Créer un site internet
Tapatapakahitra nifanaovan'i Léa Fandresena tamin'i Riankanto Ny fitia momba ny boky Fisoitra
Pôetawebs PÔETAWEBS
Ny pôeta raha miteny
dia mampita izay mba reny
sady saininy ombieny
amin'ny gadona avo lenta
mampitony hetaheta :
bitsik'ivan'ny pôeta.
T. Ràja
Pôetawebs "Tsy azo adika na alain-tahaka raha tsy mahazo lalana avy amin'ny Pôetawebs fa voararan'ny lalàna 94-036 ny 18 septambra 1995 mikasika ny zon'ny mpamorona sy ny mpanakanto".
13 Ôktôbra 2021

Riankanto Ny Fitia

manolotra ny

FISOITRA

Pôetawebs
Riankanto Ny Fitia Léa Fandresena

Fisoitra, hono! Antsaly anefa aloha. Samy lohatenina boky izany. Hiresaka momba ny lohateny manaitra sy miavaka amin'ny tononkalo sy boky ny Pôetawebs ato ho ato. Hisantarana izany ny an'i Riankanto Ny Fitia izay hanazava amintsika ny tsiambaratelon'ireny lohateny ireny. Mialoha izany, aoka isika hianoka andalan-teny vitsivitsy nipololotra teo imolony:

"Fiangarana manokana tamin'ny tonom-bintana; notsongaina tamin'ny maro ka fatratra ny asany, ny lanitra tazano, d'izay mamiratra amin'ny kintana no fantaro f'hilevenany sy notondroina ho fasany, fa PÔETA manko ireny ary iraky ny teny..."

Léa Fandresena
Izany asasoratrao izany, Riankanto Ny Fitia, no hiarahabana ny namana tongasoa mivahiny eto amin'ny Pôetawebs. Iza marina moa i Riankanto Ny Fitia?

Riankanto Ny Fitia
Faly miarahaba anareo mpikambana rehetra ato amin'ny tranonkala Pôetawebs. RAKOTOMALALA Andoniaina no anarako. Pôeta sy mpanoratra i Riankanto Ny Fitia, solon'anarana entiko misehatra amin'izany, efa namoaka ny boky mitondra ny lohateny hoe Antsaly, tsangambato voalohany izay amboaran-tononkalo. Efa manimanitra any ho any ny boky iarahana amina namana mpanoratra roa, FISOITRA, mbola amboaran-tononkalo ihany koa.

Léa Fandresena
Efa manangasanga any hoy ianao ny boky iarahana amina namana mpanoratra roa. Midika fa manana fikambanana àry ve ianao? Azonao hazavaina ve aloha ny momba ny boky ANTSALY?

Riankanto Ny Fitia
Hatreto aloha, mbola tsy anaty fikambanana aho. Antsaly, amboaran-tononkalo hoy aho teo, boky voalohany nosoratako mirakitra sivifolo pejy. Mizara telo mazava tsara ny tara-kevitra hita ao: ny fitiavana, ny embona sy hanina ary ny fasana sy ny fahafatesana. I Hasina Jaonarivony sy Ny Aikoa Razafimanantsoa no nanao ny teny fampidirana.

Léa Fandresena
Inona indray àry no ifandraisan'ny atiny sy ny lohateny hoe Antsaly?

Riankanto Ny Fitia
"Antsaly"? Misy heviny roa io teny io araky ny Rakibolana Malagasy. Voaloahany, karazam-borona toa angano ihany ary malaza ho tsara feo aoka izany. Faharoa, feon-kira ritsohina amin'ny valiha; hira mitoreoreo. Mahalaza tsara ny ngadona mamelovelo mandrafitra ireo tononkalo nosoratako io teny io ka nosafidiko ho lohatenin'ny bokiko.

Léa Fandresena
Ahoana ny fomba hahitana ny boky?

