![]() |
Hoy
A.R.Ni raha nanentana ny mpiara-belona hioitra hatrany amin’ny fiainana
ka hampiasa ny herin’ny tena fa tsy voatery hiantehitra amin’ny hafa: "Koa
aza mitavandra ny kintana mirenty
Hitsilo dia anao Fa ho fanina eo ianao F’izao atao an-doha IANAO NO AVOTRAO !!!" Mpanentana ny fiarahamonina mba hisandratra i A.R.Ni na RABEKOTROKA Andrianjafy Nirina araka ny hita ao amin’ny sorapiankohonany. Mpampita hafatra miabo ho an'ny fiarahamonina izy izay mifanaraka amin'ny modelim-piainana nanefen'ny tontolony azy. Miharihary amin'ny andavanandrony izany ary hainy maneho ao anatin'ny asasorany. |
1. PÔETA MAMPITA |
Mampita izay efa
notovoziny avy tao an-doharano nipoirany i A.R.Ni ary nahavatra
nikolokolo izany. Azon'ireo mpiara-belona aminy ianteherana amin'ny
lafim-piainana maro izy ary azo lazaina ho pôeta mpandray andraikitra.1.1. A.R.Ni NANOVONiainga tamin'ny loharano nipoirany sy ny ankohonana natsangany ny fahatsapana ny fiainany nanovo. Nokolokoloiny izany tamin'ny alalan'ny fanabeazana azy hirotsaka hatrany amin'ny fiainany.Loharano sy ankohonanaTeraka ny 06 Desambra 1961 tao Faratsiho izy, zanaka fahatelo sady lahimatoa tamin’ny fito mianadahy, telo lahy sy efa-bavy, nateraky RABEKOTROKA Raymond sy RATERARIVO Martine. Zazalahy notadiavin-dray aman-dreniny hananana tokoa izy araka izao filaharany izao ka nahatonga ny fanampin’anarany ho "Nirina". Pasitora RABEKOTROKA Emmanuel sy RAMILY Joséphine avy ao Faratsiho, ao amin’ny faritra Vakinankaratra, no loharano nipoirany avy amin'ny lafin-dray. RAKOTOVAO Zafindratsiry sy RAZAFIARY avy ao Ambano Antsirabe II kosa no fototra niaviany avy amin'ny lafin-dreny. Mpitondra fiara fitaterana olona na entana no asa fiveloman-drainy tao Faratsiho, toerana nonenany. Olona feno fahatsorana sady malemy fanahy teo amin’ny mpiara-monina io rainy io. Koa na dia nandao azy ireo noho ny fahafatesana tamin'ny taona 1971 aza izy dia taratra tamin’ny asa soratry ny pôeta A.R.Ni, izay taranany, ny fijoroany hamelona ny anaran-drainy ary hijoro hatrany. Tsapa amin’izany ny anjara toeran’ny ray sy ny zanaka izay nifandray am-po. Mpikarakara tokantrano kosa ny reniny. Nampakatra an-dRAZAFINDRABE Jeanne Séraphine mpampianatra taranja Anglisy i A.R.Ni ny taona 1991 na dia efa tamin'ny taona 1985 aza no nifankahalalan’izy ireo. Ny taona 1992 no niteraka an-dRABEKOTROKA Andriamiadanoro Mirado, zanany lahy tokana, izy mivady. Nandao ny tany teo amin'ny faha-32 taonany izy ny alin’ny alahady 8 Aogositra nifoha ny 9 Aogositra 1993. Aretim-bavony no nitondra azy nankany amin'ny fahafatesana ka namelany kamboty vao herintaona monja. Azo lazaina ho maty herotrerony ny pôeta A.R.Ni, 32 taona, manatombo tamin'ny taona nahafatesan'i Samuel Ratany (25 taona) ary latsaka kely mitaha amin-dRabearivelo (35 taona). Samy pôeta nanana ny lanjany teo amin'ny fiarahamonina ireo pôeta tsy lava andro niainana ireo na dia tsy mitovy vanim-potoana niainana aza. Fanabeazana anaty firotsahanaFanabeazana anaty firotsahana no nikoloan-dray aman-dreniny an’i A.R.Ni izay niavaka tamin'ny maha ambanivohitra ny tontolon'ny fahazazany. Nankafiziny tokoa izany ka anisany ny fiaraha-milalao amin'ny namana anatina sehatra midadasika, ny raharaha an-trano fanao amin'izany