varavarana poeta_malagasy

Manatsiala - 10 septambra 2009

  • Manatsiala Miarahaba anao Manatsiala manaiky mitapatapak'ahitra aminay eto amin'ny poeta.webs amin'izao takarivam-pilantoana izao. Poeta malagasy vao misondrotra ianao ary anisan'ireo zandriny indrindra ao amin'ny Faribolana Sandratra aza. Amin'ny maha mpikabary anao koa anefa dia mazava toy ny vay an-kandrina ny fitiavanao manandratra ny kolo sy ny teny malagasy. Eto ampiandohana, azonao hazavaina fohifohy eto ve ny momba anao ?

RANAIVOSON Manatsiala Jean Luc no anarana feno hita ao amin'ny sora-piankohonako. Hita ao koa ny andro nahalatsahan'ny tavoniko dia ny 11 Oktobra 1988 tao Befelatanana. Voaray tao amin'ny faribolana SANDRATRA aho tamin’ny taona 2008 (mbola zaza vao e ! ). Ny ankoatra izay angamba dia ho lazaiko fa mpikabary ao amin’ny Vondrona LOVA L.M.A. Ampefiloha ny tenako.

 

  • Araka izany dia ny anaranao "Manatsiala" ihany no ampiasainao eo amin'ny diam-penina. Misy antony manokana ve ?

Ny antony nanaovana azy ho solon’anarana dia noho izy tsy misy manana afa-tsy roa monja dia izaho sy ny anadahin-drenibeko izay Tanala.

  • Mahaliana ny poeta.webs ny hahafantatra ny anton'ny nanoratanao.

Ny antony nanoratana voalohany dia izao : nisy fotoana tsy mba nananako namana hizarana ny mavesatra anaty, na koa ny tsiambaratelo sns, hany ka nanomboka narakitra ho soratra izany. Taty aoriana koa moa rehefa nandalina ny kabary dia nanomboka nahita maminy tamin’ny filalaovana teny. Nitsiry ho azy tao anatiko ny faniriana hanatevina kokoa ny voambolana ampiasaina amin’ny tononkalo. Nanomboka teo moa dia izay tranga miposaka ao an-tsaina - indrindra indrindra fa ireo mampalahelo - dia narakitra an-takelaka no sady naseho tamin’ny endrika izay heverina hahakanto azy ireny… Fa ny tena antony iray ihany koa dia ilay aingam-panahy mihitsy no efa MANERY ny tanana handray penina na tsy satriny aza indraindray nohon'ny fahavizanana : «Tsy sitra-pangady ny hitrandraka andrian-tany fa asesiky ny zara (harahara) ?»

 

  • Azonao lazaina amin'ny mpisera ve ny anton'ny nitodihan'ny safidinao hiara-dalana amin'ny Faribolana Sandratra ?

Ny tena antony nisafidianana ny Faribolana indray dia tsotra ihany : naniry mafy ny hanatevina ny asa soratro aho fony vao nanomboka nanoratra kelikely. Indray andro izay aho nanatrika fampirantian'ny Faribolana Sandratra (tsingerin-taonan'ny gazety ambioka angaha izy izay raha tsy diso aho) ka tafaresaka tamin'i Rado RAMAHERISON. Ahoana hoy aho no atao raha ohatra ka te hiray faribolana amin’ny SANDRATRA aho ? Nohazavainy tamin'izay na ireo fepetra na ireo toro-lalana fidirana. Nifanaraka amin'ny lalam-piainako sy ny tanjoko izany ka dia tanteraka.

  • Mazava aminay ny anton'ny nanoratanao sy ny nidiranao ao amin'ny Faribolana Sandratra. Azonao hazavaina amin'ny alalan'ny tononkalonao «Ny poetako» ve ny toetoetry ny poeta sy ny tolona iainany ?

«Ny poetako» ? Ny tena tiana marina ambara amin’iny dia ilay famazivazian’ny ankizy hoe: « fa inona lehitia no nofohan’ilay isany no nahatonga an’ilay isany mahavita manoratra tononkalo hafahafa ohatra izao ah ? » Dia nentiko anambarana ny mpamaky io hoe tsy mila mifoka vao mahavita asa soratra tahaka ireny fa miankina bebe kokoa amin’ny aingam-panahy ilay izy.

