Poetawebs mitafa amin'i Tolotra



31 Desambra 2013

TAPATAPAK'AHITRA NIFANAOVAN'NY POETAWEBS TAMIN'I  TOLOTRA ARINANDRIANA

 

(…)
Anaty rotsak’orana
K’izaho ity no torana
Toran’ny hehy mahatsiarotsiaro indray
Izay fahazazako izay
F’iny fetsa hotsakotsaka
No mbola indray voan’ny kapoka matevina
Ny tomany, lelo rotsaka
Dia miozona eo intsony tsy hamerina
Ny ampitso mihosim-potaka
Miditra ny trano … ny volo toy ny bozaka
Avy nilomano … fetsaka sy sasatra
Ô ry fahazazana sambatra
Dia io sombin-tononkalo voasoratra ny 6 Desambra 2013 tany Antsirabe io no entin’i Tolotra Arinandriana miarahaba antsika mpisera eto amin’ny Poetawebs.

ANDRIANASOLOARISON Ravonandriana Tolotra Mampionona no tena anarany ao anaty kopia. Teraka ny 2 septambra 1978 tao Tsarahonenana ITAOSY. Zaza fahatelo amin'izy efatra mianadahy nateraky ny ray aman-dreniny izy. Manambady izy. Mpiasam-panjakana eo anivon’ny Sampan-draharahan’ny Hetra.

Tononkalo, sombintantara, riankalo, tantara fandefa an'onjampeo, tantara foronina no ahafantarana azy eo amin’ny tontolon’ny kanto sy haisoratra.

Ankoatran’ny maha mpanoratra azy dia mpilalao an-tsehatra koa izy.

Miarahaba anao Tolotra, feno ve izay fampahafantarana izay?

Miarahaba anao Toetra Raja ary mikopa-tanana ireo mpisera rehetra ato. Feno hoy ianao, izay farafahakeliny tokony ho fantatra ireo ary inoako fa ampy.


Ampahany amin'ny fanampinanaranao no ampiasainao eo amin'ny penina. Misy antony manokana ve?

Hitako hoe soa sy kanto indrindra ny anarana nomen’ny ray sy reniko ahy ka tsy nisalotra anarana hafa intsony aho.


Oviana marina moa Tolotra Arinandriana no nanomboka nanoratra ary nisy antony manokana ve?

Tany amin’ny kilasy fahadimy tany aho no nanomboka nanoratra. Mbola kely tokoa. Nafenina mihitsy noho ny tahotra ireo olona nitaiza. Saingy tany anaty kahie fianarana moa no nanoratra ka nipoitra ihany tamin’ny farany. Tsaroako fa bedy aho tamin’izay. Bedy satria nandany kahie tamin’ny fanoratana hono, lany andro fa tsy mianatra tsara. Te ho lasa adala ve hono aho? Ny mpanoratra ange ka tsy maintsy mandray zava-mahadomelina, toaka na rongony, fa tsy miakatra hoe ny aingam-panahy raha tsy izany.

Mivalapatra kely aho eto fa tantaran’ny nanombohako nanoratra.

'Ndeha izatsy izy.

Nodorana sy norovitina izay voasoratra nanomboka teo. Nahery anefa ‘lay fanahin’ny poeta tao amiko ka nanohy nanoratra aho saingy nafenina aloha. Kilasy faharoa tao amin’ny Kolejy Md Filipo sy Zaka, tao amin’ny Fikambanana CCACSPJ “Cercle Culturel et Artistique du Collège Saints Philippe et Jacques” TANJOMBATO aho fa nampiseho indray ny maha mpanoratra ahy ary ireharehako hatramin’izao. Ny antony manokana? Antson’ny fanahy hamela dindo amin’ny Kanto.


Saika tsy lany
Ny faika mavan’
ny oroka farany
Namono ny anarany



Andeha hoe isika hanao dia mianotra ka hiverina ny taona maro efa nilomanosanao tao anatin’ny Soratra. Hono ho’aho Tolotra efa nisy ve boky mirakitra ireo sangan’asanao. Mba tantarao hoe.


