Créer un site internet
Tapatapakahitra nifanaovan'i Heriarilala Andriamamonjy tamin'i Valitina Nasandratra
Pôetawebs PÔETAWEBS
Ny pôeta raha miteny
dia mampita izay mba reny
sady saininy ombieny
amin'ny gadona avo lenta
mampitony hetaheta :
bitsik'ivan'ny pôeta.
T. Ràja
Pôetawebs "Tsy azo adika na alain-tahaka raha tsy mahazo lalana avy amin'ny Pôetawebs fa voararan'ny lalàna 94-036 ny 18 septambra 1995 mikasika ny zon'ny mpamorona sy ny mpanakanto".
04 Desambra 2021
Anisan'ny fomba hahatsapana fa miaina ny literatiora ny firobohan'ny tanora ao amin'ny fanoratana. Tovolahy pôeta vao herotrerony no mivahiny ato amin'ny Pôetawebs.

Heriarilala Andriamamonjy
Miarahaba anao tompoko ary miarahaba ny mpiseran'ny tranonkala. Iza no omem-boninahitra?

Valitina Nasandratra
Faly miarahaba ny Pôetawebs sy ny mpanaraka rehetra. RANDRIANASANDRATRINIAVO Valitina Fabien no tena anarako, misalotra ny anarana hoe Valitina Nasandratra eo amin’ny fanoratana.

Heriarilala Andriamamonjy
Faly mahafantatra anao Valitina Nasandratra! Tanora tokoa ianao kanefa efa pôeta sahady. Nanomboka oviana raha tsy mahadiso?

Valitina Nasandratra
Hatramin'ny 2012 aho no nanoratra. Ny antony dia ny fahatsapana fa Malagasy aho ary tiako ny teny malagasy. Tononkalo no tena ivoizako izany fitiavana ny maha Malagasy ahy izany.

Heriarilala Andriamamonjy
Efa ho folo taona be izao izany no nilonanao tamin'izany. Mpifanerasera amin'ny pôeta sy mpanoratra àry ve izany ianao?

Valitina Nasandratra
Tsy mbola ao anaty fikambanana mpanoratra aloha aho hatreto fa antoko pôlitika no misy ahy. Nofy Andrianjaka no tena mpifanerasera amiko raha resaka fanoratana. Manampy ahy izy amin'ny resaka tsipelina diso sns. Mbola tsy namoaka boky koa aho fa mbola am-perim-panoratana.

Heriarilala Andriamamonjy
Aminao, mitondra inona eo amin’ny firenena ny sorakanto ? 

Valitina Nasandratra
Manampy amin'ny fampandrosoana ny firenena ny kanto satria miainga amin'ny kolontsaina ny tena fampandrosoana marina.

Heriarilala Andriamamonjy
Mampiavaka ny maha pôeta anao ny firotsahana amin'ny pôlitika. Inona no mety ho anjara toeran’ny pôeta iray eo amin’ny firenena?

Valitina Nasandratra
Miverimberina ato an-tsaiko ny toeran'ny pôeta eo amin'ny firenena, indrindra fa amin'ny fotoan-tsarotra diaviny. Pôeta niady ho an'ny fahaleovantena ohatra ry Leopold Senghor, Jacques Rabemananjara. Mpanoratra tononkalo koa ry Barack Obama, ry Dominique de Villepin. Nanana toera-miavaka tao an-dapa koa ny pôeta mianaka antsoina hoe Andrianaivoravelona. Raha raisintsika eo amin'ny tantara izao, ny pôeta teo aloha ohatra dia nahatsiaro voafehy sy voageja teo amin'ny lafiny literatiora. Ny pôeta ankehitriny kosa dia samy manana ny fijoroany amin'ny heviny, tsy misy geja fa malalaka ny fanehoan-kevitra, saingy ny pôeta dia tsy tokony ho pôetan'ny kanto ihany fa tokony ho mpitarika koa. Maro dia maro mantsy ny pôeta ankehitriny eto Madagasikara, anarivony na analiny mihitsy. Mety ho iray na roa anefa no hisongadina tsy ho faty ao am-pon'ny taranaka maro mifandimby, dia ilay nitarika ny vahoaka sy nampiova ny fiainany. Amin'ny ankapobeny aloha amin'ny maha mpanao politika ny tenako, dia manana andraikitra aho hijoro ho an'ny fireneko sy ny tanindrazako, amin'ny alalan'ny fampitana mivantana ny soratra no tiako hambara.
MASINA NY TANINDRAZANA, MASINA I MADAGASI- KARA, MASINA NY HAISORATRA!
"Maro dia maro mantsy ny pôeta ankehitriny eto Madagasikara, anarivony na analiny mihitsy.
Mety ho iray na roa anefa no hisongadina tsy ho faty ao am-pon'ny taranaka maro mifandimby, dia ilay nitarika ny vahoaka sy nampiova ny fiainany"
Heriarilala Andriamamonjy
Manahoana àry ny fijerin’i Valitina ny literatiora ankehitriny?

