Créer un site internet

Ny poeta raha miteny
  dia mampita izay mba reny
 sady saininy ombieny
 
amin'ny gadona avo lenta
  mampitony hetaheta :
 bitsik'ivan'ny poeta. (T.Ràja)

30 Novambra 2017

65 taonan'ny Havàtsa-Upem
Hajaina - Hanitr'Ony - Toetra Ràja

Hajaina sy Hanitr'Ony ary Toetra Ràja, samy mpikamban'ny Havàtsa-Upem sy ny Pôetawebs no mitapatapakahitra, mamakafaka, mandinika ny fankalazana ny faha 65 taonan'ny Havàtsa-Upem, mifanindry indrindra amin'ny fivahinian'i Hajaina sy i Hantanoro eto Frantsa. I Toetra Ràja no nanomana ny tafatafa natao ny 18 novambra teo.

 

Toetra Ràja
Miarahaba an'i Hajaina sy i Hanitr'Ony ary ireo mpanaraka ny haisoratra sy ny Pôetawebs. 65 taona lasa izay no namoronan'ny poety sy mpanoratra ny Upem. Matoa miroborobo sy maharitra tahaka izao ny fikambanana dia ny fototra niorenany no mafy. Mety ho inona izay fototra izay? Ny satan'ny fikambanana ve? Sa ny fiombonam-pon'izy 15 lahy ve? Sa ny traikefan'ny tsirairay eo amin'ny haim-pamoronana?

Hanitr'Ony
Misaotra indrindra ny Poetawebs mandray ny Havàtsa-Upem mivahiny eto amin'ny tranonkala. I Hajaina amin'ny maha filoha amperinasa azy angamba no aleo aloha hanazava misimisy ny tanjaky ny fikambanana.

Hajaina
Misaotra ary miarahaba antsika rehetra. Eny, azo lazaina ho izy rehetra ireo no antony. Ny 6 septambra 1952 no niorina ny fikambanana tamin'ny alalan'izy 15 mirahalahy. Ny filoha mpanorina dia i Régis Rajemisa Raolison. Manana sata ny fikambanana, mbola natao tamin'ny teny frantsay tamin'izany fotoana satria ny anarana aza mbola Upem. Talohan'ny niverenan'ny fahaleovantenam-pirenena no namoronana azy. Nahatsapa izy ireo, izay mpinamana tamin'izany, fa tokony hivondrona hanangana fikambanana, ka ny tanjona dia ny fiarovana ny hasin'ny teny malagasy amin'ny alalan'ny soratra. Niditra tao anatin'izay koa ny hasin'ny famoronana ho fanahy tena malagasy, hany ka na misy aza tamin'izy 15 mirahalahy, mpanoratra tsy amin'ny teny malagasy fa amin'ny teny frantsay toa an'i Flavien Ranaivo, dia fanahy tena malagasy no nentiny nanoratra. Ohatra fotsiny ilay hoe "chercheuse d'eau" iny, raha mamaky an'iny ianao dia hahatsapa fa fiainana sy fanahy malagasy no ao anatiny  na dia notantarainy tamin'ny teny frantsay. Nisy koa ireo nanao dikanteny tahaka an'i Dox. Ny fahaiza-manao ao anatin'izay rehetrarehetra izay dia tanjaky ny Upem, indrindraindrindra moa fa ny filoha tamin'izany dia sady mpahay teny. Be dia be ny diksionera navoakany, raha tsy hilaza fotsiny afa-tsy ny Rakibolana malagasy aho, izay mbola voatahirintsika hatramin'izao, ary fitaovana entina miaro ny fanoratra sy ny fitsipi-pitenenana malagasy.

 

 

Régis Rajemisa Raolison Flavien Ranaivo Dox

 

[soraty, soraty hatrany!]


Izay ilay fanahy malagasy sy ilay famoronana hatrany ao anatin'izay fanahy malagasy izay ary atao hoe tanjak'izy 15 mirahalahy. Fa tsy ireo ihany no maha Havàtsa ny Havàtsa raha tsy hilaza fotsiny aho hoe herinandro tao aorian'io fitsanganany io dia niditra ry Andriamanantena mirahalahy, Georges sy Celestin, izay vao mainka nanampy tosika noho ny fananana ny gazety HEHY. Ny gazety HEHY dia nahafahan'ny mpanoratra namoaka ny asasorany. nampitaina tamin'ny vahoaka. Ny tanjak'io gazety HEHY io indrindraindrindra, izaho akory tsy miditra amin'ny resaka politika, dia ny nanehoana tao anatiny ny hetahetan'ny vahoaka, ny tsy rariny nianjady taminy, ny fijaliana, hany ka raha nipoaka ny tolom-bahoaka tamin'ny 72, dia nisy anjara birikin'ny gazety maromaro tao ary anisany ny gazety HEHY izay nanapariaka ny asasoratry ny mpanoratra. Tsy hoe nanozongozona na nandrodana akory ireny haisora-pitolomana ireny, fa avy amin'ny vahoaka ireny, ary nanainga sy nanosika an-dry Dox sy ry Rado hanao hoe "soraty, soraty hatrany!". Tsy afa-nisaraka teo amin'ny tantaram-pirenena ihany koa ny haisoratra. Ary raha nisy moa ny mpanoratra mbola manana ny lazany dia ireo tao anatin'ny fikambanana ireo, tao anatin'ny Havàtsa hatrany hatrany.


