Créer un site internet
varavarana

poeta_malagasy

HOBIANA - 27 febroary 2010

 

Hobiana

RAZANAJATOVO ANDRIANIMERINA Hobiana, na HOBIANA araka ny ahalalan'ny olona azy eo amin'ny lafin'ny soratra dia tsy re tsaika loatra eto anivon'ny aterineto ankoatra ny facebook. Na izany anefa dia poeta fantatra izy ary nanomboka namindra teo amin'ny soratra efa ho 25 taona lasa izay. 
Efa nivoaka an-gazety ny diam-peniny. Efa namoaka boky izy. Anisan'ny nanorina ny sampana HAVATSA UPEM tany Arivonimamo koa kanefa dia fantatra ihany koa fa anisan'ireo Mpiray FARIBOLANA. Efa nisalorany ny lokampifaninanana maro. Ary ny tsy azo hadinoina dia ireo mpianatra roa any amin'ny ambaratonga ambony nanao tohan-kevitra mahakasika ny asa-sorany.

 

HOBIANA, miarahaba anao mitsidika anay eto amin'ny tranonkalan'ny POETA MALAGASY. Raha ny mombamomba anao dia ireo voalaza teo ambony ireo hatramin'izao no fantatra eto amin'ny tranonkalantsika. Misy tianao hanampiana ve ?

25 taona lasa ? ?? Adinoko mbamin’ny niarahaba marina. Ravoravo tafahoana e ! Manao kajy ankandrina maimaika eto aho dia gaga fa toa marina tokoa fa efa 24 taona lasa no nihaonako tamin’ny tononkaloko voalohany. Nihaonako hoy aho, fa tsy namoronako satria amiko ny Poety dia tsy mpamorona fa mpitady. Zanahary irery ihany no mpamorona na ny hita maso na ny tsy hita !

Azonao hazavaina bebe kokoa ve ?

Efitra feno korontan’entana ny habaka manelanelana ny tany sy ny lanitra. Mifangaro ambony ambany eo ny fiainana ny tsara sy ny ratsy, ny fihetseham-po an-tapitrisany maro misaringodringotra, ao koa ny fomba fihevitra sy ny ara-panahy miparitaka eny rehetra eny, ny ara-nofo ary ara-nofy mitsitokotoko etsy sy eroa. Ao anatin’io korontan’entana io ny poety no mitady ny poezia miafitra eny antsefantsefany eny, ary miezaka mandamina mamerina azy amin’ny toerana tokony hisy azy mba hitondra sary angola henika hanitra. Ny aingam-panahy moa no hany fanilo manome hazavana azy amin’izany, dia izay ilay hoe : manakanto.

Tao anatin’izay 24 nanoratsoratako izay dia efa-taona monja aho no nanakanto fa ny 20 taona laniko nivenjivenjena nitsikarokaroka tao anatin’io « korontan’entana » io. Tany am-boalohany mantsy ny faniloko niredareda be fa ny singa noraisiko avy ao anaty korontana no « piesy tsy miady », taty aoriana indray ny singa ilaina efa matiko tsianjery saingy ny fanilo nanjary nitsilopilopy.

Oviana marina moa ianao no nanomboka nanoratra ary inona no antony ?

Tahaka ny « adolantsento » rehetra moa dia tratran’ny hafaninana afafin’ny fitiavana toy ny mahazo ny rehetra ihany aho, teo indrindra no nahateraka ny « LAHATRA », tononkalo iray mitantara fitia maty ankaranany, nofinofy tsy tontosa fa nivaingana ho soratra. Tany amin’ny 1986 tany izany. Mijery ny sariko tamin’izany fotoana izany aho dia mihomehy irery, izaho no kely indrindra amin’ireto ankizy iray kilasy ; tsaroako fa vao nanomboka manamban-ko vaky feo aho tamin’izany. Eee ! Tena kely novesaram-pitia !

Tiako hiverenana kely ilay filazanao teo hoe efa-taona monja no nanakanto ianao nandritra ny 24 taona nanoratanao, azonao havantana kokoa ve ny fanazavana izany ?

