Créer un site internet

poetawebs sy Malalatiana-Hasina poeta_malagasy

09 septambra 2011

TAPATAPAK'AHITRA NIARAHANA AMIN'I MALALATIANA-HASINA

 


Poetawebs, amin'ny alalan'ny efitranon'ny tapatapak'ahitra dia miezaka ny manandratra ny poeta sy ny poezia malagasy. Betsaka mantsy ireo mpanakanto efa nahavita zavatra betsaka sy manana ny tantarany no mbola tsy dia fantatra eto anivon'ny aterineto. Sahinay anefa ny milaza fa toy ny papangolahy anaty katsaka izy ireny, ka izay mivoaka dia babany avokoa. Poeta hafa mihitsy no vahinintsika etoana dia tsy iza izany fa i MALALATIANA-HASINA, izay miavaka amin'ny halalin'ny votoatin-tsoratra. Manoratra amin'ny tenim-pirenena maro izy ary mandika sanganasa, tsy ny an'ny poeta hafa ihany fa ny azy ihany koa. Sady "mpikanto sary" izy no mpanosodoko ihany koa ary ampiasainy amin'ny amboaran-tononkalony izany. I Toetra RAJA no nitafatafa taminy teo amorom-patana.


Miarahaba anao MALALATIANA-HASINA ary misaotra anao nanaiky mitapatapak'ahitra aminay eto amin'ny poetawebs. Eto ampiandohana dia tianay ho fantatra ny anton'ny nisafidiananao ny "Hasina" nanovonana ny fanampinanaranao eo amin'ny diam-penina.

"Hasina" mihitsy no solon'anarana niriko hoentina ho fahatsiarovana an'i Hasina zandriko maty tamin'ny taona 1993, fa raha tafiditra tao amin'ny faribolana Sandratra aho tamin'ny taona 2002 dia nahita fa efa betsaka no mitondra io anarana io, dia notazoniko ihany ny hoe "Malalatiana". Namoaka ny amboaran-tononkaloko voalohany niaraka tamin'i Lydiary sy Asiniony aho "Ambadika sy ambadiky ny fitia" no lohateny, boky navoaka tao amin'ny CGM tamin'ny 22-01-2003 ary rehefa tafavoaka ny boky dia nanatona ny OMDA aho niditra ho mpikambana saingy rehefa tonga tao dia tsy nekena ny "Malalatiana" fotsiny satria efa misy mpanakanto mitondra io solon'anarana io, hono, ka na hosoloiko na hotovanako dia izay no nahatonga ahy ho "Malalatiana-Hasina".

Nanomboka nanoratra tamin'ny 1991 ianao. Nisy antony manokana ve?

Tamin'ny 1991 no nanoratra voalohany, resadresaka sy hanihany ary nofinofinay tany am-pianarana no nosoratana, tamin'ny teny Frantsay satria izay no nanavanana ahy kokoa. Efa tia vaky boky aho tamin'izany ary nindrana sy nifampindrana boky tamin'ny namana ka boky tamin'ny teny frantsay no ankamaroany. Inoako fa ireny boky novakiko ireny no anisan'ny nanefy ny asa soratro.

Fa nahoana no tamin'ny teny Frantsay aloha?

Tamin'io taona 1991 io, tsy mbola niparitaka loatra na ny rakibolana na ny amboaran-tononkalo tamin'ny teny malagasy. Ny taranja malagasy rahateo tamin'izany tsy mba nahazoako isa nahafa-po loatra satria tadidiko tsara fa isaky ny misy diso ny tsipelina dia analana ny isa. Anisan'ny sarotiny koa aho amin'ny tsipelina, indrindra amin'ny teny malagasy ka naleoko tsy nanoratra toy izay nanoratra teny diso.

Nankafy nanoratra tamin'ny teny malagasy koa ianao taty aoriana.

Roa taona taty aoriana nifindra sekoly aho ary tao amin'io sekoly io, nana-namana tsy nanoratra afa-tsy tamin'ny teny malagasy, mba taitra ihany ny hambom-po hoe vitan'ny hafa ve dia tsy ho vita, ireo namana koa nandrisika sy nanampy.

Mpanoratra lahatsoratra, tononkalo, sombin-tantara ianao. Iza tamin'ireo no tena niatombohanao?

