Créer un site internet
poetawebs

Ny  pôeta raha miteny
  dia mampita izay mba reny
 sady saininy ombieny
 
amin'ny gadona avo lenta
  mampitony hetaheta :
 bitsik'ivan'ny .

(T.Ràja)
26 novambra 2018

FIAROVANA SANGANASA

"Tsy azo adika na alain-tahaka raha tsy mahazo lalana avy amin'ny Pôetawebs fa voararan'ny lalàna 94-036 ny 18 septambra 1995 mikasika ny zon'ny mpamorona sy ny mpanakanto".

Vikin'i Hoby Rasolofoarimasy

"Voambolanao no lasa mamiko
Mozikanao no tian’ny sofiko,
Asa! na noho ianao andrianiko
Fa ny momba anao toa lasa nofiko"

Inoana fa hanana ny toerany eo amin'ny tantaran'ny literatiora malagasy izany andinin-tononkalo izany. Ahatsiarovana ny diam-penin-dry Dox sy Ny Avana ny lentan'ny fahamatorany. 78 taona katroka anefa no elanelan-taonan'i Hoby Rasolofoarimasy sy i Dox. Voafolak'i Hoby ny fikajiana ny hanitry ny teo aloha; voafehiny koa anefa ny fivoaran'ny literatiora ankehitriny ka nahavitany amboaran-tononkalo hatolotra amin'ny fomba ofisialy ny 12 desambra ho avy izao. "Vikina" no lohateniny, teny tokana mahalaza hafatra mafonja ary mamintina ny boky. Isaorantsika i Hoby tonga mamangy ny Pôetawebs sy ny mpiserany ary mamaly ireo fanontanian'i Toetra Ràja.

Toetra Ràja
Miarahaba anao Hoby nitondra voandalana. Nanaitra avy hatrany ilay fitovian'ny daty nahaterahanao sy ny an'i Dox!

Hoby Rasolofoarimasy
Faly miarahaba anao Toetra Ràja, endrika feno tsiky ihany koa no iarahabako ireo rehetra miara-misalahy eto amin’ny Pôetawebs amin’ny fanandratana avo ny literatiora malagasy.

Eny tokoa, ny 13 janoary 1991 no nahita masoandro voalohany tao Andranomadio Antsirabe i Hoby Rasolofoarimasy. Nanamarika ahy ihany koa tany an-tsekoly rehefa nianatra ny momba an’i Dox ny fitoviana tsingerin-taona aminy. Azo lazaina fa anisany nanosika ahy hitia ny asa sorany sy ny literatiora izany. Teo amin’ny faha 10 taonako aho no nanomboka nanoratra tononkalo. Tsapa ho nihanirindra kokoa anefa ny asa soratro teo amin’ny faha 13 taonako satria taona izay nianarako nikabary ihany koa io. Tena tia ny taranja sy ny teny malagasy aho ary nandalina izany teny amin’ny anjerimanontolo. Nampiarahiko tamin’ny fianarana mikasika ny fifandraisana sy ny fanelanelanana izany. Ankehitriny aho dia mpianatra mpikaroka momba ny Haiolona na "Anthropologie". Mankafy zavakanto, hira sy mozika ary zava-maneno aho ary raha maniry hitsidika ahy ianareo dia ao Ivato Seranana no misy ny toeram-ponenako.

Toetra Ràja
Antsirabe no tanàna niavianao. Mifanerasera amin'ny  any amin'iny faritra iny ve ianao?

Hoby Rasolofoarimasy
Mampiaiky ahy mihitsy fa maro mpanoratra manan-talenta i Antsirabe ary mampirehareha izany. Hatreto aloha, mifandray amin’ny ampahany amin’izy ireo aho ary mbola maniry hifandray sy hahafantatra bebe kokoa azy rehetra mihitsy. Tsy ireo ihany fa ny  rehetra manerana an’i Madagasikara sy  malagasy maneran-tany.