tontolo izany toy ny tsaka rano, toto vary, fakan-kitay... Noho ny fahafatesan-drainy raha mbola folo taona monja i A.R.Ni dia voatery nifindra tany Ambano Antsirabe II izy sy ireo iray tampo aminy ary niara-nitoetra tamin'ny raibeny. Malaza amin'ny famokarana voankazo i Ambano, tanànan'ny havan-dreniny, hany ka nitohy hatrany ny fanabeazana teo anivon'ny tontolo tantsaha, toy ny niainany tany Faratsiho ihany, ka nankamamiany hatrany ny sahanasa efa fanaony. Nanefy azy handray andraikitra teo anivon’ny fiarahamonina izany firotsahana izany. Teo amin’ny fanovozam-pahalalana dia nandia ny EPP (Ecole Primaire Publique) Ambohimahatazana Faratsiho izy ary nahazo ny maripahaizana CEPE tao. Tao amin'ny CEG (Collège d'Enseignement Général) Soamalaza Antsirabe izy no nanohy ny fianarany ary nahazo ny maripahaizana BEPC (Brevet d'Etudes du Premier Cycle). Niakatra tao Antananarivo izy tao aorian'izay, nipetraka tao amin’ny anabaviny raha ny marimarina kokoa. Tamin'izany indrindra no nahafahany nanohy fianarana nandritra ny telo taona tao amin'ny IEC Ampandrana ka nahazoany ny maripahaizana Bakaloreà A2 ny taona 1981. Niatrika ny fanompoam-pirenena ivelan'ny tafika izy ny taona 1982 ary nandranto fianarana teny Ankatso tamin'ny sampam-pianarana teny malagasy ny taona 1983. Nahazo ny maripahaizana DUEL izy ny 1987. Ambonin'ny fanabeazana ara-tsaina dia nanovo ny ara-panahy koa i A.R.Ni. Mpitandrina rahateo moa ny raibeny ka tsy nitandro hasasarana nikolokolo sy nanabe azy tamin'ny lafim-piainana manontolo. Tsy latsa-danja amin’ireny ny fianarana sekoly alahady hahafantarana ny fototry ny finoana kristianina indrindra ny foto-pianarana momba ny finoana protestanta. Noho ny fiatrehana ny fiainana dia voatery nampianatra i A.R.Ni roa taona mialoha ny namaranany ny fianarany. Nahazo ny fanamarinana maha mpampianatra mantsy izy ka lasa mpampianatra taranja Malagasy tao amin'ny kolejy RASALAMA ny taona 1985. Tany Anjozorobe sy Manjakandriana no nirotsahany ny taona 1990 sy 1991. Nandritra ny herintaona sy tapany, 1992-1993 no niasany tao amin'ny masoivoho japoney teny Ivandry. Nandritra ireo fotoana niasany ireo dia hainy hatrany ny mikaly sy mandamina ny asany ka nampiaiky ny mpiara-miasa sy ny lehibeny. Sady olon’ny serasera no olon’ny asa ity pôeta nanovo ity. 1.2. A.R.Ni MANDRINDRA![]() Olona be herim-po ny lehilahy, satria satriny hamita izay rehetra nokasaina hotanterahina. Teo amin'ny fifaneraseran’i A.R.Ni tamin'ny mpiara-belona no nahitany taratra ny fahantrana sy fijalian’ny vahoaka izay mitady ny harapaka isan'andro, iharan’ny tsindry hazo lena, ary indrindra tsy manana fahafahana sy fahefana hanatsara ny fiainana. Ny fahatsapany izany no nahatonga azy hiditra ho mpikambana tao amin'ny antoko pôlitika M.F.M. - M.F.T. (Mpitolona ho amin'ny Fanjakan'ny Madinika - Mpitolona ho amin'ny Fanatanterahana ny Tolom-piavotana). Tarigetran'ity antoko ity ny hahazoan'ny vahoaka sy ny mpikarama madinika ny anjara masoandrony eo amin'ny fiainana ka handrondana ny saranga tsy mitovy. Fitsikerana sy fanatsinkafonana ireo tsy mety nataon'ny mpitondra no nataony tamin’izany. Nirotsaka an-dalambe tahaka ny olo-maro leon'ny fahantrana sy ny tsindry hazo lena izy tamin’ny ny diaben'ny fahafahana