Créer un site internet
Tapatapakahitra niarahan'i Ngaly sy Tsikimilamina Rakotomavo

Ny pôeta raha miteny
dia mampita izay mba reny
sady saininy ombieny
amin'ny gadona avo lenta
mampitony hetaheta :
bitsik'ivan'ny pôeta.
 
T.Ràja
27 janoary 2019
FIAROVANA SANGANASA

"Tsy azo adika na alain-tahaka raha tsy mahazo lalana avy amin'ny Pôetawebs fa voararan'ny lalàna 94-036 ny 18 septambra 1995 mikasika ny zon'ny mpamorona sy ny mpanakanto".

KORANINA IARAHANA AMIN'I NGALY 

Ny Pôetawebs dia miezaka mampahafantatra ireo Pôeta samihafa manerana an'i Madagasikara amin'ny maha haren'ny literatiora malagasy azy ireny. NGALY, Poeta, Mpampianatra, talen-tsekoly no vahiny manan-kasina amin'izany. Manana ny mampiavaka azy sy fijeriny manokana izy amin'ny maha mpitarika sy mpanabe azy. Arahinao àry ny tapatapakahitra niarahan'i Tsikimilamina Rakotomavo taminy.

TSIKIMILAMINA RAKOTOMAVO (T.R)
Miarahaba anao Ngaly, misaotra anao indrindra manaiky ho vahinin'ny Pôetawebs.

NGALY
Faly miarahaba an'i Tsikimilamina RAKOTOMAVO, miarahaba ny mpanaraka ny Pôetawebs ary mankasitraka amin'ny fampiantranoana.

T.R
Sambany ianao no nivahiny teto amin'ny Pôetawebs. Maro no te hahafantatra bebe kokoa anao ; koa azonao ambara ve ?

NGALY
RANDRIANAIVO Ridza, teraka tao Sainte-Marie ny 28 Aprily 1974. Maro lafy ny fiaviana rehefa atao ny tetiharana ka tsy hotanisaina, ny azo antoka dia Malagasy aho. Mpampianatra taranja Malagasy ary "Proviseur Adjoint" ao amin'ny Lycée Jacques RABEMANANJARA Toamasina nanomboka ny taona 2012. Monina ato amin'ny tokotanin'ny Lycée ihany. Fialamboly tiako indrindra ny manjono, tia fanatanjahan-tena ihany koa, indrindra ny "Hand-Ball". NGALY no solon'anarana entiko eo amin'ny sehatry ny famoronana.

T.R
Inona no toetra mampiavaka anao?

NGALY
NGALY hoy ianao : ilay olona tony, tsotra, tia mampitsiky ny mpiara-belona, indrindra ny mpianatra. Hentitra amin'ny zavatra sasany, indrindra eo amin'ny asa.

T.R
Inona no toetran'olona tena manahirana anao indrindra ?

NGALY
Ny olona mpanakiana nefa tsy hanao zavatra no tena mahasosotra.

TR
Hivadika eo amin'ny tontolon'ny Kanto isika. Vao tsy ela ianao no nahazo ny mari-boninahitry ny kanto sy ny soratra ary Kolontsaina, azonao ambara ve ny lalana nodiavinao teo amin'ny kanto?

NGALY
Tena ambarako tokoa satria mendrika horaketina ny tafa tahaka izao. Tsaroako nisy faka lalina azoko teo amin'ny Sekoly Alahady FJKM Mahanoro sy ny niakarako sehatra voalohany nanao tõkatôka, mbola kilasy madinika (T2) tao amin'ny Sekolin-dry Masera Mahanoro ny taona 1982. Rehefa tonga taty Toamasina dia manangona tononkalo ao anaty gazety famakin'ny Dadabeko (mpanjaitra kiraro). Toa havanana ho azy teo amin'ny taranja Malagasy aho tany am-pianarana. Teo ihany koa ny filalaovana tantara an-tsehatra fony tanora tao amin'ny FMTA Ambolomadinika Toamasina. Nivelatra teo amin'ny famoronana tantara sy tononkalo fony Tily sy mpiandraikitra Tily sampana mena tao amin'ny FJKM Zoara Famonjena Ankirihiry. Ary tao no nahitako an'i HAINGA izay mpikambana ato amin'ny Faribolana Sandratra nandrisika ahy sy nanoro ny fomba fiantsana tononkalo. Nanamafy ny fitiavako haisoratra ny lalam-piofanana narahiko teny amin'ny "Ecole Normale Superieure" Antananarivo, taranja Malagasy izay nifaneraserako tamin'ireo Pôeta namana (SOLOFO José, LYDIARY, Elie RAJAONARISON, RANÔE, ILAY, J. Nalisoa RAVALITERA, TAHIRINTSOA, NOFY, MAHEFA, MEVA, RADO RAMAHERISON, AVELO NIDOR).