Toetra Ràja
Azo lazaina fa namolavola anao ho tia tononkalo ve ny sekoly nianaranao tany?

Hoby Rasolofoarimasy
Tena namolavola tokoa satria tamin’ny sekolim-panjakana hatrany aho no nianatra tany Antsirabe, toerana tony ravahan’ny zava-maitso milenodenoka, sasasasan-driandrano re avy lavitra no nandrotsirotsy tao an-dakilasy. Ny mpampianatray tamin’izany rahateo dia olona tena tia tononkalo. Tsaroako tsara fa rehefa misy tsianjery na tononkalo na tantara na lahatsoratra asain’ny mpampianatra vakina dia izaho hatrany matetika no voasafidy naneho ohatra ho an’ny ankizy rehetra.

Toetra Ràja
Mahaliana ny maro ireo lalana efa nodiavinao teo amin'ny kanto!

Hoby Rasolofoarimasy
Tsy dia mbola tena hitan’ny maro niseho sehatra goavana loatra aho raha ny tononkalo no asian-teny, ankoatra ny fankalazana ny fetin’ny reny na ray sy ny mitovitovy amin’izany. Mikabary am-panambadiana no tena ahitan’ny maro ahy matetika, manentana sy mandrindra lanonana na fivoriana ihany koa ary efa mpiantsa tononkalo tamina onjam-peo iray.
Raha ny boky indray no asian-teny dia efa nisy tononkalo iray mitondra ny lohateny hoe : "Raha manta vary indray mandeha" nivoaka tamin’ny laharana 000 an’ny revio Tsara Soratra. Mbola tena santatra amin’ny famoahako boky ity VIKINA ity.

Toetra Ràja
Tafiditra tao amin'ny Fikambanan'ny Mpikabary Malagasy (FI.MPI.MA) anefa ianao ary mihevitra ny hirotsaka ao amin'ny fikambanana  sy mpanoratra koa. Misy antony manokana ve ilay hoe fikambanana Mpikabary aloha?

Hoby Rasolofoarimasy
Fikambananana mifameno tanteraka ireo fa ny antony manokana araka ny efa nolazaiko teo ambony dia mbola sokajy taninketsa aho dia efa tao amin’ny FI.MPI.MA. Tsy nitsahatra aho fa niezaka nikaroka sy nandalina hatrany ary efa hamoaka voka-pikarohana tsy ho ela ihany koa mikasika ny vehivavy malagasy mikabary.
Efa tena ela aho no naniry hiditra fikambanana mpanoratra saingy noho ny asa sy ny fianarana izay nifanindran-dalana hatrany ho ahy dia nisy ny tsy fahafahana. Ankehitriny aho resy lahatra fa tsy maintsy miezaka mandrindra ny fotoanako ary mila miditra fikambanana hahafahako mivelatra kokoa eo amin'ny sehatry ny fanoratana.

Toetra Ràja
Hiresaka ny bokinao amin'izay isika. Inona no maha samy hafa ny andraikitry ny RanjaSoa Publishing sy ny Torio Créatives teo amin'ny fanatontosana ny boky?

Hoby Rasolofoarimasy
Mpanoratra iray izay tsy iza fa i Johary Ravaloson, anaovako kopa-tanana manokana eto, no nahafantarako an’i Ranjasoa Publishing. Izy no nanoro ahy an’i Soamiely Andriamananjara izay nanosika ahy hamorona hatrany ary hanambatra ireo asa soratro ho lasa boky. Izy ihany koa no nampiely ny ampahan’ny sangan’asako tao amin’ny tranonkala soratra.org.
Ny Torio Creatives indray izay tanora avokoa no mandrafitra azy dia efa namako hatrizay ary mandrisika ahy hiroso lalindalina kokoa hatrany hanatanteraka ny nofinofiko.
Mifameno tanteraka ny asan’izy ireo fa ny Torio Creatives no miandraikitra ny haingo sy ny sary fanehoana ny boky (design) raha toa ka ny tontolon’ny soratra sy ny fanontana ary ny fanapariahana kokoa ny an’ny Ranjasoa Publishing.

