Ny poeta raha miteny
  dia mampita izay mba reny
 sady saininy ombieny
 
amin'ny gadona avo lenta
  mampitony hetaheta :
 bitsik'ivan'ny poeta. (T.Ràja)

24 jona 2018

BRENTCH MBOLAMASOANDRO, VAHININ'NY POETAWEBS

Dinika ifampizarana ranofotsiny no hampiavaka ny tafa iarahana amin'ny vahiny etoana. Koa manasa anao hanjohy ny tapatapakahitra iarahana amin'ny Pôety Brentch Mbolamasoandro izay nifanojo tampoka tamin'i Tsikimilamina teny anivon'ny Natiora..

TSK
Miarahaba anao Brentch manaiky hitapatapakahitra eto amin'ny Poetawebs.
B.M.
Miarahaba anareo mpanaraka ny Poetawebs ny tenako.

TSK
Raha manombana ny anaranao dia tsy teny malagasy, mety ho teratany vahiny ve ianao?
B.M.
(Mihomehy) Malagasy ray sy reny aho ary teraka teto Madagasikara ihany koa.

TSK
Manitikitika ny saina ihany ny hamantatra ny fiankohonanao!
B.M.
NARIVELO SIERMINILOVGOZ BRENTCH Simone Mbolamasoandro no anarako. NARIVELO no anaran'Ikakiko ary Ineniko kosa RAZAFINDRAZAKA. Voalohany aminay mianadahy zanak'izy ireo aho. Avy any Zafimbazaha no fiaviako avy amin-draiko ary Ambohimalaza kosa no avy amin-dreniko. Mbola tokantena aho hatreto.
BRENTCH Mbolamasoandro no solon'anarana entiko eo amin'ny tontolon'ny zava-kanto.

TSK
Inona no dikan'izany anarana mahaliana izany?
B.M.
Teny efa tranainy tsy fampiasa firy ireo fa raha tianao ho fantatra dia midika hoe fahateraham-pahazavana vaovao.

TSK
Mahafinaritra be izany fanazavanao azy izany; afaka miresaka kely momba ny fahazazanao ve ianao?
B.M.
Tany anivon'ny natiora tany ambanivohitra ny fahazazako. Niaina tanaty fahatsorana, filaminana, fitoniana lavitry ny sahotaka.

TSK
Raha tsy diso aho, tia biby koa ianao. Mety mitovy amin'ny antony itiavan'ny hafa biby koa ve izay sa antony hafa?
B.M.
Marina izany, mahafinaritra ahy tokoa ny mifandray amin'ny biby. Tena tsy haiko aloha izay an'ny olona fa ho ahy ny biby saika madio saina. Koa rehefa mifandray aminy akaiky sy miresaka dia miaina tontolo hafa mihitsy.

TSK
Inona ary ny biby tena akaiky anao?
B.M.
Ny alika aloha no tena haiko ny mifandray aminy fa rehefa biby tsara dia mahafinaritra ahy avokoa!

TSK
Fa inona ilay hoe biby tsara, sao dia omby na soavaly?
B.M.
Ny biby ange tahaka ny olona ihany e! misy ratsy saina, misy tsara saina. Fa ny maha samihafa azy amin'ny olona, ny biby tsy mba mihatsaravelatsihy; mahitsy amin'izay maha izy azy, sady mahay mifidy ka manatona avy hatrany ny namana afaka mifandray aminy.
 

TSK
Brentch ve maro namana?
B.M.
Eny avy hatrany ny valiny.

TSK
Inona ary no toetra mampiavaka anao mahatonga anao ho be namana?
B.M.
Ny mampiavaka ahy manokana dia hentitra amin'ny asa. Arakaraka ny olona mifandray amiko na ny anton'ny fifandraisana sy ny fifanerasarana sy ny fihetsiny amiko indrindra indrindra! Mety ho ray aman-dreny, iray tampo, fianakaviana, havan-davitra, mpiara-miasa tsotra, namana tsotra, namana akaiky, mpiray tanana.
Ny tena itovizan'ny fihetsiko amin'izy rehetra dia: mamaly mandrakariva izay fihetsika atao amiko aho. Ohatra: raha tsy tsotra amiko izy dia mazava loatra fa mangingina ihany koa aho. Raha mihatsaravelatsihy amiko izy dia tsy ho afaka ny hitsotra aminy velively aho. Saingy raha matoky ahy amin'ny fony madio kosa izy dia afaka manakaiky ahy amin'ny fotoana rehetra sy amin'ny lafiny tsy mbola azo faritana, azo ambara angamba hoe izany no miteraka fifandraisana lasa lavitra.