Toetra Ràja
Voatazona hatrany izay toe-panahy izay matoa maharitra toa izao ny fikambanana.


Hajaina
Izay indrindra no mbola ezahintsika ankehitriny, isika hoy aho satria ianao Toetra Ràja ao anatiny. Tazonina foana ilay hoe fomba fijerin'ireo 15 mirahalahy ireo, indrindra i Régis Rajemisa Raolison izay filoha mpanorina. Izay no fahitako azy, izaho izay azo lazaina ho bitika kely eo anatrehan'izany olona izany, indrindra moa fa amin'ny maha vehivavy tanora kanefa mitondra an'izany fikambanana lehibe izany, saingy tsy maintsy miezaka ao anatiny satria tsy heriko izaho samirery fa eo Andriamanitra manampy, ary eo indrindra koa ireo namana nanosika hoe "iza no tokony handray an'io andraikitra io?". Dia tamim-panetren-tena no iantsorohana azy.


Toetra Ràja
Azoko an-tsaina fa manana hanampy an'izay i Hanitr'Ony!

Hanitr'Ony
Ny tiako hamafisina dia hoe notaterin'ireo Zoky Raiamandreny am-bava, ary voarakitra an-tsoratra ao amin'ny Tatamo tsangambaton'ny faha-55 taona aza, fa ny faniriana hanome lanja ny tenindrazana sy ny haren-tsaina malagasy taona vitsivitsy taorian'ny tolona mivaivay tamin'ny 1947, ary miohatra amin'ny nivoahan'ny "Anthologie de la nouvelle poésie nègre et malgache de langue française" nosoratan'i Léopold Sédar Senghor (1948), no isan'ny nandrisika azy 15 mirahalahy hanorina ny Upem tamin'izany, satria manana ny teniny ny Malagasy ary manana ny Zavakantony, izay tsy mena-mitaha amin'ny hafa. Nandritra ny fanjanahan-tany dia endri-pitolomana ny fanoratana sy fitenenana Malagasy, ka na tsy nanana zo hanome anarana malagasy ny fikambanany aza izy ireo dia notenenina tao kosa ny fitiavana ny Tanindrazana. Raha jerena koa ny tantaran'ny fikambanana dia olona manana ny maha izay azy ny mpanoratra voaray ho mpikambana Havàtsa-Upem, ka tena tandra vadin-koditra ity manoratra ity fa tsy sanatria fisehoana ivelany ihany na ravoravo natentina fotsiny. Manohana ny mpanoratra hivoatra rahateo ny fikambanana, ireo valo mianadahy mpitondra nandritra izay 65 taona izay dia Akademisiana avokoa, izany hoe olona mikaroka sy mizara tsy miato ny hanandratra ny Teny Malagasy. Mbola am-perim-pitolomana anefa isika indrindraindrindra satria mitady ho saron'ny teny vahiny ny Teny Malagasy ankehitriny ary mihavery ny soatoavina sy haren-tsain'ny Ntaolo, koa izay no mainka mampilofo ny tsirairay hitondra ny anjara biriky fanarenany.



Toetra Ràja
Hajaina, azonao amafisina ve ny maha fikambanan'ny poety sy mpanoratra tranainy indrindra ny Havàtsa-Upem ao amin'ny kaontinanta afrikanina?

Hajaina
Rehefa maty i Régis Rajemisa Raolison tamin'ny 18 jona 1990 dia lany ho filoha i Celestin Andriamanantena ary nanomboka taminy no nampibaribary fa fikambanana anisan'ny zokiny indrindra aty Afrika raha resaka fampanjakana ny kolontsain'ny teny ao amin'ny taniny no jerena. Efa nisy ihany angamba ny fikambanana hafa toy ny nisy an'i Clarisse Ratsifandrihamanana, ialana tsiny fa tsy tadidiko ny anarany izay nisy mpanoratra maromaro, ao anatiny ry Andriamanantena mirahalahy, izay teraka tao anatin'ny tolona ho an'ny fahafahana, saingy tsy heno intsony. Manamafy ny tenin'i Toetra Ràja teo izany hoe "inona ilay nampateza?". Ny nampateza dia ny fiorenam-paka amin'ny maha izay azy aloha ary fiorenam-paka ihany koa amin'ilay fototra najoron'izy 15 mirahalahy, hoe iny no tazonina hatrany.