Toetra Ràja
Inona indray no anton'ny nisafidiananao an'i Hanitr'Ony hiantsoroka ny Sasin-teny?

Hoby Rasolofoarimasy
Tao anatin’ny asa soratra no nahalalako an’i Hanitr’Ony, efa mpankafy sy mpanaraka ny sangan’asany hatramin’izay aho. Nampitombo ny fitiavako azy ny nahafantarako fa zafikelin’i Dox izy. Mambabo ahy ny voambolana ampiasainy, ny fitandroany ny teny malagasy na dia tsy eto an-toerana aza izy. Tena mahafinaritra ahy ary ataoko fitaratra ny vehivavy sahy sy tia mandray andraikitra. Antony nisafidianako azy izy amin’ny maha izy azy ary mbola ankasitrahako azy etoana ny nanekeny nanao ny sasin-tenin’i VIKINA.

Toetra Ràja
Raha tombanana vetivety ny sary amin'ny fonon'ny boky dia ahitana vehivavy mitsambikina. Nahoana aloha no vehivavy no niantefan'ny safidy?

Hoby Rasolofoarimasy
Mifono hevitra maromaro tokoa Toetra Ràja ilay sary amin’ny fonon’ny boky io. Antony voalohany, vehivavy no niantefan’ny safidy satria vehivavy ny mpanoratra azy, vehivavy no nanao ny sasin-teny ary mbola vehivavy ihany koa no hiahy ny famoahana ofisialy ny boky.

Toetra Ràja
Raha zohina indray dia miendrika saritanin'i Madagasikara ilay tongotra ankavanana mampiainga ilay olona. Tena izany tokoa ve?

Hoby Rasolofoarimasy
Marina tokoa izay voalazanao Toetra Ràja saingy aleo angamba ny mpisera rehetra no hanakatra ny hevitra tiana hampitaina mikasika io sary io satria fantatro fa olona tia mandalina avokoa ny mpitsidika eto.

Toetra Ràja
Tsikaritra fa ny ampahany maro amin'ny tononkalo hita ao amin'ny "Vikina" dia nosoratana tamin'ny 2018. Nisy "fifohazam-panahy" mahery vaika ve tamin'ity taona ity?

Hoby Rasolofoarimasy
Mahatsikaiky tokoa, na dia efa nofinofy hatry ny ela aza ny hamoaka boky, nisy fotoana toa niato kely ny famoronana. Nahatalanjona fa tamin’ity taona 2018 ity dia toa nipololotra tsy azo notazonina ny aingam-panahy. Maro dia maro ihany koa ny tranga sy ny seho nisy izay nanohina ahy manokana. Izany angamba no anton’ilay "fifohazam-panahy" mahery vaika araka ny nolazainao.

Toetra Ràja
Anisan'ny mpampiely tononkalo ao amin'ny Facebook ve ianao? Ahoana ny fomba fiarovana ny sanganasanao?

Hoby Rasolofoarimasy
Nampiely ny asa soratro tao amin’ny Facebook hatrany tokoa aho hatrizay saingy nisy fotoana, nisy olona sahy nisoloky ny asa soratro tao anatina vondrona iray izay. Nanomboka teo dia nandray fepetra ny amin’ny hiarovako ny asa soratro aho. Tsy dia mampiely asa soratra loatra intsony aho raha tsy efa nivoaka tanaty boky izany.
Mbola tena sarotra anefa ny miaro ny sangan’asa eto Madagasikara saingy na dia misy aza ny sahy misandoka ny asa soratry ny hafa, amiko, mipetraka eny foana ny rangotry ny tena tompony. Fantatra foana ny tena mpamorona ary tsy lany aingam-panahy izany mihitsy, fa toy ny loharano tsy manam-paharitana izany ho azy.

