Nirihaja manolotra ny Halo Project

Tapatapakahitra 02/11/2023

NIRIHAJA MANOLOTRA NY HALO PROJECT

Nirihaja manolotra ny Halo ProjectTsy zovina eto amin'ny tranonkala intsony i Nirihaja, poeta voky traikefa, efa nitapatapakahitra indroa niaraka tamin'ny Poetawebs. An-tsehatra ny faharoa, teny amin'ny Tranombokim-pirenena Anosy tamin'ny 2021. Hiatrika fanamby lehibe izy ankehitriny amin'ny alalan'ny hetsika ara-kolontsaina HALO PROJECT. Isaorana izy mamaly ireo fanontanian'i Toetra Ràja.

Toetra Ràja
Miarahaba anao Nirihaja. Hatramin'ny 2021 nihaonantsika farany, inona no zava-nitranga teo amin'ny tontolonao ara-literatiora?

Nirihaja
Miarahaba anao Toetra Ràja, tolorana ny arahaba sy ny haja miaro fankasitrahana ihany koa ianao mpamaky.
Maromaro ihany ny zava-nitranga hatramin’iny, toy ny fandraisana anjara tamin’ireo hetsika fanaon’ny Faribolana Sandratra; ny nisongadina tamin’ireny dia ny SARAMBA MIKALO “endrehin-drandrana”, ny “ROHIN-KALO”, izay samy fanomezana hasina ireo asasoratry ny vehivavy mpiraifaribolana tamin’ny alalan’ny teatra poetika. Nisy ihany koa ny fiaraha-miasa tamin’ireo sehatra ivelan’ny Faribolana Sandratra toy ny fandraisana anjara tamin’ny famakiana sy fanomezana akony ireo boky  nifaninana tamin’ny POLA (Prix Orange des Livres Africains) andiany faha 2022-2023 ka nibatan’I Michèle Rakotoson ny Amboara. Ankoatra izay dia nifantoka tamin’ny fikenonana ny rakipeo  sy ilay amboaratononkalo  “HALO”.

 

"Nanamarika ahy ny fifandranitana am-panahy..."

 

Toetra Ràja
Poeta voky traikefa ianao hoy isika tetsy ambony satria ny taona 1994 no nahitanay voalohany ny endrikao tamin'ilay antsa tononkalo SARAMBA MIKALO. Oviana marina ianao no nanomboka nanoratra ary inona no tena nanamarika ny lalana nombanao?

Nirihaja
Hatry ny fahakely dia tia mamaky boky sy gazety aho. Teny amin’ny dabilio, kilasy faha 12 aho tamin’izany, teny amin’ny lisea Jules Ferry no nanombohako nanoratra. Anisan’ny taranja nankafiziko ny Malagasy sy ny famakafakana tononkalo sy lahatsoratra. Faniriako ny ho tonga mpanoratra toa an-dry J.-J. Rabearivelo, Ny Avana Ramanantoanina, Samuel Ratany, Eliza Freda… tamin’izany.  Dia nanoratsoratra teny saingy tsy sahy nampiseho izany anefa  fa norovitina. Ny taona 1993, tafiditra  mpiraifaribolana Sandratra, sokajy teatra no nisy ahy aloha.  Ny taona 1994 no nahitana voalohany  ny asasoratro tao anaty boky “Saramba Mikalo” izay milohateny hoe “Raha ho avy”.  Nanamarika ahy ny fifandranitana am-panahy sy ny fifanakalozana nisy tamin’ireo mpiraifaribolana, niarahana tamin-dry Tsitohery sy ry Irà, Iarilala (ito farany efa nodimandry)… Tetsy andaniny ny  famolavolan-dry Solofo José sy Lydiary mbamin-dry Elie Rajaonarison sy Ranöé izay anisany nahatoy izao ahy ara-literatiora sy haiseho. Karazana olona saro-kenatra izay aho, fa ny Faribolana Sandratra no nanefy ahy hihoatra izay hasarotan-kenatra izay.

Toetra Ràja
Inona no tena hampiavaka an'ity hetsika ara-kolontsaina HALO PROJECT ity?