Fa iverenako kely ilay resaka anjara toeran’ny poeta. Indramiko kely ilay tenin’i Meva manao hoe : « Ny poeta amiko dia taratry ny fiaraha-monina ». Izany hoe raha misy tranga iray ao amin’ny fiaraha-monina dia mahita hevitra hafa hanambarana iny tranga iny ny poeta amin’ny aląlan’ny asa soratra kanto. Araka izany, ny poeta no tsiry mamporisika ny olona mbola hanana fanantenąna ny hiroboroboan’ny kanto malagasy. Manamafy izany moa ny hetsika kolotoraly maro samihafa…

  • Araka izany, azonao ambara aminay ve ireo hetsika efa nandraisanao anjara ?

Hatreto aloha ny hetsika efa natao dia niarahana hatrany amin'ny namana : valonan-takelaka sy boky niarahana tamin’ny mpianatra kabary tao Ampefiloha. Fa ny azo ambara kosa dia ny niarahana tamin’ireo mpanoratra mpiray Faribolana tahaka ny hoe Hiran’orana, Zay’nahary, gidran-kalo sns. Vinavina ato ho ato koa ny hiara-hamoaka boky amin’i Sunny izay mpanoratra mpikambana efa ela tato amin’ny Sandratra.

  • Ny tononkalonao "Gasy ankehitriny" kosa dia manasongadina fa tsinontsinoavin'ny olona sasany ankehitriny ny hasin'ny teny malagasy. Toa manamafy ny ahiahin'i Di, filohan'ny akademiam-pirenena malagasy, izany izay milaza fa afaka 50 taona dia ho faty ny teny malagasy. Araka ny hevitrao, azo tsapain-tanana ve ny ezak'ireo poeta malagasy hamerenana an'izany hasin'ny teny malagasy izany ?

Ny tena marina dia zary lasa fahazaran'ny ankizy ny manafangaro teny gasy amin'ny teny vahiny ary zary tafahoatra mihitsy aza. Diso mamiravira tenin'olona loatra ny sasany, no sady manao tsinontsinona ny teny Malagasy. Raha hoe miteny vahiny fotsiny izy na miteny gasy ranoray fotsiny dia tsy misy olana saingy ilay vay amin’anana no tena mandratra sofina be. Fa ny ezaka ataon'ny namana mpanoratra na ireo mpikabary namana ihany koa aloha dia tena hita ho azo tsapain-tanana mihitsy,  satria efa maro izao ny ankizy mahay milalao voambolana tena mahafinaritra ny mihaino azy ! Efa hita ho mivaingana ny ezaka e ! Ny tena olana mantsy anie dia ny mpianatra vao misondrotra eto an-toerana mihitsy no manomboka mirona amin’ny fombam-pitenanana malagasy avy ao amin’ny Lycée Français sy Collège de France itony. Hany moa ka mihemotra fatratra ny fahaizan’ny tanora miteny gasy. Pffff..... aleo tsy ho be safary fa sao dia ho tezitra eo ny olona

  • Toy ny mahazatra anay eto amin'ny poeta.webs rehefa mitafatafa amin'ny vahiny ny mangataka andinin-tononkalo iray aminy.

Firifiry moa ny tsy nilaza nanamafy,
nanambara sy nianiana fa tia ny fireneny ?
Sinaingy firifiry koa no lasa niova lasy any an-dafy
hiala liana hitady hahasoa ny tena ? «…»

  • Amin'ny alalan'izany andinin-teny mampieritreritra izany no hifanaovam-beloma vetivety ho amin'ny tsy ho ela eto amin'ny tranonkala poeta.webs. Misaotra anao izahay Manatsiala ary mirary anao hahavita hahalasàna eo amin'ny sehatry ny poezia.
Misaotra ny tranonkala poeta.webs nampiantrano.

 

poeta©2009 - poetawebs@gmail.com
Raha misy mahatafintohina ny votoatin'ny tranonkala dia anoraty ny tomponandraikitra anamboarana ny tsy mety


Date de dernière mise à jour : 05/07/2021