Créer un site internet
Tapatapakahitra nifanaovan'i Toetra Ràja tamin'ny Pr Andry Rasamindrakotroka
PÔETAWEBS "Tsy azo adika na alain-tahaka raha tsy mahazo lalana avy amin'ny Pôetawebs fa voararan'ny lalàna 94-036 ny 18 septambra 1995 mikasika ny zon'ny mpamorona sy ny mpanakanto"

07 jona 2020
Ny pôeta raha miteny
dia mampita izay mba reny
sady saininy ombieny
amin'ny gadona avo lenta
mampitony hetaheta :
bitsik'ivan'ny pôeta.
 T.Ràja
TAPATAPAKAHITRA

Rasamindrakotroka Andry Tiana
m
anazava ny tontolon'ny tononkalony

sary nindramina
Andry Rasamindrakotroka Toetra Ràja

Mivahiny eto amin'ny Pôetawebs Rasamindrakotroka Andry Tiana. Mahazatra ny maro ny fiantsoana azy hoe Profesora Andry Rasamindrakotroka amin'ny maha profesora fantatr'olona azy eto amin'ny firenena satria mpikaroka sy nitana andraikitra maro teo amin'ny fampianarana ambaratonga ambony sy ny sehatry ny fahasalamana izy. Efa voafidy ho solombavambahoakan'i Madagasikara tany Faratsiho izy ary efa voatendry ho ministry ny fahasalamam-bahoaka indroa miantoana. Marihina fa misy rohy mankany amin'ny sorapiainany sy ny tononkalony any amin'ny faran'ity takelaka ity. Tsy noho ireo andraikitra maro ireo anefa no iompanan'ny dinidinikay Pôetawebs aminy fa amin'ny maha pôeta azy, lafim-piainana tsy narentirentiny teo aloha. Eny, mpanoratra tononkalo hatry ny ela izy ary tapa-kevitra ny hamoaka boky ato ho ato. I Toetra Ràja no mitapatapakahitra aminy.
Toetra Ràja
Profesora, misaotra anao namaly ny antson'ny Pôetawebs sy manome voninahitra ireo mpiserany. Azonao hazavaina ve aloha ny tovana amin'ny anarana diam-penina isaloranao?


Rasamindrakotroka Andry Tiana
Misaotra ny Pôetawebs mampiantrano ary miarahaba ireo mpiserany. Miarahaba manokana an’i Zandry Toetra Ràja izay diso fantatro loatra.


Raha nivoaka ho mpitsabo ny tenako ary nandray asa voalohany dia voatendry ho Dokotera lehiben’ny Faripiadidiana Ara-Pahasalamana Imerina-Andrefana, vao naorina izy io tamin’izany ary nivondronana distrika efatra dia Antananarivo Atsimondrano, Ambohidratrimo sy Arivonimamo ary Ankazobe. Ny rainy Dokotera Rajaonarivony Daniel no Tale Ara-pahasalamana ny Faritanin’Antananarivo tamin’izany andro izany ary nampianatra sy nanampy ahy tamin’ny lafiny maro ka nahitako fahombiazana tamin’ny andraikitra nosahaniko teo anivon’ny firenena.
Raha miverina amin’ny fanontanianao aho Toetra Ràja, ny tononkaloko rehetra moa dia nosoniaviko amin’ny anaranay mivady Rasamindrakotroka Andry Tiana, Tiana no fanampin’anaran’ny vadiko, noho ny maha rano sy vary anay mivady eo amin’ny lafiny rehetra.

Toetra Ràja
Zava-dehibe aminareo mivady tokoa ity bokin-tononkalo havoakanao ity. Karazana tononkalo tahaka ny ahoana no mety ho hita ao anatin'ny boky?

