Poetawebs mitafa amin'i Ny Hariaina

Ny poeta raha miteny
Dia mampita izay mba reny
Sady saininy ombieny
Amin'ny gadona avo lenta
Mampitony hetaheta
Bitsik'ivan'ny poeta


01 Mey 2012

TAPATAPAK'AHITRA IARAHANA AMIN'I NY HARIAINA

 


NY HARIAINA na Razanakiniaina Harilanto Annie, araka ny hita ao amin'ny Rakimailaka nangonin'ny Poetawebs, dia poeta Malagasy mivelatra eto anivon'ny aterineto. Tsy araka ny fahatanorany ny fisongadinan'ny kanto ao amin'ny diam-peniny. Na dia teny vahiny aza no ampiasainy amin'ny andavanandrony any Alemaina, firenena ipetrahany ankehitriny, dia tsy ataony vato misakana izany itrandrahany ny hasoan'ny haisoratra malagasy.
Nanaitra ny Poetawebs ny hamaroan'ireo namany mpankasitraka ny tononkalony ao amin'ny Facebook ary tsy vitsy amin'izy ireo no poeta fantatra. Izy indray angaha no andeha hangatahantsika hanambara ny nahalalany ny Poetawebs ato amin'ity Tapatapak'ahitra amorom-patana niarahany tamin'i Toetra RAJA ity.

Miarahaba anao NY HARIAINA ary misaotra anao nanome fotoana ho an'ny mpisera ato amin'ity efitranon'ny Tapatapak'ahitra ity. Azonao lazaina ve ahoana no nahalalanao ny poetawebs?

Miarahaba ny mpisera ary misaotra ny Poetawebs nampandroso ahy eto amorom-patana hitafasiry sy hifampizara ny manta sy ny masaka. Maro ireo fomba tokony nahafahako namantatra ny fisian’ny Poetawebs, satria maro ireo namana mifanerasera amiko ato amin’ny aterineto izay efa nahafantatra ny Poetawebs, ary isaorako manokana ny namana Ny Peniko izay nampahafantatra ahy voalohany ny fisiany, efa elaela ihany izay fotoana izay. Nohon’ny adidy sy ny fianarana anefa dia somary nohadinoiko kely ilay hafany raha tsy nampahatsiahivin’i RADO RAMAHERISON ahy indray izy io, vao tsy ela akory:

"Mampahatsiahy ilay fisoratanao anarana amin’ny poeta.webs.com fa efa mendrika anao ny haisoratra ary tsy ho levon’ny tantaran’ny haisoratra Malagasy".
 
Indro aho fa tonga!

Tongasoa tompoko! Lazao anay indray àry ny antony nisafidiananao ny anarana diampenina NY HARIAINA?

Tsy nieritreritra io anarana io loatra aho izay anarako tao amin´ny Facebook fotsiny. Annie no anarana nampitondraiko ny asa soratro taloha. Maro anefa ny olona no mihevitra fa tena izany no anarako ary maro no milaza fa tsara ilay anarana. Rehefa tena nandinika tokoa aho dia nanontany tena hoe: "fa maninona moa no tsy andeha hataoko hoe NY HARIAINA marina no anarana entiko amin´ny maha-mpanoratra?" Dia nikaroka ny mety ho hevitr´io anarana io aho ary nanontany manam-pahaizana iray. Ary izy no nanazava tamiko fa ny hoe: HARI dia avy amin´ny teny Indonesia-Malay izay midika hoe FAHAZAVANA. Ny AINA kosa dia fototry ny fahavelomana ary singa iray miantoka ny fisiana. Eo amin´ny tontolon´ny asa soratra izany io anarana io amiko dia midika FAHAZAVANA mitondra AINA. Izay no nandresy lahatra ahy hisalotra io anarana io satria "Ny diam-peniko izany dia fahazavana mitondra aina ho an´ny mpiara-belona amiko".

Oviana ianao no nanomboka nanoratra ary misy antony manokana ve?

Angamba tsy dia manana fotoana voafaritra loatra aho ilazako hoe oviana na oviana. Mpitandrina i Dada. Nanome vahana ahy izany teo amin’ny fitiavako ny fivavahana. Fony vao kely aho dia nanoratra irony tsianjery fanao rehefa krismasy irony. Niompana be dia be tamin’ny fivavahana ny soratro, izay no savaranonandon’ny fotoam-panoratako. Fa rehefa tonga rafitiavana dia taitra ny aingam-panahiko (2008) niainga tamina tononkalo iray momba ny fitiavana izay voasoratro tsinahy. “Tsara” hoy izay namaky, ary izaho koa aza mba nanamarika fa tsara ilay izy. Teo no taitra ny fitiavako manoratra tononkalo, dia nitsiry tato anatiko ilay hetaheta ny mba ho lasa mpanoratra.

