Ikazomanga, vahinin'i Felana Radoniaina (Pôetawebs)
Pôetawebs PÔETAWEBS
Ny pôeta raha miteny
dia mampita izay mba reny
sady saininy ombieny
amin'ny gadona avo lenta
mampitony hetaheta :
bitsik'ivan'ny pôeta.
T. Ràja
Pôetawebs "Tsy azo adika na alain-tahaka raha tsy mahazo lalana avy amin'ny Pôetawebs fa voararan'ny lalàna 94-036 ny 18 septambra 1995 mikasika ny zon'ny mpamorona sy ny mpanakanto".
16 Aogositra 2022
Felana Radoniaina


Pôetawebs

Randrianaivosoa Alexandre, antsoinay hoe Alex amin'ny maha mpinamana, dia pôeta sy mpanoratra sombintantara. IKAZOMANGA no anarana diam-peniny. Vao tamin'ny 2019 no voarakitra an-tsoratra ny eritreriny nateraky ny aingam-panahiny. Efa miavosa sahady anefa ny tontolon'ny asasorany. Hamoaka boky ombana hetsika izy rahampitso ka nahaliana ny Pôetawebs ny nitapatapakahitra taminy araka izao resaka nifanaovany tamin'i Felana Radoniaina izao.

Felana Radoniaina
Miarahaba anao Alex ary faly miarahaba antsika rehetra mpanaraka ny tapatapakahitra eto amin'ny tranonkala Pôetawebs ihany koa.

Alex
Faly miarahaba ny mpikambana Pôetawebs rehetra koa. Faly miarahaba ny mpanaraka ato amin'ny tranonkala Pôetawebs.

Felana Radoniaina
Alex, azonao mba lazalazaina aminay ve hoe iza moa Alex?

Alex
I Alex dia zatovolahy , azo lazaina hoe mbola herotrerony ! Randrianaivosoa Alexandre no anarana nomen'ny ray aman-dreny! Ikazomanga no  anarana entina misehatra eo amin'ny tontolon'ny literatiora, midika izany fa tia ary milomano tanteraka amin'ny asa fanoratana izy!
Mpankafy no niandohana, izay efa hatrany amin'ny sekoly ambarantonga voalohany. Nihanahazo laka io fankafizana io taty aoriana ka dia teraka teo koa ny faniriana hoe mba hanoratra.  Ny taona 2019 izy no nanomboka nandrakitra an-taratasy ny  aingam-panahy nipololotra tao anatiny ary dia nanoratra hatramin'izao.

Felana Radoniaina
Inona no nahatonga anao nifidy ilay anarana hoe Ikazomanga?

Alex
Marihina fa "Alex kely" ny solon'anarana nisalorako teo aloha, izay efa fantatry ny mpankafy maro,  fa novaina ho "IKAZOMANGA" izy taty aoriana kely.
Ny antony dia tsotra: mihamivoatra ny soratra, miova kely nanaraka famakafakana ny  anarako, ka dia natao hoe "Ikazomanga" izay tsy inona fa nalaina avy amin'ny hoe "hazomanga", anarana hazo nanoharana ireo raiamandreny tompon'ny fahendrena sy ny kolontsaina, ny fahaiza-miaina sns,  ka io fahendrena nananan'ny razana taloha io no tiako mba hisalorana ao anatin'ny hafatra izay ampitaiko amin'ny soratra!

Felana Radoniaina
Tena fivoarana lehibe tokoa izany !
Fa nilaza ianao tetsy aloha fa tamin'ny taona 2019 no nanombohanao nanoratra. Tantarao hoe ny dingana nolalovanao tamin'io taona io teo amin'ny asasoratra?

Alex
Ya! Voalohany, nandray anjara tamina fifaninanana tononkalo mitondra ny lohateny hoe "VETSO MIKAROKA TALENTA" nokarakarain'ny vondrona "Vetsovetso tononkalo - tantaram-pitiavana mirindra" aho ka tafakatra tamin'ny dingana famaranana ary ny fanohanan'ireo mpankafy no tena nanosika hatrany!
Nanomboka teo dia tena nandalina tanteraka ny zava-kanto vita amin'ny soratra. Tononkalo no nosoratana voalohany, fa ankehitriny efa manana tantara fihaino sy sombintantara ihany koa, ary mitohy ny fitrandrahana ho fanandratana ny literatiora malagasy.

Felana Radoniaina
Nanomboka teo izany no nahafantarana anao teo amin'ny sehatry ny asasoratra.
Ianao ve anaty fikambanana amin'izao?

