Tapatapakahitra nifanaovan'i Léa Fandresena tamin'ny Tambatra Poetika III
Pôetawebs PÔETAWEBS
Ny pôeta raha miteny
dia mampita izay mba reny
sady saininy ombieny
amin'ny gadona avo lenta
mampitony hetaheta :
bitsik'ivan'ny pôeta.
T. Ràja
Pôetawebs "Tsy azo adika na alain-tahaka raha tsy mahazo lalana avy amin'ny Pôetawebs fa voararan'ny lalàna 94-036 ny 18 septambra 1995 mikasika ny zon'ny mpamorona sy ny mpanakanto".
14 Septambra 2021
TAMBATRA POETIKA III
Pôetawebs
Ny Anoka Bin's
Léa Fandresena

Tsara ry zareo ny iray noho ny roa fa raha mihinana tsy mizara.
Tsara ny roa noho ny iray fa raha lavo misy mpanarina ary tsara ny telo noho ny roa fa raha miady misy mpanelanelana. Kanefa toko telo nahamasa-mahandro izahay telo mianadahy ankehitriny tonga eto mitapatapakahitra ao anatin'ny takelaky ny Pôetawebs.


Lea Fandresena
Faly miarahaba sy mandray anareo mirahalahy ny tenako tonga soa eto ankehitriny. Ampahafataro anay ny momba anareo ho fantatry ny mpisera.

Ny Anoka Tiavina
Ataoko fihaonan' ny mpifankatia ka tsy hihodinkodinako fa  tonga dia vavany. Miarahaba ny tompon'andraikitry ny takelaky ny tranonkala no sady manantitra fisaorana sahady nanaiky nampandroso anay. Miarahaba ny mpanaraka ity tranonkala Pôetawebs ity ihany koa. Tiavina RAHOBIARIMINO no anarana nahaterahana fa Ny Anoka kosa no solon'anarana entina eo amin'ny sehatry ny literatiora, nanomboka nanoratra ny faramparan'ny taona 2015 tamin'ny mbola "adolantsento", ary nanohy mandraka izao. Ny tononkalo no tena manavanana. Alahelo, embona sy hanina ary fitiavana no tara-kevitra voizina matetika.

Bin's
Manolotra ny arahaba ho anareo mpanaraka ny tranonkala Pôetawebs ary miarahaba manokana anareo  mpikarakara sy tompon'andraikitry ny takelaka RALAMBOARIMANANA HERINIAINA Nambinitsoa Fabien, teraka  tamin'ny 21 Aogositra 2001 tao Ambatomainty, monina eto Antananarivo. Tamin'ny taona 2016 no nanomboka nifoha ny ainga nanaitra ny saina ka namoha ny hery handraisana ny penina, nitondra ny solon'anarana hoe  LAMBOMIHARY. Ny taona 2018 no niseho sy nivelatra tamin'ny asa rehefa niafina sy tsy mbola niseho. Nanomboka teo no nitondra ny anarana hoe BIN'S. Ny tara-kevitra voiziko dia ny hiaka ny alahelo, ny fitiavana, mazàna mirona koa any amin'ny tanindrazana sy tolona.

Lea Fandresena
Faly mahafantatra anareo mirahalahy. Efa nisy fotoana ve ianareo niakatra sehatra na namoaka boky?

Ny Anoka Tiavina
Eny! Ny Anoka dia efa niaka-tsehatra ary imbetsaka ihany hoy ilay tsy mahay manisa raha tsy hilaza fotsiny afa tsy ny tany Talata Volonondry ny volana febroary lasa teo iny isika. Tao koa ny antsa tononkalo EVOKA izay natao tetsy amin' ny CEMDLAC Analakely ary ny VOAMAINTILANY izay hetsika antsa tononkalo vava asan'ny seho natao sy namoahana boky niarahana tamina pôety telo mianadahy dia i Gasy Masiaka, Feo Ny Fitia ary Ando Cristel. Ny VOAMAINTILANY izay efa voalazako tetsy ambony no boky tokana efa navoaka.

Bin's
Efa miainga any ny famoahana boky iarahana amin'ny pôeta sakaiza, dia i Nicolas RABEFITIA sy Ny Fangaro. Tsy mbola nandeha irery aloha hatreto.
Efa nisehatra maro ihany koa i BIN'S tamin'ny hetsika FANDEVENANA ny 6 Aogositra 2021 sy ny TARA-BOLANA.


Lea Fandresena
Efa sakaizan-tsehatra izany ianareo mirahalahy. Ahoana indray ny momba ny hetsika "Tambatra poetika" hotanterahinareo? Iza avy moa aloha ianareo mikarakara io hetsika io?