Eny ary e. Ny 10 taona voalohany dia azo lazaina fa nitobasana aingam-panahy fotsiny, mazàna no onjan-kevitra no tena azo notanana fa ny angaly kanto tsy taratra firy. Azonao an-tsaina ve hoe ny tononkalo « MADAMA » tany am-boalohany dia nisy teny hoe « interro », « zero », sy hoe «dix- huit» tao anatiny ?

Ny 5 taona nanaraka io no nandalinana kokoa ny pitsopitsony mahakanto ny asasoratra tamin’ny alalan’ny fifanakalozan-kevitra sy vaky boky, nikarohana izay tena mampiavaka ny tena, nitadiavana zava-baovao tsy mbola lala-masaka, nanamasahana ny tononkalo manta voasoratra teo aloha ka nanasana ny mpanjifa hanandran-tsira.

Ny sivy taona farany taorian’izay, izany hoe hatramin’ny ankehitriny, vao azoko heverina hoe mahafantatra ny lalana tiako omban’ny kantoko aho, saingy ny loza dia, tato anatin’ny dimy taona farany, nanao angaredona nanafina ahy ny fiainana sy ny andraikitra natsipin’ny asa teo am-pelatanako ka reno-tory aho, hany ka tsy hitan’ny peniko intsony ny nisy ahy. Soa fa nisy ny vohikala POETA MALAGASY nanifika ny torimasoko. Dia izao izaho hitanareo mitady ho be resaka be eto izao.

Fantatra eto amin'ny tranonkala fa ny asa-soratry ny namana Zo-Maminirina dia nanaovana asampikarohana teny amin'ny Anjerimanontolo. Nisy mpianatra iray koa nampiasa ny anaranao sy ny diampeninao teo amin'ny fianarany. Ary amin'izao fotoana izao dia mbola misy mpianatra iray hafa koa eo am-panadihadiana ny sanganasanao. Azo lazaina fa mahasarika ny mpianatra eny amin'ny Anjerimanontolo ve ankehitriny ny asam-pikarohana mahakasika ny poeta ankehitriny sa naningana ireo voatanisa ireo ? 

Mino aho fa maro ny mpanoratra sy poety ankehitriny no mendrika saingy tsy dia tazana noho ny tsy fahafahana mamoaka boky sy ny tsy fahampian’ny sehatra hahafantarana azy ireny. Rariny loatra ny mpianatra sy ny mpampianatra eny amin’ny Anjerimanontolo raha toa ka mirona mihaza ny asasoratr’ireny poetin’ny ankehitriny ireny atao akoram-pikarohana, satria ny poety malaza fahiny mety efa maro mpitrandraka teo aloha. Mety hitranga ihany nefa ny fisinganana satria tsy maintsy nisy mpikaroka na fikambanana na mpanoratra efa kalaza, manolotra ireny mpanoratra tsy dia re tsaika ireny amin’ireo mpanao asa fikarohana, ary azo antoka fa misy mason-tsivana nisafidianana azy ireny. Hanana tombondahiny kokoa eo ireo mpanoratra nahay niangaly tsara ny talentany sy afaka nampahalala ny zava-bitany tamin’ny sehatra isan-karazany, indrindra ny fifaninanana izay hahafahana mamaritra avy hatrany ny « aiza ho aiza » misy anao.

Azonao hazavaina àry ve ny mombamomba ireo asam-pikarohana roa mahakasika anao ireo ?

Ny tohan-kevitra naroson-dRamatoa ANRIANJOELISON Hariseheno Herisoa, nahazoany ny marimpahaizana CAPEN, lalam-piofanana Malagasy dia nampitondrainy ny lohateny hoe : « Ny Poezian’i Hobiana tarafina amin’ny tononkalo nosoratany ». Niainga avy tany amin’ny famakafakana ny fiainana nodiaviko moa izy io, nandalo tamin’ny tara-kevitra novoiziko an-tononkalo ary niafara tamin’ny fanaporofoana fa hoe Poety hono aho, tamin’ny alalan’ny fanasongadinana ireo endri-tononkalo sy ny sarin-teny nampiasaiko tanatin’izy ireny.