Hany ka na misy aza ny sampana aty aoriana dia tazonina hatrany ilay rafitry ny Havàtsa-Upem, dia ilay fototra foibe ary ny ankoatra izay dia sampana, na i Arivonimamo akaiky indrindra na ny lavidavitra toa an'i Frantsa sy Soisy. Tsy mihazakazaka mamorona sampana akory satria ny antsika dia fikambanana mpanoratra fa tsy fikambanana mampianatra manoratra. Ny dikan'izany dia hoe ny talentan'ilay olona no fohazina ao anatiny ao fa tsy hoe avia ianareo mianatra manoratra ka avy eo lasa mpanoratra ary hanangana sampana. Tsy izay no mahamaika.

Eny, zokiny indrindra aty Afrika ny Havàtsa-Upem satria tamin'ny taona 1952, 8 taona talohan'ny niverenan'ny fahaleovantenam-pirenena, ny firenena tao Afrika dia mbola tao anatin'ny ady ho an'ny fahafahana. I Madagasikara koa tao anatiny, saingy nanana ny toerany manokana tamin'izany fotoana izany. Voaporofo izay zavatra rehetra izay. Ankehitriny ny teny malagasy dia anisan'ireo teny 12 velona aty Afrika.
 

Toetra Ràja
Maro ankehitriny ny fikambanana poety sy mpanoratra. Tsara faritana angamba ny mampiavaka ny Havàtsa-Upem amin'izy ireo ankoatra ny maha zokiny indrindra azy.

 

[izahay ao anatin'ireo fikambanana mpanoratra ireo... dia tena mpinamana daholo]


Hajaina
Io moa misy loko itoviantsika rehetra mihitsy. Vao niresaka tamin'ny mpanoratra tsy manana fikambanana aho teo. Nilaza izy ary zony izany fa raha hamorona anarana fikambanana izy dia tiany kokoa raha toy ny an-dRanona noho ny an-dRanona. Hoy aho taminy: "izany fikambanana noteneninao izany dia tena namanay ary izahay ao anatin'ireo fikambanana mpanoratra ireo, indrindra fa ny any Madagasikara, tsy fantatro izay manana sampana aty ivelany toa ny Havàtsa, dia tena mpinamana daholo, na fikambanana aiza na fikambanana aiza misy azy.

Misy anefa ny loko itoviantsika Havàtsa.

- Voalohany aloha raha mamoaka boky isika dia tsy maintsy mandalo sivana amin'ny alalan'ny komity. Ary raha hamoaka io bokiben'ny faha 65 taona io dia ao anatin'ny amperiny mihitsy ireo mpanivana, manatsara raha misy tokony hatsaraina... mametraka izay loko Havàtsa izay.

- Ny hitarihako ny faharoa dia miainga avy amin'ny safidin'ilay namana nolazaiko teo izay mirona amin'ny fomba fanoratra "dimbadimbaka" kokoa. Ao amin'ny Havàtsa tsy mba misy an'izay "dimbadimbaka" izay fa misy fifampitenenana ao. Na momba ny anaran'ny poety aza dia ezahin'ny soso-kevitra ahitsy toy ny hoe: "tsy aleonao ve hovaina an'izao ny anaranao satria, anankiray sady ratsy faneno; ary faharoa, inona no hevitr'izany?" Toa tsy dia midika inona loatra ilay fanetren-tena hoe "poeta adaladala". Ao anatin'ny tononkalo koa dia misy an'io "poeta adaladala" io. Noho izany dia mifampiteny amin'ny fomba mahitsy izahay, eny fa na dia izaho aza no manao ny tsy mety dia miteny ireo namana ao amin'ny birao.

Ohatra iray koa ny momba ity dianay aty am-pitandranomasina ity. Tsy olon-tokana no tonga aty hany ka misy hevitra ifanakalozana foana.



Hanitr'Ony
Raha maro ny fikambanana mpanoratra dia tombontsoa lehibe izany ho an'ny firoborobon'ny teny sy ny haisoratra malagasy. Tsy mampitaha ny Havàtsa-Upem amin'ny fikambanana hafa akory isika satria samy manana ny maha izy azy daholo ireny fikambanana ireny ary inoana fa iray tanjona izy rehetra mba hanome sehatra ny fitiavana ny teny sy ny vaky boky.

Fa raha ny mampiavaka ny Havàtsa-Upem raha ny hevitro dia zavatra telo.

- Ny voalohany dia ny tantara niforonany mihitsy izay mifahatra amin'ny tantaram-pirenena ary maro amin'ireo mpanoratra tao amin'ny Havàtsa moa no tena nanamarika lalina ny haisoratra sy ny tantara, maro koa no mbola ianarana any an-tsekoly isan'ambaratongany, ny fitiavan-tanindrazana mivaivay, ny tolona natrehany ary ny vokatra navelan'izy 15 lahy ireo ho lovantsika taranaka dia azo ambara ho miezinezina, izany dia ho an'ny Malagasy tsy vaky volo.