T.R
Mahaliana avokoa izany zotram-piainanao izany, fa hono ho'aho, inona no nahatonga ny safidy amin'ny solon'anarana hoe NGALY ?

NGALY
Ny anarana hoe "NGALY" dia mainty mangirana no heviny ao amin'ny Rakibolana. Mifanaraka amin'ny volon-koditro, ary ireharehako fa mainty aho, Malagasy aho.

TR
Mandeha irery ve i Ngaly sa anaty fikambanana?

NGALY
Faribolana Sandratra no misy ahy (sampana Toamasina).

T.R
Ahoana ny fiaraha-miasan'ny sampana misy anareo amin'ny Faribolana Sandratra Foibe?

NGALY
Toy ny tsy misy sampana fa mifandray akaiky. Nanome vahana rahateo koa ny fivoaran'ny Teknôlôjia ankehitriny. Ao anatin'ny vondrona MPIRAIFARIBOLANA maharaka vaovao maro. Ny Antsamparibolana ao amin'ny CGM, ny gazety AMBIOKA ary ny Boky dia ifarimbonana avokoa. Ahitana ny asa soratray avy aty amin'ny sampana foana ireny.

T.R
Efa namoaka boky ve i Ngaly?

NGALY
Eny, ny ahy manokana: AMBOHIPITIAVANA (Tononkalo), FITIA MITETY ONJA sy VANJAM-PITIA (Riankalo).
Boky niarahako namoaka tamin'i HAINGA: SORABOLANA, HAINGALY.
Misy koa ny boky iarahanay sampan'i Toamasina: ASARAMANITRA 2000, ANTSA TOA MASINA, VOAHANGIALA, VINAGNY, RINDRIM-BOLO.

T.R
Iza no mpanoratra tena ankafizinao?

NGALY
Randja ZANAMIHOATRA.

T.R
Iza no mpanakanto tena mahaliana anao?

NGALY
Randja ZANAMIHOATRA, raha mpihira dia ny tarika MAHALEO sy ny KAIAMBA.

TR
Manoratra amin'ny teny inona ianao sa fitenim-paritra ihany?

NGALY
Teny malagasy mifangaro amin'ny fitenim-paritra.

TR
Afaka manome santionany amin'ireo karazana asa soratra ve ianao?

NGALY
Tononkalo, Riankalo, Sombin-tantara no karazany efa voasoratro. Tononkalo iray no atolotro fa etsy amin'ny faran'ny tafantsika mianadahy no hanolorako riankalo sy tononkalo hafa.


AZA MANDRY

Eto ianao mahita fiainan-tsy manjary
Eto ianao mahatsapa fa mihamanadary
ny hafokan'ny miaina
rehefa ampahantraina.

Tsy maintsy faraidiny no an'ny zatra entina
Mihinana ny ngidiny izay mionona fehezina
Mifohaza f'aza pahina
ry zatra nofitahina!

Tadidinao ny omaly... dradraina fa hoe ratsy!
Tadidinao ny omaly, mafaitra... fa dia tanty
Toa mbola tsaratsara
Toa mbola nisy anjara.

Eny ianao mahita fiainan-davorary...
Eny ianao mahatsapa fa mihinana ny "kary"!
Homan-tsy mizara
sy tsy te hahalala.