Ny asam-pikarohana faharoa moa dia sahanin-dRamatoakely RABETALATA Chantal, mpianatra ao amin’ny Oniversiten’Antananarivo lalam-piofanana Malagasy, izay mampiasa ny asa soratro ho akora amin’ny fanomanany ny fahazoana ny diplaoma DEA, ary efa novinavinainy sy ny mpampianatra mpiandraikitra hotohizana hatrany amin’ny Doctorat ihany koa. Eo an-dalam-piketrehana mihitsy izy ankehitriny ka ataoko fa hahalala ny lalindalina kokoa momba izany isika aorian’ny fanolorany ny tohankevitra alohan’ny fiafaran’ity taom-pianarana ity.

Anisan'ireo nanorina ny sampana HAVATSA UPEM tany Arivonimamo ianao. Maro ve ireo sampana toy izany ?

Miarinarivo, Arivonimamo, Antsirabe ary Toamasina izay misy ahy ankehitriny izao no fantatro hoe vohitra misy ny sampana HAVATSA-UPEM. Saika adinoko fa ao Frantsa ao koa tena mihetsiketsika aok’izany ny sampana ao.

Misy firy ireo mpikambana ao Arivonimamo ary inona avy ny hetsika na andraikitra mahazatra any ?

Efa telopolo mahery ny mpikambana nandalo tao, anisan’izany moa ireo tanora telolahy niara-nanorina tamiko ny Sampana tany, izay efa nodimandry vao herontrerony daholo, dia RAZAFIMAHEFA Harifidy sy RM-Jean Jacques ary i Tovomanga. Matetika miroborobo fatratra ireny sampana ireny eny am-boalohany fa mihena ny heriny aty aoriana satria atosiky ny fitadiavana sy ny fianarana hifindra monina ny mpikambana sasany, nefa matetika tsy voaomana ara-potoana ireo zandry mpandimby. Ankehitriny dia maminavina ny hanetsiketsika ny sampana any Imamo indray ireo mpikambana vitsivitsy mbola tavela ao an-tanàna ka hamerina indray ny sehatra fiseraserana toy ny :

  • « Amorom-patana » , fitantarana angano nataonay niaraka tamin’ny CLAC sy ny kaominina Arivonimamo isam-bolana,
  • « Takarivan’anoka », antsan-tononkalo miampy fampirantiana kely na fanehoana endrika literatiora hafa niarahanay tamin’ny mpianatra sy ny mpakafy,
  • « Alin’anoka » niarahana mianoka ny « kanto rehetra » tamin’ireo SAKAIZAN’NY HAVATSA eny an-tendrombohitra amin’ny alin-diavolana.
  • Ny fampirantiana sy valan-dresaka fanaon’ny mpanoratra ao anaty fandaharam-pianarana amin’ny mpianatra mivantana, na fanehoana ny asasoratra sy lalam-piainan’ireo mpanoratra efa nodimandry.

Raha mbola Mpiray FARIBOLANA ianao, nisy ve ny sakana tamin'ny fampivadiana ny filatsahana ho mpikambana ao amin'ireo roa tonta ireo ?

Tamin’ny taona 1997 aho no niditra ho mpiray FARIBOLANA SANDRATRA rehefa nanaraka tsy tapaka fotoana maharitra ny antsan-tononkalo fanaony isam-bolana tao amin’ny CGM, ary telo volana taorian’io aho no voaray tao amin’ny HAVATSA-UPEM nandritra ny fankalazana ny faha-45 taona. Nalalaka ny satan’ireo fikambanana ireo ary tsy voarara ny firotsahana amina fikambanana hafa tamin’izany fotoana izany, ny fivoriambe rahateo moa tsy andro mifanindry. Samy nanana ny « ody fitia » tsy nahafoizako azy rahateo izy ireo no hitako ihany koa fa samy manokatra sehatra ivelarana.