Izany hoe tsy niainga tany an-tsekoly akory ny fanirianao ho mpanoratra tononkalo?

“Miara-miasa hahasoa ny zava-drehetra!” amin’ny ankapobeny dia nahafahako nandray ilay fitiavako ny teny Malagasy ny sekoly, fa tsy dia nandray anjara be loatra.

Izany hoe ?

Ny tiako holazaina dia ny sekoly no nandraisako ny fitiavana ny teny Malagasy, fa ireo loharano nipoirako no namolavola ahy ho tia ny kanto. Ankoatra ny maha- mpitandrina an’i Dada dia manana talenta teo amin’ny famoronan-kira koa izy, ary i Neny koa, tamin’ny mbola fahatanorany, nanoratra tononkalo maromaro.

Azonao lazaina ve ny fotoana na toerana mampiakatra ny aingam-panahinao?

Tsy dia misy toerana na fotoana misongadina loatra aloha, miainga foana izy rehefa te-hiainga, izay rahateo izy, namako izy. Fa ny tena fotoana fahatongavany matetika dia rehefa somary malahelohelo mangingina iny aho, dia misy hery tsy haiko tohaina manosika ahy handray ny peniko, toy ny mpanoratra rehetra ihany e!

"Mpanoratra rehetra" hoy ianao, afaka mitanisa anarana poeta vitsivitsy namanao ve ianao?

Maro dia maro ireo namana poeta, indrindra ireo mifanerasera amiko ao amin’ny “Facebook”: Fredy Jaofera, RADO RAMAHERISON, Ny Peniko, Avelo Nidor, Tahirintsoa Herimanana, Riantsoa, Ny Riandrano, Thina Andriafaly (…). Namako, eny, namako akaiky izy ireo, mampifandray anay ny soratra, ny saina, ny embona, ny feo koa aza indraindray. Raha toa ka tany Madagasikara aho dia fantatro fa feno ny fifandraisanay.

Any Alemaina ianao ankehitriny no mitoetra. Misy poeta Malagasy koa ve any?

Lavitra, tena lavitra! Raha toa ka misy Poeta malagasy koa aty dia mahafantatra an’izany lavitry ny tanindrazana izany. Taona 2010 aho no niala an’ny Madagasikara Malala ho aty Alemaina, feno antsika izao tontolo izao. Mety misy ihany koa, angamba, aty fa hatreto aloha mbola tsy tafahaona na nahafantatra ny fisiany aho. Iriko tokoa ny hihaona aminy raha toa ka misy izy, ary iriko mba hisy indrindra aza.

Ao koa anefa ny Havatsa Upem sampana Frantsa. Fantatrao ve ny fisiany?

Fantatro dia fantatro tokoa, io angamba no sampana akaiky ahy indrindra avy eto Alemaina amin’izao fotoana izao.

Inona no sehatra famoahanao sanganasa : gazety, radio sns.?


Ny aterineto aloha no sehatra voalohany amoahako ny tononkaloko, toy ny “Facebook” izay fizaràko ny aingako saika ho isan’andro; eo koa ny serasera.org. Ireo no sehatra lehibe afaka hizarako ny diam-peniko voalohany indrindra. Eto ihany koa ny Poetawebs. Matetika koa no antsaina ao amin’ny Radio Don Bosco Madagascar ny sombin’asasoratro, vao tsy ela akory izay, tamin’ny fetin’ny mpifankatia nankalazina ny volana febroary lasa teo, sy tamin’ny andron’ny fahatsiarovana ireo mahery fontsika, ny 29 martsa teo koa.


Mety ho misy tranonkala hafa tsy voatanisanao ve?

Ny tranonkala manokana aloha tsy misy saingy azon'ny mpisera atao koa ny mitsidika ny pejiko ao amin´ny Facebook: NY HARIAINA

Maro namana poeta ianao hoy isika teo. Mivelatra ao anaty fikambanan'ny Poeta ve ny diam'peninao?

Maro dia maro, ary tena mahafaly ahy fa maro ireo Malagasy mandala ny teniny. Tsy vitsy izy ireo no efa ao anaty fikambanana, nefa mbola maro ihany koa ireo mbola tsy tafiditra, anisany aho. Anton'ny sakana lehibe ilay elanelan-toerana manasaraka ahy amin’ireo fikambanana, fa any andro hiverina aho, dia tsy maintsy hiditra amin’ireny fikambanana ireny. Porofon’izany ilay pejy Facebook NY HARIAINA, ivondronan’ireo mpanoratra namako, mpakafy ireo tononkalo voarangotry ny peniko.

Efa namoaka boky ve ianao?

