poetawebs

Ny poeta raha miteny
  dia mampita izay mba reny
 sady saininy ombieny
 
amin'ny gadona avo lenta
  mampitony hetaheta :
 bitsik'ivan'ny poeta.

(T.Ràja)
24 jolay 2018

ILAY, AMBARAN'I RIAMBOLA MITIA

Hisy hetsika lehibe mety hahaliana ny maro amin'ny sabotsy izao. Mirentirenty eny amin'ny peta-drindrina ny anaran'ILAY sy ny lohateny hoe PAOTSATROKA. Riambola Mitia, mpiray faribolana ao amin'ny Sandratra no manazava ny andinindininy ary namaly ireo fanontanian'i Tsikimilamina Rakotomavo.

Tsikimilamina R
Miarahaba anao Riambola Mitia manaiky ho vahinin'ny Poetawebs eto amin'ny Tapatapakahitra.

Riambola Mitia
Sarasara tsy ambaka tompoko! Mandalo miantrano ka miondrika am-panajana miarahaba ary manome voninahitra anareo mpampiaina sy mpankafy ny Teny sy ny Literatiora malagasy amin’ny alalan’ny tranonkala Pôetawebs.

Tsikimilamina R
Manam-baovao goavana indray ny Faribolana Sandratra, azonao lazaina ve ny andinindininy?

Riambola Mitia
Goavana? Ezahina ho izany angamba.
Hikarakara PAOTSATROKA ho an’ILAY na Louis D. RALAISAHOLIMANANA tokoa izahay (isika) ny Sabotsy 28 jolay 2018 ho avy izao ao amin’ny Foiben’ny Kolontsaina Alema-Malagasy amin’ny 3 ora folakandro. Efa ela no noeritreretina izy io fa izay vao ho tanteraka (toy ny noeritreretina hatao tamin-dry SOLOFO Jose fahavelony saingy indrisy…). Hararaotina amin’izany ny famoahana ilay Boky tantara foronina SOMAMBISAMBY nosoratan’ILAY efa tany amin’ny taona 1975-1976.

Tsikimilamina R
Inona ny antony nahatonga ny safidy hoe ILAY no hanaovana Paotsatroka?

Riambola Mitia
Mpanoratra manana ny maha izy azy ILAY ary nametraka ny dian-tanany teo amin’ny tantaran’ny literatiora malagasy kanefa tsy tia sehoseho loatra. Tsy dia be resaka kanefa tia mizara. Tsy mbola namoaka boky tamin’ny alalan’ny tenany manokana izy na dia azo heverina fa afaka nanao izany aza (asa hoe inona no antony? Hanontaniantsika azy mivantana amin’io fotoana angamba). Mipaotsatroka ho azy isika satria nahavita be izy. Taratra ao aminy ny fanetren-tena. Ka moa va tsy “Izay manetry tena no asandratra”? Ankoatra izay, efa ela nilolohavana masoandro ILAY ka manomboka ho sola, ka andrasantsika ho tapitra ho raraka ary ve ny volo vao hikoropaka handrandrana isika?

Tsikimilamina R
Azonao ambara fohifohy ve iza moa ILAY hanaovana izany Paotsatroka izany?

Riambola Mitia
Gaonan’Ambatondrazaka ILAY. Samy zazalahy botabotra avy any izy sy ry J. Nalisoa RAVALITERA, ry Elie rajaonarison ary Ranoe, izay samy anisan’ny vatofototry ny Faribolana Sandratra avokoa. Mpianatry ny Sekoly Masindahy Josefa tao Ambatondrazaka izy ary nanohy ny fianarany tao amin’ny Ste famille Mahamasina niaraka tamin-dry SOLOFO José. Nandalina ny teny malagasy teny Ankatso ary nampianatra izany tao amin’ny J. J. RABEARIVELO. Mpiondana boky, hono, izy araka ny fitantarany ary tsy ialana boky mihitsy tany anaty kitapony hatramin’ny fahakeliny. Niofana tamin’ny fikarakarana boky tany ivelany Ralaisaholimanana ary lasa Talen’ny Tranombokim-pirenena taty aoriana. Nahafantarana azy ny tantara an’onjam-peo MIKATSAKA NY FIADANANA, izay tafiditra tamin’ny fandaharam-pianarana kilasy famaranana nanodidina ny taona 1980-1995. Mpifandranin-kevitra sy fanahy tamin’ i E. D. Andriamalala izy fony tao amin’ny tranombokim-pirenena ary namoaka ny Boky famakafakana mitondra ny lohateny hoe “Harem-pirenena” niaraka tamin’ity farany. Ireto avy ireo asasoratra nandaniany ron-doha:
Tononkalo
- Anonkantsa (niarahany tamin’ny Solofo José ny taona 1996),
- Vatofototra (niarahany tamin’ireo nanorina ny Faribolana Sandratra ny taona 2013
Tantara an-tsehatra
- Trimofoloalina (nolalaovin’ny ATUM ny taona 1970)
Tantara filalao an’onjam-peo
- IKOTOFETSY SY IMAHAKA
- ADIN’IZILY
- MIKATSAKA NY FIADANANA
- HERIN’NY VOLA, HERIN’I VOLA
- HOMANA IHANY
Famotopotorankevitra
- HAREM-PIRENENA niarahana nanoratra tamin’i E. D. Andriamalala
Sombintantara
RABORIZANO : nivoaka gazety Lakroa tamin’ny 1971
Tantara foronina
- Somambisamby (Nahazo ny loka voalohany Sokajy tantaraforonina tamin’ ny Ranto 95 notontosain’ny Sampana Teny sy Soratra ary Riba Malagasy - Oniversiten’ i Madagasikara).

