Créer un site internet
Tapatapakahitra nifanaovan'i Heriarilala Andriamamonjy tamin'i Felana Radoniaina momba ny bokiny Vetsom-pitia tsy ho levona
Pôetawebs PÔETAWEBS
Ny pôeta raha miteny
dia mampita izay mba reny
sady saininy ombieny
amin'ny gadona avo lenta
mampitony hetaheta :
bitsik'ivan'ny pôeta.
T. Ràja
Pôetawebs "Tsy azo adika na alain-tahaka raha tsy mahazo lalana avy amin'ny Pôetawebs fa voararan'ny lalàna 94-036 ny 18 septambra 1995 mikasika ny zon'ny mpamorona sy ny mpanakanto".
10 Nôvambra 2021
Misandrahaka amin'ny faritra maro ireo mpanaraka ny Pôetawebs, anisan'izany ny avy any Alaotra-Mangoro satria pôeta vehivavy mponin'i Mandialaza Moramanga indray no vahinintsika. Felana Radoniaina no anarany ary niara-dia taminay teny amin'ny tranohevan'ny Pôetawebs Anosy izy ny talata 09 Nôvambra teo. I Heriarilala Andriamamonjy no mitapatapakahitra aminy.

Heriarilala Andriamamonjy
Miarahaba anao Felana Radoniaina ary miarahaba antsika rehetra mpanaraka ny Tapatapakahitra.

Felana Radoniaina
Miarahaba anao dia miarahaba ny mpanaraka ny tranonkala rehetra.

Heriarilala Andriamamonjy
Ampahatsiahivo anay hoe iza moa i Felana Radoniaina?

Felana Radoniaina
Felana Radoniaina, mpanoratra tononkalo sy tantara. Nanomboka nanoratra tamin'ny taona 2000. Mbola tsy anaty fikambanana i Felana Radoniaina.

Heriarilala Andriamamonjy
Efa manana boky àry ve i Felana Radoniaina?

Felana Radoniaina
Eny, navoaka tamin'ny 11 Martsa 2020 ny boky nosoratako voalohany. "Vetsom-pitia tsy ho levona" no lohateniny.

Heriarilala Andriamamonjy
Ndao àry haompana bebe kokoa amin'io boky io ny tafantsika androany. Boky inona izy io, ary asa soratra manao ahoana no voarakitra ao anatiny?

Felana Radoniaina
Amboaran-tononkalo sy tantara ilay boky. Tononkalo 90 eo ho eo no ao anatiny ary manelanelana azy ireo ny tantara iray nampitondraina ny lohateny hoe "tsy nampoiziko". 134 pejy ny boky ka ny 23 amin'izany no misy ilay tantara.

Heriarilala Andriamamonjy
Inona ny lohahevitra iompanan'ireo tononkalo sy tantara ao anatiny?

Felana Radoniaina
Raha ny lohatenin'ny boky moa no jerena dia hoe "vetsom-pitia tsy ho levona". Natao hanandratana ny maha sarobidy ny hoe fitiavana na ny tononkalo na ny tantara ao anatiny. Raha ny tena izy mantsy, tokony tsy hisy hanakana izany fitiavana izany fa natao tsy ho levona ny fitiavana. Na fitiavan'olon-droa io, na fitiavana Ray aman-dReny, fitiavana eo amin'ny mpianakavy, amin'ny lafim-pitiavana rehetra mihitsy e! Dia izany no tena asongadina ao amin'ilay boky. Trangam-piarahamonina mampalahelo mantsy ny fihenan'ny fitiavana amin'izao fotoana izao.

Heriarilala Andriamamonjy
Azonao fintimpitinina aminay indray àry ve ny voalaza ao anatin'ny tantara?

Felana Radoniaina
Tantaran'ilay tovovavy iray antsoina hoe Rindra izy io, efa nanomana mialoha izay ho vadiny ny rainy nefa izy etsy an-daniny tia olon-kafa. Efa nisy fifandraisana anefa teo amin'ny rainy sy Tsiky olon-tiany izay nijanona ho tsiambaratelo nefa nanimba tanteraka ny fiainam-pitiavan'i Rindra. Efa niezaka nandrara ilay fiarahana ihany ny rainy saingy noheverin'i Rindra fa fankahalana tsy misy fotony ilay izy ka niroso ho amin'ny fanambadiana niafina izy roa. Efa tao an-tokantrano vao tena nasehon'i Tsiky ny tena maha izy azy izay tsy nampoizin'i Rindra mihitsy. Any amin'ny faran'ilay tantara isika vao voavaha ilay tsiambaratelo tsy nampoizina nihidy nandritra ny taona maro.

Heriarilala Andriamamonjy
Aleo tsy lazainao hatramin'ny farany fa izay mangetaheta ny tohiny izany dia entanina hamaky ilay boky. Izany hoe inona no nanainga ny fanahinao hanoratra izany fitiavana tsy tokony ho levona izany, na inona na inona sakana ?

Felana Radoniaina
Vokatr'ilay fitia tsy levona no nanainga ny fo sy ny saina hivetso, sy ny penina hikorisa ka nahavitana ireo amboaran-tononkalo sy tantara izay efa nankafizana an'i Felana Radoniaina hatramin'izay.