- Faharoa dia ny fifangaroan'ny salan-taona rehetra ankehitriny, satria 15 ka hatramin'ny 90 no taonan'ny mpikambana, mampiray ny 65 taona nanavàtsan'ny fikambanana tsara izany, fitohizan'aina hoy ny iray tamin'ireo mpanorina, ary izany indrindra no iampitan'ny fanilo lalandava arehitry ny hambom-po masina ho an'ny fitiavana an'i Gasikara; zava-dehibe io fanajana ny toerana sy ny efa rafitra antanatohatry ny fiaraha-monina malagasy rahateo io, toy ny hoe "ny ela nihetezana lava volo", ka ny Zoky mizara ny fahalalana ho an'ny tanora nefa koa eo ny tanora tia mandray andraikitra tsy mba atao kely tsy mba mamindro, izay no antoky ny fandrosoana.

- Fahatelo dia ny fivelaran'ny fikambanana amin'ny sehatra isan-karazany, ny fitsidihana tany sy toerana maro hampiroboroboana ny fanabeazana, ary ankehitriny moa dia ny fisian'ny sampana aty ampita mba hikolokoloana ny fitiavan'ny Malagasy ny teniny na aty an-tany lavitra aza izy, fanomanana hetsika hahitan'izy ireo ny boky vaovao sy ny hamamin'ny Teny Malagasy. Tsy hadinoina kosa ny fampahafantarana amin'ny olona aty ivelany ny teny, ny haisoratra ary ny kolo aman-karen-tsaina malagasy, izany moa dia mifanindran-dalana lalandava amin'ny fikajiana ny hamoaka asa soratra voasedra sy voakaly araka izay azo atao.

Toetra Ràja
Efa natsidik'i Hanitr'Ony teo ny fivelaran'ny Havàtsa-Upem aty andilam-bato. Misy endrika manokana ve ny fifandraisan'ny birao foibe sy ny sampana andafin'ny riaka?

Hajaina
Tsy dia tena hoe endrika akory. Tsy maintsy mifandray ireo. Inona moa no maha foibe sy maha sampana? Raha hazo no jerena dia ito ilay fototra sy tsanganana ary ireto ny sampana. Ka tsy hisy sampana hikiraviravy izany mihitsy ka haniry raha tsy miraikitra amin'ny foibe.
 
Misy fifandraisana tsy tapaka izany. Fa misy moa izao itony fitaovana amin'ny haitaom-pandrosoana itony ka ahafahana mifanerasera na dia isaky ny iray minitra aza.

Ao anatin'ny fifanakalozana rehetra, tsy ny aty am-pitandranomasina ihany fa na ny ao Arivonimamo izay akaiky indrindra aza dia mifandray amin'ny alalan'itony. Mifandray amin'ny sampana Arivonimamo aho izao fa hanao hetsika ry zareo amin'ny 2 desambra, atao hoe telo andron'ny sampana Arivonimamo. Tsy maintsy mifandray, misy fametrahana salotra hasina any, misy vela-kevitra hatao. Tsy maintsy apetraka foana ilay toe-tsaina Havàtsa ao anatiny. Resahina ny filohan-tsampana ary izy avy eo no mampita ny hafatra rehetra amin'ny mpikambana. Raha misy hevitra tiana hampitaina any amin'ny Foibe dia raisina; toraka izany koa ny Foibe mankany amin'ny sampana.

Isika koa moa indrindraindrindra manana ny gazety Valiha mivoaka isaky ny alakamisy faran'ny volana ary mipetraka ao anatin'ny Gazetiko, io koa izany no ivondronana sy ifampitam-baovao. Fa ny tena zava-dehibe dia ny anehoana asasoratra sy ny maha Havàtsa ny Havàtsa, ny fametrahana ny teny diso tokony hahitsy, ny fanazavana ohabolana sns. izay andraisan'ny Havàtsa rehetra anjara. Tsy misy hoe mpikambana ao amin'ny Foibe na ny sampana fa Havàtsa avokoa ny rehetra.



Hanitr'Ony
Eny, hatramin'ny niforonany efa 13 taona izao (14/11/2004) dia miezaka ny Sampana Frantsa manome lanja ny Teny Malagasy ao am-pon'ny Malagasy aty an-dafy. Maro koa ny hetsika natao hizarana ny kanto malagasy ho an'ny "vahiny" na isika aza moa no tena azo atao hoe mivahiny aty an-tanin'olona (Printemps des Poètes, Lire en Fête...). Fa iray tanjona amin'ny Foibe izy satria sampana niainga avy taminy araka ny nanazavan'i Hajaina azy teo. Noho izany dia fivelarany hatraty ivelany no vaindohan-daharahany, ary ny fampitomboana ny haren-tsaina entin'ny zavakanto vahiny amin'ny kolontsaina malagasy, sy ny entin'ny asa soratra malagasy ho an'ny hafa no isan'ny katsahiny. Izany no atao dia ho fanomezana lanja an'i Madagasikara eo amin'ny sehatra iraisam-pirenena amin'ny alalan'ny literatiora, ny maha izy azy.