nankeny amin’ny lapan’ny Iavoloha ny 10 Aogositra 1991. Amin’ny maha mpandrindra an’i A.R.Ni dia hainy ny mandamina ny fandaharam-potoanany hitsinjara amin’ny sahaza azy. Teo amin’ny fiainan-tokantrano dia niezaka hatrany izy nampanjaka ny filaminana, ny fifanampiana, ny fifanakalozan-kevitra ary ny fitiavana. Tsy nohadinoiny ny namaha ny olana rehetra mety hisian'ny elanelana eo anivon’ny ankohonana. Voaporofo hatrany araka izany fa tia mandrindra sy mandamina ny lehilahy. Na dia teo aza ireo adidy aman'andraikitra niantsorohan’i A.R.Ni dia voalanja ihany koa ny fotoana hitoniana amin’ny ala voly. Tiany ny mitendry gitara na dia maro aza ny zava-maneno mahasarika azy. Ankoatra izany dia mahaliana azy ny mijery fampisehoana an-tsehatra toy ny sy rindran-kira ary ny fihainoana mozika. Tena ankafiziny ohatra ny tarika "Mahaleo" sy ny "Kintana telo. 1.3. A.R.Ni MISAHANAOlon’ny andraikitra i A.R.Ni ka niezaka hatrany nitarika tamin’ny sehatra samihafa ka anisan’ireny:-
ny sampana zavakanto tao amin'ny CUR Antananarivo (Taranja Malagasy)
niarahany tamin'i Beto sy i Dama (Paul Andriantsalama).
- ny fandrindrana an-tsehatra ilay sombintantara nosoratan-dRabearivelo hoe "Irène RALIMA". - ny fananganana ara-panjakana ny "Faribolana Sandratra" niarahany tamin-dry Elie Rajaonarison, Solofo José, J. Nalisoa Ravalitera, Rakotonirina Patrick, Lydiary, Niry-Solosoa, Haingo manodidina ny taona 1989. Araka ny fanazavan'i Ranoe dia efa tamin'ny taona 1980 no niaraka nidinika momba ny fikambanana i Randza Zanamihoatra, Solofo José ary Ilay. Nihamaro izy ireo taty aoriana ka teraka ny anarana Faribolana Sandratra tamin'ny 1987 ary najoro ara-panjakana tamin'ny 1989. Tsy mpanangana fotsiny mantsy i A.R.Ni tao anatin'izany faribolan’ny mpanoratra izany fa anisan’ny birao izay mpanetsiketsika sy mpanaitaitra ny mpikambana. Ankoatra izany dia niandraikitra ny antsa fanaon'ny Faribolana Sandratra isam-bolana tao amin'ny Foiben'ny kolontsaina Alemana Malagasy (CGM) izy. Maro ireo asa sorany no nampahafantarina tamin'ny fandaharana "Amboaran'ny hariva" tao amin'ny RNM. Tsy vitsy kosa anefa ireo gazety nahitana ny famoronany toy ny Madagascar Tribune, Ambioka... Tsikaritra tao amin'ny boky fianarana any amin'ny Lovako kilasy famaranana ny tononkalony mitondra ny lohateny hoe “Fa”. Ankoatra ireo dia efa nivoaka tamin'ireo amboara novokarin'ny Faribolana Sandratra sy izay navoakan’ny FIMPAMAMA (FIkambanan'ny MPAndala ny MAhaMAlagasy) ny sorany. Ho an’ity pôeta ity dia mila aingam-panahy ny fanoratana saingy tsy mitaky toe-javatra manokana izany fa na mipetraka aza dia afaka manoratra. Ankoatra izany, tsy voafetra ny fotoana fanoratana. Na amin’ny fotoam-pifaliana na amin’ny fotoana mampanjombona dia mikorisa hatrany ny penin'ny pôeta. |
2. PÔETA MANEHO | |
Homena
toerana manokana aloha ny tontolo maha mpanoratra an'i A.R.Ni, miainga
avy amin'ny hevitry ny anarany, ny nahatonga azy hanoratra, ny
fifaneraserany tamin'ny mpanoratra namany... Tohizina amin'ny
foto-pisainany sy ny modelim-piainany taratra eo anivon'ny tononkalony
izany. Tsara koa ny hironana amin'ny fandinihina ny mahakanto ireo
