Créer un site internet
Tapatapakahitra nifanaovan-dRamarolahy mirahalahy tamin'i Tsikimilamina Rakotomavo
PÔETAWEBS "Tsy azo adika na alain-tahaka raha tsy mahazo lalana avy amin'ny Pôetawebs fa voararan'ny lalàna 94-036 ny 18 septambra 1995 mikasika ny zon'ny mpamorona sy ny mpanakanto"

02 janoary 2020
Ny pôeta raha miteny
dia mampita izay mba reny
sady saininy ombieny
amin'ny gadona avo lenta
mampitony hetaheta :
bitsik'ivan'ny pôeta.
 T.Ràja

RAMAROLAHY MIRAHALAHY
MANOLOTRA NY BOKY "MASOANDRO MAMATONALINA"
Mpirahalahy mianala no vahinin'ny Pôetawebs. Ny itovizan'ireto mpiray tampo ireto dia izy ireo samy mpamoron-kira malaza. Pôeta koa izy ireo ary samy manana ny fomba fanorany kanefa tsapa ho mifameno, araka ny hita ao amin'ny boky "Masoandro mamatonalina" niarahana nanoratra. Hiresaka momba izay boky izay indrindra isika. Samy mamaly ny fanontanian'i Tsikimilamina Rakotomavo izy mirahalahy, dia tsy iza fa Ramarolahy Jaona sy Ramarolahy Lioka.
Pôetawebs
Ramarolahy Lioka
Tsikimilamina Rakotomavo
Ramarolahy Jaona

Tsiky Rakotomavo
Miarahaba anareo mirahalahy, inona no azonareo aroso? 

Ramarolahy Jaona
Faly mitafatafa eto amin'ny Pôetawebs ny tenako Ramarolahy Aina Nirina Jaona. Zanaky Ramarolahy Matio Mpitandrina, mpanoratra ary mpamoron-kira, sy Rasoanirina Suzanne vadiny. Ny Ramarolahy dia avy amin'ny anaran'i dada, ny Nirina dia avy amin'ny anaran'i mama, ny Jaona dia fiantsoana ahy. Ny Aina kosa izay tsy ao anatin'ireo rehetra ireo no noraisiko ho anarana amin'ny maha mpanoratra. Manambady an-dRazafindrasoamanalina Virginie, ary niteraka mianadahy. Nianatra teny Ankatso tao amin'ny sampam-pianarana "Teny sy Lahatsoratra ary Riba malagasy" aho talohan'ny nampianarako taranja malagasy tamin'ny sekolim-pinoana sy sekoly tsy miankina vitsivitsy. Tafiditra ho mpiasam-panjakana nitana birao taty aoriana.

Ramarolahy Lioka
Zanaky Ramarolahy Matio mpitandrina sy Rasoanirina Suzanne. Niofana tao amin'ny Centre de Formation Administrative - Androibe. Nanohy teny Ankatso tao amin'ny sampana Lalàna. Administrateur des services financiers misotro ronono. Nanambady an-dRanosiarivelo Lydie efa nodimandry. Manan-janaka roa.


Tsiky Rakotomavo
Mpamoron-kira no tena ahafantaran'ny olona anareo mirahalahy, Ramarolahy Lioka N. izao dia namorona ny "Jesoa Vato Fehizoro". Ramarolahy Aina Nirina Jaona kosa dia malaza amin'ilay hira hoe "Tsy hainay ny hangina". Azonareo tantaraina ve ny tantaran'ireo hira ireo?

Ramarolahy Lioka
Noforonina tamin'ny taona 2001 raha nitsabo ny vadiko voan'ny homamiadan'ny nono aho. Sitrana tamin'io aretiny io izy noho ny fitondran'Andriamanitra.

Ramarolahy Jaona
Marina tokoa fa teo amin'ny sehatry ny hira no tena ahafantaran'ny olona ahy. Ankoatra ny hira maro noforoniko ho an'ny antoko mpihira dia misy hirako tafiditra ao amin'ny fihirana fanampiny FJKM dia ny "Tsy hainay ny hangina" (FF7), "Mihirà fihiram-baovao" (FF13) ary ny salamo "Inona no havaliko" (FF75). Raha ny "Tsy hainay ny hangina" manokana dia hira natao hiderana an'Andriamanitra noho ny fitiavany antsika. Hira noforonina tamin'ny taona 1982 ho an'ny antoko mpihira Feon'ny Frenjy nisy ahy. Vetivety anefa dia niely sy nohirain'ny antoko mpihira maro hatrany amin'ny faritra izy io. Rehefa nanangana ny hiran'ny mpamoron-kira ao aminy ny foibe FJKM dia isan'ny voafantina tamin'izany io hira io.