Amafisiko fa mahazo ny vaovao avy any amin'ny Foibe ary mandefa ny vaovaon-tsampana tsy tapaka any amin'ny Foibe izahay, mandray anjara amin'ny Herinandron'ny Havàtsa ao Antananarivo, amin'ny Gazety Valiha, amin'ny boky atontan'ny fikambanana, mikarakara hetsika amin'ny vanim-potoana lehibe manamarika ny fikambanana toy ny Andron'ny Tenindrazana, ny Iray Volan'ny Teny Malagasy sns... ary ny tenako filohan-tsampana dia mpikambana ao amin'ny Fivorian'ny Birao ihany koa, araka ny sata fototra mifehy ny fikambanana. Tsy miato ny fifandraisana ary izany no nahatontosana izao dian'ny Delegasiona avy amin'ny Foibe nankaty amin'ny Sampana Frantsa izao, izay tena azo ambara ho fahombiazana ary isaorana ireo izay rehetra nahatontosana izany. Miresaka ny Sampana ivelan'i Madagasikara moa isika, fa ao koa ny Sampana Soisa hatramin'ny 2013.

Toetra Ràja
Momba io resaka delegasionin'ny birao foibe io indrindra, nitarika azy ianao Hajaina, mety ho nisy fahasahiranana manokana ve ny fikarakarana ny fahatongavana aty?

Hajaina
Sarotsarotra tokoa ny nahazo anay satria namerina nanao "visa" fanindroany ary mbola tsy nahazo ihany. Isaorana an'Andriamanitra fa tsy izaho irery, fa raha 12 izahay no nikasa ho avy dia 2 ihany no tonga aty. Nony tonga taty moa izahay mirahavavy, izaho sy i Hantanoro izany, dia mbola nitady hevitra hoe andao hezahina ihany saingy kanjo efa tao anatin'ny fandaharam-potoana hafa indray ny namana dia najanona ho an'ny manaraka fa tsy mampaninona akory izany.
Marina fa hatreo ny faha 65 taona ary ny faha 70 taona indray no atrehina kanefa izany rehetra izany dia miteraka fanantenana ho amin'ny ho avy. 

 

 

 

 

 


Toetra Ràja
Narahin'ireo mpakafy literatiora maro ireo hetsika samihafa notanterahin'ny sampana Frantsa amin'izao fankalazana ny faha 65 taonan'ny fikambanana izao. Inona no mety ho tena nanamarika ireo hetsika vita?

Hajaina
Maro ireo nanaraka, misy no mpikambana mazava ho azy. Ao ireo tsy mpanoratra akory fa nanaraka, ireo mpankafy haisoatra, ireo te ho mpanoratra... Nandritra ny folo andro no notanterahina tao Parisy ny atrikasa fanoratana. Mba ahafahana maka bahana tsara dia nankaty Toulouse izahay, nanao atrikasa koa, ary rentsika tamin'ny sabotsy iny ny vokatry ny atrikasa. Atrikasa no natao fa tsy hoe fanomanana fety. Ny fety avy eo dia iray andro mialoha no nanaovana fanomanana kanefa nivoaka tsara ihany ary tsara noho ny nampoizina aza ny fivoahany tamin'ny sabotsy. Raha nahavita folo andro tao Parisy izahay, folo andro teto Toulouse dia hanohy efatra andro any Soisy ka azo lazaina fa tena betsaka no nanaraka. Ny nanatrika angaha no mety ho vitsy kokoa noho ny mpanaraka. Ny mpanaraka mantsy dia ireo mpakafy fa noho ny antony manokana dia tsy tonga. Misy koa, toy ireo vao nanoratra tamiko, nilaza fa tsy nahafantatra. Eo koa izany ilay olana kely amin'ny fampahafantarana.

Teto Toulouse izao ohatra dia misy mpanoratra teatra radiofonika, niaraka taminay tany Madagasikara ary mipetraka eto ankehitriny. Tsy nahafantatra izy raha tsy vao izao kanefa tokony ho nandray anjara mavitrika tamin'ny atrikasa satria efa be ny radio mandeha amin'ny aterineto, betsaka ny olona liana amin'ny fihainoana teatra anonjampeo, betsaka no miandry an'ireny tononkalo sy hira ireny. Raha vita ny fandaharana natao tao amin'ny radio Gasik'Arts tao Toulouse tamin'ny alahady dia nisy olona niantso avy any Parisy nangataka manokana mihitsy an'ilay fandaharana tononkalo sy hira amin'ny radio. Hoy aho hoe: "ao Parisy ianao ka tongava aloha amin'ny 2 desambra mankafy tononkalo sy hira izay hasehon'ny Havàtsa-Upem sampana Frantsa". Fa na ny any Parisy na ny any Toulouse dia samy Frantsa avokoa ary tsy ny hamaroany no zava-dehibe fa ny fahavitana asa tsara ao anaty kalitao tsara tahaka izay natao tamin'ny herinandron'ny Havàtsa izay efa notaterina teto amin'ny Poetawebs fa tena fahombiazana.

