Pôetawebs

Ny poeta raha miteny
  dia mampita izay mba reny
 sady saininy ombieny
 
amin'ny gadona avo lenta
  mampitony hetaheta :
 bitsik'ivan'ny poeta. (T.Ràja)

16 Janoary 2016

Tapatapakahitra nifanaovan'ny Pôetawebs tamin'i Doda Razafindravelo

Pôeta vehivavy indray no
vahinin'ny Pôetawebs amin'ity fiandohan'ny taona 2016 ity. Tanora dia tanora tokoa izy kanefa dia azo lazaina fa manana traikefa tokoa eo amin'ny haisoratra sy eo amin'ny fiainana amin'ny ankapobeny mihitsy. Hanatontosa hetsika izy ato ho ato ka ny momba izany indrindra no nahatonga ny Pôetawebs hanatona azy. Ato anefitry ny Tapatapakahitra izy no miara-mitafa amin'i Ikaloyna.

Ikaloyna
Miarahaba anao Doda Razafindravelo, fa izay anarana izay moa no ahalalana anao eo amin'ny soratra. Azonao fintinina ve ny momba anao raha tsy mahadiso?

Doda Razafindravelo
I DODA Razafindravelo na Faraniaina Christine Razafindravelo dia mpanoratra, mpampianatra ny taranja Matematika sy Fizika, mianatra momba ny serasera sy fanaovan-gazety ao amin'ny ISAP Anjanahary ary mpikambana ao amin'ny "KORIRAKANTO NY HAISORATRA MALAGASY" sy ny "RIAN-KANTO AJA SY RAKEMBA".

Ikaloyna
Inona no nahatonga an'ilay anarana hoe Doda nefa ianao tovovavy ?

Doda Razafindravelo
Naniry hanana zanaka lahy i Dada sy i Neny mba hitondra ny anarana hoe DODA kanefa tsy nahazo ary dia napetrany ho anaram-bositro. Tena tsy tiako izy io tany aloha fa rehefa niditra teo amin'ny sehatry ny kanto aho dia nomeko sehatra izy.

Ikaloyna
Mba tsetsatsetra tsy aritra iny, fa toa hoe hanao hetsika ianao ?

Doda Razafindravelo
Eny,"DIA HARY" ho tontosaina ny Sabotsy 13 Febroary 2016 amin'ny 9 ora maraina ao amin'ny Tahala Rarihasina Analakely.

Ikaloyna
Misy antony manokana ve nisafidiananao an'io daty io ?


"Mivelona amin'ny fitiavana ny olombelona"


Doda Razafindravelo
Mivelona amin'ny fitiavana ny olombelona ka izany indrindra no nandraisako io andron'ny fifankatiavana io hanaovana ny hetsika.

Ikaloyna
Inona no tena hevitr'io anarana "DIA HARY" io?

Doda Razafindravelo
"DIA HARY" raha adika mazava dia lalam-pisiana. Fa raha vakiana dia mandre teny firaketana ny zavatra niainana isika. Izany hoe diary hirakitra ny lalam-pisiana ny "DIA HARY".

Ikaloyna
Raha tsy diso aho dia toa efa nanao hetsika ianareo tamin'ny herintaona. Hiavaka noho izay efa natao izay ve ny amin'ity?

Doda Razafindravelo
Tena hiavaka satria tamin'ny taona lasa dia ny fitiavan'olon-droa no nomena lanja fa amin'ity dia ny fitiavana amin'ny sehatra rehetra no hasandratra.

Ikaloyna
Doda Razafindravelo, ahoana ny fahitanao ny fiheveran'ny manodidina anao amin'ny maha-pôeta anao ?


"Olon'ny fitiavana"


Doda Razafindravelo
Toy ny olon-drehetra ihany ny poeta. Ny hany mampiavaka azy dia izy mahita ambara amin'ny zavatra rehetra mitranga amin'ny fomba miavaka. "Olon'ny fitiavana", izay no fahatsapako ny fandraisan'izy ireo ahy hatreto.

Ikaloyna
Ary amin'ny maha vehivavy anao, ahoana ny fahitanao ny pôeta vehivavy malagasy?