andinin-tononkalony ireo.2.1. A.R.Ni MANORATRATamin'ny taona 1979, teo amin’ny fahavalo ambin’ny folo taonany, i A.R.Ni no nanomboka nametraka ny diampeniny ho eo amin'ny sehatry ny literatiora. A.R.Ni no anarana isalorany teo amin’ny kanto. Ny anarany feno hoe RABEKOTROKA Andrianjafy Nirina no nafoheziny sy nampifamadihany toerana ka ny fanampin’anarana hoe Andrianjafy no nataony mialoha ary manaraka izany ny RABEKOTROKA Nirina.Nolovainy tamin'ny raibeny sy ny rainy ny anarana RABEKOTROKA. Tsy ilay kotroka maneho fipoahana mirefotra fanaon'ny varatra akory no taratra ao aminy, fa ilay feony sy heviny manako ao am-pon'ny mpiara-belona noho ny fahaizany mandrindra fiainana. "Fandrahoana ny sakafo ho masaka" koa anefa ny hevitry ny kotroka araka ny famaritan-dRajemisa-Raolison (1985) azy. Mifanaraka tsara amin'ilay hoe "A.R.Ni mandrindra" koa izay satria antsoin'ny olona matetika ho fakan-kevitra izy ary be herim-po manatanteraka ny kinasany. Azo ianteherana izy, araka ny voarakitra ao amin'ny anarany Andrianjafy. Ny andriana mantsy aloha dia sady lohany no andry azon'ny fiarahamonina iankinana, dia ny anio sy amin'ny taranaka aman-jafy. Mbola manamafy an'izay fahatokisana izay koa ny heviny ao amin'ilay fitenenana hoe "mandry ivohon'ny vato", "mandry fehizay", "mandry fahalemana"..., izany hoe itoeram-pilaminana sy fitoniana ny fiarahana aminy. Manana ny lanjany eo amin'ny fiarahamonina sy eo amin'ny kolontsaina, araka izany, ity pôeta nirin'ny ray aman-dreniny ho azo ity. Te hampiharihary ny talentany teo amin’ny haisoratra i A.R.Ni. Ny tononkalom-pitiavana miredareda milohateny hoe “voahangin’ny fanahiko” no nosoratany tamin'izany. Tononkalo iray isan-taona no navoaka hatramin'ny taona 1982. Anisan’ny nanosika azy hampiroborobo ny hakingana manoratra ny fanovozam-pahalalana teny amin'ny sampam-pianarana Teny Malagasy narahany teny amin’ny Oniversite nanomboka ny taona 1983. Tsapa ho niainany tamin'ny fomba fandrafetana tononkalo ny fianarana sy fandalinana ny teny malagasy indrindra: dia nahavita tononkalo efatra i A.R.Ni ny taona 1983. Nahatratra 44 ny tononkalo voasorany ny taona 1985 izay heverina fa taom-bolamenan’ny asasoratr’i A.R.Ni. Ny taona 1986 dia mbola nanoratra tononkalo miisa 14 ity pôeta ity. Nihena ho asasoratra 9 taty amin'ny taona 1990. Rehefa dinihina dia tsy nitsahatra namorona tononkalo hatrany i A.R.Ni nandritra ny 14 taona nirotsahany teo amin'ny sehatry ny fanoratana. Hita taratra ny fitozoany tamin’ny fanoratana. Ankoatra izany, tsy mionona amin'ny fahaizany manoratra na mampijoro asasoratra fotsiny i A.R.Ni fa nanatevina ny fahalalany amin'ireo sanganasan'ireo zoky teo aloha. Liana tamin'ny asasoratr'ireo mpanoratra malaza toa an-dry Randza Zanamihoatra, J.-J. Rabearivelo, ny Avana Ramanantoanina, Fredy Rajaofera, Rado, koa ny lehilahy. ![]() Ny
fianakaviam-ben'ny pôeta sy mpanoratra tamin'ny fankalazana ny faha-50
taona nahafatesan-dRabearivelo. A.R.Ni milingilingina ankavia. Ao
aoriany mitsangana i Le Myosotis, Elie Rajaonarison. Ao amin'ity sary
ity koa i Rado, Randza Zanamihoatra, Lolo Rajohns, Célestin
Andriamanantena, Ranoe sns. (Sary : Ranoe)