Toetra Ràja
Manam-pahaizana ambony momba ny haiteny no nanitsy ireo mety ho fahadisoan-tsipelina tao amin'ny "Vikina". Fantatrao ve raha maro ireo olon'ny Anjerimanontolo manampy ny  vao misondrotra?

Hoby Rasolofoarimasy
Tena misy ny manampy rehefa tena maneho fahavononana sy sahy mametraka ny maha izy azy ny mpanoratra vao misondrotra. Misy ihany koa anefa no manidy varavarana tsotra izao fotsiny. Raha mila ny fanampian’izy ireo dia mila ianao no manatona ary maneho fa sahy sy mahefa.

Toetra Ràja
Midadasika ny lohahevitra ijoroan'ny tononkalo ao amin'ny "Vikina" toy ny fitiavan-tanindrazana, tsy rariny sy tsy hitsiny, fitiavan'olon-droa, ankohonana sns. Azonao fenoina ve ny lisitra?

Hoby Rasolofoarimasy
Manampy ireo voalazanao ireo Toetra Ràja, ny fitaterako bebe kokoa ny fiainan’ny velona, ny trangam-piaraha-monina izay mibaribary tsy takona afenina.

Toetra Ràja
Raha tombanana malaky dia tsy ahitana teny famaranana ny boky. Ny tononkalo farany "Hody ventiny" anefa dia tsapa ho mahafintina azy. Tena izany ve?

Hoby Rasolofoarimasy
Tena izany mihitsy; voalazanao. Tsy manana hanampiana intsony aho.

"Na dia tsy fantatro ny ampitso
Tsy voavinako ny ho avy
Na dia an-kifonofono
Mbola toa manalasala
Ny kiry inoako tsy ho ela
Hisy setriny...
rano rehetra nantsakaiko
hody ventiny".

Toetra Ràja
Hiaka-tsehatra i Hoby Rasolofoarimasy. Telo herinandro sisa, efa milamindamina ve?

Hoby Rasolofoarimasy
Tena ao anatin'ny fanomanana tanteraka mihitsy amin’izao, eny efa saiky milamindamina avokoa ny zavatra rehetra fa ny fanatanterahana azy no sisa.

Toetra Ràja
Misy manampy ve ianao amin'ny fikarakarana?

Hoby Rasolofoarimasy
Ankoatra ny fiahian-dRtoa Johasy Eléonore, Minisitry ny Kolontsaina sy Fampiroboroboana ny asa Tanana ary Fiarovana ny Vakoka, sy Rtoa Michèle Rakotoson izay nanome tso-drano sy nanohana ara-kevitra, dia eo ihany koa ny Alliance Française Andavamamba, izay isaorana manokana eto, nanaiky nandray sy nampiantrano ary nanohana ara-pitaovana amin’ny famoahana an’i VIKINA. Eo ihany koa ny fianakaviana sy ny namana izay manohana sy manampy ahy amin’ny fikarakarana rehetra ary ankasitrahako eto ihany koa.

Toetra Ràja
Azo ambara mialoha eto ve ny mety ho fizarazaran'ny fotoana?

Hoby Rasolofoarimasy
Hizara 3 miavaka tsara ny fotoana amin’io faha-12 desambra io; manasa izay rehetra tia ny zavakanto malagasy ho avy fa seho hafa mihitsy no hatolotra ny mpanatrika.
Hisy tokoa ny tanora avy ao amin’ny Faribolana Sandratra hanampy ahy eny an-tsehatra. Ankasitrahako manokana eto izy ireo. Tsy holazaiko eto angamba hoe iza avy izy ireo fa manentana anareo ho avy. Aleo manatrika toa izay hitantarana.

Toetra Ràja
Mpanatrika ireny antsa tononkalo ataon'ny namana Pôeta ireny ve i Hoby hatreto?

Hoby Rasolofoarimasy
Eny, raha azoko atao ka manana fahafahana ara-potoana aho dia manatrika hatrany tokoa ny hetsika misy rehetra. Indraindray anefa manakana izany ny asa sy ny fianarana.

