Créer un site internet
poetawebs Tiavina
Ny poeta raha miteny
Dia mampita izay mba reny
Sady saininy ombieny
Amin'ny gadona avo lenta
Mampitony hetaheta
Bitsik'ivan'ny poeta

21 Desambra 2011

 

TAPATAPAK'AHITRA IARAHANA AMIN'I TIAVINA NA  SYLVIA RANDRIANANTOANDRO

 


Sylvia Randrianantoandro, fantatra amin'ny anarana diam-penina hoe TIAVINA, dia poeta sy mpanoratra tantara fandefa an'onjam-peo. Niditra tao amin'ny Faribolana Sandratra izy nanomboka tamin'ny 2001. Vao tsy ela akory izy no niaka-tsehatra tao amin'ny C.G.M. Analakely niaraka tamin'i Malalatiana Hasina sy Avelo Nidor, namany ao amin'ny Sandratra. Nivoaka boky moa izany sehatra izany, izay nampitondraina ny lohatenin'ny Antsan-tononkalo: "Onjan'Angoty". Ho resahantsika eto indrindra moa ny momba ny boky sy ny Faribolana.

Fa mialoha izany, inona no hevitra fonosin'ny solonanarana hoe TIAVINA?

Faly mitapatapakahitra aminareo, ary miarahaba anareo am-pitsikiana aho, Randrianantoandro Louidjine Sylvia araka ny anarana natolotra ahy ary voarakitra ara-panjakana.

Tiavina, anarana somary miangentsana ary nahafinaritra ny sofiko; io kosa dia nofidiako manokana ho entiko am-panahy satria io no fiantsoako ilay fanahy tsy fantatro fiaviana tonga mamangy ahy matetika; Izy no i Tiavina nindramako anarana.


Ankoatra izay, azonao atao ve ny manambara fohifohy ny mombamomba anao?

Ao an-tokantrano dia sady vady aho no reny, manan-janaka roa lahy; ary mamelona no sady velomina… izany hoe manana asa toy ny olona rehetra tsy te ho resy eo amin’ny hazakazaky ny fiainana, ary mametraka ny fandresena ho nofinofy azo tanterahina.
Eo anivon’ny fiaraha-monina dia tsy miova ny toerako, ilay olon-tsotra sy namana mpandray andraikitra amin’ny fotoana rehetra.

Teraka tany Sambava ianao ary nandranto fianarana teto Andrenivohitra. Misy fiantraikany ao amin'ny sanganasanao ve izany haren'ny kolontsaina anananao izany?

Marihako etoana aloha fa raha vao nanomboka nianatra ny abidy aho dia efa teto an-drenivohitra, ary fialan-tsasatra kely tsindraindray ihany no mba nahitako ny tanàna nahaterahako. Ny mahagaga ahy dia mbola tsy nisy na dia iray aza sangan’asa voasoratro tany Sambava… Asa angaha izay antony fa na izaho aza mba manontany tena hoe: "nahoana no tsy mety hanaraka ahy any mihitsy i Tiavina???" Ka raha ny hoe haren’ny kolontsaina araka ny filazanao no valiana, dia mahamenatra ahy ny hilaza fa mahantra aho, satria tsy manana ny kolon-tsain’ny faritra avaratry ny Nosy mihitsy hatreto.

Teo amin'ny tora-pasiky Sambava, mandinika onja
Sambava, eo an-tokontany

 

Inona no nahasarika anao niditra tao amin'ny Faribolan'ny Sandratra?

Ny fahitako ireo mpanoratra tanora afaka mamoaka ny fanahiny eo anatrehan’ny besinimaro; ny fahatsapako fa manana fanahy toa ny azy ireo koa aho anefa tsy misy sehatra azoko ampahafantarana azy raha tsy miditra ao anatina fikambanana mpanoratra aho. Vao 22 taona aho tamin’izany, ka izay fikambanana hitako ho maro tanora no nahasarika ahy kokoa. Rehefa tafiditra tao anefa aho dia nahatsapa fa tena marina ilay hoe faribolana satria fiainana ao anaty tana-mifandray sy fo mifandrohy no nifampizaràna tao, ary io mbola mahatamana ahy hatramin’izao io.

Momba ny "Onjan'angoty" tao amin'ny CGM Analakely, boky sy sehatra (sary ankavanana), inona no mety ho fahasarotan'ny fanomanana azy?

Ny fanomanana boky dia mitaky fahafoizana be dia be, ny fanolorana izay tsapa ho kanto indrindra amin’ny soratra aloha, ary tsy vita vetivety izay fa mila fifantenana lalina. Olana ara-potoana no tena tsapako ho navesatra taminay. Betsaka ihany koa ny faniriana haneho ny lafatra indrindra (teo amin’ny boky ohatra, ny haingon-tsehatra…) saingy tsy maintsy nampandeferina izany; maro ny tanjona tsy tratra noho ny tsy fahampian’ny enti-manana; na izany aza, afa-po aho…

Ankoatra izay, nisy ny fifanoloran-tanana teo aminay telo mianadahy ka toa nanamora ny fanomanana rehetra, araka izay kely takatray.