Nirihaja
Manana tanjona hampipaka amin’ireo mpianoka ao anaty fotoana iray ny hai-famoronana amin’ny alalan’ny literatiora, mozika, sary, hosodoko ary ny haiseho.

 

 

 

Hasambarana iray felatanana

 

Toetra Ràja
Anisan'ny nanaitra sady nandona fo tao amin'ny petadrindrina ny lohateny "Hasambarana iray felatanana". Misy azo ambara ve ny heviny?

Nirihaja
“Hasambarana iray felatanana”, andalana farany amin’ny tononkalo iray izay holalaovina amin’io fotoana io izy io. Mety samy hanana ny handraisany azy ny mpianoka.

Toetra Ràja
Nanaitra tao koa ianao manainga felatanana sy hodidinin-jazavavy..., ao an'efitra tombanana sahady ho ny lampihazonao. Diso aho ve raha manambara fa voakajy sy voakaly hatramin'ny antsipiriany ity hetsika ity?

Nirihaja
Tsy diso ianao. Ezahina ny tsy handiso fanantenana ny mpianoka ka hanolorana seho sy ravaky ny sehatra  miavaka.

Toetra Ràja
Azo fantarina tokoa ve ny momba ireo andriambavilanitra ireo?

Nirihaja
VOLIVOLANA no anarana nofidian-dry zareo isalorana fa mpiraifaribolana Sandratra avokoa koa izy ireo. Ilay seho “HO TO NY KALO“ famoaham-boky milohateny hoe “Samaritana” sy teatra poetika,  hahitana an’i :

- Kanto Fitahiana, RASOAFARANORO, mpianatra taranja malagasy, taona fahatelo ao amin’ny ENS, mpanolotra fandaharana “Kanto ho anao” ao amin’ny onjampeo “Vakiniadiana”.

- Natiora na FANOMEZANTSOA Faraniaina, manoratra tononkalo slam, sombin-tantara, riankalo, mandala ny sampam-pampianarana "études hispaniques", ary mitrandraka ny literatiora espanola. Ankoatra ny maha mpanoratra dia tia maneho ny aingam-panahy amin'ny alalan'ny zaitra petakofehy ihany koa i Natiora. Efa nandray andraikitra tamin’ny hetsika maro toy ny "Evoka", "Rofia", "Laika II", "Hanitr'i Eva", "To ny kalo" sy ny sisa sy ny sisa.

- Baliaka na Rasoamanana Elisa, nanomboka nanoratra fony mbola mpianatra teny anivon'ny kolejy. Fa teo anelanelan'ny taona 2018 no tena niditra lalindalina kokoa tamin'ny fankafizana ny zavakanto. Manoratra karazana literatiora toy ny fanoratana tantara, fikabariana, ny sombin-tantara fa tena ifotorana betsaka kokoa ny fanoratana tononkalo.
Sehatra nandraisana anjara : Sakorok'Antsa izay niarahana tamina poeta maro ny taona 2019. Ny Misaingy Kalo sy ny Ainga mitifi-danitra ary hetsika maro niarahana tamin’ny Faribolana Sandratra. Anisan'ny antsa tena nanamarika ny To Ny Kalo niarahana tamin'ny Volivolana sady famoahana ny boky Samaritana. Afaka bakalorea ny taona 2019 ary nanohy ny fianarana tao amin'ny Millenium University. Manohy ny lalam-piofanana ho mpanentana sy mpiasa an'onjam-peo.

- Arielatra na RATIANJANAHARY Tsanta Ariela, Nisafidy ny lalam-pianarana Lalàna na "Droit Public" tao amin'ny CNTEMAD, ary andalam-pamaranana ny fianarana amin'izao fotoana izao. Nanomboka nanoratra ny fiandohan'ny taona 2020.
Ny asasoratra kosa dia miompana bebe kokoa any anatin'ny Tononkalo sy Riankalo. Efa namoaka boky vitsivitsy izay niarahana tamin'ireo mpanoratra sy poeta mpiraifaribolana namana toy ny Soron'afo, Tononkalo mitety vazantany, Mampiaraka, Tranga Vaovao, Saramba Mikalo, Samaritana ary Fy Ifidianana, izay narahana hetsika isan-karazany.