Tia miady hevitra i A.R.Ni ka nandinika ny olana mpahazo ny mpanoratra sy ny mety ho vahaolana amin’izany. Nieritreritra ny hanorina sehatra ahafahana mandalina misimisy kokoa ny lanjan’ny zavakanto vita amin’ny teny izy. Nifanojo tamin’ny namana isan-karazany nitovy hevitra taminy izy toa an-dry Solofo José, Ilay, J. Nalisoa Ravalitera, Ranoe, Elie Rajaonarison, Saneho Jean Gilbert sy ny hafa koa, izay azo lazaina ho indray nihira sy niara-niasa taminy teo amin'ny fampiroboroboana ny sehatry ny literatiora izy ireo. 2.2. A.R.Ni MIHEVITRAA.R.Ni dia mihevitra fa tsy hita taratra amin’ny fiarahamonina intsony ny fahafahana sy fahalalahana. Manjaka loatra ny tsindry sy ny geja ataon’ny manam-pahefana sy ny mpanam-bola izay mahatonga ny fahorian'ny madinika sahirana eo amin’ny andavanandrom-piainana. Eo anatrehan’izany no ipoiran’ny fipoahan’ny zava-misy eo anivon’ny fiarahamonina."Zon’ny miaina
ny mitroatra mampibaribary ny fandavany
Izay no rotaka Ho anao izay iharany" Sahotaka, HK tak 17 ![]() "Tanora hono
ialahy
Eny mena vava Ka ailika avy hatrany Amin’ny tetika ifanaovana Fa somary basivava Ka mampibaribary Ny ratsy izay afeniny" Hono, HK Tak 14 Misongadina amin’ny tononkalo ny fiantsoana tody sy fampitandremana ny mpitondra mba hisaina tsara izay ambara, mialoha ny hanehoana izany amin’ny vahoaka tarihina. Tsikaritra mantsy fa tsy mifanaraka amin’ny asa iantsorohany akory ny teny ambaran’ireo manam-pahefana. "Ny ratsy atao
hono, no manjary loza mihantona
Ny fiaviny mangina mahataitra maha ankona Koa lanjao ny fihetsikao fidio izany teny avoaka F’aleo tsy tian’Andriana toy izay halan’ny vahoaka" Kabarim-poara iray
voarindra no tapimaso tsara indrindra, HK tak 16
Na izany aza dia mandrisika ny mpiara-belona aminy hatrany ny pôeta mba hitraka ary tsy hikoso-maso manoloana ny tsy rariny iainana eo anivon’ny fiarahamonina toy ny fanararaotam-pahefana, fitsentsefana ny fananam-bahoaka. Manentana ny rehetra tsy hipetrapetra-potsiny ny pôeta hitolona, entina handresena ny tsy ara-dalàna hanjary ho hitsiny eo anivon’ny tontolo. "Meteza ianao
hitraka
Meteza ianao hijoro Meteza ianao ho sahy Handresy ilay Nandraina Ho tonga ilay maraina Raha toa isika miezaka Hiaro ilay lalàna Najoro an-teny ierana Ho tonga ilay maraina Handresy ianao Nandraina" Aiza, HK tak 12 Miventy ny fitiavana ny tononkalon’i A.R.Ni izay maneho miharihary fa miredareda ny fitiavana rehefa ampanjakaina ny fifampitokisana sy ny fiombonana na aiza na aiza sehatra sy fotoana anehoana izany. "Ny lavitry ny
maso vao mainka akaiky fo
Raha toa ka tena tiana, tena tia tokoa Satria ny elanelana no rivotra mandrehitra Ilay afom-pitiavana ho mena midorehitra" Lainga, HK tak 5 Tsy nohadinoin’i A.R.Ni ny manome hasina ny soratra izay mitana toerana lehibe eo amin’ny fampandrosoana ny maha olona. "Fa ny soratro
no Ra
Mamonto izany tenanao Mba hiaina tsy hanahy Hanana hery vaovao Ho zahatra mitondra Ny eritrao hitety onja" Fa, Tontolo Isainana Tak 112 Ankoatra ireo voatsonga tao anatin'ny andinin-tononkalony dia ahatarafana hevitra mafonja momba ny soratra sy kanto koa ireto notsongain'i Ranoe, namany akaiky, tao am-batan'ny tsiarony ireto. Lanjan'ny soratra "Vokatry
ny tany ny soratra, ka na inona sary avoakany, na inona loko
asongadiny, na inona hevitra raketiny, dia tokony hamantsika ny saina
amin'ny tontolo misy azy izy fa tsy hitondra ho amin'ny fisarangotana
amin'ny tontolon'ny nofinofy fotsiny".