TSK
Misy karazana olona ve tonga dia mety aminao na tonga dia ialanao?
B.M.
Tsy misy koa! (sady midongy) Arakaraka ny ataony amiko fa tsy ny toetrany ihany akory.

TSK
Inona ny zavatra tena andanianao vola?
B.M.
Boky! Tia mividy boky aho toy ny boky fianarana sy fikarohana. Mahaliana avokoa rehefa miresaka tantara sy siansa.

TSK
Ny tsikaritro Brentch dia miavaka amin'ny rehetra ny fitafinao na dia tazana avy lavitra aza. Misy antony manokana ve mahatonga anao maneho ireny hamantarana anao?
B.M.
Aiza kosa e! Izaho ihany aloha no mamorona ny didin'akanjoko e! Fa misy manampy ahy amin'ny fanjairana izany. Miovaova ny bikany araka ny aingam-panahy tonga ao amiko. Rehefa mijery ravin-damba eny an-tsena aho dia efa azoko an-tsaina sahady ny mety ho didiny araka ny eritreritro manokana ary tsy andriko mihitsy ny handray an-tanana izany.

TSK
Rehefa jerena ivelany i Brentch dia olona feno fahatsorana. Azonao ambara ve ny toetra tianao hataon'ny olona aminao?
B.M.
Ny toetra tiako hatao amiko dia mitana ny teniny nomena. Tiako ihany koa raha mametraka fitokisana sy fahatsorana ary tsy misorona amiko!

 
 

TSK
Ary ireo toetran'olona tsy tianao?
B.M.
Hotanisaiko:
- mialona
- maninana sy mamingana ny namany
- mandainga amin'ny olona matoky azy
- mivadika amin-ny teny nomeny
- mamadika tamin'ny soa natao azy.

TSK
Azo fantarina ve ny anton-draharahanao andavanandro, ny fialamboly sns.?
B.M.
Ny anton-draharahako aloha izao dia manatontosa tantara ato amin'ny RFV Radio Feon'ny Vahoaka FM 105.00.
Manonta bokin'ireo mpanoratra ihany koa aho efa hatramin'ny taona 2011.
Mampianatra Teny malagasy olon-tokana na vondron'olona na amin'ny sekoly izay miantso.
Ny fialamboly indray dia mitsangantsagana amin'ny toerana mbola tsy fantatra mihitsy ary mety hahitana "aventure". Mitsangatsangana miaraka amin'ny namana akaikin'ny ny fo amin'ny toerana tena milamina anivon'ny natiora.
Miaraka miady hevitra amin'ny namana maromaro ahafahana manita-tsaina.
Milalao amin'ny biby indrindra ny alika fa efa nilalao tamin'ny saka, akoho, omby, bitro, fanday, valala, vitsika.
Mivazo ireo kalon'ny fahiny (Andrianary Ratinarivo, Justin Rajoro, Naka Rabemanantsoa - (Naly Rakotofiringa - Barijaona sns. ary etsy andaniny koa ny mihaino mozika klasika).

TSK
Andeha atodika any amin'ny tontolon'ny zava-kanto ny tafantsika roa vavy. Manan-talenta hono ianao, inona avy ireo manavanana anao?
B.M.
Ny tontolon'ny sary no nisarika ahy voalohany ary nilomanosako fahazaza. Kanefa teo amin'ny fahafolo taonako dia niato kely aho ary natory tanteraka mihitsy fa nivadika tamin'ny sehatry ny asa soratra. Fa ankoatra ny soratra, dia manao hosodoko ihany koa aho.

