Créer un site internet
Ny pôeta raha miteny
dia mampita izay mba reny
sady saininy ombieny
amin'ny gadona avo lenta
mampitony hetaheta :
bitsik'ivan'ny pôeta.
 
T.Ràja
28 mey 2019
FIAROVANA SANGANASA

"Tsy azo adika na alain-tahaka raha tsy mahazo lalana avy amin'ny Pôetawebs fa voararan'ny lalàna 94-036 ny 18 septambra 1995 mikasika ny zon'ny mpamorona sy ny mpanakanto".

 Fahatelopolo taonan'ny Faribolana Sandratra

RATSIFA, PÔETAN'NY "ERITRA SY NOFY"

Pôeta vehivavy mpiraifaribolan'ny Sandratra Ratsifa, hamoaka boky ary hanolotra izany amin'ny alalan'ny hetsika tononkalo ny sabotsy 1 jona izao ao amin'ny CGM/GZ Analakely. Nahazo tombony kely ny Pôetawebs fa afaka nianoka ny atin'ny boky. Maharesy lahatra ny hakantony ary ampoizina ho hafa mihitsy ny fanehoana azy an-tsehatra, araka ny hita amin'ny petadrindrina hoe : "Dihy sy Tsangantononkalo". Ahoana izany hoy ianao? Alohan'ny hahitantsika ny marina, amin'ny sabotsy, dia efa azonao raisina ny ampahany amin'ny alalan'ny resaka mialoha nifanaovany tamin'i Toetra Ràja teo amorom-patana.

Toetra Ràja
Miarahaba anao Ratsifa ary misaotra indrindra mivahiny eto amin'ny Pôetawebs. Azonao hazavaina ve ny anarana diam-peninao "Ratsifa"?

Ratsifa
Miarahaba antsika rehetra mpitsidika ato anatin'ny tranonkala Pôetawebs ny tenako. Ratsifa rehefa manoratra dia malalaka be, izany hoe misandrahaka amin'ny tontolo maro, fitiavana olon-droa, fitiavana Tanindrazana, fitiavana Ray aman-dReny sy zanaka, ny fiaraha-monina, ny zavaboahary tontolo hita maso... Ratsifa koa anefa matetika dia tsy mitehi-tany rehefa manoratra fa mihira ny fanahy eny anivon'ny tontolo tsy hita maso.

Toetra Ràja
Azoko tsara : ny lalan'ny pôeta tsy lalan'ny rehetra. Azonao tanisaina àry ve ny lalana nodiavinao teo amin'ny soratra?

Ratsifa
Toy izao no azo anazavana ny lalana nodiaviko ka nahatongavako amin'ny izao toerana maha mpanoratra izao. Vao 6 taona monja aho dia maty dada, tsapako nisy akony teo amin'ny fiainako ny fahabangana nisy ka antony voalohany nanoratako tononkalo, 11 taona monja aho dia efa nanoratsoratsoratra tononkalon'ny fo... 17 taona aho no niditra tao anatin'ny fikambanan'ny mpanoratra sy pôeta. Nanomboka nandefa asasoratra tamin'ny onjam-peo ny taona 2006... ary tsy nitsahatra nanoratra nanomboka teo.

Toetra Ràja
Dia manoratra, manoratra, manoratra... ary efa namoaka boky?

Ratsifa
Maro be ireo boky ahitana ny diam-peniko ka nivoaka voalohany tamin'izany ny "INONA NO MIAFINA ETO" niarahana tamin'i Solofo José.  Am-panajana no anononana ny anaranao eto Zokibe sady Rain'ny Faribolana Sandratra. Taorian'izay dia namoaka ny "TOLOM-PITIAVANA" niaraka tamin'i Haingohaja aho ary tamin'ireo vehivavin'ny Faribolana Sandratra ny "SARAMBA MIKALO 1 sy 2". Namoaka ny FANTSY ihany koa  izaho sy i TSY AVAHANA... Maro tsy ho voatanisa ireo bokin'ny mpiray Faribolana misy ny asa soratro...fa hatreto ihany aloha no azoko lazaina.

Toetra Ràja
Ankehitriny indray dia teraka i ERITRA SY NOFY. Azonao hazavaina ve io lohateniny io?

Ratsifa
ERITRA SY NOFY... no lohateny nosafidiako amin'ity boky manokana havoakako amin'ny 1 Jona 2019 ity. Izany hoe ny nandikako azy dia eritreritra manakatra nofy ho tanteraka... hotanterahina, hanovana ny fiainana amin'ny ankapobeany. Izy io dia boky feno nataoko ho an'ny olona rehetra satria tantarainy ao daholo ny fiainana ankapoben'ny olona : fahantrana, fitiavana, Tanindrazana, zavaboahary, mpanakanto... sy maro tsy voatanisa.

Toetra Ràja
Feno tokoa araka ny voalazanao izy izany! Etsy hoe horaisiko indray! Ahoana re ny azo amaritana ny hakanton'izy ity!  

