Créer un site internet
Ny pôeta raha miteny
dia mampita izay mba reny
sady saininy ombieny
amin'ny gadona avo lenta
mampitony hetaheta :
bitsik'ivan'ny pôeta.
 
T.Ràja
25 febroary 2019
FIAROVANA SANGANASA

"Tsy azo adika na alain-tahaka raha tsy mahazo lalana avy amin'ny Pôetawebs fa voararan'ny lalàna 94-036 ny 18 septambra 1995 mikasika ny zon'ny mpamorona sy ny mpanakanto".

TAMBATRA POETIKA
- Vahinin'ny Pôetawebs -

Tsara hono tompoko ny iray noho ny roa fa raha mihinana tsy mizara; tsara ny roa noho ny iray fa raha lavo misy mpanarina; ary tsara ny telo noho ny roa fa raha miady misy mpanelanelana. Ankehitriny dia mandray vahiny telo be izao isika mpiseran'ny Pôetawebs, izay toko telo mahamasa-nahandro ny antsa tononkalo antsoina hoe : "Tambatra poetika". I Léa Fandresena no mitapatapakahitra amin'izy ireo.

Léa Fandresena
Faly miarahaba anareo izahay. Azonareo ambara ny mpanaraka ny Tapatapakahitra ve ny momba anareo?

 


Gasy Masiaka
Faly miarahaba anao Léa, faly koa miarahaba ny mpanaraka ny fandaharana ary manantitra sahady ny fisaorana anareo nandray anay. Ny tenako, Gasy Masiaka, dia poeta, mpanoratra, nanomboka nilona tanteraka ny taona 2016 izay nandraisako an'ity anarana ity. Ny tsy nidirana anaty fikambanana hatreto dia mbola safidy manokana angamba.
Ny "Gasy Masiaka" aloha dia tsy misy avy amin'ny anarako mihitsy, satria Rafanomezantsoa Tolojanahary no tena anarako. Ny gasy dia nosintonina avy tamin'ny hoe "Malagasy", satria Malagasy aho. Ny "masiaka" dia anehoana hoe saro-piaro aho amin'izay mahakasika ny Malagasy, ny olona "masiaka" koa, raha araka ny niheverako azy, dia olona sarotiny, matotra ary vonona hiatrika sy tsy manaiky resin'ny famoizam-po, tsy mety resin'ny alahelo. Hita taratra anatin'ny soratro izany.

Ra.J.A.
Ombako manana ny arahaba nentin'i Gasy Masiaka. Tsikivy Ratovoniaina no anarana entiko anaty tambajotran-tserasera Facebook fa Ra.J.A. no isalorako anaty asa soratra. Ratovoniaina Jules Aimé kosa no fanalavana azy. Fony kely dia efa nanoratsoratra aho. Saingy ny TAONA 2017 vao tafiditra tanteraka tao anatiny.

Ny Anoka
Miarahaba ny mpanentana sy mpanaraka ny Tapatapakahitra tompoko! Ny Anoka dia zanak' i Faratsiho fa monina aty Antananarivo. Mpanoratra aho, mpiantsa ary poeta. Ny 2015 no taona nanoratana ary ny alahelo, fitiavana, fahafatesana no tara-kevitra anaty asa soratro! Izay no Ny Anoka.
 

Léa Fandresena
Efa nisy hetsika nataonareo tsirairay avy ve na niaraka tamin'ny namana hafa talohan'izao hetsika hiarahana amin'ny faha-27 ny volana febroary ho avy izao?

Gasy Masiaka
Efa nanao hetsika, nampisalorana ny hoe "Voamaintilany", izay niombonan'ny olona efatra nanatontosa ka nahitana an'i Ny anoka, ny tenako Gasy Masiaka, ary ry Feo Ny Fitia sy Andoniaina Cristelle.

Ra.J.A.
Raha ho ahy manokana dia efa nisy tamin'iny taona efa nivalona iny. Niarahana tamin'ny pôeta mivondrona ao amin'ny Haintso telo (H.H.H) izay fikambanana nanao vakisehatra voalohany tamin'io taona io.

Ny Anoka
Misaotra amin' ny fanontaniana. Nisy ny hetsika efa natao dia izay efa voalazan'i Gasy masiaka teo, hetsika famoaham-boky "Voamaintilany".

Léa Fandresena
Ambarao amin'izay àry ny hetsika karakarainareo amin'io faha-27 ny volana io.