Ny anjaranao nalainy dia nabosibosiny
Tsy ao an-tsainy intsony izay tsiny sy ny todiny
Ny rariny tsipahiny!
Fa maty ny fanahiny.

Ka aza dia variana ahodin'ny tantara!
Ary aza dia sondriana hiandry afarafara!
AVIA MANDRAY AN-TANANA
HANODINA NY FIAINANA.

NGALY, Salazamay, 22/03/2015
TR
Mandona ny fo tokoa izany tononkalonao izany Ngaly. Inona no tena hevitra voizinao amin'ny tononkalonao?


NGALY
Fitiavana, fiainam-piaraha-monina, pôlitika, tontolo iainana.

T.R
Mpanabe ianao. Ahoana ny fahitanao ny fankafizan'ny tanora ny tononkalo?

NGALY
Tia tononkalo ny tanora saingy tsy ampy ny sehatra iainany izany. Mahery tosika kokoa ny fankafizany fesiboky sy ny hira satria mahazo vahana sy omena vahana ireny. Raha mba manana efitrano kely mahazaka olona 100 na 200 natokana hanaovana tononkalo dia azo antoka fa hiroborobo ny tononkalo.

T.R
Ahoana ny fahitanao ny lesoka sy mety hoavin'ny tononkalo malagasy?

NGALY
Ny lesoka lehibe indrindra tsapako dia lafo ny saran'ny famoaham-boky, tsy mahavidy ny mpankafy, nefa maro ny asa soratra tokony havoaka. Ny hoavin'ny tononkalo Malagasy dia mahavelom-bolo. Efa hanenika an'i Madagasikara ny Faribolana Sandratra. Mety hanahirana indray ny hifehy azy mba hitazonana ny hasiny hatramin'ny niforonany.

T.R
Resahina foana ary am-bavan'ny rehetra indrindra ny tomponandraikitra eto amin'ny firenena ny fitiavana, ahoana ny fiheveranao ny atao hoe fitiavana?

NGALY
Ny fitiavana, amiko dia fanasoavana ny tena sy ny hafa ary ny tontolo manodidina na dia tsy voatery hahafaly azy izany.

T.R
Hamaramparana ny tafa isika, inona no hetsika ketrehinao atsy ho atsy Ngaly?

NGALY
Mikasa hamoaka boky ho ahy manokana aho, ka ho hita ao ireo asa soratro taloha sy avahizo, ho hita ao koa ny maha-mpampianatra taranja Malagasy ahy satria hanampy ny mpianatra amin'ny fanomanany fanadinana bakalôrea izay boky izay. Eo am-piketrehana ny boky hankalazanay ny faha-30 taonanan'ny Faribolana Sandratra koa izahay sampana Toamasina.

T.R
Vaovao tsara ho fantatra avokoa izany i Ngaly ary misaotra anao nanaiky nitapatapakahitra teto amin'ny Pôetawebs, maniry ny fisandratanao ho avo eo amin'ity sehatry ny kanton'ny teny ity. Manantena vokatra vaovao amin'ny manaraka.

NGALY
Mankasitraka an'i Tsikimilamina RAKOTOMAVO, hiroborobo anie ny Pôetawebs izay manandratra anay Pôeta.

"Teo am-pandriako nony alina dia mazàna nitady ilay tian'ny fanahiko aho"
Tnk. Sol. 3-1