Ratsifa
Ny endriny aloha dia natao tsotra kanefa tokony ho ao amin'ilay itiavan'ny mpanjifa azy. Ny kanto ao anatiny dia mifameno amin'izay tsy natranga tety ivelany. Izay rehetra izay, miampy sary vitsivitsy nentina nandravaka azy, no voarakitra ao anaty takila 120.
  Fahatelopolo taonan'ny Faribolana Sandratra

 

Toetra Ràja
Eto am-piandohana isika dia mahita ny sasin-tenin'i Tsiky Rakotomavo. Mifankahalala tsara va ianareo?  

Ratsifa
Fantatro manokana i Tsiky Rakotomavo izay nanao ny sasin-teny, ary nosafidiako manokana ihany noho izy Reny mpiahy ny Faribolana Sandratra... Tsy izay ihany anefa no anton'ny safidiko fa mba tiako koa hoe vehivavy toa ahy ihany no manao ny teny fanolorana an'ity boky tononkalo voalohany havoakako ity.

 

Toetra Ràja
Anao manokana tokoa ity boky ity. Asa na tsiambaratelo na tsia ilay tsikaritro tao amin'ny takila faha 73 teo, ilay hoe "Mangina". Niainana ve ny tahaka ireny?

Ratsifa
Eny, misy niainako tokoa! Ary azo lazaina fa na miresaka fiainan'ny fiaraha-monina aza ny maro amin'ireo tononkalo ao anatin'iny boky iny dia sahiko ny milaza fa niainako satria ny fiaraha-monina no nitaiza sy nanabe ahy. Izy no nanosika ahy bebe kokoa hanoratra sy hisolo tena azy ireny mitaraina ny fiainana tsy zakany.

Toetra Ràja
Manampy ny fiaraha-monina hamoaka alahelo ny pôeta kanefa mampita hery hampitraka koa toy ny fahita amin'ireo andalan-tononkalonao fohifohy andalana kanefa mora raisina sy mora tadidy. Raha hanome torohevitra mahasoa ny pôeta ianao, anisany ve ny endri-tononkalo tahaka izao?

Ratsifa
Eny, anisany tokoa! Ireny tononkalo ireny no ilay lazain'ny pôeta hoe "kely fofon'aina", saingy tsy mahasakana ny pôeta tsy ho be fofon'aina koa anefa izany satria ny aingam-panahy no mitondra azy ho lava na fohifohy.
  MANGINA
 
Fahatsiarovana no sisa
Mameno ny ao am-po
Eritreritra maditra
Mandefa ambiroa
Misaina indray anao
Any lavitra any
Manina anao ka
Mila hitomany
Sentom-po mitanisa
Ny ora niarahantsika
No mibahana anaty
Maningotra tsy tanty
Ka mila anao ry tiana
Irery aty mangina
 
RATSIFA 09/08/2013
in Eritra sy Nofy, tak 73

Toetra Ràja
Eo amin'izay endrika izay ihany, azo lazaina ho mifanohitra amin'io "kely fofon'aina" io ireo lahatsoratra maromaro hita ao amin'ny boky toy ny "Embona" tak. 78. Ireny ve no "riankalo" mahavantana ny mpiraifaribolana Sandratra?

Ratsifa 
Misy lahatsoratra maro tokoa ao, "riankalo" tokoa no ilazan'ny Faribolana Sandratra azy. Ireny lahatsoratra ireny dia toy ny taratasy tsiambaratelo nosoratan'ny mpifankatia fahiny ary nomen'ny Faribolana Sandratra anarana kanto hoe : Riankalo, izay tononiko manokana eto ny anaran'ny Zokibe Ranoe namorana io anarana io. 

Toetra Ràja
Etsy indray hoe hotarafina ny lohahevitra. Maromaro ireo tononkalo momba ny tanindrazana ao toy ny "Nivavaka aho". Anisan'ireo pôeta tia tanindrazana ve Ratsifa? 

Ratsifa
Eny, anisany tena saropiaro amin'ny tanindrazantsika aho. Mahonena ahy indrindra ity Madagasikara malalantsika ity, indrindra ny vahoaka ao aminy. Anisan'ny fanehoana ny fitiavan-tanindrazana ny fanampiana ny mpiara-belona eo akaikinao sy ny hitan'ny maso aloha.

Toetra Ràja
Momba izay "akaikinao" izay indrindra, mahavantana ny pôeta maro ny lohahevitra "fitiavana". Mampihetsi-po ohatra ilay hoe "Tiavo aho" - tak. 80. Tao anatin'ny fotoana inona no mety ho nipoiran'izany aingam-panahy mampiontana izany?

Ratsifa
Ratsifa dia mahagaga ny mpandinika sy ny mpamaky sasany amin'ny fomba fanoratra satria toa misaina toy ny lehilahy hoe izy rehefa manoratra, kanefa vehivavy. Izany hoe raha tokony hanoratra fitiavana be mampitaraina sy misento dia manoratra fitiavana mivatravatra, mitory fitiavana. Asa, nisy akony tamin'ny fitaizana ahy koa angamba izany?