Rasamindrakotroka Andry Tiana
Ity boky nosoratana ity dia mirakitra tononkalo vitsivitsy nosoratana teny antsefatsefan'ny fiainako manokana, na ny fiainan-tokantranoko, na koa ny fiainako teny anivon’ny fiarahamonina sy ny firenena. Maro tsy hita hotanisaina mantsy ny olana sy ny fahasahiranana natrehina; maro koa ny fahasoavana sy fahombiazana nirotsaka. Nisy ihany ny nosoratana tany aloha tany saingy tsy hita ny takelaka firaketana. Tsy mihambo ho mpanoratra akory, fa fampisehoana tsotra ny "embona sendra nandalo" nitodihana ny lasa na tsy hiverenana aza; niainana koa ny "andavanandron’ny ankehitriny"; namisavisana ny "tsy taza-maso", ny amin’ny ho avy, na dia tsiambaratelo tanteraka aza izany. 

Toetra Ràja
Na dia havanana amin'ny fahaiza-mandaha-teny aza ianao amin'ny maha mpampianatra sy mpanabe anao dia mbola vatranao ny mampita hafatra amin'ny alalan'ny tononkalo. Inona no antony?

Rasamindrakotroka Andry Tiana
Tsy mihambo ho mpanoratra aho, satria tsy talentako izany, fa mba mizara ny vita kely kosa teny antsefatsefan’ny adidy sy andraikitra maro izay nosahanina mba hanomezana lanja ny teny malagasy. Amin’ny maha mpanabe ahy, nampiasaiko izany tononkalo izany handraisako anjara amin’ny fanabeazana ny olom-pirenena rehetra. Mora kokoa ny mampita ny hafatra amin’ny tononkalo mirindra, noho ny manabe mivantana indraindray.

Toetra Ràja
Zava-dehibe tokoa izay fanomezana lanja ny teny malagasy izay; ao anatin'ny "Iray volan'ny teny malagasy" indrindra moa isika izao. Inona no lohahevitra mahavantana anao rehefa mamorona tononkalo?

Rasamindrakotroka Andry Tiana
Ny mahakasika ny fitiavana, ny mpivady, ny tokantrano, ny ray aman-dreny, ny taranaka, ny fanabeazana, sy ny fiaraha-monina ary ny firenena.

Toetra Ràja
Rehefa dinihina dia olona matotra amin'ny fahaizana manoratra ny mpitsabo. Mety ho anton'ny fahitana mpitsabo pôeta maromaro ve izany Zoky?

Rasamindrakotroka Andry Tiana
Tsy voamariko indray izay. Mety amin’ny maha lava ny fianarana ho mpitsabo angamba, na koa ny fifandraisany amin’ny sarangan’olona samihafa tsaboina sy ny fizaran’izy ireo ny tsiambaratelom-piainany ka angatahany na iandrasany torohevitra eo amin’ny lafim-piainana maro samihafa, ets. Mety ho tonga ho azy ny aingam-panahy eny anelanelany eny.

Toetra Ràja
Voafidy ho solombavambahoakan'i Madagasikara tany Faratsiho ianao hoy isika teny am-piandohana ary tany ihany koa moa no nahalehibe anao. Azo lazaina ho namolavola ny fitiavanao manoratra tononkalo ve ny tany lonaka nibeazanao tany amin'io tanàna io?

Rasamindrakotroka Andry Tiana
Marina izany!

Toetra Ràja
Koa rehefa miresaka hoe Faratsiho àry isika, inona no mby tonga ao an-tsaina voalohany?

Rasamindrakotroka Andry Tiana
Voarakitra ao anatin’ny tononkaloko iray "Faratsiho ilay tokana aman-tany" ny ankamaroan’ny valin’izay fanontaniana napetrakao izay. Raha fintinina, tena kanto ary mahafinaritra ny distrikan’i Faratsiho, ary nahatonga ny filazana azy ho "Petite France" tany aloha, mahavokatra tsy eo amin’ny lafiny fambolena ihany fa olomanga koa, tsotra sy mahafinaritra ny mponina ary tena tia tanindrazana  (maro no nandray anjara sy nigadra ary namoy ny ainy tamin’ny tolom-panafahana ho an’ny fahaleovantena tamin’ny andron’ny fanjanahantany...). Ny olana goavana dia ny faharatsian’ny lalana mampitohy ny tanànan’i Faratsiho amin’ireo kaominina manodidina.

