Ny poeta raha miteny
  dia mampita izay mba reny
 sady saininy ombieny
 
amin'ny gadona avo lenta
  mampitony hetaheta :
 bitsik'ivan'ny poeta. (T.Ràja)

28 Aprily 2016

NIAINA SAKAIZA, VAHININ'NY PÔETAWEBS

Ikopa sy Betsiboka na samy hafa dia nampifandraisin'i Antananarivo. Antananarivo sy Antsirabe tsy mifanakaiky fa nampitohizin'ny lalana.  Mpanoratra sy mpankafy samy manina ka nampihaonin'ny serasera toy izao. Niaina Sakaiza, faly miarahaba anao mivahiny eto amin'ny efitry ny tapatapakahitry izahay Pôetawebs.


Léa Fandresena
Miarahaba anao. Iza moa Niaina Sakaiza?

Niaina Sakaiza
Faly miarahaba ny Pôetawebs i Niaina Sakaiza.

Eny tokoa, nampifandraisin'ny tambazotran-tserasera ity isika. I Niaina Sakaiza dia mpanoratra, pôeta, mpampianatra taranja tantara sy jeografia ary farany, mbola mpianatra eny amin'ny Anjerimanontolo Ankatso.

Ankoatra izay, sehatry ny tononkalo no tena nahafantarana ahy hatramin'izay. Boky roa no efa nivoaka, niarahana tamina mpanoratra sy poeta namana maromaro:

- Tadio

- Rombom-panahy andiany faharoa.
 



Léa Fandresena
Tamin'ny taona firy no nanomboka nanoratra?

Niaina Sakaiza
Ny nanombohana nanoratra indray dia tany ho any amin'ny taona 2007/2008 tany ho any.

Toetra Ràja
Inona no hevi-ponosin'ny anaranao Niaina Sakaiza?


Niaina Sakaiza
Niaina Sakaiza? Voalohany aloha dia nalaina avy tamin'ny tena anarana ny Niaina Sakaiza, ny Sakaiza kosa indray dia anaram-petaka teny amin'ny fiaraha-monina fony aho kilasy famaranana. Nanana namana tsy nifankafoy tamiko izay aho ary ny fianakaviany rehetra dia niantso ahy hoe Sakaiza, voatery tsy maintsy nisara-toerana izahay taty aoriana ka tsy nifanerasera intsony. Na izany aza, mbola niantso ahy hoe Sakaiza foana ireo fianakaviany dia tapa-kevitra hitondra io solon'anarana io aho ho fahatsiarovako azy. Faharoa, ny hoe "Niaina Sakaiza" dia mari-pilazam-potoana lasa mifamaly amin'ny hoe ''miaina'' sy ''hiaina'', izany no midika fa fisakaizana efa lasa no ambaran'io solonanarana Niaina Sakaiza io. Izany anefa tsy midika fa zavatra lasa daholo no ventesin'ny asa soratro, milaza ny ankehitriny sy ny ho avy  ihany koa izy ireo saingy ilay namako fahiny fotsiny no tsiahiviko isaky ny misoratra ireo teny roa voasokajy ho anarana ireo.

Léa Fandresena
Inona avy ny lohahevitra voizinao ao anaty tononkalo?

Niaina Sakaiza
Maro ny tara-kevitra voiziko. Ny mpanoratra mantsy amiko dia tsy tokony hianona amin'ny tara-kevitra iray. Ny marina  araka ilay tononkalo izay hoe "sokajin'ny vahoaka, mpanao ampamoaka fiainam-piarahamonina" ny mpanoratra ka izay tranga rehetra ao dia voatanisa avokoa toy ny fitiavana, fahafatesana, finoana, tanindrazana sns.

 

"Ny mpanoratra mantsy amiko dia tsy tokony hianona amin'ny tara-kevitra iray "

 

NY ZOMA

Impiry aho no nandainga
tamin'ireny andro maro
rehefa nanontany
ity zanatsika tokana
nankaiza Dada ry Neny?

Tsy maintsy miasa izy rehefa zoma hariva
ka taratara kely dia matory ianao.
Tsy fantany mihitsy ilay Dada adalam-behivavy,
ilay Dada mamolava sy mpamono vady
mananatra aho fa vady e!
Tena tsy ho tantiko ny hitsarany anao
amin'ny androm-pahatongavan-tsainy
ity vadinao mpandainga tsy ho eto foana foana
mandritra ny fotoana.
Tsy ho mati-kambo aho fa tena mitaraina
raha izaho aoka tsy ho lazaina
f'ity zaza ato am-bohoka no mila orokoroka.
Ny zoma tsy asiana resaka iny
hatokana ho anao
fa ny andro hafa
jereo ny zanakao.

Niaina Sakaiza, Tadio.
Léa Fandresena
I Niaina Sakaiza mpitovo no nanoratra ny tononkalo.