Taty aoriana moa betsaka ny fiovana nitsoka teny anivon’ny fikambanana tsirairay, nisy izy ireny namelombelona aina fa nisy koa no nanempotsempotra. Izaho rahateo moa ny taona 2000 voatendry hiasa tany Imamo ka nandao tsy satry an’Iarivo. Dia nanaraka ny onja nateraky ny rivotra teny ary teraka ny Sampana HAVATSA-UPEM Arivonimamo. Ny lohatenin’ny takarivan’anoka voalohany notanterahanay tamin’izany tao Arivonimamo dia miteny ho azy tsy hazavaina : « TSIPI-PANOHIZANA ».

Azonao fintinina aminay ve ireo lokam-pifaninanana efa nosaloranao ?

Mandray anjara tsindraindray amin’ny fifaninanana aho satria toy ny tondrofana izy ireny ka manondro ny hafanana misy anao miohatra amin’ny hafa. Ireto vitsy ireto ihany nefa no nahafahako nandray anjara, saingy mba nisy vokany daholo.

  • 1996 : « Zato taona Eokaristika », nahazo ny loka voalohany tamin’ny fifaninanana tononkira fanevan’ny fahazato taonan’ny EKAR Faravohitra
  • 1997 : « Noely Fihavanana », nahazo ny loka voalohany tamin’ny fifaninanana tononkalo nampanaovin’ny Tranobe Mpitahiry ny Vakoka sy ny Lovantsaina
  • 1997 : « Aleo tsy tonga ny Noely », nahazo ny loka faharoa tamin’ny fifaninanana sombintantara nampanaovin’ny Tranobe Mpitahiry ny Vakoka sy ny Lovantsaina
  • 2002 : « Tsinambolan-tantely », nahazo loka tamin’ny fifaninanana sombintantara « Celestin ANDRIAMANANTENA »
  • 2006 : « Tati-bolana », amboaran-tononkalo nahazo ny loka faharoa tamin’ny fifaninanana « Nirhy Lanto »

Azonao tanisaina koa ve ireo boky navoakanao na niarahanao navoaka tamin'ny poeta hafa ?

Marihiko aloha fa mbola tsy namoaka boky ahy irery manokana aho hatramin’izay. Aza manahy fa hivoaka atsy ho atsy ny iray voalohany amin’izany. Ireo sanganasako kosa dia efa maromaro no nivoaka tamin’ny boky niarahan’olon-droa na maromaro.

  • TSINGERIM-PITIA, Hobiana sy Jarih, Amboaran-tononkalo - Edisiona Tsipika,1999
  • "Tantara mitovy" :Sombintantara nivoaka tamin’ny boky SOMBINTANTARA VOAFANTINA navoakan’ny Faribolana Sandratra, Edisiona Tsipika, 2000
  • TSIPI-PANOHIZANA, Hobiana sy Jarih, Navoakan’ny HAVATSA-UPEM Arivonimamo: Amboarantononkalo, 2001
  • "Angatra velona" : Sombintantara nivoaka tamin’ny boky TOMBOKAVATSA navoakan’ny HAVATSA-UPEM, Edisiona Loterana, 2003
  • "Tsinambolan-tantely" : sombintantara nivoaka amin’ny boky FOLO NOTSONGAINA navoakan’ny HAVATSA UPEM, 2004
  • "Ny efa nisintsika" sy "Voninkazo dia" : Tononkalo nivoaka tamin’ny boky MBOLA HITOHY navoakan’ny HAVATSA UPEM Arivonimamo, 2008
  • "Tia anao" sy "Embon'alina" : Tononkalo nivoaka tamin’ny boky TATAMO navoakan’ny HAVATSA UPEM, 2009.

Misy antony manokana ve tsy nahasahianao nandeha irery tamin’ny famoaham-boky hatramin’izay ?

Tsy hoe tsy sahy kosa e, inona moa no hatahorana ? Fa mitaky fanomanana maharitra ny boky nofinofisiko havoaka vao haharakitra ny kanto tiako aakony. Tsy ho ela intsony izany fa atsy ho atsy e!

Ahitana tononkalonao 3 ao amin'ny vetso.serasera.org. Ny tononkalo roa (MADAMA sy BEDY) dia maneho ny hasarotan'ny fitiavana raha mbola voagejan'ny tontolon'ny sekoly ny olona iray. Tsy misy daty izy ireo kanefa toa manambara fa notorontoronina tany an-tsekoly ny fivelaran'ny talentanao ?