TSK
Eo amin'ny tontolon'ny soratra manokana, azonao ambara fohifohy ve ny antony nahatonga anao nanoratra ary oviana izany?
B.M.
Tao anatin'ny fahazazako dia matetika Ikaky na Ineny mitantara angano na tantara. Mety ho azo lazaina ho namoha ny aingam-panahiko izany. Nanana fotoana lava dia lava tokoa aho nandinihako ary tamin'ny taona 1999 no nanapa-kevitra fa hanoratra.
Tantara foronina no nanombohako tamin'izany fa niitatra tamin'ny tononkalo izany ny taona manaraka ary nisy ihany koa ny tantara an'onjampeo. Manaraka azy tsikelikely ihany koa ny andram-pamakafakana.

TSK
Raha ny tononkalo manokana efa firy izao ny tononkalo efa voasoratrao, firy ny boky efa nivoaka?
B.M.
Tsy afaka manome ny isa marina momba ny tononkalo aho fa ny boky enina no efa navoaka. Tantara foronina ny telo amin'ireo (HIAKAM-PAHANGINANA, VORONA TAPAKA ELATRA, RUISENOR) ary amboaran-tononkalo sy sombintantara elanelanina tohan-kevitra vitsivitsy toy ny maha samihafa ny fahasambarana sy fifaliana ary ny fahafinaretana, ireo boky roa IZAO REHETRA IZAO I & II ary ny iray dia miresaka momba ny fitiavana, FAHAIZANA MITIA SY MIFANKATIA

TSK
Mety ho azo fantarina ve ny hevitra azo tarafina amin'ny soratrao?
B.M.
Io indray aloha dia miankina amin'ny tsirairay. Misy tontolo niainako tamin'ny fotoana sy toerana tsy fantatra ao ary mitondra rivo-baovao, misy koa angamba ny efa mahazatra ihany.

TSK
Inona no tononkalonao mahafinaritra anao indrindra? Afaka manolotra andininy iray ve raha toa tsy manahirana anao?

B.M.
FARA DONAN-TSENTO

Izato lohataona te ho rakotra hafaliana
no nitanondrika tsy nahy
raha sendra ka nitazana iry faravodilanitra
tsy ho azony iantsampazana

Ilay mangan-danitra any ho any
toa tanik'orana tomany,
harahin-drivo-tsento hahafolaka itony hazo efa ela nijoroana

Niova ho sarin'alahelo ireo diso kanto indrindra
raha nahajery an-tsaina izay mety ho fiafarany.

Fa, raha avadika ny tafa
ka mba ny orambaratra no hanjary rano hanasana ny hoso-potaka natobin'ny fotoana
dia angamba koa ny ranomaso
afaka hanadio ny alahelo
ka hamelona ny tsiky.
 
Nosaratana tao anatin'ny folo minitra tao amin'ny IFM (CCAC) ny 10 Septambra 2009 io tononkalo io. Nateraky ny fanerena nataon'ny mpitarika atrikasa JEAN-LUC RAHARIMANANA moa izy io.
Nanamarika ny nanoratako tononkalo malala-drafitra voalohany izy ary haiko an-kandrina hatramin'izao.

TSK
Misy tononkalo mety ho tena nandona anao ve ka nampirotsa-dranomaso?
B.M.
Tsy nisy aloha fa raha ireo efa lasa hira no nisy toy ny:
- "Eto an-davarangantsika" an'i Dox, nohirain'i Pauline Rabehasy
- "Dihy" an-dRabearivelo, nohirain'i Dama.

TSK
Momba ny tantara an'onjampeo na hira na sarimihetsika indray ary, mety ho nisy nanamarika ny fiainanao ka tsy hay hadinonao?
B.M.
"Danse avec les loups" notontosain'i Kevin Costner no tiako indrindra dia manaraka azy ny "Seigneur des anneaux" notontosain'i Peter Jackson.

TSK
Mpitarika fikambanana ianao. Azonao ambara ve ny mikasika izany sy ny hetsika efa notontosainareo?
B.M.
Ny fikambanana DIAN-TANAMASOANDRO no fikambanana natsangako ary tarihiko. Manana ny teny filamatra izy: "tsy lalàna no natao ho fahendrena fa ny fahendrena no narafitra ho lalàna".
Ny hetsika indray, rehefa manodidina ny zavakanto (miantsa tononkalo - mihira - manao tantara tsangana) sy ny sisa dia nataonay avokoa. Ankoatra izay ny famelabelaran-kevitra samihafa mandritra ny fitsidihana sekoly, miankina amin'izay ilain'ireo miantso. Ohatra:
- tontolon'ny tsy azo tsapain-tanana
- ny fifandraisan'ny olombelona sy ny fanahy, ao anatin'ny asa fanoratana sy ny fanaovana sary.