Betsaka ny sakana ary nivaivay be raha tsy hilaza afa-tsy ny valan'aretina. Kanefa raha vao nanomboka io herinandro io tamin'ny fanokafana tao amin'ny Akademia dia ampanetren-tena no ilazana azy hoe: "mihaja, tsara, tanteraka amin'ny tokony ho izy". Mainka moa fa nampian'iny Mbarakaly tao amin'ny TVM iny izay mbola hanasana antsika hatrany hijery eto amin'ny aterineto ho an'izay tsy mbola nahita. Nipetrapetraka mihitsy ny firindrany ary tafavoaka tao anatin'ny adin'ny roa sy fahefany ilay hoe: "ny dian'ny Upem manavàtsan'ny 65 taona". Tsy hoe manasohaso amin'ny maha filoha ahy aho fa ny zava-misy no teneniko.


Hanitr'Ony
Eto dia manantitra ny fisaorana feno ny mpanohana sy ny mpandray anjara rehetra sy ny mpanara-dia ny Havàtsa-Upem fa tena nafonja iny Herinandron'ny Havàtsa-Upem teto Frantsa iny. Santatra ho an'ny Sampana Frantsa iny, sady izay vao nisy Herinandron'ny Havàtsa niely taty amin'ny sampana ho tohin'ny fankalazana ny faha-65 taona. Valandresaka ho an'ny mpanao gazety no nanombohana azy ny 31/10/2017, narahin'ny fanokafana amin'ny fomba ofisialy tao amin'ny Akanin'ny Mpianatra Malagasy, FUM Cachan, ary nitohy tamin'ny atrik'asa fanoratana tononkalo, sombintantara, tantara foronina, tantara fihaino, tantara an-dampy sy angano izany, niampy ny atrik'asa Ba Gasy, hatramin'ny 10/11/2017.

Ny tena nanamarika ny hetsika dia izy nahahenika ny karazan'asa soratra, ny firoson'ny mpanatrika lalindalina kokoa amin'ny fanoratana; nisy endrika mahafinaritra ny fihaonana satria misy kalokalo sy hirahira lalandava ary narahina fiaraha-misakafo tena malagasy tao amin'ny "Restaurant" Marianina isaky ny roa andro teo, ireo andro hafa kosa dia niarahana tamin'ny AIFM tao amin'ny MDA8 ary nisy valandresaka natao momba ny Vehivavy sy ny Fahendrena izay lohahevitra mahakasika ny isan-tokantrano sy ny firenena.
 
Ary mbola tsy vita àry ny hetsika satria faradoboka ho famaranana ny fankalazana ny faha-65 taonan'ny Havàtsa-Upem ny etsy Parisy Montmartre, toerana fifamoivoizan'ny kolontsaina tokoa, ny 2 Desambra 2017 izao amin'ny 7 ora sy sasany hariva, ao amin'ny Théâtre des Blondes Ogresses, 28 rue Etex 75018 Parisy. Antsan-tononkalo miavaka sy tantara an-tsehatra ravahin-kira no hatolotra.


Toetra Ràja
Iza avy moa ireo olona na vondron'olona mpiara-misalahy amin'ny sampana Havàtsa Frantsa? 


Hanitr'Ony
Manana ny ambarany tokoa ny Filoha HAJAINA eto satria vao niainga dia efa nisy vina haneho aty Frantsa ny seho hafa kely natao tamin'ny Mbarakaly izy ireo, nefa moa tsy nahazo lalana tamin'ny taratasy ireo na dia efa niomana fatratra aza, isaorantsika indrindra eto izy ireo fa nianoka ny kantony tokoa teo am-pijerena ny Mbarakaly, dia ny Tafasiry Kolo Kanto io. Azonao an-tsaina avy hatrany Toetra Ràja fa ny mpanankanto no mpiara-misalahy akaiky indrindra amin'ny Havàtsa, isan'izany ohatra ny Tarika Sorajavona, ny Hasin'ny Ela, i Bana Rahalahy, i Abel Andriarimalala efa mpikambana rahateo, fa eo koa ny fikambanana, toy ny AIFM (Fikambanan'ny Vehivavy Malagasy) tarihin-dRtoa Francine Ranaivo izay nahitana ny toerana tao amin'ny MDA8, ary ny P'Art Ile Madagascar izay ny Sakaizan'ny Havàtsa mahafatra-po, Raivo Patricia Salomon no filohany, tao koa ny REPERMAD-UNESCO izay nanohana tanteraka ny hetsika manontolo, ny fikambanana miara-miasa toy ny Kolo Malagasy, ny RNS, ny FIMPIMA, ny FiMpiMaMa. Ireo dia miara-misalahy amin'ny Havàtsa-Upem Frantsa amin'ny Fampianarana Teny Malagasy ao amin'ny FUM Cachan tarihin'Atoa Abel Andriarimalala. Tsy hadinoina ny mpanao gazety mpiara-dia toa an'i Ralf Mifalia Croissance.Com, ny Radio Bitsika, ny Echos du Capricorne, ny Madaplus.info, ary Rtoa Tiana ao amin'ny Restaurant Marianina izay efa voalaza tetsy ambony... Ny mpamaky moa efa tsy lazaina intsony e, fa dia maro be ny vondron'olona na olona mifanampy amin'ny Sampana.