Ny Anoka Tiavina
Tsara fipetraka ny fanontaniana. Tiako hampahafantarina aloha fa i TSIKIVY na RJA sy GASY MASIAKA ary izaho NY ANOKA no niara- namorona sy nikarakara azy io telo taona lasa izay. Fa noho ny adidy sy andraikitra nisy dia tsy afaka nanohy ny fikarakarana intsony ireo zoky namako ireo. Na izany na tsy izany, tsy ho faty mandrakariva ny anarany fa mijanona ho vy nahitana sy angady nananana ny TAMBATRA POETIKA mandrakariva. Tamin' ny 2020 lasa teo dia I GASY MASIAKA (isan' ny filoha nanorina) sy Andoniaina Cristel ary Vetson' ny Fanahy no nikarakara. Ary ankehitriny kosa dia izaho Ny Anoka (isan' ny filoha nanorina) ampian'i Bin's sy Vetson' ny Fanahy no mikarakara ny TAMBATRA POETIKA III. Ireo raha tanisaina sy hazavaina fohifohy izahay nifandimby sy mikarakara io hetsika io.

Lea Fandresena
Iza indray àry ireo hiaka-tsehatra?


Bin's
Ireto avy aloha ireo pôeta handray anjara amin'io izay mety ho ankafizinao sy hampohizinao (lisitra eo ankavanana)

Ahitana ireo pôeta efa manana ny laza sy ireo pôeta mbola an-dalana hamindra amin'ny sehatra, misy aza ireo mbola tena manana ny tahotra tanteraka satria mbola tsy niantsa. Ny tena tanjona dia ny hisehoan'ny ireo pôeta miafina sy tsy tazana miseho, na koa ireo te hiseho nefa tsy manana fahalalahana amin'ny izany. Ny TAMBATRA POETIKA no nentina hikambanan'ny ireo namana pôeta any ho any... Omeko ny zoky Ny Anoka Tiavina ny fanazavana ny momba ny TAMBATRA POETIKA.


Ny Anoka Tiavina
Tsara dia tsara ny fipetraky ny fanotanianao. Misy hetsika karakarainay tokoa ny 17 Septambra 2021 ho avy izao. TAMBATRA POETIKA efa ANDIANY FAHATELO, izany hoe efa nisy ny andiany voalohany sy faharoa. Ny andiany voalohany izay tsiahivina fa notontosaina ny alarobia 27 Febroary 2019 tetsy amin'ny CEMDLAC Analakely ary ny andiany faharoa dia ny 05 Febroary 2020 tetsy amin' ny CEMDLAC Analakely hatrany. Ny antony tena nahatonga anay hanao io hetsika izay zary fanao isan-taona io dia ny mba hanomezana sehatra ireo pôety miafinafina any ambany ravina rehetra any nefa misy izy ireny no tena manana fanahy sy ainga tsy ampohizina. Antony faharoa ny fampivondronana sy fampiraisana hina ireo pôety maro, izany indrindra moa no nampisaloranay ny anarany ho TAMBATRA POETIKA, ho fialana voly sy rarirarim-po sy saina ihany koa ary farany ho fihaonan'ny mpankafy sy ny pôety. Ireo raha fintinina ny antony tena nahatonga anay hanao io hetsika io.

Lea Fandresena
Mahafinaritra be izany hevitra hotanterahinareo izany. Tsy mifidy fahaizana sy traikefa ary fikambanana fa raisinareo avokoa ny rehetra. Inona avy tarakevitra hovoizina amin'io fotoana io?

Bin's Bin's
Fikambanana telo no mifanampy ao: TSANTA, HAY SORAKANTO, TARA-BOLANA. Misy ireo pôeta efa anaty fikambanana nefa misy kosa ireo mbola tsy anatiny mihitsy. Ny tara-kevitra ho hita amin'ny io dia ny FITIAVANA (tanindrazana, mpifankatia), ALAHELO, SAMY HAFA.


Lea Fandresena
Misaotra anao nanazava izay fa handeha ary hampahatsiahivina kely ny fandaharampotoana.

Ny Anoka Tiavina
Efa nandrasana fatratra ity fanontaniana ity. Manomboka amin'ny iray ora sy sasany folak'andro dia efa hivoha ny efitrano. Ny seho kosa dia hanomboka amin' ny roa ora ka hifarana amin'ny dimy ora hariva. Hisy zavatra tsy ampoizina hanelanelana ny antsa tononkalo izay ataon'ireo mpandray anjara. Aorian'ny fandraisam- pitenenan' ny tompon' andraikitry ny Tranombokim-pirenena dia hisy ny fandraisam-pitenenan'ny filohana fikambanana  (TSANTA sy HAY SORAKANTO). Rehefa izay dia miroso amin'ny antsa tononkalo. Mizara efatra miavaka tsara ny hetsika ary izany dia elanelanin'ny mpanentana sy ireo Skoto TILY MANJAKARAY, izay vonona hitondra ny tsara indrindra avy any aminy. Pôety maro dia maro no mitambatra hanatontosa io hetsika io. Ny daty izay tsiahivina fa ny zoma 17 Septambra 2021 ho avy izao etsy amin'ny Tranombokim-pirenena Anosy.
Koa tongava maro, mifanentana fa tsy hefan'irery ny fanandratana ny Literatiora. Ary tsy hanenina ianao raha ho avy satria dia isan-kazarany ireo pôety ho tazanao eny.
Fikambanana sy vondrona ary pôety sambasamba ho hitanao tarehy sy ho renao fiantsa no ho ao. Koa dia samia ary hahatratra io fotoana io.