Eny. Ezaka ataon’ny mpanoratra ary tokony hataon’ny mpanoratra rehetra ny fanapariahana ny asa sorany na dia tsy mora aza izany. Efa nisy amboaran-tononkalo vitsivitsy efa eny amin’ny Trano Fivarotam-boky amin’izao :


° Tanila : Amboaran-tononkalo ahy manokana ny 2009
° Tandrimo I sy II : Amboaran-tononkalo niarahana tamin'i Zo-Maminirina ny 2011
° Vaika Afo :  Amboaran-tononkalo niarahana tamin'i Tiburce Soavinarivo ny 2002
° Voahangy Tsangy : Amboaran-tononkalo niarahana tamin'ireo saramba vitsivitsy ao amin'ny Faribolana Sandratra ny taona 2000

Manao ahoana ny fanjifana ireo boky ireo?

Mandeha miadana sy miandalana. Mbola sarotra ny tsenan’ny boky malagasy eto amintsika. Mbola tsy tafiditra ao amin’ny kolontsaintsika ny fividianana sy famakiana boky.


Misy lohahevitra mahavantana anao kokoa noho ny zavatra hafa ve eo am-pamoronana?

Fitiavana be … rafonotsiny :-) Vazivazy iny fa io no lehibe indrindra amiko hany ka mibahana amin’ny asa soratro. Tsy mijanona amin’ny fitiavana fotsiny anefa fa tsy misy mihodivitra amin’ny soratro ireo rehetra iainan’ny fiarahamonina : politika, sosialy, tanindrazana, tenindrazana sns.


Mpanoratra tantara koa ianao. Ahitana an-dalan-teny mirima na migadona ve ao anatin'izy ireny?

Ny tantara moa amin’ny maha tantara azy izay dia ny rindran-kevitra sy ny teny na fehezanteny entina mandahatra azy no ezahina ho kanto, tsy dia misy rima loatra. Anaty tononkalo sy riankalo no mibahana ny rima.

“Riankalo” hoy ianao, inona moa ‘lay hoe Riankalo?

Endri-tsoratra vaovao nipoitra tato ho ato izy io. Atao hoe tononkalo tsy tononkalo, atao indray hoe sombintantara toa tsy izany koa. Ny “Prose” angaha no manakaiky azy kokoa. Izao ny santionany :

VAHY INONA?
Vahy inona?
Vahy inona no mitazona, mihazona eto ? Ekeko, misy iraka nampombaina ny fisiako. Reko.
Tsy mponina eto aho, raha tsy izany efa nifanena tamin’ilay fanahy kambana amiko. Mahatsiaro ho tsy feno lalandava aho, mitady azy, mikaroka azy, maniry azy amin’ny olona sy tontolo rehetra iseraserako. O tsy hifantàko ny tsy ho eo anilany, hofihininy, hosakambininy, hosakelehiny, ho enta-keliny vinimbiny hatraiza hatraiza. Aiza anefa no hifanojoako aminy ? Aiza ?

Nandalim-pahaizana tany Frantsa ianao tao amin'ny ENA izay sekoly ambony dia ambony tokoa. Nampandeferinao ve ny haisoratra nandritra izany?

:-) ENAM “Ecole Nationale d’Administration de Madagascar” fa tsy ENA. Misy sekoly ambony koa eto amintsika ary mamokatra olomanga maro.

Marina izany!

N’inona n’inona nataoko tamin’ny fiainako dia nanoratra foana aho. Tsy afaka io fa manaraka hatraiza hatraiza, any am-piangonana, trano filanonana, fiara fitaterana, eo ambony fandriana … Tsy hay ampandeferina fa rivotra iainako.

Nanambady teratany vahiny ianao taty aoriana. Vato misakana ho an'ny fanandratana ny teny sy ny haisoratra malagasy ve izany?