Niaina Sakaiza
Io tononkalo io dia nosoratako niainga tamina tranga natrehako indray andro izay teny  Ambohitrarahaba teny. Porofo izany fa afaka mitantara na dia seho tsy Niaina Sakaizany akory aza ny mpanoratra. Raha izaho manokana mantsy dia mbola tsy manam-bady, tsy manan-janaka, kanefa dia nahasoratra io. Ainga isan'ny nahagaga ny maro ihany satria mirakitra fiainam-behivavy iray anaty fijaliana tanteraka noho ny ditram-badiny.


Léa Fandresena
Anisan'ny miserasera amin'ny mpanoratra maro ianao ary efa niaraka tamin'ny tadio sy ny Rombom-panahy 2. Ny mbola ho avy efa henoheno, inona no antony nahatonga izany?

Niaina Sakaiza
Eny tompoko, tena mifanerasera amin'ireo namana mpanoratra maro tokoa, porofon'izany ny Tadio sy ny Rombom-panahy. Ny ho avy? Amin'ny Alarobia 04 Mey izao etsy amin'ny Ivokolo Cemdlac Analakely, izay hiarahako amin'i Fotopisaina RaOly sy Nahary PEniNA. Izy io dia mitondra ny lohateny hoe Fanahy Tsy Iniana. Ny antony dia fitiavana hamaritra ilay fanahy manosika ny mpanoratra hiainga ambiroa. Tsy iniany anefa izany fa toa manesika avy anaty ao fotsiny mba haranty an-taratasy, dia izao hanjary Boky izao.


Léa Fandresena
Manampaniriana andeha irery ve?

Niaina Sakaiza
Raha ny hoe andeha irery indray dia satry tokoa saingy ny manao zavatra tsy mora ka eo no mahaela, izany hoe efa manomankomana ihany saingy tsy mbola amin'izao aloha... Vao manokona e!


Léa Fandresena
Inona avy ny gazety na onjampeo ampitanao hafatra ankoatra Facebook sy ny seho an-tsehatra?

Niaina Sakaiza
Somary efa maromaro ihany ny haino aman-jery namoaka ny asa soratro raha tsy hilaza afa-tsy ny Madagascar Télévision, radio Aceem, radio Feon'ny Fahendrena ihany koa... Raha ny gazety indray dia ilay gazety tsy zovina amintsika intsony na ny lazany na ny taonany efa ela netezana tamin'ny fanandratana ny literatiora dia ny gazety boky Ny Sakaizan'Ny Tanora.


Léa Fandresena
Azonao amafisina tsara ve ilay vaovao teo azafady?

Niaina Sakaiza
Ny vaovao nentiko, efa ilay voalaza teo ambony fa tsindriko etoana ihany, Fanahy Tsy Iniana, famoaham-boky sy antsa etsy amin'ny Ivokolo Cemdlac Analakely ny Alarobia 04 May 2016 ho avy izao amin'ny 02 ora sy 34 minitra tsy diso. Telo mianadahy izahay saingy hisy namana hanampy amin'ny famelomana ny antsa toa an-dry Bade RaAnRaMa sy Omega Ratojo izay hanasana antsika rehetra ho avy satria tsy misy vidim-pidirana fa boky no amidy ao amin'io fotoana io. Seho haharitra ora 02 eo ho eo, horavahana hira.


Toetra Raja
Misy tarika mpihira nasaina ve amin'io hetsika Fanahy tsy iniana io?

Niaina Sakaiza
Eny tokoa, hisy mpihira ho avy hanafana ny lanonana amin'io.


Toetra Raja
Azonao lazalazaina ve ny endriky ny boky?

Niaina Sakaiza
'Ndeha ho resahina ny boky, manodidina ny zato (100) pejy eo ho eo ny boky. Andriamatoa ANDRIAMIARANA Mbolatiana na MBOLA-NAMANA no nanao teny fanolorana, Ramatoa RAKOTOMAVO Tsiky no nanao ny sarika ary Ramatoa kely RAHANTAVOLOLONA Annie HanitriNiaina Sakaiza na Niaina Sakaiza Sakaiza, izany hoe ny tenako, no nanao ny teny fisaorana. Amin'io fotoana io dia hisy boky amidy ka 10000ar ny fandraisana anjara; marihiko ihany fa tsy misy vidim-pidirana ny hetsika.



Toetra Raja
Misy hiantsa ve ny tononkalonao?

Niaina Sakaiza
Araka ny voalaza tery aloha dia hisy hanampy amin'ny famelomana ny antsa, nisafidy mpiantsa iray avy izahay telo mianadahy hamelona ny ainganay, ny ahy manokana dia i Bade RaAnRaMa.

 

Toetra Raja
Azonao ambara ve ny fahombiazana sy ny lesoka tamin'ny Rombom-panahy 2.

