Créer un site internet
PÔETAWEBS "Tsy azo adika na alain-tahaka raha tsy mahazo lalana avy amin'ny Pôetawebs fa voararan'ny lalàna 94-036 ny 18 septambra 1995 mikasika ny zon'ny mpamorona sy ny mpanakanto"

05 nôvambra 2019
Ny pôeta raha miteny
dia mampita izay mba reny
sady saininy ombieny
amin'ny gadona avo lenta
mampitony hetaheta :
bitsik'ivan'ny pôeta.
 Toetra Ràja


KÔNFERANSA MOMBA NY SORATRA

Tapatapakahitra niarahana tamin'i Sitraka Feno Tanteraka

Pôetawebs   Pôetan'ny teny malagasy, Heriniaina Jean Michel fantatra amin'ny solon'anarana hoe Sitraka Feno Tanteraka no vahinin'ny Pôetawebs anio. Heriarilala Andriamamonjy no mitafa aminy. Anisan'ireo mifanome tanana hahatontosa ny Kônferansa Momba Ny Soratra izay karakarain'ny Vondrona Koloiko sy Hajaiko ny Teniko izy amin'ny 9 novambra ho avy izao. Anisan'ny namorona ny pejy "Ahoana no fanoratra ?" ao amin'ny Facebook koa izy ny taona 2017. 

 

Heriarilala Andriamamonjy
Faly miarahaba anao Sitraka Feno Tanteraka tonga soa eto amin'ity efitry ny tapatapakahitra ity.
 
Sitraka Feno Tanteraka
Miarahaba anao Heriarilala Andriamamonjy, miarahaba ny mpanaraka ny tranonkala Pôetawebs ihany koa.
 
Heriarilala Andriamamonjy
Misy ny hetsika Kônferansa Momba ny Soratra izay karakarainareo amin'ny faha 9 nôvambra ho avy izao. Azonao ampahafantarina anay ve hoe inona marina io hetsika io?
 
Sitraka Feno Tanteraka
Mikarakaraka ny Kônferansa Momba ny Soratra andiany fahatelo tokoa izahay izao, izay hatao amin'ny 9 nôvambra ho avy izao ao amin'ny Restaurant Haitsiron'Iarivo Alarobia. Ny Kônferansa Momba ny Soratra dia sehatra iray natao hifanakalozan-kevitra momba ny soratra sy ny tontolony, ary anasana ireo mpikirakira soratra (mpanoratra, pôety, mpanao zavakanto amin'ny alalan'ny teny sy soratra toy ny mpikabary, mpihira...) ary ny tena lehibe dia ny Malagasy tompon'ny teny malagasy sy mampiasa azy amin'ny andavanandrom-piainany. Misokatra tanteraka ny sehatra, izay tsy ivoizana loko pôlitika fa fitiavana ny teny aman-tsoratra.
 
Heriarilala Andriamamonjy
Azonao ambara fohifohy ve ny momba ny mpikarakara sy ny mpanohana?
 
Sitraka Feno Tanteraka
Ny Kônferansa Momba ny Soratra andiany fahatelo, toy ireo teo aloha, dia karakarain'ny Koloiko sy Hajaiko ny Teniko. I Riambola Mitia no handrindra azy ary hotronin'ireo komity mpikarakara : Hary Razafy, Benja, Mainty Kely. Ny mpanolotsaina manokana dia i Hobiana sy Sitraka Feno Tanteraka. Isaorana manokana eto ireo nanampy sy nanohana toy ny fikambanana Zoromanga, ny Restaurant Haitsiron'Iarivo, ny fahitalavitra TVM, ny UNESCO, sy ireo maro tsy voatanisa.
 
Heriarilala Andriamamonjy
Hisy velakevitra hotontosaina amin'io, iza avy ireo handray anjara amin'izany ary inona avy ireo mason-tsivana nifantenanareo azy?
 
Sitraka Feno Tanteraka
Enina mianadahy no mpandray anjara amin'ity taona ity : Gaby Kely, Jirompanahy, Mihanta, Poety Rebely, Voniary ary Ony Ravorombato. Ny fomba nifantenana azy kosa dia ny tsy fivaonana ivelan'ny vala nofaritana dia ny teny sy ny soratra. Ny volana aogositra no efa nisy ny antso ho fandraisana anjara, maro ireo naniry ho voafantina kanefa izy enina mianadahy no nahafeno sy tafiditra tsara tao anatin'ny fepetra notakiana.
 
Heriarilala Andriamamonjy
Inona no tena tanjona amin'ny Kônferansa Momba ny Soratra?
 