:-)  Marina fa manana endrika vahiny tokoa RAJAOMARIA TSIMANIRY Venceslas Orlando vadiko (sary eo ambony) saingy tiako ny manambara amin’ny besinimaro fa Malagasy toa ahy izy. Misy ra vahiny kely avy amin’ny dadabe avy amin’ny mamany. Tsy mpanoratra izy fa isan’ireo mpankafy ny haisoratra malagasy.

"Izay tia ny teniny, hono, tia ny tanindrazany". Araka ny hevitrao, sao dia tsy ampy ny fanentanana ny Malagasy ho tia ny teniny ka nahatonga an'izao firenentsika izao ho tafalatsaka ao anaty kizo lalina?

Simban’ny vahiny ny kolontsaintsika, ny maha izy antsika manontolo. Vitsy ireo sahy mijoro hanolokolo. Tsy ny kolotsaina ihany fa ny momba an’i  Madagasikara rehetra mihitsy no lasa valalan’amboa. Dia eo indrindra koa, aleo lazaina mazava tsara, ny fitiavantena, fitiavan-tseza, fitiavam-boninahitr’ireo tonga eo amin’ny fitondrana. Tsy adinoana amin’izany ny fitiavam-bao sy fitiavana zava-bahinin’ny Malagasy. Tompon’andrakitra daholo isika amin’ny fikorosoam-pahan’ity tanintsika ity.

Anisan'ny mamelona ny aingam-panahinao àry ve ny tolona ho an'ny tanindrazana?

Isany dia isany tokoa. Maromaro ireo tononkalon’ny tolona, ny tanindrazana raha tsy hilaza afa-tsy izay voarakitra ao amin’ny Tanila fotsiny ohatra : “Hetra”, “Misy fanahy”, “Saina”, “Ilo”, “Fandroana”, “Andran’asa”, “Iza ho aiza?”, “Abidian’ny arabe”. Tiako ary mamiko ny tanindrazako saingy tsy afaka manao n’inona n’inona amin’ny fanimban’ny sasany azy aho afa-tsy ny manoratra ihany ary fery ho ahy izany.

Tolotra, eo afovoan'ireo mpiray faribolan'ny Sandratra
Tolotra, eo afovoan'ireo mpiray faribolan'ny Sandratra.
Sary : Zo-Maminirina
Oviana moa ianao no niray Faribolana tao amin'ny SANDRATRA ary nisy antony manokana ve?

Nanomboka ny taona 1998 aho no niditra ho mpiray Faribolana SANDRATRA. Nanakoako ny lazan’ny Faribolan’ny Mpanoratra sy Poeta SANDRATRA tamin’izany. Izaho rahateo anisan’ireo nanaraka ny hetsika fanaony indrindra ny antsa isaky ny Alarobia fahefatra tao amin’ny CGM. Naniry hiray petsapetsa tamin’ireo tanora mitovy amin’ny tena sy ireo andrarezina toa andry elie Rajaonarison, Solofo José, Niry Solosoa. Voasarik’ilay ataoko hoe “fanahy Sandratra” aho dia ao hatramin’izao.

Tao amin'ny SANDRATRA ve no nianaranao milalao an-tsehatra?

Efa niaka-tsehatra aho talohan’ny tao amin’ny SANDRATRA. Teo anivon’ny fiangonana sy ilay Fikambanana ara-kolotoraly nolazaiko tany aloha CCACSPJ no nanombohako azy. Azo lazaina fa tao amin’ny SANDRATRA no nanamafisako ny fahaiza-manaoko amin’ny fiakarana sy fizakana sehatra. Pi-maso kely ho an’i Solofo José tompo-marika amin’izany ao amin’ny SANDRATRA. Nahazoako zava-tsoa maro teo amin’ny sehatry ny kanto io lehilahy io. Pao-tsatroka Solofo a!

Sary eo ankavia : Tolotra miantsa nandritra ny sehatra "Folera". Sary : Zo-Maminirina



Mifandray amin'ny poeta hafa ankoatra ireo ao amin'ny SANDRATRA ve ianao?


