Tapatapakahitra niarahan'i Nanta tamin'i Felana Radoniaina (Pôetawebs)
Pôetawebs PÔETAWEBS
Ny pôeta raha miteny
dia mampita izay mba reny
sady saininy ombieny
amin'ny gadona avo lenta
mampitony hetaheta :
bitsik'ivan'ny pôeta.
T. Ràja
Pôetawebs "Tsy azo adika na alain-tahaka raha tsy mahazo lalana avy amin'ny Pôetawebs fa voararan'ny lalàna 94-036 ny 18 septambra 1995 mikasika ny zon'ny mpamorona sy ny mpanakanto".
19 Janoary 2022
Felana Radoniaina
Pôeta tanora nofohazin'ny aingam-panahy teo amin'ny fahavalo taonany i Nanta, vahinin'ny Pôetawebs ary manana hafatra ambara amintsika. Mitapatapakahitra miaraka aminy i Felana Radoniaina.

Felana Radoniaina
Miarahaba anao Nanta! Tongasoa eto amin'ny tranonkala Pôetawebs ianao!

Nanta
Faly miarahaba anao ihany koa!

Felana Radoniaina
Fifaliana ho anay ato amin'ny Pôetawebs ny fahafantaran'ny pôeta sy ny mpandala tononkalo ny fisian'izany tranonkala Pôetawebs izany. Fa mba tianay ho fantatra Nanta hoe iza marina moa no tena anaranao?

Nanta
Mankasitraka amin'ny fandraisana. Izaho no Randrianarison Hery Nantenaina.

Felana Radoniaina
Faly mahafantatra anao. Oviana i Nanta no nanomboka nanoratra?

Nanta
Fony valo taona aho dia nanomboka nanoratra noho ny zava-nisy nandalovana teo amin'ny fiainana hatramin'izao.

Felana Radoniaina
Tena mbola kely tokoa izany. Niainga tamin'ny zava-nitranga teo amin'ny fiainanao izany ny aingam-panahinao?

Nanta
Ny niandohana aloha dia teo amin'ny fiainana rehetra nolalovana fa taty aoriana, efa mba tonga saina dia nivelatra teo amin'ny fiarahamonina sy ny tontolon'ny fitiavana ary ny tanindrazana.

Felana Radoniaina
Fa i Nanta ve ao anaty fikambanana?

Nanta
Anaty fikambanana tokoa saingy mbola tsy ara-panjakana izy io : ny Poeta miray fo.

Felana Radoniaina
Efa dingana lehibe ho amin'ny fivelarana izany vitanao izany. Azonao mba resahina aminay ve ireo dingana efa nolalovanao teo amin'ny sehatry ny asasoratra?

Nanta
Eny, ny dingana aloha raha seho sehatra dia ny tany am-piangonana no efa maromaro kokoa.  Ny seraseram-pifandraisana indray dia ny fivahinianana tany amin'ireo onjam-peo isan-karazany. Ary rehefa misy raharaham-panambadiana dia manolotra tononkalo ihany koa aho.

Felana Radoniaina
Azo fantarina ve hoe onjam-peo inona no efa nivahiniananao amin'ny maha-pôeta anao?

Nanta
Onjam-peo Record FM
Olivasoa Radio
Accem Radio

Felana Radoniaina
Tena mahafinaritra izany! Ianao ve Nanta efa nahavita boky momba ny tononkalo?

Nanta
Tena mbola vao an-dalana tokoa, ary efa  manavaka izay havoaka tokoa aho amin'izao.

Felana Radoniaina
Mankahery anao ny Pôetawebs mba hahatontosa izany boky izany. Efa miresaka izany ihany isika, mety hahaliana ny mpanaraka ny tranonkala Pôetawebs ny hahafantatra hoe inona izao no tanjona tianao hotratrarina amin'ity taona 2022 vao manomboka ity?

Nanta
Ny tanjona tena tiana hotratrarina dia ny mba hahavita io boky io ary mba hitombo hatrany ny tanora hankafy ny literatiora malagasy. Tanjona ihany koa ny hamoahana ireo asa soratra mbola tsy navoaka.

Felana Radoniaina
Azonao omena santionany amin'ny asasoratra mety ho hita ao anatin'io boky vinaina hotontosaina io ve ny mpanaraka ity tranonkala ity?