Zavakanto "Ny
zavakanto dia tsy natao ho kanto fotsiny, fa natao koa hitaizana ny
saina hankamamy ny rindra sy hikatsahana ny mendrika hatrany"
Andao indray àry hasongadina ireo endrika maha kanto ny asasoratr'i A.R.Ni. 2.3. A.R.Ni MIKANTOFilalaovana amin'ny andalanaFototra iray hampijoroana ny tononkalo ny andalana izay anisan'ny manavaka ny endriky ny tononkalon’i A.R.Ni. Manana fahafahana tanteraka ny pôeta mandrindra ny andalana hany ka miovaova ny isan’andalana mandrafitra ny andininy ao amin’ny tononkalo. Ao amin’ny tononkalo "Dia" dia andalana 4 no ao amin’ny andininy voalohany, miova ho 7 izany amin’ny andininy manaraka, miakatra ho andininy telo ambin’ny folo indray izany amin’ny andininy fahatelo, mivona ho tokana ny manaraka ary mamarana ny andininy ny andalana miisa enina. Na izany aza anefa dia misy manaraka ny rafitra efa mahazatra ihany ny tononkalo izay ahitana andalana mitovy isan’andininy tahaka "ny marina no lainga". Ankoatra ireo anefa dia tsikaritra ny isam-baninteny izay miovaova isan’andalana, manamarina ny voalazan’ny vontoatiny. Hita ao amin'ny tononkalo "SAHOTAKA" izany izay maneho endrika mikorontana ety ivelany ary hamafisin’ny vontoatiny izany. Ny mari-piatoana Mampiavaka ny tononkalon'i A.R.Ni ny fampiasany ireo mari-piatoana ao anatiny. Manamarina izany ny tsoraka izay maro ao amin’ny tononkalo. Tsoraka 2 na 3 avy hatrany no ataon’ny mpanoratra rehefa mamarana ny tononkalo. "Fanantenana !!" Sambatra, HK
tak 3
"ampitso tsy hay fantarina" Sambatra, HK tak 3 Tsy vitsy ireo teboka telo mandrakotra ny tononkalo. Toy ny manelanelana ny andininy samihafa no ahatarafana izany ao amin’ny "Sahotaka". Ny baraingo izay toy ny mametra-panontaniana dia miharihary anaty tononkalo "‘lay monja vao
nafafy
Nitsipika tsy fidiny Hianoka fitiavana ? Miako mora ao an-tsaina" Antsa HK tak 7 Lohateny Miovaova ny lohateny araka ny aingam-panahy mitosaka ao amin’ny mpanoratra. Voanteny tokana no ankamaroan’izany toy ny "Emboka", "Joro"... Miendrika fehezanteny kosa anefa izany ho an’ny tononkalo hafa: "Kabarim-poara iray voarindra no tapimaso tsara indrindra". Tsikaritra ihany koa fa ny lohateny dia miverimberina matetika ao amin’ny tononkalo tahaka ny "Teny" Voambolana Ny fampiasana ny fifampiantsoana "ialahy" izay mampifanakaiky ny mpanoratra sy ny iantefany dia mateti-pitranga ao amin’ny tononkalo. Manamafy izany ihany koa ny "zoky" izay sady fanajana no fanakaikezana ny olona iresahana: "Eny leitsy zoky". Hita taratra ny fampiasan’ny pôeta anaram-biby anaty tononkalo: "aza be faniny