Doda Razafindravelo
Raha ampitahaina amin'ny lehilahy dia vitsy ny pôeta vehivavy ary mazana tsy dia hita firy eny amin'ny sehatra kanefa dia tena manana ny mampiavaka azy.

Ikaloyna
Inona re no mety mahatonga an'izay hoe "tsy dia hita firy ny pôeta vehivavy malagasy" izay e ?

Doda Razafindravelo
Tsy mora ny miseho sehatra, toetra kely iavahan'ny vehivavy amin'ny lehilahy ny henatra. Izay no hitako mahavitsy azy.

Ikaloyna
Voalazanao tetsy ambony fa sady mpampianatra ianao no mianatra asa fanaovan-gazety. Eo ihany koa ireo fikambanana misy anao sns. Azo avoitra eto ve ny tsiambaratelonao ka ahafahanao mandamina an'izany adidy aman'andraikitra misavovona izany?

Doda Razafindravelo
Rehefa tiana ny zavatra atao dia matanjaka ny saina ary vonona ny vatana.

Ikaloyna
Hiverina amin'ny hetsika isika, hanao ahoana ny lamina amin'io ?

Doda Razafindravelo
Ny maraina manomboka amin'ny 9 ora dia famoahana ny boky "DIA HARY" sy fampahatsiahivana ny hetsika teo aloha amin'ny alalan'ny sary ary fitsidihana ny fampirantiana sy fakana sary. Ny hariva manomboka amin'ny 2 ora indray isika "Mifampizara ny kanto", izay hanasana ireo rehetra tonga ao handray anjara amin'ny fanehoana ny kanto any aminy. Mandritra ny tontolo andro ny hetsika.

Ikaloyna
Misy mpanakanto ve hanampy anao amin'ny fiantsana?

Doda Razafindravelo
Eny, ireo fikambanana misy ahy no hanampy ahy ao.

Ikaloyna Vony
Hahafinaritra tokoa izy izany, hisy famoaham-boky hoy Doda teo, fahafiry amin'ny boky navoakanao izy io ?

Doda Razafindravelo
Boky faharoa an'i DODA i "DIA HARY" (etsy ankilany ny sarin'ny fonony).

Ikaloyna Vony
Ahoana ny fijerinao ny fitiavan'ny Malagasy boky ?

Doda Razafindravelo
Hatreto aloha, mbola tsy marisika amin'ny boky ny Malagasy na dia miezaka mafy aza ny Mpanoratra misarika ny mpamaky.

Ikaloyna Vony
Misy vahaolana azonao atolotra ?

Doda Razafindravelo
Ny hetsika toy izao dia efa isan'ny fisarihana azy ireo hitia ny maha-Malagasy sy ny boky manandratra izany.

Ikaloyna Vony
Satrinay tokoa hiara-hitafa amin'i Doda Razafindravelo eto. Misy hafatra farany azonao apetraka ve?


"Sambatra ny fo hanjakan'ny tena fitiavana"


Doda Razafindravelo
Mahaiza mankafy ny zavatra vitan'ny tena, mandrosoa amin'ny talenta ananana ary aza hadinoina fa Malagasy ianao. Farany, "Sambatra ny fo hanjakan'ny tena fitiavana", ataovy amin'ny fitiavana ny zavatra rehetra.

Ikaloyna Vony
Voaray ny hafatra mafonja napetrakao. Mankasitra anao izahay nivahiny teto amin'ny tranonkala Pôetawebs ary mirary soa anao hahavita dingana avo amin'izao fanandratana ny literatiorantsika izao !

Doda Razafindravelo
Mankasitraka ny tompon'andraikitra eto amin'ny tranonkala Pôetawebs nandray an'i DODA Razafindravelo. Ho ela velona sy hirobo hatrany anie ny literatiora malagasy. Hiandry anao ao amin'ny Tahala Rarihasina Analakely i DODA Razafindravelo amin'ny faha-13 Febroary ho avy izao. Indrindra anatin'ny "Mifampizara ny kanto". Mankatelina tompoko!


http://mobile.facebook.com/messages/send/?icm=1&refid=12

Pôetawebs©2015 - poetawebs@gmail.com

Date de dernière mise à jour : 16/01/2016