"Ny teny mandalo, fa ny soratra mitoetra", marina loatra io fiteny io. Mihevitra ny hanao izany tokoa saingy mbola tsy fantatro fotsiny hoe rahoviana. Maro ireo namana manosika ny hanaovako izany:

fa maninona no tsy havoaka boky fa mahantra boky anie ny firenentsika e, sady ny tononkalonao tsara be ireny dia maninona no afenimpenina any!

hoy i Fredy Jaofera tamiko indray andro. Maro ireo teny famporisihana nomen’ireo namako tam-pitiavana ahy, saingy misy fotoany tokoa ny zava-drehetra, andao hiara-manantena amiko!

Misy iainanao ve ny tononkalonao, ohatra “Diary”?

Fanontaniana fandreko matetika izany. Araka ny maha-olombelona ny tena dia misy tokoa ireo tena iainana, sedra, fotoana lalovana raiketina ho kanto mba tsy ho levon’ny fotoana, ho diary, toy ny “Diary”. Tsy dia tena hoe niainako tanteraka izy iny, ampahany ihany, fa mba hahatonga azy ho kanto sy hanana fanahy dia nampiana sy namboarina kely.
                                                                        DIARY

 

NY HARIAINA
(Desambra 2011)

 

Ontsa aho anikeheo,
Raha nahita sy nanokatra
Dia namaky ilay diary
Ilay fanoratantsika,
'Lay koa famakintsika,
Niraiketana izay vita
'Lay nitahiry koa,
Ny amin´ny tantarantsika
Ny momba antsika roa.
'Lay afa-mitanisa
Irony zavatra natao,
Niainako sy ianao.
'Lay koa mba niraketako,
'Lay sisa nandrafetako,
'Lay hany nahafantatra
Ny tato am-poko niafina
'Lay koa aza nahita,
Ny jaly, tomany lavako
'Lay indrindra nipatrahan´
ny ranomason-tavako.
Raha nilaza ianao,
F´efa nahita hafa
Dia hafa vaovao.
Ka tsy afaka intsony,
Ny mbola hiaraka amiko
Ny marimarina aza,
Tsy tia ahy akory,
Dia...
Niangavy ahy ho tony

 

Ny diam-peninao “Tantaran-tolakandrony” dia miendrika rian-kalo. Mahazatra anao ve ny manoratra amin’io fomba io?

Voalohany tamin’ny asasoratro miendrika rian-kalo ny “Tantaran-tolakandrony”, vao herotrerony, miana-mamindra, miana-mizatra e. Tsy dia mahazatra ahy loatra saingy tiako sy mahafinaritra ahy satria miavaka amin’ny tononkalo tsotra mahazatra ilay izy. Taty aoriana aho vao miezaka mizatra manoratra rian-kalo.

Misy lohahevitra ampiasainao matetika ve rehefa manoratra?

Isan’ny ahafantaran’ny maro an’i NY HARIAINA aloha dia ny tononkalom-pitiavana, manavanana ahy kokoa ny ara-pitiavana, mety amin’ilay izaho mbola ato anatin’ny fotoan’ny adolan-tsento angamba. Fa misy koa anefa ireo diam-peniko sasany mivelatra amin’ny lohahevitra hafa. Rehefa manoratra aho matetika dia tsy misaina mialoha hoe ataoko momba izao ity na momba izao fa arakarak’ilay aingam-panahy tonga ihany. Maro koa ireo namana miangavy tononkalo avy aty amiko manome lohahevitra manokana.

Eto am-pamaranana àry, azonao atolotra andinin-teny vitsivitsy ve ny mpiseran'ny Poetawebs?

NY SORATRO

Hiraketako ny tsy azo tenenina
Handrakofako ny tiako hafenina
Hamehezako ny andro sy ny orako
Tsy hafa tsy akory fa ny soratro
 
Voambolana maro samy hafa
Ny ho avy, ny anio ary lasa
No natambatro anaty diary
Dia mbola ilay soratro ihany
    Fiainako, toetra, fitiavako
No nalaiko ka indro nakambako
Ireo kisarisary natonta
Tsy nofy fa soratro kosa
 
Ka na ho aiza no mbola ho sehatro
Na ho inona mbola hatrehiko
Dia tsy miova io ary mbola eo hatrany
Ilay soratra, ny soratro izany

NY HARIAINA

 

Mazava tsara amin'ny mpisera ankehitriny ny "Soratrao" NY HARIAINA. Hafaliana tsy omby tratra ho an'ny Poetawebs izay fotoana fohy niarahantsika teto izay. Mirary ho avy mamirapiratra ho anao eo amin'ny tontolon'ny poezia izahay ary manao veloma finaritra.

Isaorana ny poetawebs sy ianao mpisera mpianoka ny poezia malagasy.
poeta©2009 - poetawebs@gmail.com
Raha misy mahatafintohina ny votoatin'ny tranonkala dia anoraty ny tomponandraikitra anamboarana ny tsy mety

Date de dernière mise à jour : 05/07/2021