Toetra Ràja
Araka ny hevitrao, tokony ho mpitarika ve ny pôeta sa toy ny olom-pirenena rehetra ihany raha dinihina?

Rasamindrakotroka Andry Tiana
Raha vao miresaka pôeta, ny ao an-tsain’ny maro dia olona lasam-borona, entin’ny aingam-panahy any amin’ny rahona sy any amin’ny habakabaka any. Mety ho marina izany, fa mety koa ho olona tena misaina, mandinika lalina ny zava-misy ary mampita amin’ny maro ao anaty haikanto ny lalana tokony hizorana mba hisian’ny fiarahamonina mirindra sy ny fandrosoan’ny firenena. Toy ny olom-pirenena rehetra izy, kanefa manana ny toerany manokana koa.

Toetra Ràja
Amin'izao vaninandro mampisavoaravoara ny firenena izao àry, tsapanao ve izay toerana manokana ananan'ny pôeta izay?

Rasamindrakotroka Andry Tiana
Manana ny toerany foana ny pôeta eo amin’ny zava-misy sy miseho eo amin’ny fiainana andavanandro. Raha jerena ny tononkalo rehetra mivoaka, tsy vitsy ny mirakitra ny hita sy heno arahina soso-kevitra amin’ny tokony hatao hivoahana amin’ny olana manahirana eo anivon’ny firenena.

Toetra Ràja
Misy endrika nirinao ho hita amin'ny tononkalo malagasy ankehitriny ve tsy mety ho tanteraka?

Rasamindrakotroka Andry Tiana
Mifameno ny voarakitra ao anatin’ny tononkalo rehetra raha jerena, ny tsy hita ao amin’ny sasany fenoin’ny hita any amin’ny hafa, "ny tsy mahay sobika tokoa mahay fatam-bary". Ny iriko kosa, tsy tokony ho sodoka na ho variana amin’ny rindra sy ny gadona mambabo ny fo fotsiny rehefa mamaky azy, fa hamakafaka sy handinika lalina ny hevi-dehibe raketiny.

Toetra Ràja
Marina izany! Manana hafatra àry ve ianao ho an'ireo zandry pôeta miaina ankehitriny?

Rasamindrakotroka Andry Tiana
Maro ny tanora sy zandry miezaka manoratra tononkalo amin’ny teny malagasy mahazatra na amin’ny fitenim-paritra amin’izao fotoana izao. Mahavelom-bolo izany satria manome hasina sy lanja ny haikanto sy ny tenim-pirenena. Ny torohevitra fotsiny dia ny mampirisika azy ireo hanatona ireo zoky hahafahany manatsara hatrany ny tononkalo izay vokariny, indrindra ny fanitsiana ireo mety ho fahadisoana amin’ny fanoratana ny teny malagasy.

Toetra Ràja
Ary ho an'ny olom-pirenena amin'ny ankapobeny?

Rasamindrakotroka Andry Tiana
Tokony homena lanja sy hotohanana ny pôeta malagasy. Tsy tokony hovakina sy hakana fahafinaretana fotsiny ny tononkalo vokariny rehefa misy fotoana malaladalaka iny, fa mba hisy
kosa ny fotoana atokana hamakiana sy handalinana ary hamakafakana ny hevi-dehibe fonosiny sy raketiny.
Izay no ankasitrahako manokana ny tranonkala "Pôetawebs" manao ny tokony hatao rehetra mampahafantatra ny pôeta malagasy sy manampy ny mpamaky amin’ny famakafakana ataony mba hahazoana sy hahatsapana ny votoatiny sy ny hevi-dehibe raketiny.
Eto am-pamaranana, misaotra ny Zandry Toetra Ràja nanatontosa izao tafatafa manokana niarahana tamiko izao. Hotahin’i Tompo!

Toetra Ràja
Misaotra indrindra Profesora, nahafoy fotoana nitafatafana tamin'ny tranonkala Pôetawebs, manoloana ireo adidy aman'andraikitra mavesatra iantsorohanao. Mirary soa!