Valitina Nasandratra
Amiko manokana dia miroborobo tokoa ny literatiora ankehitriny satria betsaka no liana amin'ny asa fanoratana, misy manko ny asa soratra natao hanalana hakiviana sy natao hanalana sorisory, misy kosa natao ho fampaherezana ranoray fotsiny.

Heriarilala Andriamamonjy
Hono, ho’aho, satria tsy mbola am-boky ny asa soratrao ary tsy mbola anaty fikambanana ianao, aiza izany no ahafahan’ny mpankafy mianoka ny asa soratrao raha liana izy ireo?

Valitina Nasandratra
Eny, mbola tsy anaty fikambanana aho. Hatreto aloha dia mbola mijanona eto amin'ny tambajotran-tserasera ihany ny fianohana ny asasoratro. Manana eritreritra aho anefa ny hiditra anaty fikambanana fa saingy ny fotoana hoy aho tsy ananam-piry. "Aleo milamina dia misesy", hoy ny tanora ankehitriny.

Heriarilala Andriamamonjy
Mba omeo andinin-tononkalo àry hankifizinay e! Ireny fanentanana hitia ny tany sy ny kolontsaina ireny ohatra.

Valitina Nasandratra
Masina ny teny, masina ny tanindrazana
Madagasikara, maro Malagasy: masin-teny, masim-bava
Malagasy toa jerena dia malomalo-tava
Malagasy malahelo, fahantrana no mba namany
Malagasy, Madagasikara izany ve no tantarany?
Maro ny aretina tsy zoviana amin’ny maro fa mandripaka olona
Maro ireo marary no miatrika ady sy mitolona
Ka mangata-bavaka amin’Andriamanitra ny maro
amin’ny ireo aretina fa tena mifangaro
Madagasikara tanin'Andriamanitra, tanin-Janahary ary tena tsy fanary
Madagasikara tany mahavokatra ary tena lonaka ka mamy toy ny fary
Madagasikara maro fady ary tena masin'olona
Madagasikara miady ny tena ady ary tena mafy tolona
Fa maninona ny Gasy no anaty ady ary sarotra mandresy ny zavatra mitranga?
Sa hoe fivavahana no hilaina fa maro ireo tsy mivavaka ary tena bangabanga?
Sa zavatra hafa tsy filaza sa ny fadifady mipetraka amin’ny tany?
Mila mivavaka isika ary tena miankin-doha amin’ny Zanahary
Malagasy toa mijaly anaty faharesena tsy mba manana iankinana
Malagasy mihininana ny zavatra tsy fihinana
Malagasy tsembo-tava, tsy mba manana na dia mpandrotsirotsy
"Aleo mihinan-kely toy izay mandry fotsy"
Manana harena anie izany Malagasy izany
Manana harena fa any ambany tany
Trandrahin'ireo vahiny izay mpanararaotra
Vola kely no omeny dia indreo ireo Gasy kely fa tonga indray misaotra
Malagasy namako sarotra ny ady kanefa ianao mijoro
Andeha hanampy ireo namana izay tena bobongolo
Andeha isika hanampy ireo marary sy mijaly
Mba ho mirana izy ireo ary tiana ho falifaly
Fahantrana, aretina, ekonomia sy sosialy
Ireo zavatra ireo no tena mampijaly
Andeha isika hijoro aza manaiky ho tambazana
Masina ny teny, masina ny tanindrazana

Valitina Nasandratra


"Andeha isika hijoro aza manaiky ho tambazana

Masina ny teny, masina ny tanindrazana"

© Pôetawebs
Takelaka : Toetra Ràja

Date de dernière mise à jour : 04/12/2021

×