Mirary dia mirary tokoa ny vidin'ny boky "Onjan'angoty". Raha tsy mahadiso, nisy fanampiana manokana ve nenti-manana izany?

Tsy sahy mangataka, sady tsy misy mpanome… indrisy!!! Herim-ponay telo mianadahy tanteraka iny boky iny; Tsy natao ho fitadiavam-bola anefa fa nentina hizaràna ny kanto aminao, ka niniana natao ho araka ny fahefa-mividin’ny Malagasy efa trotraky ny krizy ny vidiny.


Efa namoaka boky hafa ve ianao na mikatsaka ny hanao izany indray ato ho ato?


Hatramin’izay aho dia mbola tsy sahy nandeha irery mihitsy fa nifampitantana tamin’ny namana hatrany, ary tsapako fa ilaina ireny mba hifampizaràna traikefa amin’ny namana. Boky roa no efa navoakako talohan’izao: “Afindrafindrao” amboaran-tonokalo niarahako tamin’i Niravo tamin’ny desambra 2004; ary ny “Alarobia tsy miverina” boky nilomanosana ny tontolon’ny tantara an’onjampeo, nifandrimbonanay sy Nofy; izahay ireo dia samy mpikambana ao amin’ny Faribolana Sandratra avokoa.

Angamba, rariny raha hianatra hamindra irery amin’izay aho???

Ankoatra ireo hetsika iarahanao amin'ny Sandratra, misy fomba hafa ve ivelaran'ny sanganasanao (gazety, aterineto, Onjam-peo sns)?

Amin’ny maha mpanoratra sy mamelona tantara an’onjam-peo ahy dia ny onjam-peo no sehatra voalohany anehoako ny sangan’asako, ny aterineto no faharoa, anisan’izany ianareo eto amin’ny poetawebs, ny serasera.org, ary ny facebook izay izarako fanahy matetika. Efa mba voaresaka an-gazety tsindraindray ihany koa, ary efa nahazo sehatra tao amin’ny Televiziona Malagasy. Isaorana avokoa ireo mpikarakara ny ara-tserasera rehetra fa tena mitondra ny anjara birikiny hatrany mba hanandratana ny literatiora Malagasy.

Tsy misy mpanakanto afaka manome fahafaham-po tanteraka ny olon-drehetra. Nambaranao izany tao amin'ny tononkalonao "TSY MAINTSY", andininy roa voalohany. Niainana ve io tononkalo io?

Tiako ny manamarika hoe tsy niainana io tononkalo io, fa fanehoana ny fahafantarana tsotra izao ny mpiara-belona. Eritreritra tsy mandry angaha no azo amaritana azy? Io tononkalo io aza moa dia nofaranako tamin’ny hoe: “mbola be ny hotenenina” satria na izaho miteny aza tsy mety ho afa-po ka mainka moa fa ny olona mandray ny zavatra lazaiko???

Tsikaritra tao amin'ny Facebook ny sary nahitana anao tao amin'ny Radio Aceem niaraka tamin'i Solofo José. Azonao asiana fanazavana ve ny momba izany?

I Solofo José no nitarika sy nanofana ahy ho tonga mpamelona tantara an’onjampeo, isaorako azy izany. Tamin’ny fiantombohan’ny taona 2004 no nidirako voalohany tao anatin’ny tontolon’ny hainoamanjery, raha ny 2002 no nanombohako nanoratra tantara, ary tato anatin’ny telo taona dia mivelatra bebe kokoa ao amin’ny Radio Madagascar ny talenta famoronana sy famelomana ananako. Tiako marihana hoe mivoha midanadana ny varavaran’ny asa soratro ho an’ny rehetra mila izany ary tsy mifidy olona na sehatra iaraha-miasa.

Sady mpianatry ny sekoly kristianina "Fo masin'i Jesoa Tsaramasay" ianao no mpihira amin'ny amboaram-peo miankina amin'ny fiangonana. Misoritra amin'ny asa soratrao ve ny tontolon'ny fivavahana?

Matetika aho ao anaty soratra no somary masiaka amin’ny mpivavaka, tsy hoe tsy fitiavana anefa no anaovako izany, fa noho ny fitandrovako ny Hasin’Ilay Mpahary ahy, satria miha-maro loatra ireo mivavaka nefa tsy mahay mivavaka.

Izany hoe ?