amboa mahian-tsarety" Ianao, HK tak 2
"Ka baboiny aloha ny fo hahalao ireo tsingala" HK tak 16 ![]() Fampiasana ohabolana anaty tononkalo Voatahirin'i A.R.Ni an-tononkalo ny ohabolana toy ny: "Ny vava soa
sakafo, ny teny ratsy adidy" HK tak 16
"Ny ratsy atao
hono no manjary loza mihantona" HK tak 16
"Fa ny toky fitaka hono ary ny atao no hita" HK tak 16 Sarinteny Mampiasa ny sarinteny ilazana ambaratongan-javatra ny pôeta izay maneho ny kely no mankany amin'ny lehibe, hatrany amin'ny maivana mankany amin'ny mafonja. Ohatra ao amin'ny "tapi-maso": "Ny ratsy atao
hono loza mihantona
Ny fiaviny mangina, mahataitra, maha-ankona". Nentin'i A.R.Ni milaza toe-javatra mihamafy eto ka anambarany trangan-javatra mihamafonja hatrany ary anehoany ihany koa ny fampitandremana mafy ataony amin'ireo olona sasany mety ho voafitak'ireo mpitondra. Mampiavaka ny pôeta ny fampiasana tamberinteny anaty andalana: "Hany sisa hery
: mihohoka, mihohoka"
Misitrany, HK tak9 Hita miharihary mihitsy aza izany ao amin’ny tononkalo: "Ny lavitry ny maso" Lainga, HK tak 5 HAFATRY NY AKAIKINY Raha misy ny tena akaiky azy dia tsy hisalasalana fa ny vady andefimandriny, Razafindrabe Jeanne Séraphine. Toy izao no namaritany ny toetrany miiba: "Tso-po
sady mora mifandray amin'ny olona, mahay mifehy
hatezerana fa tsy maneho izany toy ny mitabataba. Rehefa misy
fifanazavana na adi-hevitra dia mahay mihaino ny hafa, mpandamina raha
misy fifandirana, tia fahadiovana sy filaminana amin'ny lafiny rehetra,
tsy karazan'olona mpanavakavaka na mpanambany olona, tia fihavanana,
mpahatan-teny."
Tsy ny teniny ihany no voafehiny fa ny fotoanany koa. Manamarika ny maha fatra-panaja olona azy rahateo izany, araka izao famaritan'ny vadiny izao hatrany: "Marim-potoana
ka eo no mahatonga azy mimenomenona na lasa tsotra izao.
Tia manamarika sy mahadinidini-javatra, mahay mijery olona na zavatra
amin'ny lafiny tsara. Antra olona izy, hany ka indraindray
hararaotin'ny olona na voafetsy mihitsy aza. Noho izy tia filaminana
dia voafehiny tsara ny fotoana ho an'ny ankohonany, ny literatiora sy
ny politika".
Tao anatin'izay sehatra marolafy nivelarany teo amin'ny fiarahamonina izay dia nifanerasera tamin'ny maro izy ka ireto no tsaroan'ny vadiny: "Solofo José,
Lydiary, Ranoe, Om-Gui, Georges Andriamanantena, Tsilavina
Ralaindimby, Gérard Rakotonirina, Sa Rakotonindrina. Teo amin'ny
sehatra politika: Manandafy Rakotonirina, Mox Ramandimbilahatra".