Eto anivon'ny alina misandratra, alina tsy tony. Mahazo avara-patana ny korataban'ny fahitalavitra manarinary dia ireo miombon-tafa aminy. Tokoa miala sasatra ireo fanahy mitafy nofo, valabalaka navezivezin'ny andro sy ny filany.
Izaho kosa... manirery, milomano fahanginana. Fahanginana hafahafa, fahanginana ao anatin'ny tontolo feno resaka. Tsy te hiray korana amin'ny alina mibaby farasisan'andro aho fa mila fahatoniana. Ny fahatoniana no ahafahako miampita vetivety ho eo anilanao.
SOAFARA a! ianao ilay tiana sady tia ka sarobidy eo amin'ny fiainako. Mahantra loatra aho, raha tsy mahita anao. Gina ny tananako rehefa tsy mandre ilay manga feonao toy ny an'ny railovy mikalo ny maraina. Angamba foana koa ny amiko raha toa ka tsisy ianao.
SOAFARA malalako! Tiako ny rehetra momba anao :
Ny bikabikanao? Tsy fantatro ny anjely, f'ianao dia sinton-kery mifono misitery misarika ny saiko hanaiky ho babonao.
Ny toetoetranao? Tsy haiko akia ny mendrika fa ny fahatsoranao dia monja maharendrika ny fo amam-panahiko.
Ny angolangolanao, mamy toa tantely...
Ireny sangisangy fanondrakao ny fiainako, dia zary nahalonaka ny tanimbolintsika.
Maitso ny fitiavako, mandrobona, mamelana fitia tsy misy fitaka:
Ho fahasambaranao, ho fahasambarantsika.
Malala!
Eto anivon'ny alina misandratra, alina tsy tony... Izaho mitady anao, izaho misaina anao ao anaty fahatoniako. Fa ny alina malala, eny, ny alina lalaina! tsy mba avelako hivalona raha tsy mivimbina nofinofy mamy mampiray antsika hatrany.
Iandrandrako ny maraina hahitako anao indray.

NGALY, Fitia mitety onja, tak. 08


FAHAFIRIN'NY MPAMONJY IANAO ?
(Tono manitra ho an'Andriamatoa BAN KI MOON, Sekretera Jeneralin'ny Firenena mikambana)

Misimisy ihany izay ireo masimasin'olona :
Masimasin-teny
Masimasim-bava
Masimasin-tava
Masimasin-taolana
Masimasim-bovoka
Nandia ny tany masina,
Ilay Madagasikara.
Kanefa hatramin'izao !!!... firy no nahovoka ?
Fahafiry i Gasikara raha isaina avy ao afara ?

Tokoa efa mibanaka ny tany ngazanay !
Kivy ny vahoaka,
Monina amin'ny herisetram-pahefana sy antsonjay :
Adilahy pôlitika, ra mandriaka, kolikoly, halatra omby,
halatra olona, hala-tany, fonja vaky, tsatok'antsy,
fanolanana, faminganana, fitokonana, fandrahonana,
varo-maizina, "Ary hatrany ny madinika no faizina"
Tato ho ato koa ny lozam-pifamoivoizana
ikoizana !

Dia tonga, hono , ianao o ry fahafirin'ny mpamonjy ?!
Hizaha tany sa hamangy, amin'ireto fahoriana ?
Hamafa ranomaso sa hanala fangidiana ?

Dia tonga mihitsy ianao !...
Manantena anao ny Gasy, efa zatra, zatra miandry
Tena zatra, zatra mandry
Vahoaka an-tapitrisa
Zatra nampandriana adrisa.

Fa tonga koa ianao, angamba, asa, hanao sonia ?!
Fa manana harena, hono, ity Gasikaranay ity !
Dia mitondra voandalana rehefa mody ianao
Mba hitsiriritra koa "ireo izay ho avy vaovao".

NGALY, Toamasina 12/05/2016

Fivorian’ny Sampana Toamasina isaky ny Alahady faharoan’ny volana
Ny fahatongavan’ny Gazety Ambioka

Firahalahiana ato amin’ny Sampana Toamasina EZRA. S., Dodwi RAJAOFETRA, NGALY, S. TAFITA

NGALY miantsa tononkalo amin’ny mpianany


NGALY teo am-panatontosana ny fakana sary hatao amin’ny  fandaharana
KOLO ART’S

NGALY, eo am-panatanterahana ny fakana sary amin’ny fandaharana SORA-BOLANA ao amin’ny fahitalavitra FEO MAZAVA ATSINANANA (FMA) Toamasina
Sary : Ngaly
Pôetawebs©2018 - poetawebs@gmail.com

Date de dernière mise à jour : 27/01/2019