TSK
Aiza ho aiza ny hetsika mananaraka?
B.M.
Mbola tsy misy azo ambara aloha hatreto fa ny fanaovana tantara ato amin'ny RFV no ataonay tsy tapaka ary manoina ireo mitady fiaraha-miasa. Sakana tsy ahafaha-manoatra ihany koa ny toe-draharaham-pirenena.

TSK
Ahoana tokoa ny hevitrao amin'ny hoe "mahalasa adala ny manoratra", sy ny hoe "mila mandray zava-mahadomelina kely vao tena mahatafavoaka zavatra kanto"?
B.M.
Ny hoe "mahalasa adala" aloha, angamba tsy marina kosa, matoa ny olona lasa adala dia tao ny antony maro fa tsy noho ny fanoratana? Raha izany mantsy, mba hanontany aho hoe: firy amin'ireo adala eny an-dalana no mpanoratra? Toy ny olona rehetra ihany ny mpanoratra ary manana tombony aza satria manana tontolo hafa azony hanabosasahana ny alahelony sy ny fihetseham-pony izy ka ao anatin'ny taratasiny no maneho ny hadalany.
Ny hoe "mila mandray zava-mahadomelina"? Misy tokoa izany fa tsy ny rehetra. Ny antony andraisana an'io mantsy dia hampihataka kely ny aim-panahy amin'ny nofo mba hizorany amin'ny tontolo hafa!

TSK
Raha ny anao manokana izao, misy ve zavatra ataonao hiantsoana ny aingam-panahy?
B.M. (Mitsiky)
Arakaraka ny fotoana. Ny mandeha anaty olona mifamezivezy aloha no iray azoko lazaina satria matetika ireny olona rehetra mangina tsy miloa-bava ireny no tena manana fangirifiriana.

TSK
Raha ny fijerinao manokana, mbola ilaina ve ny tononkalo? Raha ilaina, inona no tena anjara toerany eo amin'ny lafim-piainana rehetra?
B.M.
Ilaina aloha izy, tahaka ny efa nilazana azy hatrizay ihany. Amin'ny maha zavakanto azy dia mampianoka anaty nofim-betsovetso izy, ary entina mampita hafatra sady mahatonga ny saina hanadihady zava-maro raha dinihina.
Ankoatra izay, amin'ny maha fitaovana enti-mamakivaky ny taon-jato maro ny teny dia fitaovana lehibe entina mitahiry sy manabe voa ny harem-panahy amin'ny firenena iray ny teny ary hampiroboroboana ny kolontsaina ao aminy.
Ny Malagasy izay manana ny foto-pisainana (fanahy no olona na fanahy maha olona) dia manasina ny teny satria ny teny dia maneho ny fanahy, ny teny ratsy dia maneho fanahy ratsy, ny teny tsara dia maneho fanahy tsara. Ao amin'ny teny no itoeran'ny fanahy, ary ny fanahy mivelona amin'ny teny, miaina amin'ny teny, mivoatra amin'ny teny.

TSK
Ahoana ny fahitanao ny tontolon'ny boky sy ny fanjifana izany ankehitriny?
B.M.
Mampalahelo mihitsy aloha fa vitsy tokoa no mba mamaky ny boky gasy akehitriny; ny foto-pisainana no tena fositra satria efa voatefy ny ankamaroan'ny Malagasy hisaina fa ireo vahiny no tena manam-pahaizana ka raha hanao fikarohana dia aleo misafidy ny boky vahiny. Tsy homeko tsiny ihany koa anefa ireo efa nilona tamin'izany teo aloha, indrindra ireo olona efa voky taona satria saika maro amin'ireo boky avoakan'ny mpanoratra amin'izao fotoana no tsy misy ventiny firy ka raha tojo an'iny ilay efa mpikaroka boky manankarena zavatra azo trandrahina dia mazava ho azy fa hiala moramora amin'ny boky novokarina taty aoriana izy.
Ny tanora anefa toa zary milona amin'ny fanatontoloana mandala kolontsaina vahiny ka tsy hita izay hanaovana azy.
Adidy iombonan'ny mpanoratra sy ny mpamaky no mety hamporiboborobo indray ny boky Malagasy.