Niaina Sakaiza
Raha ny momba ny Rombom-panahy andiany faharoa manokana dia maro ny zava-tsoa azo raha tsy hilaza afa-tsy ireo fifampikasohana tamin'ireo mpanoratra maro ka nanjary angady nananana sy vy nahitana ny Tadio, fahaiza-manao azo ihany koa. Manarak'izany, toy ny zavatra rehetra ihany dia misy koa ny lesoka dia ny tsy firaisan-kina sy tsy fandraisana andraikitry ny tsirairay indraindray. Soa lavo hahay hamindra nefa soa kenda hahay hitsako ny fiainana ka dia lesoka natao fakan-desona ihany izany. Tsara lazaina ihany fa tsy teto Antananarivo Renivohitra no natao ny hetsika Rombom-panahy andiany faharoa fa tany Antsirabe, noho ny antony ara-pahasalamana anefa dia tsy afaka nanatrika izany tamin'ny ora farany ny tenako ka tsy manam-baovao ny amin'izay niseho tany. 

 


Toetra Raja
Ahoana ny fahitanao ny fivoaran'ny tononkalo ankehitriny?

Niaina Sakaiza
Mivoatra be mihitsy ny tononkalo ankehitriny! Manamarina izany ireo asa soratra tsy mena mitahy amin'ireo zokibe teo aloha, mbola tanora dia tanora kanefa ny mpanoratra azy ireny. Na izany aza anefa mbola maro ny tanjona sy vina mila tratrarina ho antsika tanora namana, eo ny fanamparitahana ny kanto vita amin'ny teny izay ''miady irery isika'', toy ny famoahana boky ohatra. Eo ny fanandratana ny tenin-drazana mitady ho maty maso manoloana ny fanatontoloana  sy ny teny ''vary amin'ny akotry'',


Toetra Raja
Mpampianatra ianao. Fantatry ny mpianatrao ve ny maha pôeta anao ary betsaka ny mpakafy?

Niaina Sakaiza
Mpampianatra tokoa aho, misy amin'ireo mpianatro no tsy mahalala saingy efa marobe no mahafantatra izany, hita ho gaga izy ireo satria mbola tanorakely aho. Ny tao an-tsain'izy ireo mantsy dia efa nahazohazo taona izany olona manoratra izany, somary nahatsikaiky. Eny, maro ny mankafy.


Léa Fandresena
Ahoana ny fandaharam-potoananao amin'ny maha mpampianatra sady mpanoratra anao. Miavaka ve ny fanoratana?

Niaina Sakaiza
Ny fandaharana amin'ny maha mpampianatra sady mpanoratra ve? Voalohany, mifanampy sy mifampiankina ireo, afaka manoratra tsara mihitsy aho sady mampianatra koa. Ilay mampianatra mantsy amiko dia fahafinaretana, adidy ihany koa amin'ny maha olom-pirenena, izany hoe tokony hanefa anjara biriky eo amin'ny firenena ny rehetra dia ny ahy ny sehatry ny fanabeazana no safidiko. Faharoa, ny olana kely fotsiny dia eo amin'ny fikarakarana hetsika ny seho isankarazany, indraindray mantsy mifanitsaka ny fandaharam-potoana ary mananosarotra saingy tsy misy mafy tsy laitra e!

 

"Adidy masina ny maha mpanoratra anao ka tokony taratra hatrany eny aminao ny fahendrena, ianao ilay mpilanja ny hazo fijalian'ny mpiara-monina aminao"

Léa Fandresena
Ahoana ny fahitan'ny fiarahamonina sy ny fianakaviana anao amin'ny maha mpanoratra anao?

Niaina Sakaiza
Misy fomba fijery ratsy sy mihevitra ho mirediredy fotsiny eo amin'ny fiarahamonina. Fa misy koa anefa no mankahery hatrany, fandreko matetika amin'ireo zoky ny hoe "adidy masina ny maha mpanoratra anao ka tokony taratra hatrany eny aminao ny fahendrena, ianao ilay mpilanja ny hazo fijalian'ny mpiara-monina aminao"; ny fianakaviana izay mahafantatra hetreto dia manasitraka daholo ary manohana ihany koa. Raha ny marina, vao haingana ihany no nahafantaran'izy ireo fa mpanoratra sy pôeta aho.


Léa Fandresena
Taloha, saika lehilahy ihany no pôeta malaza; ankehitriny efa misy vehivavy manoratra saingy mbola vitsy no sahy miseho toa anao. Ahoana hevitrao momba izany?