Alex
Eny! Ny fikambanana HAVATSA-UPEM no misy ahy amin'izao fotoana izao.

Felana Radoniaina
Tena tsara izany Alex a! Hono ho'aho, resaho aminay hoe azafady ny hetsika efa hakanao bahana amin'izao fotoana izao hanandratana ny literatiora ?

Alex
Eny tokoa!
Efa maro ny hetsika nandraisako anjara izay niarahana tamin'ny pôeta sy mpanoratra maro, fa ny hetsika izay nokarakaraiko manokana dia ny famoahana ny boky "RARIVATO" izay vokatra voalohany navoakako nandritra izay taona vitsivitsy nanoratana izay!
Hotontosaina etsy amin'ny Tranombokim-pirenena Anosy izy io ny alarobia 17 Aogositra 2022 ho avy izao, izay hotanterahina ao amin'ny efitrano Dox,  manomboka amin'ny 2 ora sy sasany.
Dia hanasana ny mpankafy sy ny Malagasy rehetra tsy ankanavaka sahady ny amin'ny fanotronana izany.
Marihina fa tsy misy vidim-pidirana, fa misy kosa ny boky hamidy amin'io fotoana io ho an'izay te hanjifa izany.
 
Felana Radoniaina
Mahaliana ny hoe raha jerena amin'ny taona nanombohanao nanoratra tamin'ny 2019 dia hamoaka boky ianao. Izany hoe telo taona monja taty aoriana. Miarahaba anao sahady izahay eto amin'ny Pôetawebs. "RARIVATO"  hafakely ilay lohateny nofidinao. Lazalazao hoe azafady ny momba an'io boky io? Inona no tara-kevitra ao anatiny ?

Alex
RARIVATO: Araka ny maha Rarivato azy izay dia vato norariana, izany hoe raha jerena ny asan'ny vato dia misy karazany telo amiko manokana : voalohany hanaovana fototra hanamafisana ny zavatra aorina, izany hoe fototra hahafahan'ny olona mijoro sy mandinika ny lalan-kombana. Faharoa, azo hanaovana manda ihany koa, hamefena zavatra iray na hiankinana zavatra iray, izany hoe hahafahan'ny olona miarina raha nisy fiainana nandavo azy. Ary fahatelo farany dia natao hitorahana ihany koa ny vato izay midika hoe fitsikerana ny zavatra tsy mety eny anivon'ny fiaraha-monina eny.
Araka izany dia tara-kevitra maro no hita ao: tanindrazana, fiarahamonina, alahelo, fitiavana, fitsikerana sns.

Felana Radoniaina
Hita araka izany fa novolavolaina tamim-pisainana lalina ity boky ity. Mankasitraka anao mbola manampy ny Malagasy namana ho tia hatrany ny vaky boky amin'ny famoahana izany hatrany na dia eo aza ny fandrosoana entin'ny teknolojia.
Inona no hafatra mba tianao hampitaina amin'ireo mpanaraka ity tapatapakahitra ity?

Alex
Ny hafatra angamba hozaraiko roa.
Voalohany ho an'ny pôeta mpanoratra namana: fohazy ny matory, hajao ny teny malagasy,  trandraho ny tena maha Malagasy fa ny hamerina an'ireny no tena tanjontsika, mba tsy ho levon'ny tenim-pandrosoana sy ny teny vahiny tsikelikely.
Fa raha tsy haverintsika ireny dia miha maty foana ka tsy hisy tavela intsony fa ny an'ny vahiny sisa. Mahaiza mampifanaraka ny fandrosoana amin'ny kolontsaintsika.
Faharoa ho an'ny mpiara-belona: mifototra any amin'ny fitaizana zaza ny antoky ny fahaveloman'i Madagasikara any aoriana!  Ampahafantaro azy fa Gasy izy fa raha teny vahiny no vontosana ao an-tsainy dieny mbola kely dia lasa tsy tiany sady mahamenatra azy ny azy, ary lasa tsy tia ny taniny izy, ka ho faty tanteraka ny maha izy azy ny Malagasy.

Felana Radoniaina
Misaotra indrindra anao Alex Ikazomanga nivahiny tamin'ny tapatapakahitra teto amin'ity tranonkala Pôetawebs ity. Mirary soa ho anao izahay hahatontosa soa aman-tsara ny hetsika izay hatao.

Alex
Dia mankasitraka ny Pôetawebs nampiantrano ary mankasitraka ny mpanaraka ny tranonkala Pôetawebs ! Mandram-pitafa tompoko!


© Pôetawebs
Takelaka : Toetra Ràja
×