TONONKALO
FARATSIHO ILAY TOKANA AMAN-TANY

Misy distrika iray mahafinaritra,
Ao  andrefan'ny  Ankaratra  ao.
Miaraka amin'ireo tana?na maro,
Inoana  misy ny efa  fantatrao :
Faratsiho,   Antsapanimahazo,
Vinaninony, izay efa  henonao ;
Andranomiady, Ambohiborona, 
Ramainandro, inoana fa tianao,
Miandrarivo, Ambatondradama,
Mbola  maro ny  ankoatra ireo.

Distrika  tena meva,  nantsoina 
Hoe " la  Frantsa  kely " fahiny ;
Noho ny zava-mampiavaka azy, 
Na ny taloha, na ny ankehitriny.
Ny mponina  ao  mahafinaritra,
Na ny tompontany na  ny vahiny.
Iza ary no tsy ho liana, tongava,
Tsidiho, fa tena tsara ny fisiany.
Ka satry foana  handeha ho any,
Ireo  tsy afaka  tsy omena tsiny.

Maro ny toerana azo tsidihina,
Raha  toa  misy  te-hiala  voly.
Hisitrahana hakanton'ny natiora,
Na an-tana?na, na antanim-boly.
Hanaovana  fanatanjahan-tena,
Hamakiana boky, na koa baiboly.
Tsara  ho  an'ny  nofo, sy saina,
Ka hisinda sy hiala  ny sorisory.
Hanadinona ny olan'ny fiainana,
Ka tena ho  maro no resin-tory.

Ny  tany  ao  tena  mahavokatra,
Indrindra  fa ny  fambolena  ovy.
Be koa ny voly hafa, ny fiompiana,
Ho an'izay  hisaina ny  hampitovy.
Rehefa miasa an-tsaha, an-tana?na,
Misiotsioka, moa ve tsy ny railovy.
Tsy  misy  ny  mitsanga-menatra,
Ka  hisy  hanontany  hoe : zovy ?
Ka na aiza na aiza aleha, lazaina, 
Tena hafa ihany ny "mpitsoka ovy".


RASAMINDRAKOTROKA Andry Tiana
16 Febroary 2018

NY FIAINANA ETO AN-TANY

Ny  fiainana  eto  an-tany,
Iaraha-mahita  mahalala ;
Ny  ambony  lasa ambany,
Mifankatia,   mifankahala.

Ny  fiainana  eto   an-tany,
Fanantenana, fahakiviana ;
Mahafaly,  mampitomany,
Hehy, ranomaso mikoriana.

Ny  fiainana  eto  an-tany,
Mahatezitra,  mampitony ;
Mila  fandinihina  hatrany,
Ny  ambany, lasa ambony.

Ny  fiainana  eto  an-tany,
Raha  dinihina sy  jerena ;
Tsy   maha   mpaminany,
Tampoka eo mahasorena.

Ny  fiainana  eto  an-tany,
Lazaina  ambara  etoana ;
Tanin-tsiky,  tanin-tomany,
Maha sempotra, hisefoana.

Ny  fiainana  eto  an-tany,
Fiainana tokana, miavaka ;
Mila  mifankatia  hatrany,
Tsy tokony hifanavakavaka.

Ny  fiainana   eto  an-tany,
Tsy fiainana  an-jato taona ;
Tsy  maintsy  mody  ihany,
Rehefa  tonga  ny fotoana.

Ny  fiainana  eto  an-tany,
Dia  fiainam-pandalovana ;
Miserana  mandalo  ihany,
Ny hiafarany  fahalovana.

Ny  fiainana  eto  an-tany,
Fiainana ila?na an'i Tompo ;
Mba  ho  tretrika  hatrany,
Sady mirana no manompo.

RASAMINDRAKOTROKA Andry Tiana
04 Novambra 2019


ROHY MAHALIANA

* Tononkalony
vetso.serasera.org/vetso/tononkalo

* Sorapiainany
vetso.serasera.org/mpanoratra/andry-tiana
andryrasamindrakotroka


© Pôetawebs

Date de dernière mise à jour : 09/06/2020