Tononkalo ihany aloha no nosoratako tamin'izany ary tamin'izany no efa nanonofy hamoaka boky. Ny taona 2002 aho vao niditra tao amin'ny FARIBOLANA SANDRATRA satria tamin'io taona io, efa maromaro ihany ny asa soratro ary efa nikasa hanaparitaka azy ireny aho. Tao anaty fotoam-pialan-tsasatra indrindra aho no sendra nahare fa nisy hetsika nokarakarain'ny mpanoratra tao amin'ny "TRANOM-BOKIM-PIRENENA" tetsy Anosy, dia tonga tany aho nitondra asa soratra ary mpiray Faribolana Sandratra no nandray ahy.

Manoratra sy mandika teny amin'ny teny frantsay, anglisy, alemana koa ianao. Fanaonao ve ny sady manoratra no mandika ny asa soratrao amin'ny teny vahiny toy ny "FANAHY MIRA AMIN'NY VOLANA" nadika hoe "MON AME ET LA LUNE".

Fanaoko ihany ny mandika ny asa soratro amin'ny teny vahiny, saingy misy fotoana aho sady mahasoratra amin'ny teny malagasy no amin'ny teny vahiny ao anatin'ny andro iray. Indraindray koa ny aingam-panahy mihitsy no adika fa tsy ny teny, misy manko teny sy fomba ary fijery tsy voadika tanteraka, ohatra, ny malagasy raha mijery volana dia mahita sarina mpamaliha ao, fa ny frantsay raha mijery volana mahita sarim-behivavy mitondra siny. Ary misy fotoana aho tena mieritreritra amin'ny teny frantsay nefa manoratra amin'ny teny malagasy.

Misy tononkaloko sasantsasany koa amin'ny tenim-pirenena efatra: malagasy, frantsay, anglisy, alemana talohan'ny nidirako tao amin'ny faribolana Sandratra fa rehefa tafiditra ho mpikambana moa aho dia ny teny malagasy no tena nilofosako.

Nisy fotoana tao amin'ny faribolana Sandratra niresahana momba ny dikan-teny ary tamin'izay no nahatonga anay sy Meva nieritreritra momba ny boky "Angentsana, caprices du coeur", rehefa niangavy ahy i Meva handika ny tononkalony amin'ny teny frantsay. Ny tononkalon'i Meva rehetra ao anaty "angentsana, caprices du coeur" dia izaho no nandika azy fa ny tononkaloko kosa misy teny malagasy nadikako teny frantsay, misy teny frantsay nadikako teny malagasy ary misy anefa tononkalo amin'ny teny malagasy tsy nadikako fa navoakako miaraka amin'ny teny frantsay mitovy aingam-panahy taminy.

Ohatra amin'izany ity tononkalo ity;
MINITRA ROA NA TELO

Nifanena tampoka
ny masontsika saingy
raha kambana ny masoko,
ny anao tsy mira loko.
Dia nifampijery
fanindroany isika.
Nisangy avy hatrany
ny ranomasi-mangan'
ny masonao havanana
aho, dia nilomano
Minitra roa na telo,
nahatsiaro tretrika ...

nisarika ihany koa
ny torapasi-mevan'
ny masonao havia
mivolon-tany ka
raha vao nibaliaka
ny tsikinao dia teo
indray aho no nitoetra,
niala liana tamin'
ny fisafoan'ny tarany,
nahazo hafanana
Minitra roa na telo,
nahatsiaro sambatra ...

MALALATIANA-HASINA (2002)
LA COULEUR DE TES YEUX

Pour que je ne m'appartienne plus,
une seule plongée
dans le turquoise de ton oeil droit
a suffi,
puis, je me prélassai

sur la plage couleur café
de ton oeil gauche
et me laissai bruler
par un feu qui me consuma
tout entière.

MALALATIANA-HASINA(2004)

 

Misaotra tompoko! Tohizantsika ihany ny momba ny boky. Mety ho mahadika ny "angentsana" koa ve ny "haitraitra"?

Ny nahatonga ny lohatenin'ny boky hoe "angentsana", rehefa nifantina sary atao fonom-boky izahay sy Meva dia sary hosodoko nataoko tamin'ny taona "2004" nampitondraiko ny lohateny hoe "angentsam-penomanana" no niantefan'ny safidy. (Marihiko fa izaho dia "mpikanto sary") . Ary io "angentsam-penomanana" io no nangalana ny lohatenin'ny boky. Mety mahadika ny "angentsana" ny "haitraitra", fa rehefa nadika teny frantsay moa ny angentsana, ny teny hoe "caprices" fotsiny tsy mahalaza azy feno ary toa ny lafi-ratsin'ny teny no tonga ao an-tsaina avy hatrany, dia izay no nahatonga ny hoe "caprices du coeur".