Gasy Masiaka
Eny tompoko, nandritra ny fiandohan'ity taona 2019 ity dia tsikaritra ho nangingina ny sehatra raha ny tononkalo no resahina, teraka teo ny hevitra hoe andeha àry isika hanomana hetsika hitambaran'ny rehetra, koa dia nampisalorana ny anarana TAMBATRA POETIKA, hotontosaina ny 27 febroary 2019 izao. Ny tanjona aminy moa dia ny hanehoana ny firaisankina sy fiombonana eo amin'ny mpankafy sy ny mpiangaly soratra. Eo ihany koa ny fifankahafantarana ary ambony noho izay moa ny fanandratana sy fanomezan-kasina ny kanto malagasy.

Ny Anoka
Misaotra amin' ny fanontaniana. Nisy ny hetsika efa natao dia izay efa voalazan'i Gasy masiaka teo, hetsika famoaham-boky "Voamaintilany".

Léa Fandresena
Ambarao amin'izay àry ny hetsika karakarainareo amin'io faha-27 ny volana io.

Gasy Masiaka
Eny tompoko, nandritra ny fiandohan'ity taona 2019 ity dia tsikaritra ho nangingina ny sehatra raha ny tononkalo no resahina, teraka teo ny hevitra hoe andeha àry isika hanomana hetsika hitambaran'ny rehetra, koa dia nampisalorana ny anarana TAMBATRA POETIKA, hotontosaina ny 27 febroary 2019 izao. Ny tanjona aminy moa dia ny hanehoana ny firaisankina sy fiombonana eo amin'ny mpankafy sy ny mpiangaly soratra. Eo ihany koa ny fifankahafantarana ary ambony noho izay moa ny fanandratana sy fanomezan-kasina ny kanto malagasy.

Léa Fandresena
Ahoana indray àry ny momba ny fandaharam-potoana amin'io ry Ny Anoka?

Ny Anoka
Ny fandaharam- potoana dia nalahatra ho toy izao :
- Amin'ny folo maraina ka hatramin'ny iray sy sasany no manomboka ny antsa malalaka, izany hoe afaka miantsa izay te hiantsa.
- Amin' ny iray sy sasany ka mandra-pirava no hiantsan'ireo voasoratra anarana!

 

Léa Fandresena
Ahoana tokoa moa ny fomba fisoratana anarana?

Ra.J.A.
Raha te handray anjara amin'ny hetsika dia mandefa someso na hafatra miafina aminay mpikarakara. Gasy Masiaka, Ny Anoka, Tsikivy Ratovoniaina.
Nanolotra tara-kevitra efatra (4) hisafidianana izahay : Pôezia, Tanindrazana, Fitiavana (lahy sy vavy), ary fasana. (Raha ny marina dia efa nikatona ny fisoratana anarana).
Ny mpandray anjara dia tsy mitondra anarana fikambanana ary tsy mitondra loko pôlitika ihany koa. Ny tenan'ny mpiantsa sy ny fitiavany ny fihavanana eo amin'ny samy pôeta ary ny firaisankina amin'ny samy mpikanto anaty literatiora an-tsoratra no ilaina.

Gasy Masiaka
Malalaka be io fotoana io, tsy misy ora natokana hisakafoanana, izany hoe samy miantoka ny sakafo, misy antsa tsy tapaka mihitsy izany eo raha ny izy!

Léa Fandresena
Ilaina fanentanana angamba ireo mpisera!

Ny Anoka
Tongava maro ho voninahitry ny Literatiora Malagasy sy ho mariky ny fiombonan'ny pôeta sy ny mpankafy! Tombony ho anao tonga ao ny fihaonana mivantana amin'ireo mbola tsy hita! Mifanentàna fa ny "Tao-trano tsy efan'ny irery!"

  MIJOROA, SAHIA

Mijoroa ianao Pôeta,
Sahia hiaro riaka;
Sahia ianao hasiaka
Fa ny fanatontoloana mitady hametaveta ny tenindrazantsika.

Meteza ho sarotiny
sy tsy hataho-maso mena
fa ny tenim-pirenena
tsy havelantsika ho potiny
tsy havelantsika hivena.

Pôeta ianao, Mpanoratra
ka sahia mijoro
sahia ianao manohitra
ireny namantsika
minia manova dika.

Ny Anoka
Andavamamba-67 ha ( Antananarivo - Madagasikara)

Ra.J.A.
Manentana anao tia ny kanto anaty soratra, tia tononkalo, tia ny soatoavina maha Malagasy, tia ny literatiora... ho tonga maro amin'ny alarobia 27 febroary ho avy izao. Fa sady ho solom-piarahabana nahatratra ny taona izy io no fanehoana ny firaisankinantsika samy pôeta.