Toetra Ràja
Inona no mety ho tranga tsy fahita hatolotrao amin'io seho io?

Hoby Rasolofoarimasy
Ankoatra ny fampahafantarana sy fiantsana an-tsehatra ny VIKINA dia hisy ihany koa ny fampirantiana ny hosodokon’i Mamy Rajoelisolo, mpanao hosodoko efa fantatry ny maro izay handravaka ny sehatra, ny fitafy malagasin’i Haihaingo izay hampirantiana ihany koa ary ny fahaiza-mamoron’i Ma Randrianalidera ny lamaody malagasy izay entina an-tsehatra.
Mpitendry efa tena matihanina tanteraka mivoy ny mozika tena malagasy no hanao ny feon-kira sy ny hira amin’io dia tsy iza fa i Mbelo sy i Volahasiniaina Linda.
Zavatra tena iainana sy tendrena (live) avokoa no ho hita ao fa tsy hisy ny feon-kira voaomana mialoha na "play back".

Tongava maro fa sady ho finaritra ny maso sy ny sofinao no hahazo ainga vaovao ianao hibanjinana ny ho avy amin’ny fiatrehana ny Vikina mbola hotontosainao.

Toetra Ràja
Mpianatra mpikaroka momba ny Haiolona ianao. Manana famaritana fohy momba izany taranja izany ve ianao?

Hoby Rasolofoarimasy
Taranja nanampy ahy hahafantatra misimisy kokoa momba ny olombelona sy ny toetra amam-pihetsiny ao anatin’ny fiarahamonina ny Haiolona. Ny fahasamihafan’ny tamba-tsoatoavina izay mahatonga ady kanefa voaporofo fa na dia misy ihany aza ireo maningana dia mbola mametraka ho lohalaharana hatrany ny aina malagasy. Tena zava-dehibe amiko izany ary tsy nanenenako ny nanaraka ity lalam-piofanana ity.

Toetra Ràja
Mety ho mifameno amin'ny tononkalo soratanao ve ny fikarohana ataonao?

Hoby Rasolofoarimasy
Misy ny mifameno, mifantoka amin’ny fanelanelanana sy ny fampihavanana ny fikarohana izay ataoko. Tsy mahagaga ary raha toa ka misy amin’ireo tononkalo nosoratako no miantso ny olona hihavana sy tsy hifamaly faty.

Toetra Ràja
Hono ho'aho Hoby, ahoana no nahafantaranao ny Pôetawebs?

Hoby Rasolofoarimasy
Nanao fikarohana momba ny pôeta tato amin'ny aterineto aho ka nifanojo avy hatrany tamin'ny Pôetawebs ary tena nahafaly ahy ny nananaraka ny tapatapakahitra efa nifanaovana tamin'ireo pôeta maro be sy ny fampahafantarana momba ny pôeta, miampy famakafakana samihafa.

Toetra Ràja
Manana hafatra azo atolotra ho an'ny mpiseran'ny Pôetawebs angamba ianao!

Hoby Rasolofoarimasy
Manàna fomba fijery miabo mandrakariva amin’ny fiainana fa hahavitana zava-tsoa ny fahambonian’ny herin-tsaina.
Manasa anao am-pitiavana ho avy ao amin’ny Alliance Française Andavamamba ny alarobia faha-12 desambra amin’ny 2 ora tolakandro, hifanotrona amin’ny famoahana ofisialy ny Vikina.

Mankasitraka indrindra anao Toetra Ràja tamin’ny fanontaniana rehetra ary misaotra ny Pôetawebs sy ny mpanaraka rehetra ihany koa mitondra avo ny fanilon’ny literatiora malagasy.

Toetra Ràja
Mankasitraka!


Lahatsoratra sy rindra : Toetra Ràja
Sary : Hoby Rasolofoarimasy

Pôetawebs©2018 - poetawebs@gmail.com

Date de dernière mise à jour : 27/11/2018

×