Tsikimilamina R
Manana ny maha izy azy ary tena mipetraka eo amin'ny tantaran'ny literatiora tokoa ILAY araka izany tantara izany. Misy ifandraisany amin'ny fifanaikaikezan'ny datin'andro nahaterahany ve ny nisafidianana ity fotoana ity?

Riambola Mitia
Tsy misy ifandraisany loatra na dia ho feno 70 taona amin’ny 4 Aogositra ho avy izao aza ILAY. Tsy dia tia mankalaza jaobily izay izy.

Tsikimilamina R
Fa ahoana moa no atao hoe Paotsatroka no anarana isaloran'ny hetsika?

Riambola Mitia
PAOTSATROKA. Voambolana fampiasantsika rehefa misy mpanantalenta mahavita zavatra goavana sy mahatalanjona ary mampitolagaga. Fihetsika tsotsotra tsy mihambo ho manolo-kaja na manolo-boninahitra loatra (mety tsy hifanaraka amin’ny firehan’ILAY rahateo) saingy manome hasina mankatelina noho ny zava-bitany.

Tsikimilamina R
Azonao ambara ve ny mety ho fizotry ny seho?

Riambola Mitia
Sao misy hitatitra any amin’ILAY ka raha sitrakareo dia tsy ambarako eto daholo. Ny azoko lazaina dia misy fiventesana sy fanomezana aina ny asasoratr’ILAY: ny tononkalony, ny ampahany amin’ny SOMAMBISAMBY, famelomana ny ampahany amin’ny MIKATSAKA NY FIADANANA ary resadresaka mivantana aminy sy ireo indray nihira taminy.

Tsikimilamina R
Inona no tena hampiavaka ity hetsika ity?

Riambola Mitia
Hiaraka hanantanteraka PAOTSATROKA ho an’ILAY andrarezina isika mba tsy hoe “maty vao Ramalala”

Tsikimilamina R
Iza avy no mety handray anjara amin'ny seho manontolo?

Riambola Mitia
Toy ny molo-bilany isika amin’io ka indray mihodidina ihany. Hisy mpanakanto maro hifarimbona fa ny zava-dehibe indrindra dia ny fandraisana anjaran’ny mpankafy sy ny mpamaky.

Tsikimilamina R
Iza no mpiara-miasa amin'ny Faribolana Sandratra amin'ity Paotsatroka ity?

Riambola Mitia
Isaorana etoana ny Ministeran’ny Kolontsaina sy ny Fampiroboroboana ny Asa Tanana ary ny Fiarovana ny Vakoka amin’ny fanomezan-tanana amin’ny Paotsatroka ho an’ILAY. Mba tsy ny vahiny indray anie no hahatsapa ny maha Malagasy sy ny maha izy azy antsika. Isaorana ihany koa ireo mpiara-miombona antoka amin’ny Faribolana Sandratra, manao ny ainy tsy ho zavatra hampiroboroboana ny Teny sy ny literatiora malagasy tahaka ireo fikambanana, mpanao gazety, olon-tsotra izay tsy hary ho voatonona eto avokoa.

Tsikimilamina R
Nisy ve ny vahiny nasaina manokana?

Riambola Mitia
Maro ny vahiny nasaina na olom-panjakana na mpanakanto na mpianatra na olon-tsotra ka tsaratsara raha tonga aloha isika.