Sitraka Feno Tanteraka
Ny tanjona dia ny hifanakalozana fahalalana, hampitoviana fijery ny amin'ny lesoka tokony harenina, ny amin'ny fanatsarana sy fiarovana ary fampiroboroboana ny teny malagasy amin'ny famohafohazana ireo tsara tokony halain-tahaka. Raha sokajiana ho aina mantsy ny teny dia heverina fa ady iombonana ny fanomezana lanja ny teny sy ny soratra malagasy.
  Pôetawebs

 

Heriarilala Andriamamonjy
Amin'ny maha Kônferansa Momba ny Soratra azy izay, ilay fomba fanoratra ny teny malagasy ve no hivalamparana sa ny fomba famoronana asa soratra?
 
Sitraka Feno Tanteraka
Singa, akora fototra enti-mamorona ny teny sy ny soratra. Ny asa fanoratana no manodina sy mandrafitra azy ho kanto sy mahaliana ary misintona ny saina amam-panahy.
Raha miresaka asa soratra sy asasoratra ka odian-tsy hita ny teny sy soratra dia mandringa sy toy ny trano aorina ambony fasika ihany. Noho izany dia izay asa na famoronana mampiasa teny na soratra dia voakasik'izy ity avokoa.
 
Heriarilala Andriamamonjy
Hahazo toerana ve izany ny resaka tsipelina sy fitsipi-panoratana ny teny malagasy?
 
Sitraka Feno Tanteraka
Roa taona lasa izay dia voaresaka foana izy io, ary tsy ho latsa-danja amin'izany ny amin'ity taona ity satria dia hitondra manokana an'izay i Gaby Kely sy Jirompanahy ato anatin'ity Kônferansa Momba ny Soratra andiany fahatelo ity.
 
Heriarilala Andriamamonjy
Inona avy izany ny lohahevitra hoentin'ireo mpandray anjara amin'io?
 
Sitraka Feno Tanteraka
Ireto avy ny lohahevitry ny mpandray anjara tsirairay :
  • Gaby kely, "Ny tsipelina sy ny fitsipi-pitenenana manoloana ny asasoratra ankehitriny"
  • Jirom-panahy, "Licence poétique"
  • Mihanta, "Ny asasoratra ankehitriny: ny firoborobony, ny olany, ny vahaolana azo aroso"
  • Poety Rebely, "Teknika sy torohevitra fomba famoronana slam-poezia"
  • Voniary, "Teny Gasy 2.0 : Ny teny malagasy any amin'ny Aterineto"
  • Ravorombato, "Tantara an'onjampeo : Ny tantarany sy ny olan'ny mpanoratra ary ny teknikam-panoratana"
 
Heriarilala Andriamamonjy
Mazava araka ireo lohahevitra ireo fa anisan'ny tanjona amin'ity velakevitra ity ny fampakarana ny kalitaon'ny haisoratra malagasy amin'ny alalan'ny fampahatsiahivana hikajy sy hanaja ny fomba fanoratra. Inona no vokatra antenainareo aorian'io firesahana momba ny "licence poétique" sy famoronana slam-poezia io?
 
Sitraka Feno Tanteraka
Ho an'i Sitraka Feno Tanteraka manokana dia manantena fiovana sy fiakarana kalitao araka ny fanamarihanao aho, indrindra indrindra ny resaka "licence poétique” izay nahabe resaka tao ho ao. Inoako fa hazava amin'ny rehetra ny atao hoe Slam-poezia satria dia mitoetra ho zava-baovao hatrany izy ity amin'ny ankamaroantsika.
 
Heriarilala Andriamamonjy
Ampahatsiahivo àry ny fandaharam-potoana amin’io.
 
Sitraka Feno Tanteraka
Kônferansa Momba ny Soratra, hatao ny sabotsy 9 Novambra 2019, ao amin'ny restaurant Haitsiron'Iarivo Alarobia, ampitan'ny Lisea Teknika. Manomboka amin'ny 7 ora sy sasany maraina ny fanomezana "badges", ny famelaberalarana kosa dia manomboka amin'ny 8 ora sy sasany tsy diso.
 
Heriarilala Andriamamonjy
Amin'ny 7 ora sy sasany eny amin'ny Haitsiron'Iarivo Alarobia : anasana ny mpanao tononkalo, mpanao slam, mpampiasa ny teny malagasy rehetra. Ankasitrahana ianao Sitraka Feno Tanteraka nizara an'izay teto amin'ny Pôetawebs. Mandra-pitafa indray.
 
Sitraka Feno Tanteraka
Misaotra ny tranonkala Pôetawebs nampiantrano sy namoha varavarana.


Nandrindra ny takelaka : Toetra Ràja

poetawebs@gmail.com

Date de dernière mise à jour : 08/11/2019