Créer un site internet
Poetawebs mitafa amin'i Ny Kanto
poeta_malagasy Ny poeta raha miteny
Dia mampita izay mba reny
Sady saininy ombieny
Amin'ny gadona avo lenta
Mampitony hetaheta
Bitsik'ivan'ny poeta

ikopa

09 Desambra 2011

TAPATAPAK'AHITRA IARAHANA AMIN'I NY KANTO

 


Ny Kanto dia poeta malagasy nanorom-ponenana any Frantsa ary anisan'ireo folo mianadahy nanangana ny sampan'ny Havatsa Upem any an-toerana tamin'ny 2005. Mpikambana mavitrika tokoa izy amin'ireo asa fampiroboroboana ny haisoratra malagasy ataon'ny fikambanana. Vao tsy ela akory anefa izy no nandalo nitsidika an'i Madagasikara ary nitondra voan-dalana ho an'ny mpiseran'ny Poetawebs."

Miarahaba anao Ny Kanto manaiky mivahiny eto amin'ny efitranon'ny tapatapak'ahitra. Voalohany indrindra aloha, inona no hevitra fonosin'ny solonanarana nofidianao eo amin'ny diam-penina?

Miarahaba anao, misaotra indrindra amin’ny fanasana ary tena faly tokoa hiresadresaka eto. Ny Kanto no anarana entiko sy nosafidiko hanandratana avo ny Teny Malagasy satria Kanto ny teny Malagasy, tsy dia ny tenako loatra no tena heverina amin'io anarana io, mpitondra sy mpampita izany Ny Kanto izany no heveriko fa anjara adidiko. Tsy ny izaho no Kanto fa ny Tena izay zaraiko sy antsaiko.

Azonao ambara ve ny anton'ny nahatonga anao nanoratra sy ny lalana nodiavinao teo amin'ny haisoratra?

Voajanahary no antony  voalohany heveriko nahatonga ahy hanoratra ary isaorako indrindra Ny Avo izany satria raha izany no izy dia midika tsotra izao izany fa fanomezana. Tsy ny rehetra angamba no iantefan’ny aigam-panahy tsy mahatafandry mandry ka maniraka ny tanana hanoratra, hametraka ny tsapa, ny hita sy ny re an-tsoratra.

Mahagaga ahy indrindra fa tonga ho azy ny aigam-panahy rehefa injay fa mahita ny ankoatra ny hita ireo maso, mahatsapa ankoatra ny azo tsapaina ny saina ary mahare ankoatra ny azo renesina ireo sofina.

Izany hoe ?

Ny tiako lazaina amin’izany dia ny fo sy ny saina amam-panahy no miara misokatra amin’ny manodidina ka mahatonga hametraka izay hita sy tsapa ary re an-tsoratra… indraindray ihany koa anefa dia misy ny fikarohana manentana hanoratra, manoloana ny teo-java-mitranga, ny tantara, ny fiainana tsotra izao.

Araka izany ary dia tsy mba tena nanana na manana tondro-zotra nodiavina na hodiavina aho eo amin’ny haisoratra fa manaraka sy mihaino ny aigam-panahy tonga amin’ny ankapobeny. Ary zava-dehibe ho ahy izany, tsy safidy manokana satria azo lazaina fa mitondra amin’ny lalana malalaka kokoa izany, sady ihany koa mitaona ahy hifanereasera amin’ireo mpanoratra samihafa amin’ny fomba fanoratra samy hafa. Ny fihaonana tamin’izy ireny tany Dago ka hatraty Frantsa ohatra dia tena nitera-bokatsoa tokoa satria anisan’ireo vy nahitana sy nanorina ny Fikambanana Havatsa Upem eto Frantsa ny tenako raha fintinina ny tantara.

Mialoha ny hiresahantsika ny fikambanana, azonao lazaina ve ny lohahevitra trandrahanao matetika rehefa manoratra?

Tahaka ny fifanesisesen’ireo vanin-taona dia toy izany ihany koa ny lohahevitra manentana ny foko sy ny saiko ary ny fanahiko, mifamahofaho ao ireo lohahevitra samihafa: ny hanina, ny fitiavana, ny zanaka, ny fiainana, ny zavaboary sy ny sisa sy ny sisa tsy ho voatanisa eto.