Lea Fandresena
Tongava soa tokoa ny andro malaza sady aleo mahita toy izay tantaraina. Misy tononkalo azonareo roalahy hanafanana ny resaka?

Bin's Bin's
I KIALA MENA VOLO...

Malaza fa itoeran'ny bika sy hatsarana.
Izay rehetra lalovany tsy nisy tsy tamana,
fa izy hono miserana, mandalo dia mandeha.
Izy tsy mifikitra amin'ny lehilahy ela be...
Izay tonta dia soloina.
Ny vatany natolony ho zava-pitsaboana,
Izay rehetra marary...
I kiala mena volo no solon'ny hopitaly,
ny bandy eo an-tanana.
Mitety ka mitety an'izao rehetra izao.
Natolon'ny vatany ho solon-kilalao..

I kiala mena volo tsy mba mifidy handehanana.
Saingy izy tsy manolotra raha olona tsy manana.
Fa mila ialahy maharaka lamaody sy midola.
Ny azy ny fitiavany nataony solom-bola.
Dia mila ialahy mazaka,
sy mahay mandrakazaka.
Fa izay rehetra ilaina,
homeny mora mora.
Rehefa misy vola..

Dia nihodina ny taona...
(...)
I kiala mena volo nandrary tsy tamana fa hoe, hiova akany.
Misaina ny hiala sasatra any amorontsiraka any.
Fa ny any be vozongo sy tena be harena.
Indray mandeha no mihodina dia feno vola mena,
ny tanana sy tenda.
Ka any izao no mety.
Hanainga aloha ry Iarivo,
veloma vetivety...
(...)

Fa...
Ny mandeha tongo-dava tsy maintsy reraka ihany.
Ny diso faly loatra tsy maintsy mitomany.
Ka... ny zavatra rehetra tsy maintsy misy vokany.
Niverina an'Iarivo i Kiala mena volo fa bevokany.
Bevoka tsisy Rainy.
Kibo be tsy hilainy.
Zaza tsy niriny.
Vokatry ny ditrany tsy maintsy aloha hihafiany.
Fa azy 'ty ny azy...
Ny zaza tsisy tsiny no toa mizaka sazy
ry KIALA MENA VOLO a!!!

         BIN'S

Ny Anoka Tiavina

DIOVY
Ataovy tena mino aloha ny saiko tsy mahatoky
hoe ny anareo mijanona ato anaty fesiboky
ny sangy be fanao (...)

Tantarao dia ambarao aloha izay azonao tenenina,
Tsory f'aza afenina ny zavatra ao ambadiky
ny resaka maharitra !

Izy ve no namanao mba sendra mahafinaritra
sa mitady ho tsy hita faritra
ny fifandraisana aminy?

Ianao no dokotera hitsabo izay marary
noratrain'ilay malalany
Sa...
ianao no kely saina manaiky ho "adaladalany"?

Hmmm... ny saiko aloha diovy
f'izaho tsy vongan'ovy
ka hoanina mahamay amin'ny resa-tsy mitombona,
Raha resaka fitia na zovy koa na zovy
dia mifona fa tsy miombona !

Ataovy tena mino aloha ny saiko tsy mahatoky
hoe ny anareo mijanona ato anaty fesiboky
ny sangy be fanao...
Na fafao daholo ny resabenareo
hatramin'ny nanombohany dia
Omeo aty milamina ny teny miafinao hitsapako ny ati-dohany
Fa raha tsy izay no vita
dia kopakopa-tanana fa vita atreo ny antsika.

Ny Anoka
Itaosy Antananarivo 21 febroary 2021,
06:45 minitra



Lea Fandresena
Mankasitraka anareo fa samy manana talenta sy manana ny mampiavaka azy ianareo. Misaotra anareo nivahiny teto amin'ny tranonkala. Mirary soa indrindra anareo hahavita soa izay hatao.
Manentana ny rehetra koa ho tonga amin'io fotoana io.

Ny Anoka Tiavina
Misaotra sy mankasitra anareo tomponandraikitry ny Tapatapakahitra nanaiky nampivahiny anay teto. Misaotra ny mpanaraka ny tranonkala ihany koa. Eto ampamaranana dia manentana antsika mba ho tonga maro hanatrika sy hanotrona ho voninahitry ny literatiora sy ny kanto malagasy. Ny 17 Septambra ho avy izao ary mihaona etsy amin' ny Tranombokim-pirenena Anosy ao amin'ny efitra Dox. Misaotra sahady indrindra ho an'ireo ho avy eny.
© Pôetawebs
Takelaka : Toetra Ràja

Date de dernière mise à jour : 13/09/2021

×