Mikentrona ny handrinao amin’ilay fomba filazako azy, kanefa iniako tsy hasiana fanazavana ny amin’iny fa asakasaky ry zareo izay voakasik’izay. Ny tontolon’ny fivavahana sy ilay “izaho” olombelona manana Fanahy maha-olona, sy Fanahy Poeta dia tena mifandrohy tokoa. Ao anaty soratro no anehoako fa:

”Fantatro izay inoako, ary haiko ny miara-miaina Aminy“.

Ny sekolim-pinoana ve sa ny Lycée Faravohitra no tena namolavola anao ho lasa poeta?

Mpampianatra taranja Malagasy anankiroa (Rtoa Aimée tao amin’ny Sekoly Fo Masin’i Jesoa Tsaramasay sy Maman tao amin’ny Lycée Jules Ferry Faravohitra) no tena tsapako hoe namboly ny fitiavana ny Teny Malagasy tao anatiko, ary tamin’izany aza dia nataoko ho fanamby mihitsy ny hahazo ny naoty faratampony amin’ny taranja Malagasy, fa raha tamin’ny taranja hafa dia tsy nampaninona ahy loatra. Tiako anefa ny manasongadina fa ny fiaraha-monina no mpanaitra matory ny aingam-panahy teo amiko, raha i dada sy neny kosa no mpamporisika sy mpanohana ahy ka nahafahako niroso lalina teo amin’ny asa fanoratana.

Mitaratra amin'ny tantara foroninao ve ny riman'ny poezia?

Tsia, aingam-panahy roa mahaleotena ny tantara an’onjampeo sy ny poezia, ka raha ndeha atao hoe misy tromba ny mpanoratra, dia fanahy roa samihafa mihitsy no miteny ao aminy, ka samy hafa ihany koa ny fisehony sy ny zavatra takiany. Rehefa mety ho tantara, na tantara foronina na an’onjampeo, dia mitaky fahalalana sy fandinihana, ary fikarohana be dia be. Ny poezia kosa dia ainga mitosaka araka ny zava-misy iainana sy ny manodidina ilay mpanoratra.

Hahaliana ny mpisera ny hamaky andinin-tononkalo iray na roa avy aminao.

Iriako mba hamaka ao am-ponao ny fankafizana ny hanitra nentin-drazantsika, koa indreto ary ainga zaraina aminao maimaim-poana, am-pitiavana lehibe, arahana tsiky feno fahatsorana.

 

  MANDALO DIA MIRAIKITRA

I “Mandalo dia miraikitra” no iantsoako anao…
Dia nandalo… fa niraikitra ato am-poko tsotra izao
ianao ry ilay niserana…
Fa satrinao noferana tsy hihoatra ny herinandro
ilay lohataonan’ny masoandro
nibaliaka an-tampon-dohako.
Indrisy, tena mafy ka tsy tohako…

Andriamanitra ô!
Inty aho, mivavaka Aminao,
hanao lemozy, hitalaho
ho an’ity foko izay voakaikitra
noho i “Mandalo dia miraikitra”.
Omeo fahagagàna hampitony
mba tsy ho tandindona intsony,
fa ny aminy rehetra
no hiraikitra sy hitoetra.

Ka izay mety ho fepetra,
na lalàna, baiko, etsetra….
dia tsy maintsy hotanterahiko;
Fa ianao fofoiko ho ahiko
Ry tiavina eram-po,
ry “Mandalo dia miraikitra”
Ö! Niraikitra tokoa !

15 Desambra 2002
  BODO DIA NITIA

Indrisy…
Fa tsy fidiny ny bodo
ny ho bado.
Dia matin-dokam-boka,
tsy nisaina hibikabika
ny dikan-tenim-boky
Fa kobaka finafin’ny vavanao,
tsentsafiny.
Ka roboka, nitsoboka
Any dia namantana…
Namakivaky ny atin’ny
koba tsara tsoka.
sa… vinakivakin’ny atin’ny
tsoka tsaran-koba?
… dia babonao fitiavany, daba roy anarany.
Basy ianao nidoboka, daboka izy, resy.
Biby ianao fitsarany.

Boba rano (ny) masony.
Ö! dibadiba kibony.

Septambra 2005
Tononkalo roa mambabo, mandalo dia miraikitra, no anaovanao mandra-pihaona ny mpisera. Misaotra anao izy ireo, misaotra anao ny poetawebs, tamin'ny resadresaka tamim-pahatsorana nentinao teto. Mirary ho avy mamirapiratra ho anao ny ekipan'ny mpandrindra ny tranonkala.

Nandrindra : Toetra RAJA
poeta©2009 - poetawebs@gmail.com
Raha misy mahatafintohina ny votoatin'ny tranonkala dia anoraty ny tomponandraikitra anamboarana ny tsy mety

Date de dernière mise à jour : 05/07/2021