Niaina Sakaiza
Eny tokoa, mora kokoa no manaiky ny lehilahy ho mpanoratra an! Efa raiki-tapisaka amintsika io fomba fihevitra io saingy tsy ny lehilahy irery no hiasan'ny fanahy ka manana ainga tonga soratra fa misy koa ny vehivavy voatendrin-Janahary ho amin'izany toa an-dry ERR sns. Izaho manokana tsy manery ny rehetra hanaiky fa tsy natao ho anjorom-pahitra kosa ny kanto, izany hoe tokony hiseho masoandro ny asa soratra rehetra mba ho feno ilay famaritana azy. Iza tokoa no mamaritra ny pôezia iray hoe kanto? Tadidio fa tsy ny mpanoratra azy velively fa ny mpamaky sy ny mpankafy ary mpamaky aloha vao lasa mpankafy raha ny marina (literatiora an-tsoratra no ambara eto); ka raha ireo no tsy feno dia mandringa ny literatiora.


Toetra Raja
Voalaza teo fa mpanao ampamoaka ny fiainam-piaraha-monina ianao. Fampiasa amin'ny lonilonim-politika izay "ampamoaka" izay. Mety ho misandrahaka amin'ny lohahevitra politika koa ve ny aingam-panahinao?

Niaina Sakaiza
Raha tsikeraina vetivety ireo lohahehitra voiziko anaty asa soratra dia mahazo toerana ny fiainam-piarahamonina sy ny politika. Iza tokoa moa no hanoratra ireny tranga ireny raha revo anaty fikaloana ny fitiavana sy ny tontolony fotsiny isika mpanoratra? Izany tsy midika fa tsy manoratra fitiavana akory.


Toetra Raja
Misy sanganasana pôeta zokiny (na zandriny) ve mety mba efa niondananao ka nahatonga anao ho pôeta koa?

Niaina Sakaiza
Maro ny sangan'asana pôeta sy mpanoratra maro vinakiko sy efa novinakiko saingy tsy niondana ny iray tamin'ireny mpanoratra ireny na zandriny na zokiny aho, mety ho gaga  ianao hoe fa ahoana? Raha izaho manokana dia tsy nisafidy  izany satria ny soratra fahafahana, tokony hananana ny mahaizy azy, izany hoe sary sy fanehoan-kevitra tsy hitovizana amin'ny hafa. Raha hiondana mpanoratra iray anefa aho dia tsy maintsy alaim-panahy tsy nahy hitovitovy amin'ny fanehoan-keviny ohatra.



Toetra Raja
Mety ho misy toetra tsy zakanao eo amin'ny mpiara-belona. Azo fantarina?

Niaina Sakaiza
Havadika ny tafa, ny toetra tsy zakako amin'ny mpiara-belona dia ireo karazana lainga sy fitaka, ny ahy izany rehefa hoe teny nolazaina ho tanterahina dia tokony tanterahina, rehefa eny dia eny ary rehefa tsia dia tsia.


Toetra Raja
Inona indray ary ny zavatra tianao indrindra amin'ny manodidina anao?

Niaina Sakaiza
Raha ny tiako indrindra dia ny mitazatazana eo atsimon-tranonay, maitso ny tontolo satria tanimbary  ary saham-boasary ny manodidina (atsinanana - avaratra - andrefana). Rehefa tsy vary maitso no tazana dia ranobe mangeniheny. Mamy loatra amiko io tontolo io noho izy tena mamaritra fa ambanivolo aty aminay (Ankadimanga-Itaosy).



Toetra Raja
Ankoatra ny soratra, azo fantarina ve ny fialamboly tianao?

Niaina Sakaiza
Ankoatra ny soratra ve? Ny miaraka amin'ny fianakaviako sy ny vaky boky no tena  fialamboly mahafinaritra ahy, indrindra rehefa harivariva iny dia ny alahady tolakandro ihany koa.


Toetra Raja
Hafatra farany azonao apetraka ho an'ny mpiseran'ny Pôetawebs?

Niaina Sakaiza
Farany, ny hafatra apetrako ho an'ny mpiseran'ny Poetawebs dia mila antsika ny literatiora malagasy, indrindra ny an-tsoratra, dia ny vaky boky izany, tsy ho feno mandrakizay mantsy ilay toko telo mahamasa-nahandron'ny literatiora  dia ny mpanoratra miampy ny asa soratra ary ny mpankafy/mpamaky; moa koa hita ho mihavery hasina ny fahendrena sy ny soatoavina malagasy ankehitriny. Mila antsika hamelona indray izany, adidy goavana io ka samia manondrotra tanan'akanjo manomboka izao. Hitombo hasina anie ny kanto vita amin'ny teny, ho ela velona ny Pôetawebs ary manantena mbola hifanatri-tava aminareo amin'ny 04 may izahay... Mankasitraka tamin'ny fandraisana tompoko. Niaina Sakaiza Sakaiza.


Léa Fandresena
Mankasitraka tompoko!

Pôetawebs©2016 - poetawebs@gmail.com

Date de dernière mise à jour : 29/04/2016

×