TSK
Ahoana ny fijerin'i Brentch ny fanajan'ny olona ny teny malagasy. Inona no vahaolana arosoanao raha misy tokony harenina?
B.M.
Mampalahelo ihany koa fa misy amin'ireo mpanoratra aza no tsy mitandro ny hasarobidin'ny teny Malagasy intsony fa manao azy ho fitaovam-pampitana fotsiny, hany ka tsy manasongadina ny hakantony sy ny hakantiny araka ny tokony ho izy. Sodokan'ny hira-mandalo (hiratra mandalo) ny olona ankehitriny fa tsy mitrandraka ny harena miafin'ny teny.

  NY MAHA GASY ANAO

Ny teny nakarantsana tan-tontolonao,
fony tao an-tsinin'ny reny izay nitondra,
dia ny tenin-drazanao.

Ny teny namolana ny anaranao ireny,
raha tonga teto an-tany, ambanin'ny masoandro,
dia ny tenin-drazanao.

Ny teny nikorintsana nandrotsiana anao,
fony atodiorokoroka, diso fantatrao,
fa ny tenin-drazanao.

Ny teny mikoriana fa naisatrao nibada,
nianaranao nivolana izay mba tian-kambara,
dia ny tenin-drazanao.

Ny teny fikaloana, mpanako an-tsofinao,
teny mampiavaka ny maha gasy anao,
dia ny tenin-drazanao.

BRENTCH Mbolamasoandro
27 Jona 2014 tamin'ny 02 ora 30 mn tolakandro

TSK
Amin'ny maha mpanoratra anao Brentch, ahoana no fomba fijerinao ny fiainana na ny fomba fandraisanao azy?
B.M.
Fanaoko mazàna ny mankamamy ny fotoana rehetra iainako, na ory na sambatra, na faly na mijaly, na finaritra na sosotra. Matetika tsy voatery hiaina ny tontolo iainan'ny rehetra aho, satria amin'ny fotoana mahory ny maro aho mbola mety tony, fa rehefa tony ny rehetra vao mety mitomany aho, toy izany koa ny fotoam-pifaliana.

TSK
Ka tsy izany ve ilay hoe: ranomaso tsy miaraka amim-paty?
B.M.
Tsy izany loatra fa indraindray aza raha tsy lasa mialoha ny fihetseham-poko dia ao aoriana. Ny antony dia ilaiko ny miaina azy amin'ny fombako manokana.

TSK
Olon'ny zava-kanto ianao, miara-dalana ve ny zava-kanto sy ny vehivavy?
B.M.
Miaraka, raha ny hevitro, saingy miankina amin'ny tsirairay. Fa raha ny soratra aloha no ambara dia nisy fiarahamonina teo aloha nandrara ny vehivavy te hilona amin'ny asa fanoratana, eny ny lehilahy aza! Voalaza mantsy fa mahalasa adala, hono izy io, sy ny sisa, ary anisan'ny voatebaka tokoa ny tenako raha vao nanomboka an'io, tsy ny tao an-trano akory fa ny hafa, izay nilaza fa mampahantra tanteraka ny asa fanoratana.