Nanta
Santionany amin'izany ity:


GASIKARA MAHONENA
Mahonena loatra izato ianao ry Gasikara
Zary tany filalaovana izay hanaovana tsinjara
Kilalaon-drampanam-bola, filibana aok'izany
Fahorian'ny mahantra tena afoben'ny jaly

Simba! Simba ny hatsarana izay nanananao
Ireo kolontsaina maro moa nankaiza ireny izao?
Ny ra izay nilatsaka moa mba fantatrao?
Varo-tanindrazana no setriny amin'izao

Marary anao ny aina, tsy tafatombina ny saina
Eny maro tena maro ireo Gasy mitaraina
Havizanana (no) mitoetra, mosarena izay tsy izy
Mijaly ny rehetra indrindra moa ny ankizy

Hita taratra manjaka ny fitiavan-tena
Moa ho aiza izany ity firenena?
Rava ireo ezaka izay nombam-pahendrena
Miandrandra ny any ambony mba handefa famonjena

Maro ireo voazanaka ara-tsaina sy ara-pomba
Tsy misaina hihafarana sy akory mombamomba
Miliba aok'izany mandany dia mandany
Tsy mahatsinjo intsony ireo tsizarizary

Mibaribary ihany koa ny fitiavam-bola
Mitarika ady an-trano hatramin'ny fifamonoana
Fifanjevona miezinezina ary koa ny ady seza
Mankadiry aok'izany no hifandrimbonan'ireo ngeza

Aoka handinin-tena, tsy hifanao tsindrio fa lavo
F'isika no antoky ny firenena, hampisondrotra azy ho avo
Aoka hampanjaka ny maha Malagasy
Raha tò izany ho tafita tsy hiafy




Nanta
Felana Radoniaina
Mahaliana anay tokoa izany na dia vao santionany aza. Saika izay tononkalo hita mantsy izao, miresaka fitiavan'olon-droa ny ankabeazany. Ianao anefa mahita aingam-panahy hafa eto. Inoanay fa mahita zoro samihafa eo amin'ny fiainan'ny olona rehetra ny asasoratra izay voizinao. Ankoatra ny maha pôeta, mety misy talenta hafa koa ve anananao?

Nanta
Ankoatra ny asasoratra dia tia mihira koa i Nanta ary tena anisan'ny ankafiziko izy io.

Felana Radoniaina
Azo eritreretina izany ny hoe hira noforoninao ihany no hirainao. Mahafinaritra izany. Ianao moa niteny teo hoe mbola vao valo taona dia efa nanoratra, raha ampitahaina amin'izao fotoana izao ny asasoratra nataonao tamin'izany, inona no fivoarana hitanao na traikefa azonao nandritra izay fotoana izay?

Nanta
Nisy tokoa ny fivoarana satria ny tamin'izany sy amin'izao tena samy hafa, raha jerena fotsiny ny eo amin'ny fomba fanoratra sy ny heviny, ny amin'izao no somary matotra kokoa ny fanoratra ireo tsipelina mba efa misy azo raisina satria tena sarotra ity tenindrazantsika ity.
Ny fomba fanoratra mba azo lazaina ihany koa ho nivoatra amin'ny fampiasana ireo sarisarin-teny samihafa.


Felana Radoniaina

Hono ho'aho, mety hahaliana ny mpanaraka ity tranonkala Pôetawebs ity hoe aiza no misy an'i Nanta?

Nanta
Sabotsy Namehana.

Felana Radoniaina
Inona àry no mba hafatra kely azonao ampitaina amin'ireo tanora izay mianatra manoratra?

Nanta
Ny hafatra kely angamba dia mazotoa mamaky boky raha toa ka hiditra ato anatin'ny fanoratana ianao.
Mahaiza ihany koa mifandray aman'olona satria eny amin'ny fiainana eny no ipoiran'ny ainga. Aza miseho ihany koa ny hoe mahay aho dia hionona amin'izay kely ananana fa mila tia karokaroka. Ary farany sady lehibe indrindra, aza menatra mihitsy ny manontany an'ireo namana na olona hitanao fa efa mahafehy izay zavatra tiana ho fantatra.

Felana Radoniaina
Mafonja izany hafatrao izany Nanta, inoanay fa voarain'ireo zandry zanaka maniry ho lasa pôeta.
Irarianay ato amin'ny Pôetawebs ny hisondrotanao talenta hatrany. Mankasitraka indrindra nivahiny teto amin'ny tranonkala Pôetawebs.

Nanta
Mankasitraka anareo ato amin'ny Pôetawebs ihany koa ny tenako nandray ampifaliana ahy teto.

Felana Radoniaina
Mirary soa anao izahay!
© Pôetawebs
Takelaka : Toetra Ràja

Date de dernière mise à jour : 19/01/2022