Riankanto Ny Fitia
Ireo izay liana te hanjifa azy dia afaka manao famandrihana mivantana aty amiko amin'ny alalan'ny fandefasana hafatra miafina amiko ao amin'ny tambajotran-tserasera. Riankanto Ny Fitia no anarako ao. Ny vidiny mirary dia mirary.

Léa Fandresena
Andeha indray isika hiresaka ny boky faharoa FISOITRA. Miavaka koa ny lohateniny ka azonao hazavaina ve?

Riankanto Ny Fitia
Boky faharoa. FISOITRA no lohateny entiny. Amboaran-tononkalo ihany koa izy io ary iarahako amina namana mpanoratra hafa, tsy iza izany fa i Antsa Tononkalo.R sy i Vetso Mpamaliha. Ny teny hoe Fisoitra dia nalaina avy tamin’ny anarana hoe “soitra” izay manondro hazo kely fisokirana afo, hisavasavana ny lavenona mba hidiran’ny rivotra ka hampirehitra tsara ny afo. Ny anton’ny safidinay, heverinay telo mirahalahy fa ny fameloma-maso ny Literatiora Malagasy dia toy ny soron’afo. Mila karokaroka izany, mila hetsika avy amintsika mpanoratra koa mba hamiratany tsy ho faty.

Léa Fandresena
Hahaliana ny maro ny hahafantatra ny atiny!

Riankanto Ny Fitia
Zato pejy mahery ny boky ary efatra lehibe ny tara-kevitra voizinay ao anatiny: ny fitiavana, ny embona sy tsiahy, ny fiainana sy ny fahafatesana ary ny literatiora. Roa taona niketrehana azy ity izahay telo mirahalahy vao tonga amin’izao. Inoanay fa hahafapo anareo mpanaraka ny vokatra noho izany.

Léa Fandresena
Hitanay ny petadrindrina mahakasika ny hetsika fanolorana ny boky. Ahoana ny fandehany?

Riankanto Ny Fitia
Misy hetsika tokoa karakarainay amin’ny famoahana ny boky. Izany dia hotontosaina ao amin’ny Ivokolo Analakely, efitrano teatraly Charles Ravaloson ny 15 Ôktôbra ho avy izao. Ankoatra ny tenako dia hiantsa ny tononkalony ao izy mirahalahy voatonona anarana tetsy ambony dia i Antsa Tononkalo.R sy I Vetso Mpamaliha. Misy andriambavinilanitra telo hanampy anay amin’ny famelomana an-tsehatra ny seho izay nomena endrika teatra. Mizara telo ny sehatra ary eny anelanelan’izany dia horavahana dihy sy hira, ritsoka valiha sy fanentanana maro samihafa. Tsy misy vidim-pidirana io fa hisy kosa, mazava ho azy, ny boky amidy amin’ny sarany 15000 ariary. Manantena ny fahatongavanareo maro izahay.

Léa Fandresena
Misaotra anao nilaza mombamomba ny boky sy ny seho. Hamaranana ny dinika, ahoana no fahitanao ny tanora sy ny fitiavana boky amin'izao fotoana izao eo anatrehan'ny teknolojia?

Riankanto Ny Fitia
Variana loatra amin'ny efijery ny ankamaroan'ny tanora amin'izao ka manadino ny boky sy ny soa azo avy amin'izany. Tsy milavo lefona anefa ny mpanoratra fa mikiry hatrany manatevina ireo boky maro efa misy. Iza moa no mahita raha hitsimbadika ny rasa ao aoriana ao ka hifandrotahana indray ny boky? Misaotra anareo nampandroso anay, misaotra ny mpanaraka ihany koa ary mametraka ny mandra-pitafa. Mirary soa tompoko!

Léa Fandresena
Mankasitraka anao nivahiny dia mirary soa anareo hahavita soa izay atao!



© Pôetawebs
Takelaka : Toetra Ràja

Date de dernière mise à jour : 14/10/2021