Hajaina
I Hanitr'Ony angamba afaka manazava misimisy momba ny fifandraisana amin'ny INALCO.

Hanitr'Ony
Eny, ny INALCO dia foibem-pampianarana efa fantatry ny maro fa mampita ny fahalalana ny teny sy ny tantara aman-driba malagasy ao Parisy. Miara-miasa amin'ny Havàtsa matetika ny INALCO.
Ny Havàtsa-Upem sampana Frantsa koa dia antsoin'ny fikambanana maro maniry hanao hetsika hampahafantatra ny haisoratra sy ny kolon-tsaina malagasy amin'ny hetsika karakarainy: AMANDIE, ASAM Dourdan, RFD, AIFM, Harena, Les Amis Des EchosCapricorne,..).
 
Toetra Ràja
Misy ny vokatra mivaingana azo tsapaina ao aorian'ny hetsika fankalazana ny faha 65 taona. Hahaliana ny mpisera ny momba izany.

Hajaina
Ny lehibe indrindra angamba dia iny Mbarakaly iny satria hitan'izao tontolo izao fa tsy mikombona ho an'ny mponin'i Madagasikara irery. Ny filoha am-boninahitra mirahalahy dia niaiky fa teo amin'ny tantaran'ny Upem hono dia tsy mbola nisy toy iny. Nampiasaina ny teknolojia ka toy ny nanaraka onja tao anatin'ny dian'ny literatiora ny mpijery rehetra, indrindra fa ireo nanatrika mivantana tao amin'ny IKM.

Fahombiazana koa ny fandalovana tao Parisy, Parisy izay mbola ho ambohipihaonan'ny Havàtsa indray amin'ny mpakafy haisoratra noho ny hetsiky ny 2 desambra izao, "velona ho velona ny haisoratra malagasy". Fa ny teto Toulouse tamin'ny sabotsy aloha dia tena nahafinaritra.


Hanitr'Ony
Ny vokatra lehibe tsapain-tanana azoko anampiako an'izay dia ny nahasoratan'ireo mpandray anjara tamin'ny fiofanana asa soratra maro, misy ho an'ny fifaninanana, ary mahavelom-bolo tokoa ny mahita fa misy dia misy ny fanantenana e! Ny atrikasa Ba Gasy moa avy hatrany dia narahina fampiharana, ka nahazoazo tokoa izahay rehetra. Ny boky ihany koa dia azo atao hoe ho vokatra mivaingana satria ny hahazo loka amin'ny fifaninanana dia hahita ny asa sorany hivoaka ao amin'ny amboara omanin'ny Sampana Frantsa hivoaka manaraka. Antenaina fa hanohy izany ezaka izany izy ireo, hamoaka ny talentany avy. Ary farany dia ny fanamafisana ny lanjan'ny teny malagasy sy ny zavakanto vita amin'ny teny.


Toetra Ràja
Ny fankalazana ny faha 65 taonan'ny Havàtsa eto Frantsa no nifarana tamin'ny herinandro teo. Mbola mitohy anefa ny fankalazana ny iray volan'ny literatiora eto Frantsa. Azonao hazavaina ve ny toeran'ny Havàtsa amin'izany sy ny andinindinin'ny hetsika?

Hajaina
Raha ny momba an'i Soisy dia ao Genève ny atrikasa no hatao, iray andro ihany. Ny fampisehoana indray dia any Fribourg. Ao anatin'izao moa dia noeritreretina hasiana karazana fifaninanana kely manoratra sombintantara, sombina tantara fihaino, tononkalo.

Ny tao Parisy iny no vita, nisy ny vokatra, tao ireo nandray anjara tamin'ny fifaninanana manoratra sombintantara. Ny an-dry zareo any Soisy dia nalefa mialoha indray ny filazana. Ny any Fribourg izany dia sady hanaovana fampisehoana no hanambarana ny vokatry ny fifaninanana.