Tsiky Rakotomavo
Hono ho'aho, inona no ataonareo ka mahatonga ny hira foroninareo ho mandona fo sy fanahy avy hatrany?

Ramarolahy Jaona
Isaorana ny Tompo raha mandona fo sy fanahy ny hira foroniko. Tsy dia misy zavatra atao manokana : entina am-bavaka hiasan'ny Fanahy Masina ao amiko mialoha ny hamoronana; tsy mandray zava-mahadomelina mba hanampy amin'ny famoronana. Raha tsorina dia aingam-panahy (Fanahy Masina) fa tsy ainga avy amin'ny fanahin'ny zava-mahadomelina.

Ramarolahy Lioka
Andriamanitra no manolo-tsaina fa fiasana fotsiny ihany ny tena. Mba gaga toy ny mpihaino koa ny tena sady misaotra ny Tompo.

Tsiky Rakotomavo
Misy maha samy hafa ny famoronana hira sy tononkalo ve raha ny fijerinareo sy ny fiainanareo izany?

Ramarolahy Jaona
Amin'ny ankapobeny dia mifanakaiky ny famoronana tononkira sy tononkalo. Misy fotoana aza indraindray tononkalo no omena ny mpamoron-kira hasiana feony. Ny maha samy hafa azy angaha dia ity : ny tononkira dia natao hivady amin'ny feonkira. Ny lokony dia tokony hitovy ka raha falifaly ny tonony dia toy izany koa ny feony, ary raha malahelohelo dia torak'izany koa ny iray. Tokony hitovy fingadona ihany koa ny tonony sy ny feony, ary voafetra hitovy halava izy roaroa. Tsy tahaka izany kosa ny tononkalo fa malalaka amin'izay itiavany azy ny mpamorona.

Ramarolahy Lioka
Manahirana kokoa ny mamorona tononkira noho ny tononkalo. Manery manko ny naoty, ny gadona, ny fanajana ny feo mafy sy malemy mba hampiteny ny tononkira.


Pôetawebs TIA SY TIANA

- Ny tiana ve no manina?
- Ny tiana ve ho manina?
Ny tia no fanimpanina
mararirary fo
sy lasa ambiroa,
dia malahelo lava,
tsy misoka-bava,
tsy mirana intsony
fa rotika ny fony,
manjary mihamahia;
izany angaha no tia!
- Ny hany mba voarainy?
- Tsy misy mba voarainy.
Tsisy hotantarainy;
tsy sombin-taratasy
mba ho solom-batsy,
tsy hafa-bava akory
nofisina matory;
tia ka toa voasazy
ny tiana maka ho azy
ka minia mangina;
izany angaha no tiana

RAMAROLAHY Lioka


IZAY VAO NY FANAHY

Ny tiana voninkazo,
ny vady jerijery;
mifono misitery
ny endriky ny tiana, fa mitondra hery
itiavana fanahy haharitra doria...
Fanahy mifankatia


Ny maso maso ihany;
ny tena nofo koa;
izay hitany ihany aloha
no azony tiavina vao ny fanahy sy fo


Ny Aina
(RAMAROLAHY Jaona)
1975


Tsiky Rakotomavo
Hiresaka ny boky "Masoandro mamatonalina" isika. Azonareo ambara ve ny mikasika io boky io?

Ramarolahy Lioka
Efa ela no nikasana azy saingy varimbariana teny ka nihemotra ny famoahana azy. Natao ho an'ny fianakaviana, mpianatra, mpampianatra, raha tsorina dia ho an'ny olona rehetra. Mihira ny fitiavana amin'ny endriny tsy voafetra.