- Ary Dimby Mahenina na ANDRIAMALALANIRINA Dimbimahenina, mianatra ao amin'ny ENS Ampefiloha, manjohy ny lalam-piofanana ho mpampianatra malagasy, taona fahefatra, Manana fahaiza-manao sy talenta amin'ny asa famoronana isan-karazany toy ny tononkalo, riankalo, hira sy tononkira, slam, sombin-tantara... Ankoatra ny maha mpanoratra dia maneho aingam-panahy amin'ny alalan'ny karazam-pialam-boly toy ny mozika sy hira, sary, dihy, hatsikana, lalao tantara,...

 

"... feonkalo voajanahary"

 

Toetra Ràja
Fomba fanolorana ireo amboaran-tononkalonao ity hetsika ity. Inona no tombony amin'ny famokarana rakipeo?

Nirihaja
Ny tombony amin’ny famokarana rakipeo dia :

a) afaka mihaino azy ianao sady manao zavatra hafa, amin’ny fotoana sy toerana rehetra, irery na miaraka amin’olona maro.

b) ny mozika miaraka aminy izay noforonin’i Môta Soa manokana dia manamafy ilay feonkalo voajanahary ka mipaka any amin’ilay mpihaino avy hatrany.

d) tsy mavesatra sy mibahan-toerana…

Toetra Ràja
Ahoana ny momba ireo tsy tan-dalàna mety halaim-panahy handika na hanapariaka ny rakipeo?

Nirihaja
Hatreto aloha mbola tsy fongana io fandikana sy fanapariahana tsy ara-dalàna ny sangan’asan’ny mpamokatra io. Ny teknolojia koa mihazakazaka rahateo. Fa mino aho, fa ny tena mpitia tononkalo tsy mangalatra izany.

Toetra Ràja
Azonao atsidika kely ve ny momba ny boky amboaran-tononkalo?

Nirihaja
Ilay andriambavin’ny haisoratra malagasy Michèle Rakotoson no nanao ny teny fanolorana. Tononkalo miisa 30 toy ny ao amin’ny rakipeo no mandrafitra azy. Manaingo azy ny pika sarin'i Jules Bosco. Hisy fanomezana tsy ampoizina ihany koa mandrakitra ny boky.

Toetra Ràja
Firy volana eo ho eo ny fanomanana hetsika goavana tahaka izao?

Nirihaja
Teo amin’ny enimbolana teo ho eo.

Toetra Ràja
Hamindra irery ianao kanefa maro mpanohana. Afaka manome teny kely ho azy ireo ve i Nirihaja?

Nirihaja
Dia mbola mankasitraka hatrany ny mpiraifaribolana Sandratra teo foana ary miara-mihosina amiko amin’ity hetsika ity sy mbola ho eo foana.
Fanajana be ho an’i Môta Soa, nanaiky niara niasa tamiko teo amin’ny lafin’ny mozikan’ilay rakipeo, sy i Sonn teo amin’ny fandrindrana ary i Miou Sonore nanao ny mixage sy ny pitsopitsony miaraka aminy…
Sitraka sy telina ho an’i Michèle Rakotoson nanao ny teny fanolorana ny boky.
Mankasitraka ihany koa ny Poetawebs sy Toetra Ràja manohana ahy hatrany amin’ny fampitana ny vaovao sy ny firarian-tsoa.
Farany izay tsy kely indrindra, saotra be dia be sy fankatelemana no atolotro  anao mpamaky sy mpanaraka ahy.

Toetra Ràja
Mankasitraka indrindra Nirihaja nanompana fotoana lava tamin'izao tapatapakahitra izao. Mirary fahombiazana tanteraka!

Nirihaja
Manantitra ny fankasitrahana Toetra Ràja, mirary soa sy fahombiazana ho an’ny Poetawebs ihany koa!

Date de dernière mise à jour : 02/11/2023