Heriarilala Andriamamonjy
Efa nankafizana an'i Felana Radoniaina hatrizay hoy ianao, izany hoe efa tsy vaovao eo amin'ny mpankafy literatiora intsony ianao. Ankoatra io boky navoakanao io àry, taiza ny sehatra efa nihaonanao tamin'ny mpankafy?

Felana Radoniaina
Efa namoaka ny asa soratro aho tao amin'ny pejy "Tantaram-pitiavana tena nisy" natokana ho an'ny tantara, ary ny pejy "Felana Radoniaina sy ny tononkalony" ho an'ny tononkalo, nandritra ny taona vitsivitsy nialoha ny nahavitako boky. Mitantana vondrona momba ny tononkalo sy tantara koa aho ka maro amin'ny mpankafy literatiora no mahafantatra tsara ahy. Efa nisy fotoana koa aho niantsa tao amin'ny Tahala Rarihasina ka nahafahako nihaona tamin'ny mpankafy.

Heriarilala Andriamamonjy
Inoana fa mbola misy tokoa ny mahatsiaro izany dingana nolalovanao rehetra izany eto am-panarahana ny tafantsika. Azo antoka koa anefa fa mbola vaovao amin'ny olona sasany ianao. Raha te hamaky ilay bokinao àry dia aiza no hahitana azy?

Felana Radoniaina
Ankoatra ny ao amin'ny Tranom-bokim-pirenena dia azo jifaina ao amin'ny librairie Antso Moramanga, librairie Antso Analakely ary Infos service Fenitra Mandialaza Moramanga ny boky.

Heriarilala Andriamamonjy
Eo ihany koa moa ny tranohevan'ny Pôetawebs ao Anosy amin'ity herinandro ity. Misaotra anao tamin'ny fampahafantarana izay bokinao izay, fa inona kosa àry ny tetikasanao ato ho ato?

Felana Radoniaina
Mbola mikasa ny hamoaka boky mirakitra tantara ranoray aho fa mbola tsy tena voafaritra hoe rahoviana.

Heriarilala Andriamamonjy
Efa fantapantatrao ve hoe mikasika ny inona izy izany?

Felana Radoniaina
Tantara efa navoakako tao amin'ny pejy ihany, misy maromaro izy ao ka mbola anatin'ny misafidy aho. Fa misy iray izay, voalohany navoakako tao amin'ny pejy, nahalalan'ny maro ahy ilay tantara hoe " fitia tsy levona". Io no kasaiko havoaka boky fa ny iray ampiarahako aminy no mbola vao hofidina. Tantara roa mantsy no tiako handrafitra ilay boky.

Heriarilala Andriamamonjy
Raha ampahatsiahivintsika kely ny resaka tery aloha dia hoe mpanoratra mbola tsy ao anaty fikambanana ianao. Efa 20 taona nanoratana anefa. Mbola mikasa ny hiditra anaty fikambanana ve ianao sa hijanona handeha irery amin'izao?

Felana Radoniaina
Efa niezaka niditra aho saingy noho ny fahalaviran-toerana misy ahy no tsy nandraisan'ny fikambanana ahy.

Heriarilala Andriamamonjy
Manahoana ny fahitanao ny literatiora ao  Moramanga amin’izao fotoana izao?

Felana Radoniaina
Raha ny eto aminay, roa ihany izahay no mpanoratra fantatra eto. Tsy Moramanga tanàna tsinona fa tena mbola lavitra be ny misy anay.

Heriarilala Andriamamonjy
Eny àry e, mpanoratra tsy ao anaty fikambanana ianao, mba azonao zaraina aminay ve hoe tamin'ny fomba ahoana no nianaranao nanoratra, iza no namolavola anao ka nahatongavanao amin'izao fahombiazana lehibe izao?

Felana Radoniaina
Efa nolovaina tamin'ny Raibeko ny fanoratana. Tsy nianarako manokana fa tena tonga ho azy ilay aingam-panahy.

Heriarilala Andriamamonjy
Lazao  anay etoana àry ny hetahetanao ho an'ny literatiora malagasy.

Felana Radoniaina
Sitrako raha mba miezaka mafy ireo tanora vao misandratra ankehitriny amin'ny fanoratana amin'ny fomba marina tsara ny teny malagasy. Tsy hianina fotsiny amin'ny famakiana tononkalo sy tantara anaty tambajotra fa hanjifa ireo boky isan-karazany mahakasika ny literatiora mba hanatsarana ny fahaizana manoratra.

Heriarilala Andriamamonjy
Eny àry, isaorana ianao namangy ny tranohevanay, nitondra vaovao ho an'ny mpanaraka ny tranonkalantsika, entanina ireo tanora hamaky sy hividy ny boky "Vetsom-pitia tsy ho levona" fa efa ny tsara indrindra no nofantenan'i Felana Radoniaina ho anareo. Ao anatin'ny boky no misy ny hafatra, mandra-pitafa!

Felana Radoniaina
Misaotra indrindra tamin'ny fandraisana. Mirary soa ho an'ny mpankafy literatiora rehetra.
Mandram-pitafa indray tompoko.


© Pôetawebs
Takelaka : Toetra Ràja

Date de dernière mise à jour : 09/11/2021