Ramarolahy Jaona
Ny "Masoandro mamatonalina" dia boky tokony ho efa nivoaka ela raha ny fikasana. Ny anarana saika ampitondraina azy tamin'izany dia "Mianala". Arakaraka ny nihemoran'ny famoahana azy no nampitsiry ny hevitra hanova ny anarany. Mpirahalahy iray tampo no niray saina hamoaka azy ka nifantina asasoratra tany anaty vata tany. Asasoratra notsongaina, satria tsy azo atao be loatra fa raha matevina dia hahabe ny sarany, sady tsinjovina rahateo ny fahafaha-mividin'ny mpamaky. Heverinay fa feno ny boky raha ahitana tononkalo, sombintantara, ary famakafakana tsotsotra ka ireo no narafitray ao anatin'io boky io.

Tsiky Rakotomavo
Inona no heverinareo fa tena mampiavaka ity boky ity miohatra amin'ny hafa?

Ramarolahy Lioka
Boky nosoratan'olon-droa samy manana ny fomba fanorany. Noho izany, tsy dia mahamonaina ny mamaky azy. Toa boky kristiana ihany koa na dia tsy tao an-tsain'ny mpanoratra aza ny hanao azy ho toy izany. Asa na tombony izany na ny lesoka aminy.

Ramarolahy Jaona
Sarotra ny sady handinika no hodinihina; manahirana ny sady hitsara no hotsaraina. Araka ny hevitro àry dia ny mpamaky no tena afaka mandinika sy mitsara izay mampiavaka ity boky ity amin'ny hafa.


Tsiky Rakotomavo
Ahoana no fahitanareo ny fitobahan'ny tononkalo amin'ny aterineto?

Ramarolahy Lioka
Raha mitombo ny mpanoratra dia maha velom-bolo. Enga anie ka ho izay no marina!

Ramarolahy Jaona
Mahavelom-bolo ny fitobahan'ny tononkalo amin'ny aterineto satria maneho ny fahaveloman'ny literatiora malagasy. Misy toe-javatra vitsivitsy tianay hambara ihany anefa: toa midika ireny fa sarotra ny mamoaka boky na koa mihena ny fitiavan'ny olona mamaky boky ka any amin'ny aterineto no asisika ny sangan'asa.

Tsiky Rakotomavo
Inona no heverinareo fa tombony amin'ny fanapariahana ny tononkalo?

Ramarolahy Lioka
Fandraisana anjara amin'ny ankafizan'ny mpamaky ny teny malagasy, ka mitarika azy ho amin'ny fitiavan-tanindrazana.

Ramarolahy Jaona
Ilaina ny tononkalo hanabe ny fiaraha-monina, hanitsy ny meloka sy ho tohana ho an'ny marefo. Heverinay fa tombony lehibe ho an'ny firenena ny fiparitahan'ny tononkalo mba hanampy izay rehetra manana anjara fanabeazana amin'ny fikolokoloana ny maha olona ny olona sy ho fitarihana ny olona hankamamy ny tenindrazany.

Tsiky Rakotomavo
Hafatra ho an'ny mpiseran'ny Pôetawebs, indrindra mikasika ny boky "Masoandro mamatonalina"

Ramarolahy Lioka
Vakio ny boky "Masoandro mamatonalina". Samy hafa ny fomba fanoratry ny tsirairay ka ny fifampizarana toy izao no mampanan-karena ny kalitaon'ny asa soratra.

Ramarolahy Jaona
Asa masina ny fampahafantarana ny mpanoratra sy ny asasoratra toy izao. Mampirisika sy mampahery ny Pôetawebs izahay. Mivoaka ny boky "Masoandro mamatonalina", tsy ho fantatra avy hatrany izany raha tsy misy ny mpampahalala tahaka izao.

Tsiky Rakotomavo
Misaotra indrindra nivahiny teto amin'ny Pôetawebs ary maniry ny hitomboanareo laza sy hasina ary hitoetra amin'ny tantaran'ny literatiora malagasy hatrany anie ny anaranareo sy ny soratrareo mirahalahy mianala.

Ramarolahy Jaona
Aleo mifampisaotra hahatsara ny fifandraisana. Isaorana koa ny Pôetawebs nampiantrano anay. Hitohy hatrany anie ny asa tsara ataonareo hampivelatra sy hanapariaka ny tononkalo malagasy.

Ramarolahy Lioka
Misaotra tompoko!


Mpandrindra : Toetra Ràja
poetawebs@gmail.com

Date de dernière mise à jour : 02/01/2020