Mivelatra amin’ny zavakanto maro aho, tsy mikombona amin’ny soratra fotsiny. Mifandray amin’ny mpanoratra hafa ihany koa aho. Tsy ho àry voatanisa eto izy ireo fa misy vitsivitsy maromaro ao amin’ny HAVATSA UPEM, misy koa ireo tsy anaty fikambanana. Rehefa toerana na sehatra misy kanto dia isiako avokoa.

Niara-namoaka boky tamin'i Tiburce Soavinarivo ianao, hoy isika teo. Azonao lazaina ho an'ireo izay tsy mahalala azy ve hoe iza i Tiburce Soavinarivo?

Isan’ireo mpiray Faribolana SANDRATRA i Tiburce Soavinarivo na Ny Mamatonalina. Pasitera izy sady mpanoratra. Avy aminy no nitsiry ny hevitra hoe hiara-hamoaka boky dia teraka ny VAIKA AFO tamin’ny taona 2002.

Lazao fohifohy aminay ny fifampifehezana tokony ananan'ny olona roa miara-mamoaka boky.

Raha ny SANDRATRA no resahina dia tsy maintsy mpiray Faribolana aloha alohan’ny zavatra rehetra. Manana asa soratra azo havoaka, izany hoe manaraka ny hoe kanto eken’ny rehetra, efa misy vaomiera miandraikitra an’io. Avy eo haroso eo amin’ny Fivoriana mba hampidirana azy amin’ny fandaharam-potoanan’ny SANDRATRA. Ny mpanoratra roa tonta miaraka amin’ny mpiray Faribolana no mandrary sy mandavorary ny famoahana ny boky sy ny fanolorana azy amin’ny mpankafy.

Ho an'izay mbola tsy nahavaky ny bokinao TANDRIMO I sy II, inona no maha samy hafa azy ireo?

Tantara mitohy ny I sy II izany hoe tara-kevitra iray ihany no voizin’izy roa dia ny firimorimon’ny fiainana isan’andro ka tsy hahitana intsony izay hakantony.

25 minitra izay no niarahantsika nitafatafa teto. Azontsika tapahana kely amin'ny alalan'ny fiantsana andinin-tononkalo ve ny resaka?

Eny. Indro àry atolotro ho an’ireo vehivavy rehetra.
DERAINA

Impiry nitoriana
teny ianao androany?
Betsaka ny mpila
Maro ny mpitady
    “Noro ianao ry Voahangy
    Voahangy ianao ry Noro”

Impiry nosandaina
tamin’ny tambitamby
Ny ho avy tian-kajoro?
    Ianao anefa, hatrany
    Vonona ny hiady
    Mirojo herin-tsaina
    Herin-tsaim-behivavy

2002 -
in Tanila tak. 61
 



Eto ampamaranana àry, inona  ireo mba vinavinanao manaraka ho fanandratana ny haisoratra malagasy? Boky? Sehatra?


  • Vina lavitra ezaka ny hamoahan’i Tolotra Arinandriana ho boky ny Tantara foroniny voalohany “TANDRIFY MASOANDRO”. Asa afaka dimy taona any ho any ohatra?
  • Faniriako koa ny hiverina hiaka-tsehatra fa ela izay nandaozana azy izay noho ny fivezivezena amin’ny asa. Manina azy aho.
  • Manaraka izany mba te hitondra an’ i Tanila hiampita ranomasina, maninona moa. Efa misy santionany ihany nasaiko nialoha lalana ahy any Frantsa sy Mayotte fa ilay mpanoratra mbola tsy tonga tany. :-)

Mirary fahombiazana ho an'i Tolotra amin'izany vinavinana izany ny Poetawebs ary mankasitra anao nivahiny teto. Mankasitraka indrindra namela mamy ho an'ny mpisera amin'izao fiandohan'ny taona 2014 izao.

Sitrako ihany koa Toetra Raja. Ho ela velona ny haisoratra malagasy!

poeta©2009 - poetawebs@gmail.com
Raha misy mahatafintohina ny votoatin'ny tranonkala dia anoraty ny tomponandraikitra anamboarana ny tsy mety

Date de dernière mise à jour : 05/07/2021