Tato ho ato anefa dia tsapako kokoa ny firehan’ny saiko sy ny fo amam-panahiko manoloana ny fahasimban’ny tontolo iainantsika, ny fahajamban’ny zanak’olombelona minia tsy mahita ny voka-dratsin’ny ataony, tia mijery anoloany ny famonoan-tenany. Ao koa ireo fanontaniana miverimberina izay inoako fa apetraky ny besinimaro dia ny hoe inona no tena fahasambarana? lalana aiza sy mankaiza no mitondra amin’izany? ary tsy adinoako fa ao dia ao koa ny  fiheverako sy fahalelovako ilay Tany nihaviana: Madagasikara, Dago, Gasikara, izay iantsoanao azy indrindra indrindra  amin’izao vanim-potoana sarotra lalovany izao.

Voalaza teo fa anisan'ireo nanangana ny sampan'ny Havatsa any Frantsa ianao, misy antony manokana ve ny nifidianana an'io fikambanana io?

Efa nifanerasera tamin’i Ny Eja sy ry Haingo ny tenako tany Dago, ireny fihaonana ireny no nitondra ahy ho tafahaoana tamin’i Di. Hafatra avy aminy no nentiko teto Frantsa dia hoe atsangano ny Havatsa Upem any Frantsa. Fotoana fohy taorian’ny niverenako teto Frantsa dia nikaroka ireo mpanoratra teto no tena nataoko adidy, izay nitondra ahy hihaona tamin’i Aina, Hanitr’Ony, F-X Mahah, Fredy Jaofera, DadaRabe. Rehefa azo ny isa farafahakeliny ahafahana nanangana ny fikambanana Havatsa dia najoro ary tonga anisan’ny birao mpitantana tao ny tenako.

Nihaona izany ny tia sy ny manina ?

Tsy dia tena nisy antony manokana noho izany ny nisafidianako ny Havatsa fa fifanojoam-pihaonana maromaro no niteraka  izany, ny iraisan’ireny fihaonana sy resaka rehetra ireny dia ny samy fitiavana ny Teny Malagasy, ny soatoavina Malagasy, ny filozofia malagasy. Ary izany tokoa anie ny fiaianana e … fitambaram-pihaonana sy resaka, ireny no mitohitohy dia mitondra fiovana sy fanavaozana hatrany hatrany.

Karazana hetsika inona no ataonareo any?

Ny tanjona voalohany dia ny fanandratana avo ny teny malagasy amin’ny alalan’ny famoronana hetsika samihafa toy ny seho an-tsehatra, antsan-tononkalo, famelabelaran-kevitra, fampiasana ihany koa ny onjam-peo, hampahafantarana ireo mpanoratra sy haisoratra malagasy amin’ireo malagasy monina aty andafy aty.

Ny tanjona hafa izay lehibe ihany koa saingy mbola lavitr’ezaka dia ny fampahafantarana ireo mpanoratra vahiny amin’ny Malagasy amin’ny fandikana ny asasoratr'izy ireny amin’ny teny malagasy.

Ankoatra ireo mpikamban'ny Havatsa, mifanerasera amin'ny mpanakanto hafa ve ianao?

Miezaka tokoa ny hifanerasera amin’ireo mpanakanto hafa, saingy ny enjiky ny fiainana etsy an-daniny tsy dia mamela firy hanantanteraka izany.

Efa namoaka boky ve ianao, anao manokana na niarahana tamin'ny Havatsa?

Faniriana sy fikasana hatry ny ela tokoa ny hamoaka boky manokana saingy mbola tsy to izany hatramin’izao noho ny antony samihafa. Ny resaka ara-bola sy ny famarotana no tena sakana lehibe, tsy ho ahy irery manokana angamba izany fa zarain’ireo mpanoratra maro, tsy ny eto Frantsa ihany fa hatrany Dago ihany koa.

Miely ao amin'ny serasera.org ihany koa ny tononkalonao. Misy fomba hafa ve ivelaran'ny sanganasanao (gazety, radio sns)?

Efa nisy ihany ireo asasoratro nivoaka an-gazety any Dago sy tamin’ireo boky niraisana tamin’ny sampan'ny Havatsa eto Frantsa sy ny foibe any Dago.

Vao tsy ela aho no nanangana bilaogy manokana, mbola eo am-panamboarana fa rehefa mandeha tsara dia ampitaina aminareo eto ihany.

Efa miresaka an'i Madagasikara ihany isika, inona no fiovana tsapanao indrindra tamin'ny dianao farany tany : tontolo, fiaraha-monina sns.?