Tsikimilamina R
Poeta ILAY, fa mpanoratra tantara foronina ihany koa, ary efa tafiditra tao amin'ny fandaharam-pianarana mihitsy aza ny asa sorany hoy isika teo. Ilay boky Somambisamby hivoaka ve azy manokana sa iombonany amin'ny mpanoratra samihafa?

Riambola Mitia
Mpanoratra kokoa ILAY, tsy latsa-danja amin’izany anefa ny maha Poeta azy.
Sanganasany manokana ny SOMAMBISAMBY. Tantara foronina efa voasoratr’ILAY tamin’ny taona 1976 ary antenaina hipetraka eo amin’ny tantaran’ny literatiora ihany koa tahaka ny "Mikatsaka ny Fiadanana" sy ireo tononkalony maro samihafa. Ampatsiahivina fa nahazo ny loka voalohany tamin’ny fifaninanana Ranto 95, Sokajy tantaraforonina, notontosain’ny Sampana Teny sy Soratra ary Riba Malagasy - Oniversiten’ i Madagasikara. Tantara maneho ny fifanandrinan’ny kolontsaina malagasy sy ny kolontsaina vahiny ny Somambisamby. Misy pejy 280. Navoakan’ny Edisiona Faribolana Sandratra ary iarahana miasa amin’ny Ranjasoa Publishing.

Tsikimilamina R
Mety misy sombiny amin'ny Somambisamby ve azonao atolotra ny mpankafy Haisoratra malagasy?


Riambola Mitia
Indro àry ampahany amin'izay ho hitanao ao amin'ity amboara ity.

Raha atakalonao ity volafotsy ity ny taninao sy ny vatana, saina ary fanahin’ny olona ao aminy, dia haveriko aminao ny vatana, saina sy fanahinao lasako.
Tsy fantatr’i Zatovo ny hevitry ny teniny hoe : ny taninao, ny olona ao aminy. Nahasarika azy kosa ny nandre fa hiverina aminy ny vatany, ny sainy, ny fanahiny.
Noraisiny indray ilay volafotsy.
Lasa niriotra ilay lahy fotsy.
Nony niverina ny fanahin’i Zatovo, tsaroany ny any aminy. Nihazakazaka izy hamonjy ny moron-tany.
Tsy teo intsony anefa ilay zahatra nitany fa angamba nisy naka ka dia rafitra nilomano izy.
Efa ela sy lanaka vao tonga teny amin’ilay nosy i Zatovo.
Indreo tazany nivalampatra maty avokoa ireo mponina tao amin’ilay nosy sy ilay lahy fotsy teny an-tany be.
Teo vao tonga tao an-tsainy fa hay, tamin’ny nilomanosany, nahakasi-drano ireo volafotsy fady rano teny an-tanany.
Teo am-pitazanana ireto havany nivalampatra maty, tsaroany tampoka ny tenin-drainy momba ilay “rano mampody”. “Rano mampody aina” hoy ny eritreriny.

in SOMAMBISAMBY, Takila 122

Tsikimilamina R
Mahaliana tokoa izany nambaranao rehetra izany Riambola Mitia. Inona ny fanentanana azonao ampitaina amin'ny rehetra?

Riambola Mitia
Mipaotsatroka sahady an’ILAY noho ny ezaka nataony, indrindra teo amin’ny fampiroboroboana ny teny sy literatiora malagasy. Fitaratra fakan-tahaka ho an’ny zandry sy ny taranaka aty aoriana ny toe-tsainy tia mandalina hatrany, mamakafaka sy mikaroka amin’ny alalan’ny famakiana boky, ny toe-panahiny be fanetren-tena tia manampy ary mizara ho an’ny hafa. Farany, mampirisika antsika hikaroka sy hamorona voambolana hatrany ILAY mba hampanankarena sy hameloma-maso ny Teny malagasy. Tsaroako tampoka eto fa izy no atidoha nahitana ny voambolana hoe FINDAY.

Tsikimilamina R
Mankasitraka anao Riambola Mitia nitapatapakahitra vetivety teto amin'ny Poetawebs ary mankalaza ny fotoan-dehibe amin'ny Paotsatroka ho an'ILAY

Riambola Mitia
Misaotra ny Pôetawebs nandroso afo sy namoha takotra, misaotra ny mpamaky nanandra-tsiro. Tsy hadinoin’ny tantaran’ny literatiora malagasy anie ny fisianareo. Mandram-pipaotsatroka ho an’ILAY.


Pôetawebs©2018 - poetawebs@gmail.com

Date de dernière mise à jour : 24/07/2018