Toetra Ràja
Ampahatsiahivo kely hoe ireo lohahevitra ijoroan'ny tononkalonao?

Ratsifa
Efa voalazako tetsy ambony ireo lohahevitra ijoroko, fa mivelatra be aho eo amin'ny lafin'ny soratra, tsy tononkalom-pitiavana olon-droa ihany fa ao ny fiaraha-monina sy ny zavaboahary, ny tontolo iainana, ny Tanindrazana...

Toetra Ràja
Oviana tokoa moa ianao no tafiditra tao amin'ny Faribolana Sandratra?
  TIAVO AHO
 
Tiavo aho, fa tsy anenenanao
Ny miara-dalana amiko
Tiavo aho, hameno fahasambarana
Ny any anatinao
Tiavo aho, dia ho feno fifaliana
Ny androm-piainanao
Tiavo aho, midira anaty foko
Voahary sy tontolo tsy anananao
Tiavo aho, fa ny androko rehetra
Ho androm-piainanao
Tiavo aho, dia hofenoiko kalo
Arahim-betson-kira
Anatin’ny fonao
Tiavo aho, hitia anao irery
Anaty nofy tsy mety lany.
 
RATSIFA  14/09/10
in Eritra sy Nofy, tak 80

Ratsifa
Tamin'ny taona 2007 aho no nampidirin'i Solofo José sy Nofy tao anatin'ny Faribolana Sandratra. Tsy dia nisy antony manokana loatra fa rehefa nivezivezy nanatitra ny sangan'asako teny amin'ireny onjam-peo ireny aho dia nifanena tamin'izy ireo ary izy ireo no nanosika ahy ho ao anatin'ny Faribolana Sandratra.

Toetra Ràja
Azo lazaina fa mpifanakaiky avokoa ianareo ao raha ny fahitana azy ety ivelany. Iza kosa no tena namana azo tsongaina mpifanerasera matetika aminao ao?

Ratsifa
Eny e! Mifanakaiky  avokoa kanefa misy maromaro izahay no tena tafaraka matetika toa an'i Nirihaja, Riambola Mitia, Ony Mihajanirina, Andriniela, Tsitohery...

Toetra Ràja
Dihy sy tsangantononkalo no hotanterahina amin'io. Azonao hazavaina ho an'ny maro ve aloha ny hevitry ny "tsangantononkalo"?

Ratsifa
Ny atao hoe Tsangantononkalo dia tononkalo atao tsianjery haseho amin'ny endrika Teatra.

Fahatelopolo taonan'ny Faribolana Sandratra   Toetra Ràja
Misy tarika na fikambanana hanafana ny sehatra amin'ny dihy ve izany?

Ratsifa
Ry zareo avy ao amin'ny T-MOVIE no fikambanana hanafana ny sehatra eo amin'ny lafin'ny dihy.

Toetra Ràja
Misy namana mpanampy ve ianao amin'ny antsa tononkalo?

Ratsifa
Misy namana maromaro avy ao amin'ny Faribolana Sandratra toa an'i Tsitohery, Tiavina, Nirihaja, Andriniela, Mina Ilarion, ary misy ihany koa ny avy any ivelany toa an'i Andoharinjaka.

 

Toetra Ràja
Inona no mety hampiavaka io hetsika io?

Ratsifa
Ao aloha ireo tononkalo fitiavan-tanindrazana haseho amin'ny alalan'ny dihy mandritra ny fizarana voalohany ary holalaovin'ireo mpandihin'ny T-movie. Ny Fizarana faharoa indray dia tsangantononkalo miendrika teatra. Mpihira nasaina manokana hanelanelana io seho io i Bodomahavanona.

Toetra Ràja
Aorian'ny "Eritra sy Nofy", efa nihevitra ny vina manaraka ve Ratsifa?

Ratsifa
Ny Vina tsy maintsy misy foana saingy tsy maintsy maka fotoana lava hanomanana azy toy ny nanomanana ity boky ity efa ho herintaona mahery izao izy vao havoaka izao.

Toetra Ràja
Manana hafatra hampitaina ho an'ny mpiseran'ny Pôetawebs ve ianao?

Ratsifa
Ny hafatro ho antsika mpisera ato amin'ny Pôetawebs dia izao: ankafizo ny Literatiorantsika, tiava mamaky boky ary tohano hatrany ireo mpanoratra malagasy indrindra ny tanora fa manandratra ny antsika izy ireo rehefa miaro ny tenindrazany sy ny Tanindrazana amin'ny alalan'ny ny haisoratra.
Dia misaotra indrindra an'i Toetra Ràja sy isika mpiseran'ny Pôetawebs... Veloma tompoko.

Toetra Ràja
Misaotra anao ny Pôetawebs ary mirary fahombiazan'ny hetsika sy ny boky "Eritra sy Nofy"!

 

poetawebs@gmail.com