Ny Iraka Rambolamanana mitapatapakahitra momba ny Antsa fampihorohoroana amin'ny Faniry Ezeckiel - Pôetawebs
Pôetawebs PÔETAWEBS
Ny pôeta raha miteny
dia mampita izay mba reny
sady saininy ombieny
amin'ny gadona avo lenta
mampitony hetaheta :
bitsik'ivan'ny pôeta.
T. Ràja
Pôetawebs "Tsy azo adika na alain-tahaka raha tsy mahazo lalana avy amin'ny Pôetawebs fa voararan'ny lalàna 94-036 ny 18 septambra 1995 mikasika ny zon'ny mpamorona sy ny mpanakanto".
19 Oktobra 2022
Faniry Ezeckiel

Pôetawebs

Pôeta mirahalahy samy efa manana ny toerany eo amin'ny literatiora no hitondra Antsa Fampihorohoroana ao amin'ny CGM Antananarivo. Avy any Tsiroanomandidy sy avy ao an-drenivohitra izy ireo. Nitapatapakahitra tamin'Ny Iraka Rambolamanana, iray amin'izy ireo, ny tranonkala Pôetawebs.

PôetawebsFaniry Ezeckiel
Miarahaba anao Ny Iraka Rambolamanana tonga mivahiny eto amin'ny efitry ny tapatapakahitry ny Pôetawebs.

Ny Iraka Rambolamanana
Manantitra ny fiarahabana ary miarahaba manokana ihany koa ireo mpanjohy antsika.

Faniry Ezeckiel
Hisy zavakanto mahafinaritra hoentinareo atsy ho atsy, mba azonao ampahanfantarina misimisy kokoa aminay ve ny mikasika io hetsika harosonareo io?

Ny Iraka Rambolamanana
"ANTSA FAMPIHOROHOROANA", io no lohateny nampitondrainay mirahalahy azy ao amin'ny CGM ary hanomboka amin'ny telo ora folakandro ny sabotsy 22 Oktobra 2022 ho avy izao. Tononkalo avokoa no voarakitra ao anatiny ary ahitana tara-kevitra samihafa. Ankoatra ny antsam-pitolomana izay tena ahafantaran'ny maro ahy sy i Avelo Nidor, miresaka fiainana andavanandro izahay ao anatin'ny boky sady miresaka fitiavan'olon-droa ihany koa. Tsy misy valaka amin'izay ny hitranga ao anatin'io seho izay hotanterahinay io.

Faniry Ezeckiel
Manaitra avy hatrany ny mandre ilay lohatenim-boky ka azo heverina hahaliana olona maro. Inona tokoa moa no tanjonareo mirahalahy amin'ity tsangan-tononkalo famoaham-boky ity?

Ny Iraka Rambolamanana
Hamaly ireo fanontaniana mateti-pipetraka hoe: "Iza no hampihorohoroana ary iza no hampihorohoro, dia inona ilay mampihorohoro?"

Faniry Ezeckiel
Efa azo an-tsaina sahady fa ho manitra ity seho ity ary maro no hankafy. Mba hiomanan'ny tsirairay dia azo ampahafantarina ve ny vidin'ny boky? Mety hisy boky hafa haranty koa ve amin'io ankoatra ny Antsa fampihorohoroana?

Ny Iraka Rambolamanana
20000ar ny vidin'ny iray amin'ny boky! Tsy manakana ny mety hahitana ny boky hafa nosoratanay mirahalahy eo ambony latabatra ny fivarotana ny "BOKY ANTSA FAMPIHOROHOROANA" amin'io andro io.

Faniry Ezeckiel
Mazava araka izany fa ho fararanom-pôezia ny ao amin'ny CGM ao afaka andro vitsy. Hafatra farany avy aminao namana Ny Iraka.

Ny Iraka Rambolamanana
Mampihorohoro avokoa ny manodidina sy iainana amin'izao, na ny fijerin'ny olona, na ny fiteniny, na ny fihetsiny. Izany hoe "ny vaninandro lalovantsika ankehitriny mihitsy no mampihorohoro."
Manasa antsika rehetra àry ho tonga hanatrika ny seho dia hiaraha-manamarina ao amin'ny CGM ny trangan'izany FAMPIHOROHOROANA izany.

Faniry Ezeckiel
Ankasitrahana feno ny namana Ny Iraka Rambolamanana, nitafa sy nidinika ary nampahalala misimisy ny Antsa Fampihorohoroana iarahan'izy sy i Avelo Nidor ny 22 Oktobra ho avy izao. Mirary soa ho azy ireo hahatontosa izany an-tsakany sy an-davany.

Pôetawebs

© Pôetawebs
Takelaka : Toetra Ràja

Date de dernière mise à jour : 31/05/2023