Hanitr'Ony
Eny Toetra Ràja, mifandray avokoa ireo satria dia ny Filohan'ny Havàtsa-Upem Foibe no mitarika ity Delagasiona avy any Madagasikara ity, manohy manavàtsa aty Eoropa aty mandritra ny Iray Volan'ny Haisoratra. Eto Toulouse dia ny AFMMP (Amitié Franco-Malgache Midi Pyrénée) no mikarakara ny hetsika rehetra ary nisy solon-tenan'ny Havàtsa Frantsa mandray anjara, fa misy atrikasa toy ny tany Parisy ihany, miampy fampisehoana famaranana, ary rehefa izany dia hankany amin'ny Sampana Soisa koa izy ireo.

Ny Iray volan'ny Haisoratra eto Eoropa kosa dia hakatona amin'ny fomba manetriketrika any amin'ny Teatra Blondes Ogresses ao Montmartre (Parisy), ny fampisehoana "Velona ho velona ny Haisoratra Malagasy", antsa tononkalo sy tantara an-tsehatra ravahin'ny hira Ba Gasy sy Kalon'ny Fahiny ataon'ny Tarika Sorajavona sy ny Hasin'ny Ela,  ny sabotsy 2 Desambra ho avy izao. Takariva hanomezana loka ireo mpifaninana tamin'ny Herinandron'ny Havàtsa eto Frantsa, ary hanomezan-tsehatra ny mpijery sy ny mpanoratra ho avy eo koa.

Hisy mamy hifampizarana eo araka izany. Dia manasa antsika rehetra mba ho tonga, hikorana sy hihaino ary hitafatafa e! Ny toerana dia tsara raha fandrihana mialoha fa voafetra mantsy. Azon'ny olona atao ny manoratra amin'ny HavàtsaUpemfrantsa@gmail.com


Toetra Ràja
Teto Toulouse ny Havàtsa tamin'ity faran'ny herinandro ity. Nisy ny atrikasa momba ny famoronana tononkalo. Ahoana ny fahatsapan'i Hajaina ny fifanakalozana tamin'izany?

Hajaina
Ny zavatra nahafinaritra ary ataoko hoe tsy nampoizina dia betsaka ny ankizy, betsaka ankizy mpianatra moa eto Toulouse, izay nanatrika, nihaino, nandray anjara, nanao fampiharana amin'ny fotoana fanaovana fampiharana, na teo amin'ny fanoratana tantara na teo amin'ny filalaovana. Tamin'ireo nanoratra nandritra ny fampiharana mantsy dia nisy nilalao an-tsehatra. Izay no fanaporofoana fa tafita ny hafatra satria nanaiky sy namaly ny olona. Iny fampisehoana iny izany dia tena vokatry ny atrik'asa fa tsy seho noalohavam-pamerenana anaty fandaharam-potoana. Iray no efa mpikamban'ny Havàtsa taty, i Arilaza Andriamahefasoa izay tsy afaka nanatrika ny fotoana rehetra ka niala tsiny mafy. Na dia betsaka aza ireo ankizy dia nisy olon-dehibe ihany koa samy niezaka nanoratra tao. Ary raha nanao atrik'asa momba ny poezia aho dia nangataka ny mpandray anjara mba hanoratra amin'izay. Marina fa tsy azo terena ny aingam-panahy saingy natao hoe samia manoratra izay tonga ao an-tsainy avy. Raha nampianarina ny karazana gadona sy rima ho an'izay mandala ny tononkalo manara-drafitra dia nampiharina izany na dia tsy mbola misy an'ilay hoe fanahin'ny tena fanoratana aza.
Dia izay izany no ohatra tiako hampitaina aminao Toetra Ràja, karazana dom-berina, izany hoe nandray ny olona ary iny fa nanome.

Ho hita eo ny tohiny amin'ny asa famoronana. Rehefa mivoatra izy ireo dia antenaina hifanerasera amin'ny sampana Frantsa: ny filoha, ny birao ary ny mpikambana ka mety hanamaro ny isan'ny mpikambana aza.

Toetra Ràja
Misaotra an'i Hajaina sy i Hanitr'Ony amin'ity tafatafa mafonjan'ny mpinamana ity. I Hanitr'Ony angamba no angatahantsika hametraka hafatra kely ho famaranana ny tafatafa.

Hanitr'Ony
Mankatelina ny Pôetawebs amin'izao fandraisana izao ary "Velona ho velona ny teny sy ny haisoratra Malagasy". Isika eto amin'ny Pôetawebs dia mivoy ary miasa mba hahatomombana izany voalaza izany. Mankasitraka ny mpamaky ihany koa ary ny mpanoratra namana rehetra e!


_____
Araho koa ny tafatafa tamin'i Ralf - croissance.com
https://youtu.be/QJWMVRW8hFU

 

 

 

 

pôetawebs©2017 - poetawebs@gmail.com

 

Date de dernière mise à jour : 01/12/2017