- Fifanajana
- Fikaloana ny zavaboahary...





Tononkalo teraky ny Takelaka  notsongaina I

Tononkalo nosoratan'i Elie Rajaonarison voalohany


Elie Rajaonarison : Pôeta mendrika
Azo heverina ho Poeta mendrika i Elie Rajaonarison satria hita soritra eny aminy avokoa ny endrika fahavanonana. Olon’ny teny, olon’ny fanahy, nampiroborobo ny kanto malagasy ary nampisandrahaka an’i Madagasikara sy ny Malagasy manerana izao tontolo izao i Elie Rajaonarison. Tia mizara fanahy ity Poeta ity ka nilaza fa :

”Tsy ny hevitra fotsiny no ambara amin’ny asa soratra fa ny feo, ny fahavelomana sy ny maha feo ny teny no mahatonga ny fanahy, ary ny fanahy dia midika hevitra ambaran’ny asa soratra”.

Niaina ny atao hoe fiaraha-mivelona dia ny fiainam-bondrona sy ny fitiava-namana i Elie Rajaonarison. Tsy nametraka elanelana tamin’ny sokajin’olona iresahana mihitsy izy; hany ka nifandray am-po taminy avy hatrany ary toy ny namany avokoa ireo rehetra nifanerasera taminy.
Eo amin’ny fifandraisana amin’ny mpiara-belona dia mahery fiteny i Elie Rajaonarison satria toy ny mibaiko rehefa mizara andraikitra. Hita taratra ny maha gaona azy izay tsy mifidy teny havoaka indrindra rehefa misy ny fanitsiana tiany haroso.
Na izany aza anefa dia be vazivazy i Elie Rajaonarison; ary tsy maintsy misy mampitokelaka hatrany ny fehezanteny ambarany. Amin’ny maha mpampianatra mpikaroka azy dia tia mizara fahalalana sy miady hevitra ny lehilahy.
Lehilahy manam-panahy i Elie Rajaonarison satria  tia manampy ny hafa. Amin’ny  fijeriny dia zava-dehibe ny fanasoavana ny hafa mialoha ny fikarakarany ny tenany.
Manan-talenta hafa ankoatra ny fanoratana izy dia ny fanaovana kisary na dia tsy fantatry ny rehetra loatra aza izany (kisary Ambatonakanga, Ambohidrabiby). Mankafy fizahan-tany i Elie Rajaonarison ; porofon’izany ny fitetezany faritra maro manerana an’i Madagasikara sy izao tontolo izao. Mandritra ireny fotoana mampivezivezy azy ireny no hakany sy hanangonany sary tsy miato.
Raha atao topy maso indray ny fitafin’i Elie Rajaonarison dia tsikaritra eny aminy hatrany ny lobaka na pataloha miloko mainty sy ny lamba landy  ary ny kapa hoditra maivana. Fitafy tsy mahazatra ny maso kanefa mihaja ary maneho ny hakanton’ny zava-bita malagasy izany.

Ambentintenin’i Elie Rajaonarison ny hoe:

- “Elie ,tsy manadino!”
- “Tsy fidiny ho anay ny manja sy mahay.”
- “Mametraka ny teny ho akora fototra hahafahana mandoatra fanahy ary mitondra anjara fanahy ho an’ny mpiara-belona.”
- “Mikirakira teny, mamadibadika, mamolavola ary mandambolambo , manome aina vao sy fisiana vao ny teny no ataon’ny mpamorona-mpanoratra.”
- “Tsy vakoka natao hotehirizina fotsiny ny maha Malagasy fa natao hiainana sy hivelomana andavanandro, hahafahana mifanandrina, mifanena, mifanakalo amin’ny kolontsain’ny hafa.”
- “Izay tsy mihetsika mihitsoka.”
- “mpamerin-desona no betsaka fa tsy mpamorona.”
- “Tsarovy fa raha tsy mahay mifaka sy misandrahaka tsy mandroso”...

Noho ireo ezaka vitany teto anivon’ny firenena dia natolotra azy ny mari-boninahitra “Grand officier de l’Ordre National“ na dia tsy nankasitrahany  loatra aza ny hahazo izany fony fahavelony.

Eto am-pamaranana izao sorapiainan’i Elie Rajaonarison izao dia indraminay ny tononkalony milohateny hoe : “Fo!Fo!fo...“ izay nosoratany teo am-pamoahana ny Revue Noire. (nataony sora-tanana, etsy an-kavanana). Asehony ao anatin’izany fa miaina, maharitra, mitoetra ary mitohy mandrakariva ny kanto.


  Kisarin'Ambatonakanga, sanganasan'i Elie Rajaonarison

  Kisarin'Ambohidrabiby, sanganasan'i Elie Rajaonarison

Loharanon-kevitra

- BERNARD DESCAMPS, PIERROT MEN, ELIE RAJAONARISON. (1994). Gens de Tana. Paris
- RAKOTOARISON, V. J. (1990). Ny hafahafa sy ny tsimbadimbadika tara-kevitry ny tononkalo ankehitriny araka ny ahitana azy ao amin’ny Elie RAJAONARISON sy RANDJA. ENS Antananarivo
- RAJAONARISON, E. (1992). Ranitra, Imprimerie Mitsinjo, Antananarivo
- RAJAONARISON, E. (1997). Zavatra vitsy tsy aritro. Tsanganafo lah 3, Septambra
- RAJAONARISON, E. (1999). Ranitra, La Réunion : Grand Océan
- RAJAONARISON, E. (1999). Haninona eto isika? Izaho sa isika? L’Express de Madagascar.
- RAJAONARISON, E. (1999). Ranitra ou le devoir d’insolence. Midi Madagascar.
-RAJAONARISON, E ( 2001). Zara soa. New Magazine n° 59
- RAKOTOMAVO, T. T. (2001). Ny Harentsaina Malagasy raketin’ny tononkalon’i Elie RAJAONARISON ao amin’ny “Ranitra” . Oniversiten’Antananarivo.
- RAKOTOMAVO, T. T. (2004). Ny fahafahana sy fahasahiana hita taratra ao amin’ny “Ranitra”.  Oniversiten’Antananarivo.
- RANOE sy Elie RAJAONARISO N. (2001). Anjambolana. Antananarivo : Tsipika
- RANOE sy Elie RAJAONARISO N. (2001). Tangerina Vazon-gaoña. Antananarivo : Tsipika

Lahatsoratra sy Sary : Tsikimilamina RAKOTOMAVO
Nandrindra : Toetra Ràja

Pôetawebs©2018 - poetawebs@gmail.com
×