Mpampiasa voambolana mitady ho very koa ve ianao ao amin'ny asa soratrao?

Mampiasa sy miezaka mampiasa ny voambolana mitady ho very aho ao amin'ny asa soratro.

Inona avy no karazana tononkalo hita ao anatin'io boky io?

Ny tononkalo ao anaty boky "Angentsana" dia mikasika fitiavana, fitiava-namana, fitiavan'olon-droa, fitiavan-tanindrazana, fitiavan-dray , fitiavan-jandry,

Natolotra tao amin'ny Cite Ambatonakanga ny boky tamin'ny 2005. Araka ny fahalalanao, anisan'ireo Ivotoerana mpanandratra ny poeta sy poezia malagasy koa ve ny Cite Ambatonakanga?

Natolotra tao amin'ny Cite Ambatonakanga ny boky "Angentsana" tamin'ny taona 2005 fa taona vitsy talohan'izay, efa natolotra tao ihany koa ny bokin'i Meva sy Mahefa mitondra ny lohateny hoe "Horovitsika", ka raha ny fahalalako dia tsy manavaka ny Cite rehefa tonga ny mpanoratra mangataka fiaraha-miasa fa anjaran'ny mpanoratra no mitrandraka ireny toerana ireny.

Ankoatra ny Facebook dia tsy hita loatra eto amin'ny aterineto ianao. Misy antony manokana ve?

Ny tsy fahitana ahy ankoatra ny Facebook? Tsy hoe safidy manokana fa Facebook aloha no azoko nampiasaina.

Eto ihany koa ny poetawebs. Misy fomba hafa koa ve ampahafantaranao ny sanganasanao?

Miezaka manaparitaka sanganasa amin'ny onjam-peo sy gazety aho ankoatra ny famoahana boky.
Nisy amboaran-tononkalo navoakako irery tamin'ity taona ity "TARATRA FITIAVANA, REFLET DE L'AMOUR", tao anatin'io amboaran-tononkalo amin'ny teny malagasy sy amin'ny teny frantsay io no nakako ilay tononkalo "Mandihy ny teny".

Mikasika io tononkalo io indrindra, azonao hazavaina ve ireo loko sy sary ary sariteny voalahatra ao?

Amin'ny mahampanosodoko ahy (filazan'ILAY) sy mpikanto sary ahy (fitenin'i Elie RAJAONARISON) dia milalao sary aho any anaty soratro any. Ny fanantenana sy ny hasambarana napariakan'ny firarian-tsoa sy tafa nifanaovako tamin'ny olona akaiky ahy tamin'ny fiandohan'ny taona no zaraiko amin'ny "Mandihy ny teny".

Manomana hetsika àry ve ianao ato ho ato: sehatra, boky vaovao sns?

Amin'ny Alarobia 26 Oktobra 2011 ao amin'ny CGM no hiantsana ny amboaran-tononkalo havoakanay sy Tiavina ary i Avelo Nidor, samy mpikambana ao amin'ny faribolana Sandratra, anasana anao sahady.

Ho voky sy higalabona tokoa ny mpanatrika amin'io 26 oktobra io. Ny tsapa aloha, mialohan'izany, dia ny fahafaham-pon'ny mpisera tamin'ireo fanazavana ny traikefa sy sanganasa nentinao teto. Mirary ho avy mamirapiratra ho anao eo amin'ny soratra ny tranonkalanao poetawebs. Misaotra tompoko.

"Manan-karena ny tenintsika ary na dia sarotra aza, mahafinaritra ny miezaka mifehy azy satria ny ezaka rehetra tsy maintsy mivaingana avokoa."
Mirary soa ho antsika rehetra dia misaotra indrindra ny tranonkala poetawebs.

 

poeta©2009 - poetawebs@gmail.com
Raha misy mahatafintohina ny votoatin'ny tranonkala dia anoraty ny tomponandraikitra anamboarana ny tsy mety

Date de dernière mise à jour : 05/07/2021