TSK
Mpanoratra vehivavy ianao, inona no anjara entin'ny vehivavy eo amin'ny fampandrosoana ny fiarahamonina indrindra ny kolontsaina?
B.M.
Raha ho ahy manokana dia efa nilonako ilay izy ary ra mikoriana ato amiko mihitsy ka toa izay ataoko rehetra dia maneho ny maha mpanoratra avokoa. Fa raha hitodika kely amin'ny andraikitra tokony hoentiko aho dia hoy aho hoe: reny ny vehivavy ka ny reny dia mampita aina; ary amin'ny maha mpanoratra dia amin'ny alalan'ny soratra no mampita izany.
Ny reny dia mitondra an-kibo, miteraka, mampinono, mitaiza, manabe, mampianatra, mananatra, mibedy sy mikapoka indraindray.
Raha ireo no itarafana ny vehivavy mpanoratra dia tokony hanana fanahin-dreny amin'ny soratra ataony izy ka hampiatra izany eo amin'ny tontolon'ny kolontsaina. Ny kolontsaina izay fototra niandohana mihitsy raha amin'ny maha olona fa io no niforonana, nitaiza sy nanabe ka tokony hampitaina ao amin'ny asa an-tsoratra, na inona na inona mety ho endriny?

TSK
Manana hafatra azo ampitaina amin'ny vehivavy ve i Brencht?
B.M.
Ny vehivavy no itarafana ny tokantrano iray, izy indrindra no ho avin'ny firenena, kitapo ifonosana. Entaniko ny vehivavy mba hitrandraka ny harena sarobidy miafina aminy ary hanasongadina izany amin'ny fomba mendrika, hitana ny andraikiny amin'ny toerany avy, amin'ny maha zanaka, maha zandry, maha zoky, maha vady, maha reny sns, eny na dia amin'ny maha rafy aza. Ataovy toy ny volamena ny hasina aman-jina ao amintsika ka na latsaka am-bovoka aza tsy avelan'ny hasiny tsy hamiratra.

TSK
Misy teny azonao atsipy amin'ny lehilahy ve?
B.M.
Hafatra ho an'ny lehilahy!
Iriko tokoa ny lehilahy Malagasy mba ho tena tandroka aron'ny vozona, vala aron'ny lapa ka tsy hiraviravy tanana manoloana ny adidiny. Maro loatra ny lehilahy ankehitriny no toa manetry voninahitra ny maha Malagasy amin'ny fihetsika ataony eo anivon'ny fiarahamonina; mandositra adidy, miala andraikitra, kamo hisasatra, mitady tany malemy hanorenam-pangady sns.
Raha mahalala ny tantara fahagola teto madagasikara ny lehilahy ankehitriny dia hahatsapa ny zavatra andrandraina aminy ary hahatsapa ihany ny hajany dia tsy hirefarefa toy izao ny ferenena.
Noho ny ataon'ny ankamaroan'ny lehilahy dia maty hasina hatramin'ny vehivavy fa manjary voatery hanao ny tsy tokony hatao ka mihoatra ny fefin'ny maha vavy azy; satria mivesatra enta-tsy zaka.

TSK
Mafonja ary hentitra izany valin-teny izany Brentch! Hifarana sahady ny tafantsika roa. Manana hafatra an-tononkalo azo ampitaina amin'ny mpanaraka ny tapatapakahitra angamba izanao?

B.M.
Ankafizo vetivety

IREO TSIKIKO

Ireo tsikitsikiko,
Izay vokatry ny foko :
Dia zaraiko fa tsy amidiko
Ary koa tsy atakaloko.

Ilay tsikim-pifaliana,
Miseho amin'ny endriko :
Dia tiako raha valiana
Fa na tsia aza, tsy ho neniko.

Ny fiainam-pahasambarako
Dia ny mizara hamamiana,
Ka matetika ny anjarako
No tsy asiako fitsitsiana.

Ny tsikin'alahelo
Dia hotanako ihany ;
Sao mamaha tsiambaratelo
Izay mitoetra anatiko any.

Ny tsikim-pahatezerana
Izay mety hisy koa:
Dia iniako tsy hoferana
Mba hiavahany amin'ny soa.

Fa ny tsikim-pitiavako,
Hotehiriziko haharitra
Ary homeko ilay malalako
Hanakaranay ny lanitra.

BRENTCH Mbolamasoandro
11/ 09 / 2007
 

TSK
Misaotra anao Brentch nitapatapakahitra teto ary mankalaza ny fihaonantsika amin'ny manaraka indray.
B.M.
Misaotra indrindra Tsikimilamina niara-nitsiky tamiko tety anivon'ny natiora. Mandra-pihaona.

Pôetawebs©2018 - poetawebs@gmail.com

Date de dernière mise à jour : 31/07/2018