Fony teny amin’ny Anjerimanontolo aho no nanoratra azy ireo. Sady nampianatra moa tamin’izany ka tsy nanano sarotra ny fanakarana sy fiainana an’eritreritra ny fihetseham-pon’ny mpianatra sy ny « Adolantsento ». Dia teraka teo MADAMA sy BEDY. Ny fiainako fony mbola niala sakana no rainy ary ny fihaonako isan’andro tamin’ny mpianatra tany am-pianarana no reniny. Anjaranao no maminany hoe taiza izany izy ireo no notorontoronina ?

Nahavariana anay tokoa ny fahaizanao mikirakira teny ao anatin'ny tononkalonao "EMBONA ALINA" nivoaka tao amin'ny TATAMO MANOKANA (HAVATSA UPEM - pejy faha 137). Mampientanentana tokoa ny famakiana ny isan'an-dalana satria ny fara-teny amin'ny an-dalana iray dia averina eo ampiandohan'ny an-dalana manaraka, saingy amin'ny rafitra miova. Toa satry ny hilaza fa misy tsipipanohizana misongadina hatrany eo anelanelan'ny an-dalana isanisany. Mahazatra anao ve ny fampiasana io angaly io ary ahoana ny fomba namolahanao azy ?

Misaotra aloha amin’ilay sitraka be e. Mbola io tononkalo iray io ihany no nanandramako azy io. Fombako ny mikaroka rafitra vaovao miala amin’ny mahazatra, efa volavolaiko an’eritreritra eny foana ny lasitra ary rehefa tonga ny aingam-panahy dia tononony amiko ny teny ary izaho mikenakena azy hiditra anatin’izay lasitra afaka miara-mitempo aminy.

Amin’ilay boky vaovao kasaiko havoaka atsy ho atsy dia efa hisy amin’ireo rafitra sasantsasany mbola tsy fahita no ho hitanao ao.

Eto ampamaranana, azonao atao ve ny manonona andinin-tononkalo iray ankafizinao ?

Antsasaka andininy roa no hotsoahiko amin’ilay tononkalo « Ny Any », entiko handranitana ny embonembon’ireo lavi-tany sy lavi-tiana ary lavi-teny sy lavi-tony any ananona any.

Injany mitsaitsaika mandretsika fanahy… farimbon-toto vary, toreon’omby am-pahitra
Feon’akoho sy gana mody ao am-pisoko, donan’ny famaky ambony akala-manta
. . .
Eo no ahatsiarovana ‘lay fitonoam-bomanga hamamian’ny angano teny am-pamindroana
Ny rindra-tendry gasy : kabosa na valiha, na ritsodritson-tsodina rahefa trotrak’adin’ny
hosy tanin-ketsa na ny vadi-koraka
ny androatokon’andro.
 

Mba ho fisaorako ny mpampisera sy ny mpisera rehetra mitsidika ny vohikala POETA MALAGASY dia havelako eto ireo tononkalo voafosafosantsika rehetra teo : MADAMA, BEDY, EMBONA ALINA. Dia ampiako kely hafa mba ody hantahanta : IKALABANGARIDAKO sy MANTSY NEFA SAINGY.


 

Tsy ampy ny takelaka eto amin'ny tranonkalan'ny POETA MALAGASY iresahantsika ny lalana nodiavinao kanefa izay voatety dia nahaliana avokoa ary hanampy ny mpisera hankafy bebe kokoa ny tontolon'ny poezia malagasy. Isaorana manokana amin'izany ianao HOBIANA ary mirary soa ho anao izahay hitombo traikefa sy hanamasaka ny lalan-kodiavin'ireo zandry zanaka rehetra hanatevin-daharana ny poeta malagasy.

poeta©2009 - poetawebs@gmail.com
Raha misy mahatafintohina ny votoatin'ny tranonkala dia anoraty ny tomponandraikitra anamboarana ny tsy mety

Date de dernière mise à jour : 05/07/2021