Fientanam-po ankiroa samy hafa no niainako tamin’ny diako farany tany Dago teo, tamin'ny 2010 :

1-Hafaliana tamin’ny fihaonana tamin’ny fianakaviana, sy ireo namana. Nahafinaritra tokoa satria efa ela tsy nihaonana.

2- Alahelo lehibe sy fahatezerana manoloana ny fikororosian’ny firenena; ny an-tanandehibe feno korontana, sy tsy filaminana, toa samy manao izay tian-kataony. Ny any ambanivohitra, doro tanety mampilatsa-dranomaso vokatry ny fahitana ireo lavaka etsy sy eroa, tanety ngazana, ary indrindra ny fieritreretana ireo harena voajanahary very tsy hiverina intsony. Te-hilaza amin'ireo malagasy aho hoe: tezera ianareo, fa raha matoritory, manao ilay hoe "moramora" dia tsy ho tonga mihitsy ny fivoarana.


Nihaona tamin'ny poeta sy mpanoratra ve ianao?

Na dia tena tery dia tery tokoa aza ny fotoana tany dia nataoko laharam-pahamehana ny fihaonana tamin’ny Filohan’ny Havatsa tany an-toerana tamin’izany fotoana izany,  niarahana tamin’i Rô Andriamaneva. Voaresadresakay tamin’izany ny olana goavana iainan’ny firenena sy anjara toeran’ny mpanoratra manoloana izany, ny olana sedrain’ny mpanoratra malagasy. Mampalahelo fa dia toa tafaverina ao amin’ny vanim-potoana "mitady ny very" indray isika malagasy amin’izao fotoana izao.

Ahoanany fahitanao ny fivoaran'ny tononkalo malagasy raha ampitahaina amin'ireo nianarana tany an-tsekoly fahiny?

Azo antoka fa mivoatra mangina sy miafina ny tononkalo malagasy, be dia be ireo mpanoratra no tsy afaka mamoaka ny asa-sorany noho ny antony maro be, raha misy manampy izy ireny amin’ny fihoarana izay olana mety hodiavin’ny tsirairay avy dia ho hitantsika ny harena miafina bedia be izay miandry fotsiny ny hamelana!

Manana tetikasa ve ianao ato ho ato, anao manokana na iarahanao amin'ny fikambanana?

Manana fikambanana manokana aho, mikasa ny hanao asa soa any Madagasikara izahay, ary mitady olona mazoto sy terem-panahy hanampy anay sy olona mila fanampiana (any Dago) ihany koa. Izay te-hifandray amiko amin’io resaka io dia aza misalasala manoratra aty razakand@hotmail.com

Eto ampamaranana, misy hafatra tianao hampitaina ve ho an'ny mpisera ?

Ny hafatra mba tiako hapetraka dia izao fohifohy izao :

1- Mila mifoha isika malagasy aty ampita, mifoha amin’ny teny sy ny haisoratra malagasy. Toy ny homamiadana ny mahazo antsika aty ivelany aty: homamiadan’ny fanadinoana, andraikitry ny ray aman-dreny ny mampita ny teny malagasy.  Mampalahelo ahy tokoa ny mahita ireo Malagasy maro be tsy mahafehy intsony ny tenin-drazany. Faka tena ahafahana mijoro aty ampita aty anefa izany.

2 – Fitiavana : ataovy am-pitiavana izay rehetra atao, manova fijery be dia be izany no sady manova zavatra be dia be.

Fisaorana lehibe no atolotra an'i Ny Kanto nizara am-pitiavana ny traikefany sy ny fomba fijeriny ny tontolon'ny poezia malagasy. Mbola am-pitiavana ihany koa no anolorany antsika tononkalo iray hotsakotsakoantsika "alohan'ny maraina". Mirary soa ho anao ny Poetawebs Ny Kanto.

 

  ALOHAN'NY MARAINA

Tsy maintsy hihintsana ny ravina,
Izay sahy misedra ny  ririnina
Satria lohataona no antenaina
Hampitsiry sy hampamandina

Tsy maintsy diavina ny alina
Raha te-hitsena ilay maraina.
Mafy koa ny sedram-piainana
F’an-tampony ao no haka aina.

Ka na ho ritra ny ao an-tsompitra
Moa tsy mbola hisy santa-bary ?
Ny tàna-nihepaka sy votsotra
Mbola ho faly hively vary.

Ny Kanto
 

 

poeta©2009 - poetawebs@gmail.com
Raha misy mahatafintohina ny votoatin'ny tranonkala dia anoraty ny tomponandraikitra anamboarana ny tsy mety

Date de dernière mise à jour : 05/07/2021