Gasy Masiaka
Anterina sy hatevenina hatrany ny fisaorana sy ny fankasitrahana ny Pôetawebs sy ny mpanaraka ity efitry ny Tapatapakahitra ity. Manasa antsika, na mpankafy ianao na mpiangaly, tongava maro dia entano ny havana aman-tsakaiza, hianoka isika, hifampizara isika ary hifankahafantatra ihany koa. Misaotra indrindra tompoko!

Léa Fandresena
Ahoana ny fahitanao ny literatiora ankehitriny sy ny firoborobon'ny famoaham-boky ry Ra.J.A.?

Ra.J.A.
Raha amiko manokana, tsy dia irotorotoana aloha ny famoaham-boky raha toa ka "hevi-mamololona" sy kisoratsora-poana no haely sy holovain'ny taranaka any aoriana. Noho io indrindra no tsy mahamaika an'i Tsikivy Ratovoniaina na i Ra.J.A. amin'ny hazakazaka hamoaka boky.

Léa Fandresena
Ahoana indray Gasy Masiaka ny hevitrao hanatsarana ny literatiora ankehitriny?

Gasy Masiaka
Mila ezaka goavana izy ity ary mila ny finiavan'ny tsirairay, indrindra fa isika mpiangaly azy. Satria efa mby ho takon'ny fanatontoloana. Amiko dia tokony hotezaina sy hovolavolaina ny zaza madinika, izany dia mitaky andraikitra goavana avy amin'ny Ray aman-dReny. Eo ihany koa ny fandraisana andraikitry ny Fanjakana, amin'ny fanohanana sy fanamorana ny hetsika ara-javakanto tanterahina.
Tsindriako etoana fa ny zaza no mila volavolaina hankafy sy ho tia vaky boky satria ireny no hoavin'ny firenena atsy aoriana.

Léa Fandresena
Eo amin'ny literatiora sy ny resaka pôlitika izay nisian'ny fihantsiana teo aloha, ahoana indray ny hevitrao Ny Anoka?

Ny Anoka
Misaotra anao Léa fa tsara fipetraka ny fanontanianao! Niseho tokoa ny fifampihantsiana teo amin'ireo pôeta sasantsasany ka saika nahakitika ny zoron-damban'ny Literatiora! Amiko anefa dia tokony hatao aloka miserana ihany ireny fa tsy hitoetra akory!

Léa Fandresena
Misaotra anareo nivahiny teto amin'ity efitra iray natokan'ny Pôetawebs itafatafana ity. Mirary soa anareo ho an'ity hetsika TAMBATRA POETIKA ity!

Ra.J.A.
Eto am-pamaranana dia misaotra ny Pôetawebs nandray anay. Misaotra an'ireo mpanaraka tsy tapaka ity tranonkala ity koa.
  MIJOROA, SAHIA

Moa va tafita

Hanoratra aho kanefa:
Hiantoraka amin'iza ny hevi-mamololona?
Amin'iza no hiantefa?
Moa va mba mahazo ny isam-batan'olona?
Sa,... soratra hetaheta,
no vinaky sy voatonona dia antsoina fa hoe kanto?
Raha kisoratsora-poana, ho poizina iny manko e!

Dia lasa izany saiko:
Moa va mba miako ny hira izay hantsaiko?
Moa va miampita ny angano tantaraiko,
rehefa izaho mivolana?
Sa riaka nentin'orana nandalo dia niserana,
ka tsy tody fara-tanjona dia tsy afaka namelana?

Baraingo maro izany e!
Fa haeliko eny foana, hantsaiko koa hanerana,
rehefa ela ve ny ela,... Mety hamaka ihany izy dia hamody sy hamelana.

Ra.J.A. 13/02/19. Tamin'ny 02:30 folakandro tao am-piasana.


Gasy Masiaka
Anterina sy hatevenina hatrany ny fisaorana sy ny fankasitrahana ny Pôetawebs sy ny mpanaraka ity fandaharana ity. Manasa antsika, na mpankafy ianao na mpiangaly hanatrika ny TAMBATRA POETIKA.

Ra.J.A.
Marihina moa fa tsy misy Vidim-pidirana io hetsika io.

 

Pôetawebs©2019 - poetawebs@gmail.com

Date de dernière mise à jour : 26/02/2019