Hoy Solofo José "Anisan’ny
nafana fo i A.R.Ni tamin’ny fananganana ny faribolan’ny
mpanoratra Sandratra nanodidina ny taona 1985, raha mbola tanora
vitsivitsy no nikaon-doha isan-kerinandro teny Amparibe noho ny
fitiavana mivaivay ny haisoratra malagasy. Tsy mbola nisy anarana ny
Faribolana tamin’izany. Samy namaky izay tononkalo na fandalinana
vitany avy. Ny hevitra masaka tao an-doha dia ny hamoaka gazety boky
momba ny haisoratra. Faniriana, nofinofy nidina tany amin’ny
vatolampin’ny tsy fahampiana. Nitohy ihany anefa ny fihaonana, izay
nampitsiry tsikelikely tononkalo navoaka tamin’ny fampielezam-peo,
fandalinana mikasika ny haisoratra nivoaka tamin’ny gazety. Ary teraka
ny Faribolana Sandratra noho ny taona 1989. Anisan’ny namolavola izany
i A.R.Ni. Mendrika hotsaroana mandrakizay izany. Ankoatra ny sahanasa
maro nataon’ny Faribolana dia iray amin’ireo fiantson’ny sekoly hanao
famelabelarana momba ny haisoratra amin’ny mpianatra izy. Izy koa no
nomena ny andraikitra nikarakara ny antsa fanaon’ny Faribolana
isam-bolana ao amin’ny foiben’ny kolontsaina Alemana sy malagasy (CGM)
hatramin’ny fotoana nahafatesany. Mpilalao an-tsehatra sy mpiantsa
tononkalo koa i A.R.Ni. Ny fampielezam-peo no nahafantarana ny
sangan’asany."
Hoy Ranoë “Eo
anelanelan’ny 150 sy 200 eo ho eo ny tononkalo vitany. Ny ampahany
amin’ireo dia voarakitra ao amin’ny “Hiratry ny kintana” boky
voalohany. “Rakitra sy Aina” no anaran’ny lohateny nanakambana ireo
ampahan-tononkalo ireo”.
"I A.R.Ni no mitondra ahy tao amin'ny Faribolana Sandratra. Olon'ny fikambanana izy: Faribolana Sandratra, M.F.M., MAFAMI (mpianatra eto Antananarivo)". Hoy Razafimandimby Andrialalaina H. A. tao amin'ny fehin'ny asa fikarohany momba an'i A.R.Ni : "Mpitolona
mikatsaka ny fahafahana i ARNi ary tsapa tamin'ireny asasorany ireny izany, fa
tsy nifikitra loatra tamin'ny lalàna sy fitsipika mifehy ireny izy.
Porofon'izany
ny fisian'ny asasorany malala-drafitra".
|
FEHINY
Pôeta niaina tao anatin'ny fahatsorana i A.R.Ni, fa tamin'izany fomba izany moa no nanabeazana azy, nozarainy tamin'ny mpiara-belona ary niriariavany mandra-maty. Na teo aza ny ngidin'ny fahakambotiana teo amin'ny fahafolo taonany dia tsy nahasakana azy tsy hiotra izany, na teo amin'ny fianarana, na teo amin'ny asa, na teo amin'ny firotsahana amin'ny sehatra manandratra ny fiarahamonina. Anisan'izany ny politika sy ny rafitra ara-literatiora. Izay toe-panahy "mirotsaka" ao anatiny izay koa anefa dia taratra tao amin'ny asasorany izay hainy mizara ho an'ny mpiara-belona. Nanoratra tononkalo maro ity pôeta ity raha ny hafohin'ny taom-pahavelomany no dinihina. Hainy ny nampita ny toe-panahiny tamin'ny alalan'ny angalin-tsoratra miavaka amin'ny mari-piatoana, lohateny manaitra, voambolana voafantina, sarinteny fitadidy, ary ohabolana izay mitaky hakingana ny mampiditra azy ao anatin'ny andinin-tononkalo. |
![]() |
Loharanon-kevitra- FARIBOLANA SANDRATRA, 1997, HIRATRY NY KINTANA 1, Antananarivo- FARIBOLANA SANDRATRA, 1997, Gazety Ambioka lah 00, Antananarivo - FARIBOLANA SANDRATRA, 1991, Tontolo Isainana,Antananarivo. - LALA-RAKOTOSON RAOLISOA, 2003, Lovako T12, Kilasy famaranana, Antananarivo: Edition Ambozontany - RAZAFIMANDIMBY, 2007, A.R.Ni sy ny vahoaka madinika, Mémoire CAPEN, ENS Antananarivo |
©
Pôetawebs
|
Date de dernière mise à jour : 12/03/2023